logo
Lakroan'i Madagasikara
Asan’ny maizina

Mihanaka ny filalaovana ody sy ny famosaviana

Babany C. il y a 2 années

Maty ilay minisitra, avy hatrany dia misisika ny ahiahy. Ahiahy inona ? Nisy namosavy! Marobe ny hain-trano manerana ny Nosy, mitsofoka ny ahiahy. Ahiahy inona ? Ny demony no tompon’ny afo... Dia ahoana koa ? Ity lahatsoratra ity dia nivoaka tao amin'i Lakroan'i Madagasikara, pejy faha-3, laharana 3993 alahady 9 okitobra 2016.

Mihanaka ny filalaovana ody sy ny famosaviana

Notsofiny ny tarehiko dia lasany ny volako”, hoy ity ramatoa iray. Tranga fandre tsindraindray izany. Mety fandre matetika anefa io amin’ny toerana sasany. Isan’ny toerana hiriariavan’ireny mpahay io mazia mazia io ny eny amin’ny toby fiantsonan’ny fiara fitaterana tahaka ny eny amin’ny Fasan-karana (izay no fiantso io toerana io) ao Antananarivo. Ny fomba no mety miova. Mety misafo ilay mpanao ny asa ratsy fa tsy mitsoka. Ny vokany mitovy ihany. "Antsiva" no iantsoana an’ireo olona ireo eny amin’ny Fasan-karana. “Mahavariana fa dia fantatr’ireo antsiva ireo ny olona manana lelavola betsaka any aminy”, hoy ity saofera iray. “Samy hafa ny mpanera sy ny antsiva”, hoy izy nanampy. Ary dia notohizany fa samy manana ny fahaizany ry zareo ireo. Misy ny mandre fofona lelavola, ao ny misintona volamena. “Ny ahy izao dia nosafoiny ny tanako dia nomeko azy ny volamena tety amiko ary isan’izany ny peratra mariaziko”, hoy ity ramatoa iray. “Olona tsy fantatro. Olona mbola tsy hitako hatrizay izany no nomeko ny peratro”, hoy izy. Te hilaza izy fa tsy adala akory ka ny peratra mariazy dia omena olona. Saingy... fihetsika adala. Toa nentin-javatra.

Ohatra mifototra amin’ny resa-bola sy volamena ireo. Tsy midika akory izany fa ireo ihany no ahitana na nandrenesana ohatra nitranga teny anivon’ny fiarahamonina. “Ny azoko tantaraina anao dia izay nahazo ahy”, hoy ity namana iray. “Mpikotrana itony haiady itony ny namako, ary mahafehy izany, dia noheverin’ny adva (TTF : mpifanandrina) fa izaho koa izany mahavoa. Izaho no kelikely taminay mpinamana ireo. Nandefasan-dry zalahy maître iray aho ary nopehany ny soroka fa tena ny alin’iny dia tena nalemy ny ilan’ny vatako mifanandrify amin’ilay nopehan’ilay maître”, hoy Ranamana nanazava. Kisendrasendra ve ? Mihevitra ity mpitantara fa hafatra natsipy taminy sy ireo namany izany; mampitandrina fa raha mahavoa kotrana ianareo ireo, ny aty kosa manana tombony dia ilay hery miafina izany. Moa tsy izay ihany koa ve ny eritreritra mandalo rehefa mandre ny zava-bitan’i Maître PierreBe ? Tsy milaza akory isika eto fa nanao asa maizina ity olona ity.

Tratry ny masobe tsy mahita izy. Ireo mpanao mena mahazo dia isan’ny tena mampiasa io maso be tsy mahita io", hoy ny olona iray. Marihina fa maro ireo manao ity mena mahazo ity eny amoron’ny farihin’Anosy, ao an-drenivohitra ao. Mena mahazo moa no iantsoana azy na dia efa novain-dry zareo ho maty indray no mahazo amin’izao fotoana izao. "Jereo anie fa efa karatra roa sisa no eo mbola tsy hitanao ihany ilay karatra ametrahana ny vola mba hahazoana", hoy ny mpijery iray. Resy lahatra izy fa misy fandraikiraikena ao. Ka ny fandraikiraikena ve midika ho mosavy? Sa rehefa tsy voazavan’ny saina "miketrika" dia mosavy? Tao ny resaka Tokanono izay nosamborin’ny FIS notarihin’ny Colonel Lylison. Tao ny resaka ambalavelona sy Cohen Rivolala. Tao ny resaka mpivarotra enta-madinika manao fandriro-barotra, ka mahasarika olona kanefa dia olona miavona tsy misy tahaka izany ilay mpivarotra.

