logo
Lakroan'i Madagasikara
Faritra Anosy

"Mandray anjara mavitrika ary manantena vokatra tsara izahay"

Razafindramanitra il y a 3 années

Maro ireo faritra mandray anjara amin'izao hetsika fandraisana ny Fivoriana antampon'ny frankofonia izao. Iray amin'ireny ny faritra Anosy. Toa izao ny fanazavana nentin'i Razafindramaro Tanjaniaina Julio, lehiben'ny Faritra.

Delegasiona mafonja. Tonga eto Antananarivo ireo solontenan’ny Faritra Anosy. Delegasiona mafonja no tonga eto avy amin’ity faritra iray amin’ireo faritra 22. “Mandray anjara mavitrika amin’izao fivorian’ny Frankofonina izao izahay avy amin’ny Faritra Anosy ary manantena vokatra tsara izahay” hoy Razafindramaro Tanjaniaina Julio, Lehiben’ny Faritra. Voalazany fa niezaka ny Faritra hitondra olona maro ka ben’ny tanàna efatra isaky ny distrika no tonga miaraka amin’ireo mpiasan’ny faritra. Tsiahivina fa distrika telo no mandrafitra ny faritra dia ny distrikan’i Tolagnaro, ny  distrikan’i Amboasary Atsimo ary ny distrikan’i Betroka. Ny faritra dia ahitana mponina tombanana ho maherin’ny 600 000 isa mipetraka amin’ny velaran-tany mirefy 30 198 km². Ny distrikan’i Tolagnaro dia misy kaominina 27 sy fokontany 215. Ny distrikan’i Ambosary Atsimo indray dia ahitana kaominina 16 ary fokontany 307. Ny distrikan’i Betroka kosa dia ahitana kaominina 21 sy fokontany 182.

“Ny naharesy lahatra anay hitondra delegasiona hanatrika ny hetsika manodidina ny fivoriana antampon’ny Frankofonia ity dia maro” hoy Tanjaniaina Julio. Ny voalohany amin’ireny dia ny resaka toekarena. Nanazava ny lehiben’ny faritra fa isan’ny mampalaza ny faritra Anosy ny fisian’ny orinasa QMM. Mahazo tombony betsaka sy mivantana amin’io ny kaominina Tolagnaro. “Tiana ho fantatry ny olona sy ny mpandraharaha hafa kosa fa tsy io ihany no zava-misy ao anatin’ny faritra” hoy ny lehiben’ny faritra. Izany no nanentanana ireo mpandraharaha ao anatin’ny faritra nanao ezaka hiomana handray anjara amin’ny fampirantiana tsy maintsy hisy mandritra ny frankofonia. Nohazavain’ny lehiben’ny faritra fa anjaran’ny mpandraharaha tsirairay no miezaka mitady ny fifandraisan’ny amin’ny mpandraharaha hafa mandritra ny fihaonana antampony. Ny nataon’ny Faritra kosa dia nanentana ireo vehivavy hamokatra ary anjaran’ny faritra no mampiranty izany ao anatin’ny tranohevan’ny faritra amin’ny toerana roa dia ny hita eny amin’ny Village de la Francophonie andaniny sy eny amin’ny Salon de l’Industrie ankilany. “Samy misy tranohevan’ny Faritra ireo toerana roa ireo” hoy ny lehiben’ny faritra. Voalazany fa ny fikambanan’ny Vehivavy 8 Mars sy ny fikambanan’ny Femmes entrepreneurs no nandray anjara mavitrika amin’ny fampirantiana ny vokatra. Isan’ny vokatra hita any any tantely sy ny baies roses. Raha ho an’ny faritra Anosy manokana dia nanomboka ny tapaky ny volana mey teo ny fiotazana ny vokatra baie rose izay karazana dipoavatra. Ny baie rose dia iray amin’ireo vokatry hita ao amin’ny faritra ary vokatra natokana haondrana. Izy natokana haondrana izay indrindra no ilaina manatrika ny fivoriana iraisam-pirenena tahaka izao hoy ny mpanara-dia an’ity lehiben’ny faritra ity.

