logo
Lakroan'i Madagasikara
pub_dada
Finoana manoloana ny fomba amam-panao

Voaantso hiaiky heloka ireo mpilalao ody ratsy sy mpamosavy

Benirina il y a 2 années

Nisy lahatsoratra navoaka tao amin'ny Lakroan'i Madagasikara laharana 3993, alahady 9 okitobra 2016, pejy faha-3 miresaka momba ny asan'ny maizina ary nilaza fa mihanaka ny filalaovana ody sy ny famosaviana. Ahoan kosa hoy ny fampianaran'ny Fiangonana manoloana izany? Indro lahatsoratra hita tao amin'ny Lakroan'i Madagasikara laharana 3993, alahady 16 okitobra 2016, pejy faha-13.

Voaantso hiaiky heloka ireo mpilalao ody ratsy sy mpamosavy

Sahala amin’ny antso miantefa amin’ny olon-drehetra dia voaantso hivalo sy hibaboka eo anatrehan’Andriamanitra ireo mpilalao ody mahery sy mpamosavy rehetra. Tsy vitsy amin’izy ireny no nandao ny asa ratsiny, noho ny zavatra nahazo azy na ny sedra nanjo ny tenany teo amin’ny fiainany, ka nahatonga azy nandini-tena sy niaiky heloka ary nibaboka tanteraka.

Maro tamin’ireo milalao ody ratsy, araka ny tantara no nandao ny asa ratsiny, ary nanenina tokoa noho ny tsy rariny nataony, fa be no nampijaly na namono olona tsy manan-tsiny. Ratsy ny filalaovana ody mahery ary loza mitatao ho an’ny taranaka ny famosaviana. Tsy mba soa ho an’ny fiaraha-monina ny fisian’ny famosaviana sy filalaovana ody ratsy, fa loza mihantona sy mitatao ho an’ny olon-drehetra izany. Koa rariny raha ho sazina sy hasaina mifona, mivalo, ireo rehetra tratra manao izany. Hitsiny koa raha ho fongorana ny fomba fisainan’ny olona toa izany.

 

Fanompoa-tsampy ny fitanana ody mahery

Misy ary mbola maro ny olona izay mitoky amin’ny herin’ny ody sy ny sampy tompoiny na ianteherany. Hadinony tanteraka Andriamanitra, ka ny herin’ireo kalanoro sy vazimba ary ny zavaboary hafa, mbamin’ny fitandremana ny fadifady rehetra momba izany no arahiny sy lalainy. Ao koa ireo mihambo ho mitana hazarin-karena ka diso miantehitra amin’ny vola amam-pananana maro, zary tsy miraharaha an’Andriamanitra sy ny hafa intsony. Ireny rehetra ireny dia fitokisana vato aman-kazo avokoa, ka mahatonga ny olona hiantehitra amin’ny herin’ny maizina sy ny filan’izao tontolo izao. Ao ny toa lasa manadinodino ilay hany Mpahary tokana nanao ny zava-drehetra.

Fanompoan-tsampy tsotra izao no azo ilazana ny ataon’ireo olona miantehitra amin’ny herin’ny maizina sy ny harena ary ny voninahitra amam-pahefana ara-nofo. Fanandevozana ny hafa no aterak’ireny, ary mamita-tena izay miankim-po aminy satria, mandalo sy mihelina avokoa izao rehetra izao, izao tontolo izao sy ny filany. Voalaza fa ny fakana ody fitia no mahatonga ny olona hamosavy, kanefa dia tsy misy fitiavana azo vidina sy fandrihina ary atakalo vola aman-karena. Fanomezan’Andriamanitra ny tena fitiavana, ka ny ivelan’izany dia fitaka sy haitraitra ary rendrarendra avokoa.