 

Mosavy misandrahaka

Ny tontolom-piainana rehetra dia ahitana io resaka mosavy io. Tafiditra ao anatin’izany ny tontolo politika. "Io indrindra aza no tena misy resaka maloto", hoy ity mpanara-baovao. "Izay fitondrana nifanesy teto dia ahitana resaka mpimasy avokoa", hoy izy. Na tany amin’ny fitondrana talohan’ny fanjanahantany izany, na ankehitriny efa ao anatin’ny demokrasia. Tamin’ity taona 2016 ity, dia nisy ny mpanao politika no nitarika ny vahoaka malagasy hivavaka amin’ny alina ary voatondro mazava ny ora satria "devoly", hoy izy, no atrehana amin’izao tolona politika atao izao. Misy ny milaza fa manana mpanao fanafody mahery ny mpitondra ankehitriny ka io no mahatonga ny vahoaka tsy ho rototra na dia hita aza ny tsy fetezan-javatra ankehitriny.

Fa samy nanana ny laza ratsiny ireo mpitondra nifandimby. Raha vao miresaka bibiolona, dia fantatra avy hatrany ny ao ambadik’izany. Raha vao osy mainty no tononina dia efa fantatra: iza ny mpanao politika tenenina fa miompy izany. Ngovitra ve no lazaina? Anarana re faha-Repobilika faharoa izany.

Tsiahivina fa nisy ny valan-dresaka nataon’ny pasitera Andriamanjato Richard nilaza fa ny filoha Ravalomanana dia nanao fifamatorana tamin’i Satana. Ny olona nanao ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety dia nanana ny lazany, noheverina fa olona manam-pahaizana sy fahendrena. Ny toerana nanaovany izany koa dia mifamatotra amin’ny fiangonana kristianina. Ka marina ve ny nambarany eo anatrehan’izany rehetra izany ? Sa... Nentin-javatra izy nanao ny valan-dresaka ?

Maro ireo singa nanehoan’ny mpanao politika fa mampiasa na matahotra io resaka mosavy io izy ireo. Isan’ny nahitana izany ny fitondran’izy ireo mpiandry rehefa hiditra amin’ny toerana iray ka nipetrahan’ny mpifanandrina politika izay lasa ho fahavalo politika tsotra izao. Ilay famosaviana (sorcellerie) izany navadika ho fanapoizinana (empoisonnement). Dia tsiahivina eto izany fa raha nandeha nivory tany Maputo ny filohan’ny Tetezamita, Andry Rajoelina, dia nentina avy aty Madagasikara ny sakafony. Ahiahy ? Fahamalinana ? Asa izay tena antony. Soritana fa misy ireo firenena lehibe ireo no mitondra ny sakafo na rano ho an’ireo atiletany rehefa manao fifaninanana goavana. Matahotra mosavy ve ? Mosavy sa fanapoizinana no nahafaty ilay minisitra maty vao haingana teo ? Aleo lalovana fotsiny fa loza ho an’izay mampiditra ahiahy…

Tsy eto Madagasikara ihany

Tsy tranga iainana eto Madagasikara irery hatreto ity resaka famosaviana ity na fananana mpimasy na mpitaiza. Misy rohy ahitanao ireo mpitondra afrikanina folo voalohany raha ny fampiasana mpitaiza no hikilasiana azy ireo. Ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “Les 10 chefs d’Etat les plus accros aux marabouts” dia ho hitanao ao amin’ny www.lakroa.mg.