Ankoatra ny fandraisana anjara mavitrika amin’ny fampirantiana eny amin’ny frankofonia dia maro ny fandaharam-potoan’ireo delegasionin’ny faritra tonga ao Antananarivo. Ny talata maraina teo izao ny delegasiona dia noraisin’ny talen’ny BCMM (Bureau des Cadastres Miniers de Madagasikara) teny Ampandrianomby. “Zava-dehibe ho anay ny noraisin’ny tale jeneralin’ny BCMM teo. Ny fihaonana dia nahafahanay nametraka ny olana misy araka ny fahitanay azy ary ny tale jeneraly kosa afaka nanazava ny momba ny frais  d’administration minière sy ny permis d’exploitation” hoy ny lehiben’ny faritra. Nandritra ny fihaonana no nanazavan’ny tale jeneralin’ny BCMM ny fomba fiasa. “Misy kaominina tahaka an’i Anakafy sy Mahatalaky izay mandray frais d’administration minière mihoatra lavitra noho ny subvention alefan’ny fanjakana foibe koa araka izany dia tena zava-dehibe ny nandre ny fanazavana nentin’ny talen’ny BCMM ho an’ireo solontenan’ny ben’ny tanàna nandre mivantana ny fanazavana” hoy ny delegasion’ny faritra Anosy nihaona tamin’ny tale jeneralin’ny BCMM. Manana tombondahiny ny faritra anosy satria manana rantsa-mangaika ao Tolagnaro ny BCMM.

Ankoatra izay dia efa misy koa ny fandaharam-potaon’ny delegasiona hihaona amin’ireo tomponandraikitry ao amin’ny Ministeran’ny Atitany sy ny fanapariaham-pahefana izay miahy mivantana ny kaominina. Ao koa ny fitsidihana kaominina sasany tahaka ny kaominina Ivato izany.

Antenaina tokoa araka  izany fa hitondra vokatra matevina ity delegasiona mafonja ity.

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 19 Jul. 2019 - 08:45-

    JIOI 2019. Dans le cadre des Jeux des Îles, les Barea affrontent en premier les Seychelles. Le match se déroulera au stade Auguste Vollaire le 20 juillet à 14h15. Madagascar n’a pas perdu, lors des deux dernières rencontres entre les deux sélections, avec une victoire (0-1) le 11 juin 2016 et un match nul (1-1) le 29 mai 2018.

  • 18 Jul. 2019 - 14:15-

    USA. Le cardinal DiNardo interpelle Donald Trump sur les droits des migrants. «Il est contraire aux valeurs américaines et chrétiennes de chercher à empêcher aux personnes d’émigrer ici quand elles fuient pour sauver leurs vies et pour trouver une sécurité pour leurs familles», déclare le cardinal DiNardo.

  • 18 Jul. 2019 - 11:27-

    Birao maharitra AN. Vita ny fifidianana ny mpikambana ireo mandrafitra ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena. Toy izao izany : Filohan’ny Antenimierampirenena : Razanamahasoa Christine Harijaona, Ambatofinandrahana (IRD). Filoha Lefitra Antananarivo : Rasolonjatovo Honoré, Faratsiho (IRD). Filoha Lefitra Antsiranana : Rahelihanta Jocelyne, Antsiranana I (IRD). Filoha Lefitra Fianarantsoa : Razafitsiandraofa Jean Brunelle, Ikongo (IRD). Filoha Lefitra Mahajanga : Rahantanirina Lalao, Mahajanga I (IRD). Filoha Lefitra Toamasina : Michelle Bavy Angelica, Fenérive Est (IRD). Filoha Lefitra Toliara : Rabenirina Jean Jacques, Betioky Atsimo (IRD).
    Questeur 1 : Henri Jean Michel, Ambovombe (IRD). Questeur 2 : Rakotomanga Lantoarivola Sedera, Antananarivo II (IRD). Questeur 3 : Rabenirina Maminiaina Solondraibe, Ambohidratrimo (TIM).
    Mpampakateny : Angèle Solange, Amboasary Atsimo (Mahaleotena). Mpampakateny lefitra : Rafenomanantsoa Tsirimaharo Ny Aina, Antananarivo III (IRD).