 

Asan’ny Ratsy ny mosavy sy vorika ary ny lainga ifaharany

Tsy misy matoky mpamosavy velively; ary raha misy olona tratra manao izany dia feno fahafaham-baraka tokoa. Fa loza koa no afitsoky ny mpamorika, satria miafina sady tsy fantatra izy, ary sahy manapoizina ny hafa amin’ny andro antoandro, tena mpamitaka tokoa. Lainga no ifaharan’ny vorika, satria olona toa mba itokisana ihany no manao izany, nefa noho ny fitiavam-bola na noho ny fialonana, dia mahavanon-doza, mandatsak’ain’olona mangingina.

Samy asan’ny ratsy avokoa na ny mamosavy na ny mamorika, saingy itsy faharoa no tena ratsy sy maloto, satria “tsy miharihary handosirana”, ary “tsy mivatravatra hialana” ny fomba ratsiny, fa fitaka bevava tsotra izao no ao ambadika. Noho ny fitiavan-karena sy vola, dia be no solafaka, mirotsaka hanolotra fanafody ratsy hamonoana ny hafa, hanimbana ny fahasalamany.

 

An’Andriamanitra irery ihany ny fandresena

Efa nandresy an’izao tontolo izao i Kristy. Koa na ny amperora Konstantino na i Klovisy mpanjaka dia samy nahatsapa fa nitondra fandresena ho azy ny fandraisana ny Lakroa ho fiaro sy famantarana tamin’ny ady nataony avy. Nialan’izy ireo ny fomba mahadiso ary nidirany sy nizorany kosa ny lalan-tsara, dia ny fandraisana ny Batemy sy ny fiarovana ireo Kristianina tao amin’ny faritaniny avy. Ekena fa be ny zava-manahirana, saingy tsy fanao ny mandatsaka aina, tsy fomba ny milalao ody ratsy, tsy mahasoa ny mamorika sy mamosavy… Koa mila beazina ny taranaka mba ho tia vavaka sy hahay manetry tena.

Tsy maintsy hamafisina araka izany ireo dina sy rafitra ifampifehezan’ny mpiara-belona, mba tsy hisy ny fiangarana sy fanaovana an-kilabao ny hafa. Mitaky fibebahana sy fifanajana ary fifampihainoana anefa izany rehetra izany. Izay no antony anasana ireo mpilalao ody mahery sy mpamosavy ary mpamorika mba hibaboka sy hiaiky heloka mangingina.

Maro ny resaka mandeha momba ny mosavy, vorika, vonoana olona ary ny halatr’omby, mbamin’ny herisetra isan-karazany. Ny fantatra dia be amin’ireo malaso no tsikaritry ny olona fa miravaka ody mahatsiravina sy tapa-kazo... Mitady hanjaka sy hiely indray ny fanompoan-tsampy, satria be no very toky sy very fanahy mbola velona, tahaka ny valala voatango. Izany no antony anairana antsika mianakavy mba hiezaka hanabe ny taranaka tsy hinohino befahatany, na hanao ny tenany ho mahavita azy, ka zary tsy miraharaha ny hafa sy manodidina, manao mamy fo velona, manadino an’Andriamanitra. Nefa ny zava-drehetra dia fanomezan’Andriamanitra, ary ny asa ratsy isan-karazany kosa dia avy amin’ilay Ratsy sy i Satana, fahavalon’ny olombelona sy ny tena fivoarana.

Koa alao hery àry, satria ny fifikirana amin’ny Tompo irery no hany lalana tokana azo antoka, hitondra antsika ho any amin’ny tena fiadanana sy fandriam-pahalemana ary ny fandrosoana tena izy. Ny ivelan’izany dia rediredy sy lainga ary fitaka avokoa.