Fa etsy andanin’izany, mba ahoana ny amin’ireto hain-trano maro manerana ny Nosy ireto ? Raha nivory tao Antananarivo ireo mpikambana ao anatin’ny ANTM (Association Nationale des Tradipraticiens Malagasy) dia namaly ny maro tamin’izy ireo fa mpitsabo ry zareo ka tsy manan-kevitra momba io hain-trano be dia be io. Misy ihany no milaza fa vokatry ny fifanarahana maizina tsy voahaja. Iza no tsy nanaja ilay fifanarahana ? “Tsy maintsy mpitondra firenena io tsy nanaja ny fifanarahana io matoa manerana ny Nosy ny hain-trano”, hoy i Neny, iray amin’ireo mpitaiza ireo. “Maro aminay no nomena fahaizana manokana hanasitrana ny aretin’ny fiarahamonina. Saingy… Rehefa tsy hitanay ny niavian’ny olana na ny nametraka ilay zavatra mitarika aretina dia tsy hita ny fanefitra atolotra”, hoy ihany izy. Nambarany fa tsy mitazam-potsiny izy ireo. Fa dia izany mbola mandresy izany ny ratsy hatreto. Ankoatra izany rehetra izany, soritana fa efa misy koa izao ireo vahiny milaza fa afaka mamaha ody ratsy sy fanahy ratsy ary manao dokam-barotra amin’ny haino aman-jery sy gazety maro eto an-toerana. Dia misy tokoa ireo mitoky amin’izany.

Santionan-dresaka avy aminareo namana sy valiteny avy amin’ny mpiara-monina nametrahana ny fanontaniana ireo nangonina ireo. Ka ahoana hoy ny Fiangonana ? Tantara mitohy.

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 14 Sep. 2018 - 08:38-

    Poulet de chair à Madagasikara. Pour Olivier Fanchette, de Innodis Poultry, il y a encore de la marge pour produire du poulet de chair à Madagasikara. “C’est pour cette raison que nous participons à la Foire Internationale d’Agriculture”. Innodis Poultry est l’un des plus grands producteurs de poulet de l’île Maurice. Selon Fanchette, cette société exporte vers Madagasikara du poulet de chair avec garantie sanitaire sans antibiotiques. De son côté Iqbal Mohungoo, de la société Meaders Feeds, assure l’alimentation des poulets de chair, une alimentation répondant aux besoins d’une clientèle autant présente sur le marché local que régional dont Madagasikara.

  • 13 Sep. 2018 - 07:45-

    Colloque sur l’énergie. Lors d’une rencontre avec la présse Andry Ramaroson a fait savoir que le Groupement Des Professionnels de l’Energie à Madagascar GDPEM organise un colloque en entrée libre qui se tiendra au 3A Andrefanambohijanahary durant 2 jours ou 4 demi-journées avec comme thème “Energie, 1er levier de la croissance économique de Madagascar”. La première demi-journée (matin du 14 septembre) une conférence-débat sur l’économie d’énergie et l’après-midi sur le génie électrique. La troisième demi-journée (matin du 15 septembre) une conférence-débat sur le thème 1er levier économique de Madagascar. Et l’après-midi sera consacré à la restitution des travaux.

  • 10 Sep. 2018 - 07:28-

    Affaires courantes du Président. Pour la HCC, rentrent dans la catégorie juridique des attributions présidentielles courantes, les affaires constituant la poursuite normale d’une procédure régulièrement engagée avant la démission du Président de la République, toute affaire dont l’importance dépasse celle des affaires de gestion journalière si la procédure qui a donné lieu à l’acte règlementaire concerné a été engagée bien avant la période critique et a ensuite été réglée sans précipitation et si les questions politiques, qui ont pu se poser sur le plan administratif, ont été résolues avant cette période critique.

  • 10 Sep. 2018 - 07:28-

    Non affaires courantes du Président. Pour la HCC, ne rentrent pas dans les compétences attribuées au Chef de l’Etat ad intérim celles qui procèdent des articles 45 alinéa 3, 54 ; 55 -2°, 4° sauf en cas de faute grave ou de crime ou délit commis par le haut fonctionnaire, 5°, 6°, 7°, 8° ; 56 ; 57 alinéa premier ; 58 ; 59 alinéa 2 ; 60 ; 61 ; 103 ; 104 ; 107 ; 137 ; 162 ; 163. Il est habilité à exercer toutes les autres attributions confiées au Président de la République par la Constitution.