  • 17 Jul. 2019 - 09:30-

    Mercato-Jeremy Morel. En fin de contrat avec l'OL, l’international malgache Jeremy Morel signe pour un an de contrat avec le Stade Rennais. « Je suis très enthousiaste et fier de rejoindre le Stade Rennais F.C. Je vais faire du mieux possible pour apporter mon expérience au club. J’avais plusieurs sollicitations mais sportivement je me voyais plus ici. J’espère avoir fait le bon choix. À moi de tout faire sur le terrain pour remercier le Président de sa confiance », a-t-il déclaré.  

  • 16 Jul. 2019 - 09:30-

    Désensablement. La piscine naturelle du Parc National Isalo est de nouveau ouverte à la baignade depuis le vendredi 12 juillet dernier. « La profondeur et la propreté de l’eau ont été testées par les agents de Madagascar National Parks afin de s’assurer que toutes les conditions requises pour la baignade durant la haute saison touristique 2019 soient au mieux », déclare Madagascar National Parks sur Facebook.

  • 15 Jul. 2019 - 14:30-

    Jeux des îles. A l’île Maurice, les sportifs venant des sept îles de l'océan Indien s'affronteront sur quatorze disciplines : athlétisme, badminton, le basketball, boxe, cyclisme, football, haltérophilie, judo, natation, tennis de table, voile, beach volley et volleyball. Pour cette édition, l’ouverture officielle se fera le 19 juillet et prendra fin le 28 juillet.

  • 15 Jul. 2019 - 13:00-

    FMF. Lova Ramisamanana ne pourra se présenter à la course pour être à la tête de la fédération malgache de football. Il l’évoque sur sa page Facebook ainsi, « j’ai le regret de vous annoncer que je ne pourrai pas me présenter à la présidence de la fédération malagasy de football, faute de n’avoir pu réunir les 3 cautions requises. Nous nous sommes battus jusqu’au bout mais nous n’avons pu faire face à certains obstacles. »

  • 15 Jul. 2019 - 08:30-

    CAN 2019. Suite à leur victoire respective contre la Tunisie et le Nigéria, le Sénégal et l’Algérie disputeront la finale de cette édition de la Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, les Fennecs ont battu ces Lions de la teranga lors de la phase de poule sur le score de 1-0 avec le but de Youcef Belaili.

  • 11 Jul. 2019 - 06:30-

    Fandaminana. Handamina ny polisim-pirenena ho an’ny alakamisy alina araka ny resadresaka tamin’ny mpanao gazety nataon’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Polisim-pirenena. Nanome ireo toromarika manodidina ny filaminana mandritra ny fijerena baolina kitra amin’izao Can izao izy ireo. Maro ny polisy hiasa amin’io alin’ny alakamisy io raha ny nambaran’ireto tompon’andraikitra ao amin’ny polisim-pirenena ireto.

  • 09 Jul. 2019 - 13:30-

    Supporter les Barea. L’inscription est ouverte pour aller supporter les Barea en Egypte pour leur quart de finale contre la Tunisie. Les billets sont disponibles auprès de l’Air Madagascar à Analakely. Adressez-vous à la même agence pour plus d’infos.

  • 06 Jul. 2019 - 13:00-

    Pape François – Poutine. Le président russe Vladimir Poutine a rencontré le pape François au Vatican le 4 juillet pour une discussion privée de 55 minutes. Le pape François et Poutine ont discuté de questions d'actualité en Syrie, en Ukraine et au Venezuela, ainsi que de questions environnementales et de questions concernant l'Eglise catholique en Russie, selon le bureau de presse du Saint-Siège.