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 20 Nov. 2018 - 07:46-

    Communiqué HCC. Suite à la publication officielle des résultats provisoires du premier tour de l’élection présidentielle par la CENI le samedi 17 novembre 2018, s’appliquent de facto les dispositions suivantes de la Loi organique N°2018-009 relative à l’élection du Président de la République :
    Article 61 :
    La Haute Cour Constitutionnelle procède à la proclamation officielle des résultats définitifs dans un délai de neuf (9) jours à partir de la date de publication des résultats provisoires par la Commission Electorale Nationale Indépendante.
    Article 66 alinéa 2 :
    Le délai de recours est fixé à deux (2) jours après la publication des résultats provisoires par la Commission Electorale Nationale Indépendante.
    En application du système de délai franc, la réception des requêtes sera clôturée le mardi 20 novembre 2018 à 24h.

  • 16 Nov. 2018 - 07:45-

    Voici les tendances publiées sur le site de la CENI ce 16 novembre 2018 à 6 heures et 58 minutes. C’est une tendance nationale, BV traités : 22 576 sur 24 852 soit : 90,84%. Inscrits : 8 906 101 sur 9 913 599 votants : 4 807 829 suffrages exprimés 4 453 212 soit 92,48%. Taux de participation : 53,98%.

    - RAJOELINA Andry Nirina : 1 763 347 soit 39,60%

    - RAVALOMANANA Marc : 1 535 795 soit 34,49%

    - RAJAONARIMAMPIANINA Hery : 390 356 soit 8,77%

    - MAILHOL André Christian Dieu Donné : 56 928 soit 1,28%

    - RANDRIAMAMPIONONA Joseph Martin : 53 629 soit 1,20%

    - RAFALIMANANA Ny Rado : 52 897 soit 1,19%

  • 16 Nov. 2018 - 07:45-

    Administrateur apostolique du diocèse de Mahajanga. Mgr Gustavo Bombin Espino, OSST, actuellement évêque du diocèse de Maintirano (dont il est le premier évêque) a été désigné comme Administrateur apostolique du diocèse de Mahajanga. L’annonce a été faite durant les obsèques de Mgr Roger Victor Solo Rakotondrajao le vendredi 9 novembre à Mahajanga. Pour mémoire, Mgr Gustavo Bombin Espino était évêque de Tsironomandidy entre février 2004 et février 2017 ‘érection du noouveau diocèse de Maintirano). Mgr Gustavo Bombin Espino est né le 24 septembre 1960 à San Llorente (Valadolid en Espagne).

  • 14 Nov. 2018 - 13:41-

    Voici les tendances publiées sur le site de la CENI ce 14 novembre 2018 à 13 heures et 6 minutes. C’est une tendance nationale, BV traités : 17504 sur 24 852 soit : 70,43%. Inscrits : 7 062 725 sur 9 913 599 votants : 3 827 816 suffrages exprimés 3 539 985 soit 92,48%. Taux de participation : 54.20%.

    - RAJOELINA Andry Nirina: 1396356 (39.45%)
    - RAVALOMANANA Marc: 1297579 (36.65%)
    - RAJAONARIMAMPIANINA Hery: 266857 (7.54%)
    - MAILHOL André Christian Dieu Donné: 46243 (1.31%)
    - RANDRIAMAMPIONONA Joseph Martin: 41091 (1.16%)
    - RAFALIMANANA Ny Rado: 39742 (1.12%)

  • 13 Nov. 2018 - 14:56-

    FMF out, comité de normalisation in. Le Bureau du Conseil de la FIFA a décidé, ce 12 novembre 2018, de désigner des comités de normalisation pour les Fédérations de Football de République dominicaine (FEDOFUTBOL) et Madagascar (FMF) conformément à l’art. 14, al. 1a et l’art. 8, al. 2 des Statuts de la FIFA. À Madagascar, la décision de nommer un comité de normalisation est liée à la procédure électorale de la FMF, qui n’a pas été effectuée conformément aux exigences réglementaires applicables aux membres de la FIFA. Le mandat du comité expirera au plus tard le 12 mai 2019. La participation des Barea à la CAN n'est pas concernée par la mise en place du comité de normalisation.