  • 01 Sep. 2018 - 09:48-

    Journée mondiale de prière pour la sauvegarde de la création 2018. Instituée en 2015 par le Pape François, quelques mois après la publication de son encyclique « Laudato si’, sur la sauvegarde de la maison commune », cette journée a lieu chaque 1er septembre, en communion de prière avec les Eglises orthodoxes, « pour offrir « à chacun des croyants et aux communautés la précieuse opportunité de renouveler leur adhésion personnelle à leur vocation de gardiens de la création, en rendant grâce à Dieu pour l’œuvre merveilleuse qu’Il a confiée à nos soins. » (Pape François, Lettre du Pape François pour l’institution de la « Journée mondiale de prière pour la sauvegarde de la création », 6 août 2015).

  • 01 Sep. 2018 - 07:56-

    Liste des personnes exerçant des hautes fonctions et hauts emplois civils et militaires de l’Etat, candidates aux élections, assujetties à l’obligation de démission prévue à l’article 6 alinéa 5 de la Loi organique relative au régime général des élections et des référendums. I – Les personnes nommées aux hautes fonctions et hauts emplois civils de l’Etat :   – Grand Chancelier de l’Ordre National malagasy ; – Ambassadeurs ou chefs titulaires de missions diplomatiques avant rang d’Ambassadeurs ; – Gouverneur de la Banque Centrale ; – Secrétaires généraux, Directeurs généraux et Directeurs de ministères ; – Présidents d’Universités ; – Représentants de l’Etat au niveau des collectivités territoriales décentralisées ; – Directeurs généraux, membres des organes d’administration ou de gestion des organismes rattachés aux Institutions et aux départements ministériels.

  • 01 Sep. 2018 - 07:55-

    Liste des personnes exerçant des hautes fonctions et hauts emplois civils et militaires de l’Etat, candidates aux élections, assujetties à l’obligation de démission prévue à l’article 6 alinéa 5 de la Loi organique relative au régime général des élections et des référendums. II – Les personnes dont la nomination aux hautes fonctions et hauts emplois militaires est faite par décret en Conseil des Ministres : – Officiers Généraux ; – Inspecteur général de l’Armée Malagasy; – Inspecteur général de la Gendarmerie Nationale ; – Chef de l’Etat-Major général de l’Armée Malagasy ; – Commandant de la Gendarmerie Nationale ; – Adjoints au chef de l’Etat-Major général de l’Armée Malagasy; – Adjoints au Commandant de la Gendarmerie Nationale ; – Commandant des Forces Aériennes ; – Commandant des Forces Navales ; – Commandant des Forces d’Intervention – Commandant des Forces de développement ; – Chef d’Etat-major du commandement de la Gendarmerie Nationale ; – Commandants des régions militaires; – Commandants des Circonscriptions inter-régionales de la Gendarmerie Nationale ; – Tous autres fonctions et hauts emplois militaires dont la nomination est faite par décret en Conseil des Ministres.

  • 24 Aug. 2018 - 00:29-

    Le couple présidentiel a reçu, ce matin du 22 Août 2018, l’Archevêque de Toulouse, Mgr Le Gall Robert au Palais d’Iavoloha, dont c’est la seconde visite à Madagascar. Les discussions ont porté sur les actions humanitaires de la diaconie catholique de France àa Madagascar « Nous avons été très heureux de cette rencontre qui honore notre mouvement sur la diaconiede la beauté, et comment la beauté sous toutes ses formes pourrait conduire à Dieu » a déclaré Mgr Le Gall, qui a notamment le diocèse de Lourdes sous sa responsabilité. La place et le rôle de la Grande Île au niveau de la Région Océan Indien et sur le plan international ont été aussi évoqués lors de la rencontre

  • 23 Aug. 2018 - 20:33-

    Ankolagny 6. Prospérer organisé pour la sixième fois sa foire économique Ankolagny. Elle se déroule du 24 au 26 août et elle est hébergée par la commune de Befandriana nord. Les organisationsateurs tablent sur la venue de plus de 2000 visiteurs pour visiter la centaine de stands révus avec comme produit phare les blacks eyes, la vannille et l'oignon.