  • 05 Jul. 2019 - 11:00-

    CAN 2019. La CAF a rejeté les plaintes contre la RDC pour match truqué. Suite à l’insuffisance de preuve réelle, les accusations de corruption de la fédération zimbabwéenne de football vis-à-vis de leur gardien de but ont été rejeté. De ce fait, le match entre Madagascar et la RDC dans le cadre des huitièmes de finale aura bel et bien lieu dimanche prochain.

  • 05 Jul. 2019 - 08:30-

    Wi-fi gratuit. Le mercredi 10 juillet prochain, le wi-fi gratuit sera disponible à Antananarivo. Il sera possible de se connecter librement, sur quatre zones incontournables de la capitale comme au jardin Antaninarenina, à l’arrêt bus Ambohijatovo, au jardin Antanimena et au pont de Behoririka.

  • 04 Jul. 2019 - 10:30-

    Nicolas Dupuis. Selon Jeune Afrique, Nicolas Dupuis est 31ème dans le classement des entraîneurs les mieux payés en Afrique. Il perçoit 7000€ par mois, selon les chiffres publiés par le média. Le sélectionneur de l’Egypte, Javier Aguirre, est le coach le mieux rémunéré sur le continent avec un salaire mensuel de 108 000 euros.

  • 03 Jul. 2019 - 15:15-

    CAN 2019. Anicet Andrianantenaina et Carolus Andriamanitsinoro intègrent l’équipe type de la phase de poule de cette Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, Anicet était l’homme du match pendant la rencontre face à la Guinée. Carolus l’était à son tour pendant le match contre le Nigéria.

  • 03 Jul. 2019 - 14:30-

    FIER-Mada. Tanterahana ny alarobia 7 hatramin’ny 11 aogositra ho avy izao ny FIER-Mada faha 21, ao amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Amin’izany dia hisy ny lao-bary an-dasy hiompana amin’ny « fandrosoana maharitra : tetik’asam-panjakana vatsiana vola amin’ny voajanahary sy ifampierana amin’ny tantsaha eny ifotony ».

  • 03 Jul. 2019 - 13:15-

    Energie solaire. La nouvelle technologie solaire pourrait produire de l'eau potable propre pour des millions de personnes dans le besoin. Des appareils appelés alambics solaires utilisent le soleil pour évaporer l'eau salée et condenser la vapeur en eau potable saine. Les chercheurs ont mis au point un nouveau système accélérant le processus d'évaporation, permettant ainsi à un petit alambic solaire de fournir toute l'eau potable dont une famille a besoin.

  • 03 Jul. 2019 - 08:30-

    Fampandrenesana. Tapaka ny lalana : -Lalana Dr Rajaonah- Pharmacie Ankadifotsy- EKAR Antanimena- ESCA ny saboty 6 jolay 2019. Voarara ho an’ny fifamoivoizan’ny  fiara rehetra tsy an-kanavaka ny ampahany amin’ireo lalana ireo. Izany dia noho ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny Sekoly Les Lutins Ankadifotsy, araky ny fampandrenesana.

  • 02 Jul. 2019 - 08:00-

    Supporter les Barea. Une offre exceptionnelle est disponible pour les 8è de finale de cette CAN. Elle est à 2.200.000 ar ( Billet d avion A/R +Hebergement+Transfert hôtel-stade+ Billet d entrée stade ) 298.000 ar ( Visa de séjour ) 198.000 ( Passeport ) soit 2.688.000 AR Départ d Ivato samedi 06 juillet - retour Ivato Lundi 08 juillet Appareil A 380 . Plus d infos contacter Air MADAGASCAR

  • 01 Jul. 2019 - 10:30-

    USA-Corée du Nord. Le président Donald Trump et le président nord-coréen Kim Jong Un se sont rencontrés dimanche dans la zone démilitarisée (entre la Corée du Nord et du Sud) fortement fortifiée et ont convenu de relancer les pourparlers sur le programme nucléaire de Pyongyang. Trump, faisant pression pour obtenir un accord définissant un héritage, est devenu le premier dirigeant américain assis à entrer en Corée du Nord.

Du même auteur

societe
politique

Dans la même rubrique

economie
economie
Publicité