  • 13 Nov. 2018 - 07:46- Voici les tendances publiées sur le site de la CENI ce 13 novembre 2018 à 6 heures et 57minutes. C’est une tendance nationale, BV traités : 13 283 sur 24 852 soit : 53,45%. Inscrits : 5 370 311 sur 9 913 599 votants : 2 876 312 suffrages exprimés 2 659 943 soit 92,48%. Taux de participation: 53,56%.
    - RAJOELINA Andry Nirina : 1 051 134 (39,52%)
    - RAVALOMANANA Marc: 950 724 (35,74%)
    - RAJAONARIMAMPIANINA Hery: 212 682 (8%)
    - MAILHOL André Christian Dieu Donné: 35 382 (1,33%)
  • 12 Nov. 2018 - 08:08-

    Voici les tendances publiées sur le site de la CENI ce 12 novembre 2018 à 6 heures et 8 minutes. C’est une tendance nationale, BV traités : 10437 sur 24852 soit : 42%. Inscrits 4 285 527 sur 9 913 599 votants : 2 301 808 suffrages exprimés 2 129 443 soit 92,51%. Taux de participation: 53.71%.

    - RAJOELINA Andry Nirina : 835301 soit 39.23%
    - RAVALOMANANA Marc: 785748 soit 36.90%
    - RAJAONARIMAMPIANINA Hery: 160879 soit 7.55%
    - MAILHOL André Christian Dieu Donné: 28308 soit 1.33%

  • 10 Nov. 2018 - 12:47-

    Voici les tendances publiées sur le site de la CENI ce 10 novembre 2018 à 10h 25minutes. C’est une tendance nationale, nombre de bureau de vote (BV) traité : 3 663  sur les 24 852. Inscrits : 1 646 896 sur 9 913 599 votants : 860 662. Suffrages exprimés : 798 788. Taux de participation : 52.26%.  

    RAJOELINA Andry Nirina : 40.90%.

    RAVALOMANANA Marc: 39.09%.

    RAJAONARIMAMPIANINA Hery: 5.75%

    MAILHOL André Christian Dieu Donné: 1.46%

    RABARY Andrianiaina Paul: 0,95%

  • 06 Nov. 2018 - 07:44-

    Camions pour le SAMVA. Le communiqué du Conseil des Ministres du lundi 5 novembre 2018 effectué 16 Heures au Palais d’Ambohitsorohitra nous apprend l’arrivée d’un premier lot de 11 camions remis au SAMVA (Service Autonome de Maintenance de la Ville d'Antananarivo) pour l’enlèvement des ordures de la capitale a été portée à la connaissance du Conseil, et le Chef de l’Etat a insisté sur l’importance d’une bonne gestion de ce nouveau parc de véhicules et la mise en place de procédures de contrôles strictes. On attend les impacts réels de cette remise de camions.

  • 04 Nov. 2018 - 08:46-

    Nodimandry i Mgr Rakotondrajao Roger Victor Solo. Nodimandry ny sabotsy 3 novambra teo i Mgr Rakotondrajao Roger Victor Solo, evekan’i Mahajanga, mpiahy ny vaomieran’ny « Justice et paix » nasionaly sy ny fonja. Tsiahivina etoana ny resaka nataony mikasika ny tany ao Soamahamanina. Lahatsoratra nivoaka tao amin'ny Lakroan'i Madagasikara laharana 3979, pejy faha-12 ary ity ny rohy ahitana izany eto amin’ny www.lakroa.mg  https://www.lakroa.mg/item-818_articles_dossier_18-resaka-nifanaovana-tamin-i-mgr-rakotondrajao-roger-victor-solo.html