  • 17 Aug. 2018 - 07:22-

    Kandida faha-13. Mamy Richard Radilophe no kandida faha-13 nanatitra ny antontan-taratasy firotsahana handray anjara amin’ny fifidianana izay ho Filohan’ny Repoblika. Tonga nanatitra ny ny faha-16 aogositra teo izy. Izy dia mpisolovava niaro ireo olona nenjehin'ny fitondrana HVM, toa an'i Fernand Cello, ny tao Soamahamanina, efa mpisolovava an'i Jean Louis Robinson ihany koa tamin'ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2013. Ny antoko Roso ho an’ny Demokrasia Sosialy (Renouveau pour la Démocratie Sociale) izay misy an’i Fetison Rakoto Andrianirina no nanolotra azy.

  • 16 Aug. 2018 - 08:46-

    JOB no kandida- faha 11. Jean Omer Beriziky na JOB, Praiminisitra, Lehiben'ny Governemanta teo aloha no kandidà faha 11 amin'ny laharan'ny fanaterana ny taratasy filatsahana ho fidiana Filohan'ny Repoblika ho tontosaina ny fihodinana voalohany ny 7 novambra 2018. Ny 15 aogositra tamin'ny 2 ora sy sasany tolak'andro izy no nanatitra izany taratasy izany teny amin'ny Fitsarana Avo momban'ny Lalàmpanorenana, Ambohidahy. Tonga teny ny tenany niaraka tamin’i Jean Félicien izay "mandataire". Ny Antoko politika "Antsika Madagasikara" no nanolotra azy.

  • 16 Aug. 2018 - 08:46-

    Kandidà faha-12 nametraka dosie. Richard Razafy Rakotofiringa no kandidà faha-12 nametraka ny dosien-ny teny amin’ny FAL, Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana na HCC. Izy dia miaramila teo aloha sady mpampianatra. Razafimalala Harimanana Tiana izay "mandataire" no nametraka ny antontaratasy ny 15 aogositra teo. Ny Antoko politika "Solidarité des jeunes intellectuels pour l'avenir de Madagascar" (SJIM) no manolotra azy amin’izao fifidianana filohan’ny Repoblika izao.

  • 14 Aug. 2018 - 13:29-

    CEPE 2018. Le nombre de candidats inscrits à l’examen du CEPE qui aura lieu ce mardi 14 aout 2018 est de 551.655. Ils seront répartis dans 13.638 salles des 1.833 centres d’examen de tout Madagascar. Parmi ces candidats inscrits, 17 malvoyants et 19 sourds-muets vont participer aux épreuves du CEPE dans les cinq provinces de Madagascar, à l’exception de Mahajanga. Pour la DREN SAVA on compte 39 315 candidats qui se répartissent dans 86 centres d’examen. Il est à rappeler que les sujets diffèrent suivant la région et le diplôme a une valeur nationale.

  • 14 Aug. 2018 - 06:59-

    CEPE sy Laharana maitso 020 30 807 86. Manomboka ny talata 14 Aogositra dia ho apetraka eto anivon’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-Pirenena ny « cellule » iray iraisan’ireo sampandraharaha mikirakira ny fanadinana izay hanangona ny vaovao rehetra manodidina ny fizotry ny fanadinana CEPE. Azonareo antsoina amin’ny laharana maitso 020 30 807 86.


  • 11 Aug. 2018 - 10:19-

    3 nouveaux candidats. Ce 10 août, trois candidats ont déposé leur dossier de candidature à l'élection présidentielle auprès de la Haute Cour Constitutionnelle à savoir : Dr Jules Etienne présenté par le parti MAFI (Madagasikara Fivoarana),  Zafimahaleo Rasolondraosolo, dit Dama Mahaleo, candidat du parti Manajary Vahoaka; et Paul Andrianiaina Rabary, candidat du parti MIASA. Ainsi, depuis l’ouverture de la période de dépôt des dossiers 7 candidats en tout ont déposé leur dossier (Andry Rajoelina, Jean Ravelonarivo, Mailhol Dieu Donné, Fanirisoa Erinaivo).

  • 04 Aug. 2018 - 08:57-

    Candidature du général Jean Ravelonarivo. Zaza Ramandimbiarison et Ambroise Tata ont procédé dans la matinée de ce 3 aout, au dépôt des dossiers de candidature à l'élection présidentielle du général Jean Ravelonarivo, ancien Premier ministre auprès de la Haute Cour Constitutionnelle (HCC). Il est le deuxième candidat à avoir déposé son dossier. Jean Ravelonarivo a été présenté par le parti politique Antokom-Bahoaka Malagasy ou ABA.  Pour mémoire ce parti politique a fait connaître son existence au cours du mois d’avril de cette année 2018.

  • 04 Aug. 2018 - 07:57-

    Andry Rajoelina premier candidat à déposer son dossier. L’ancien président de la Transition, s'est fait représenter par Andry Herizo Rakotozafy, éphémère directeur de cabinet du Premier ministre Ntsay Christian, dans l'après-midi de ce 1er aout, auprès de la Haute cour constitutionnelle (HCC) à Ambohidahy, pour déposer son dossier de candidature à l'élection présidentielle. Cela s’est passé au moment même où le candidat Rajoelina faisait son show au Palais des sports de Mahamasina pour présenter son IEM ou Initiative Emergence de Madagascar.

  • 27 Jul. 2018 - 13:45-

    Niala tsy ho filohan’ny antoko HVM izy. Nametra-pialana tsy ho Filoha Nasionalin'ny antoko HVM i Rivo Rakotovao. « Tsy miala HVM ny tenako fa miala tsy ho Filoha Nasionaly fotsiny ihany ho fanajana ny lalàna » hoy izy. Nambarany ihany koa fa tsy manangam-pahavalo ary tsy manam-pahavalo ny HVM fa safidin’ireo izay niala noho ny tsy fitovian-kevitra politika sy tsy fitovian-kevitra eo amin'ny fitantanana ny Firenena ny zava-mitranga. Nanamafy ny fangatahany sy fanolorany ny Filoha Rajaonarimampianina hirotsaka ho fidiana indray ny antoko HVM. Soritana fa ny Lalampanorenana dia milaza fa tsy mahazo mandray anjara amin’ny fiainana antoko politika ny filoham-pirenena (adininy faha-49).

  • 23 Jul. 2018 - 08:57-

    Antonio Benedito Sanchez s’en va. L’ambassadeur de la délégation de l’Union européenne pour Madagascar et l’Union des Comores, Antonio Benedito Sanchez quittera Madagascar satisfait du travail qu’il a accompli durant son mandat. Il a confié qu’il prendra la direction du Mozambique tandis que son successeur, l’Italien Giovani Di Girolamo arrivera dans la Grande île vers le début du mois de septembre. Il sera remplacé par L’Italien Giovani Di Girolamo.En attendant la prise de fonction du nouvel Ambassadeur, le Ministre Conseiller Lothar Jaschke assurera son intérim.

  • 30 Jun. 2018 - 08:40-

    Remplacement à l’Assemblée Nationale. « Le Député dont siège devient vacant est remplacé par le suppléant élu en même temps que lui, sauf en cas d’annulation de l’élection, jusqu’au renouvellement de l’Assemblée nationale ». .Que suivant le certificat de décès n°65969 versé au dossier, sieur ABDILLAH est décédé le 21 février 2018 à l’hôpital Apollo de New Delhi. La vacance d’un siège de Député à l’Assemblée nationale est constatée, à la suite du décès de sieur ABDILLAH. Est proclamé Député à l’Assemblée nationale, le candidat EDIZARD, premier suppléant de la liste VPM-MMM de Vohémar. (Arrêt de la HCC du 28 juin 2018).

Du même auteur

politique
societe

Dans la même rubrique

culture
culture
Publicité