  • 24 Oct. 2018 - 11:42-

    Endrika fanakorontanana. Nanambara ny Za’Gasy ny zoma 19 okitobra lasa teo teny Ambohimitsimbina fa tena fanakorontanana no nataon’ilay mpomba ny kandida iray heverina fa goavana, izay nitaona ny ireo izay tsy voasoratra amin’ny lisi-pifidianana ho tonga hifidy amin’ny biraom-pandatsaham-bato 7 novambra. Marihina fa nitety haino aman-jery io pomba ny kandida iray io ny 18 okitobra lasa teo. Miantso ny Ceni sy ny Cfm ary ny mpitandron’ny filaminana ary ny Hcc mba hanao fanazavana mikasika ny fakana ordonnance sy ny resaka lisi-pifidianana ity fa mety hampikorontana ny fifidianana.

  • 17 Oct. 2018 - 07:46-

    Sipem Bank. Tamin’ny desambra 2014 no nahazo ny agrément bancaire ny Sipem bank. Miasa toy ny banky izy ankehitriny. Betsaka ireo tolotra misy amin’izany, toy ny fampindramam-bola. Marihina fa ity orinasa ity dia tena orinasa malagasy araka ny nambaran’ireo mpikarakara. Malagasy avokoa ireo mpiasa ao. Ny Malagasy ihany koa no manana petra-bola betsaka ao na hoe majorité. « Orinasa madinika sy ireo orinasa vaventy no mihindram-bola ato aminay amin’izao fotoana izao » hoy ihany izy ireo. Izy rahateo dia niatomboka tamin’ny micro-finance.

  • 28 Sep. 2018 - 06:51-

    Salon des écoles supérieures catholique. Le salon des Ecoles supérieures Catholique se déroule ce vendredi 28 septembre 2018 au sein du Collège Saint Michel Amparibe. 22 universités, écoles et instituts supérieurs participent à ce salon. L’enseignement supérieur catholique se veut être le moteur de la chrétienneté et de la citoyenneté responsable. L’événement est placé sous le patronage de SEM Mgr Benjamin Marc Ramaroson, Archevêque d’Antsiranana et Président de la commission épiscopale pour l’éducation et l’enseignement catholique.

  • 14 Sep. 2018 - 08:38-

    Poulet de chair à Madagasikara. Pour Olivier Fanchette, de Innodis Poultry, il y a encore de la marge pour produire du poulet de chair à Madagasikara. “C’est pour cette raison que nous participons à la Foire Internationale d’Agriculture”. Innodis Poultry est l’un des plus grands producteurs de poulet de l’île Maurice. Selon Fanchette, cette société exporte vers Madagasikara du poulet de chair avec garantie sanitaire sans antibiotiques. De son côté Iqbal Mohungoo, de la société Meaders Feeds, assure l’alimentation des poulets de chair, une alimentation répondant aux besoins d’une clientèle autant présente sur le marché local que régional dont Madagasikara.

  • 13 Sep. 2018 - 07:45-

    Colloque sur l’énergie. Lors d’une rencontre avec la présse Andry Ramaroson a fait savoir que le Groupement Des Professionnels de l’Energie à Madagascar GDPEM organise un colloque en entrée libre qui se tiendra au 3A Andrefanambohijanahary durant 2 jours ou 4 demi-journées avec comme thème “Energie, 1er levier de la croissance économique de Madagascar”. La première demi-journée (matin du 14 septembre) une conférence-débat sur l’économie d’énergie et l’après-midi sur le génie électrique. La troisième demi-journée (matin du 15 septembre) une conférence-débat sur le thème 1er levier économique de Madagascar. Et l’après-midi sera consacré à la restitution des travaux.

  • 10 Sep. 2018 - 07:28-

    Affaires courantes du Président. Pour la HCC, rentrent dans la catégorie juridique des attributions présidentielles courantes, les affaires constituant la poursuite normale d’une procédure régulièrement engagée avant la démission du Président de la République, toute affaire dont l’importance dépasse celle des affaires de gestion journalière si la procédure qui a donné lieu à l’acte règlementaire concerné a été engagée bien avant la période critique et a ensuite été réglée sans précipitation et si les questions politiques, qui ont pu se poser sur le plan administratif, ont été résolues avant cette période critique.

  • 10 Sep. 2018 - 07:28-

    Non affaires courantes du Président. Pour la HCC, ne rentrent pas dans les compétences attribuées au Chef de l’Etat ad intérim celles qui procèdent des articles 45 alinéa 3, 54 ; 55 -2°, 4° sauf en cas de faute grave ou de crime ou délit commis par le haut fonctionnaire, 5°, 6°, 7°, 8° ; 56 ; 57 alinéa premier ; 58 ; 59 alinéa 2 ; 60 ; 61 ; 103 ; 104 ; 107 ; 137 ; 162 ; 163. Il est habilité à exercer toutes les autres attributions confiées au Président de la République par la Constitution.

  • 01 Sep. 2018 - 09:48-

    Journée mondiale de prière pour la sauvegarde de la création 2018. Instituée en 2015 par le Pape François, quelques mois après la publication de son encyclique « Laudato si’, sur la sauvegarde de la maison commune », cette journée a lieu chaque 1er septembre, en communion de prière avec les Eglises orthodoxes, « pour offrir « à chacun des croyants et aux communautés la précieuse opportunité de renouveler leur adhésion personnelle à leur vocation de gardiens de la création, en rendant grâce à Dieu pour l’œuvre merveilleuse qu’Il a confiée à nos soins. » (Pape François, Lettre du Pape François pour l’institution de la « Journée mondiale de prière pour la sauvegarde de la création », 6 août 2015).

  • 01 Sep. 2018 - 07:56-

    Liste des personnes exerçant des hautes fonctions et hauts emplois civils et militaires de l’Etat, candidates aux élections, assujetties à l’obligation de démission prévue à l’article 6 alinéa 5 de la Loi organique relative au régime général des élections et des référendums. I – Les personnes nommées aux hautes fonctions et hauts emplois civils de l’Etat :   – Grand Chancelier de l’Ordre National malagasy ; – Ambassadeurs ou chefs titulaires de missions diplomatiques avant rang d’Ambassadeurs ; – Gouverneur de la Banque Centrale ; – Secrétaires généraux, Directeurs généraux et Directeurs de ministères ; – Présidents d’Universités ; – Représentants de l’Etat au niveau des collectivités territoriales décentralisées ; – Directeurs généraux, membres des organes d’administration ou de gestion des organismes rattachés aux Institutions et aux départements ministériels.

  • 01 Sep. 2018 - 07:55-

    Liste des personnes exerçant des hautes fonctions et hauts emplois civils et militaires de l’Etat, candidates aux élections, assujetties à l’obligation de démission prévue à l’article 6 alinéa 5 de la Loi organique relative au régime général des élections et des référendums. II – Les personnes dont la nomination aux hautes fonctions et hauts emplois militaires est faite par décret en Conseil des Ministres : – Officiers Généraux ; – Inspecteur général de l’Armée Malagasy; – Inspecteur général de la Gendarmerie Nationale ; – Chef de l’Etat-Major général de l’Armée Malagasy ; – Commandant de la Gendarmerie Nationale ; – Adjoints au chef de l’Etat-Major général de l’Armée Malagasy; – Adjoints au Commandant de la Gendarmerie Nationale ; – Commandant des Forces Aériennes ; – Commandant des Forces Navales ; – Commandant des Forces d’Intervention – Commandant des Forces de développement ; – Chef d’Etat-major du commandement de la Gendarmerie Nationale ; – Commandants des régions militaires; – Commandants des Circonscriptions inter-régionales de la Gendarmerie Nationale ; – Tous autres fonctions et hauts emplois militaires dont la nomination est faite par décret en Conseil des Ministres.

Du même auteur

societe
politique

Dans la même rubrique

religion
religion
Publicité