logo
Lakroan'i Madagasikara
Taon-jobilin’ny Famindram-po

Hafatra famaranana

admin il y a 2 années

Indro ampitaina amintsika ny Hafatra famaranana ny Taon-jobilin'ny Famindram-po avy amin'ireo Eveka mpiandraikitra izany.

Hafatra famaranana

Hafatra famaranana ny Taon-jobilin’ny Famindram-po

 Hoan’ny Eveka, ny Pretra, ny Relijiozy sy ny Olom-boatokana ary ny Kristianina rehetra tsara sitrapoeto Madagasikara:

NY FAMINDRAM-PON’ANDRIAMANITRA, LOHARANOM-PANANTENANA HO AN’NY FITORIANA NY EVANJELY AMIN’NY FOMBA VAOVAO

 

Araka ny taratasy voalohany, mitondra ny lohateny hoe : « Atrehintsika amim-pahavitrihana ny fitoriana ny Evanjely amin’ny endrika vaovao », dia manome torolalana hatao amin'ny fanatanterahana izany fitorianany Evanjely amin'ny  fomba vaovao izany izahay. Avy tamin’ny matoan-kevitry ny Kongresy faha 3-n’i Afrika sy Madagasikara mikasikany Famindram-pon’Andriamanitra, natao ny 9 hatramin’ny 15 Septambra 2016 tao amin’ny Sanctuaire Famindram-pon’Andriamanitra, tao Kigali, Rwanda. Nanotrona izany fotoana lehibe izany ny lahika miisa 524 avy amin’ny firenena 22 aty Afrika, notronin’ireo pretra miisa120 sy eveka miisa 22 ary ny Papa Fransoa izay nosoloin’i Kardinaly Laurent Monsengwo Pasinya tena – Archevêque métropolitain de Kinshasa, ny Kardinaly Robert Sarah – Préfet de la Congrégation pour le Culte Divin et la Discipline des Sacrements ary ny Kardinaly Philippe Ouedraogo – Archevêque métropolitain de Ouagadougou. Ny hevi-dehibe nanainga ny kongresy dia ny hoe : « Loharanom-panantenana ho an’nyfitoriana ny Evanjely amin’ny fombavaovao ny Famindram-pon'Andriamanitra ».

·        Ny Famindram-pon'Andriamanitra araka ny hita ao amin’ny Baiboly :

Ny Famindram-pon'Andriamanitra no matoan-kevitra ao anatin’ny Baiboly. Manambara ny fitiavan’Andriamanitra ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao. Ny asam-pamonjena nataon’i Kristy teo anivon’ny olombelonadia niafara teo ambony Hazofijaliana sy ny Fitsanganany ho velona. Ny maha olona azy no maneho ny maha lehibe ny asam-pamonjeny ny olona. Ny maha Andriamanitra azy no maneho ny halalin’ny fitiavana lehibenanoloana ny fanekeny ho sorona mba hahatanteraka ny tsy fivadihan’ny Ray Mpahary tamin'ny fifanekena nataony tamin'ny olombelona, izay nohariany ho toa Azy ary nosafidiany hatrany am-piandohana tao amin'ny Zanany ho amin'ny fahasoavana sy ny voninahitra. (Dives in Misericordiae, 62)

·        Ny fampianaran’ireo Papa Ray Masina sy ny fiainan’ireo Olomasina :

Nampianatra ny Papa Joany Paoly faha 2 fa ny Famindram-pon'Andriamanitra dia mistery manana endrika maro : fitiavana mahery noho ny fahafatesana ary mandresy ny fahotana. Ny fahotana mantsy no loza lehibe indrindra amin’ny fiainan’ny olombelona. Fa « ny fetra tsy afaka hihoaran’ny ratsy dia tsy misy hafa tsy ny Famindram-pon'Andriamanitra ihany». (Mémoire et  identité p.71, Joany Paoly faha 2): « Rain’ny Famindram-po ary Andriamanitry ny fiononana rehetra » (2, Kor 1, 3)

Ny Papa Joany faha 23 dia nilaza fa ny anarana tsara indrindra iantsoana an’Andriamanitra ary maneho ny asany ambony indrindra dia Famindram-po.

Nanamarika koa ny Papa Benoit faha 16 fa : « Ny fanompoam-pivavahana fanajana ny Famindram-pon'Andriamanitra dia tsy fientanam-pofotsiny ihany fa  anisan’ny votoatin’ny finoana sy ny fivavahana kristianina mihitsy » (Regina caeli, 23 Aprily 2006).

« I Jesoa Kristy no endriky ny famindram-pon’ny Ray. Ao anatin’izany ny misterin’ny finoana kristianina manontolo. Ny teny lazainy, ny asany, ny tenany manontolo no entin’i Jesoa avy any Nazareta, maneho ny famindram-pon’Andriamanitra. Ilaintsika mandrakariva ny mibanjina ny misterin’ny Famindram-pon’Andriamanitra. Loharanon-kafaliana sy filaminan-tsaina ary fiadanam-po ho antsika izy. Miankina aminy ny famonjena antsika. Ny famindram-po no teny mamboraka ny misterin’ny Trinite Masina. Ny famindram-po no asa fara tampony itsenan’Andriamanitra antsika. Ny famindram-po no lalàna fototra mitoetra ao ampon’ny tsirairay, rehefa manopy maso mijery amin-kitsimpo ny rahalahiny mifanojo  aminy izy, eny an-dalan’ny fiainana eny. Ny famindram-po no lalana mampifandray an’Andriamanitra sy ny olombelona, ka hahafahany manokatra ny fony hirotsahan’ny fanantenana, fa hoe tiana mandrakizay izy, na eo aza ny fetra nateraky ny fahotantsika. (MisericordiaeVultus, 2015, 1-2, Papa Fransoa)

Ny fiainan’ireo Olomasina ao amin'ny Famindram-po indray no manampy antsika hahatsapa fa ny faneken’izy ireo ho vonton’ny fitiavana tsy manam-petran’Andriamanitra ny nahatonga azy ireo ho mpamindrafo tamin'ny olona toa azy. Tonga be famindram-po izy ireo noho ny fahatsapana fa heniky ny Famindram-pon'Andriamanitra.

Ohatra, nanentana mandrakariva an’i Olomasina Mamera Teresa (Calcutta) ny « miasa ho fahamasinan’ireo mahantra, mba hanolotra Olomasina an’Andriamanitra », Masindahy Jean Bosco kosa dia nampianatra ireo tanora hoe « mitovy ny hevitry ny hoe fanantenana sy ny famindram-po ary ny fibebahana », i Masindahy Fransoa avy Assise indray dia milaza fa ny Famindram-po dia mitondra amin’ny fahalalana ny Evanjely.

·        Ireo sedra atrehintsika :

Maro ny sedra atrehintsika ao anatin’izao andron’ny fanatontoloana izao. Ny mahaolona ny olona mihitsy no voatohintohina hatrany amin'ny fototry fiainam-pianakaviana : simba ny rohy mampifandray ny isam-batan’olona ary mahazo vahana ny fanimbazimbana ny aina. Eo ihany koa ny fahatarana eo amin'ny sehatry ny fiahiana ny soa iombonana ara-tsosialy ary ny fitotonganan’ny fari-piainana, toy ny kere, ny kolikoly, ny fitrandrahana tsy voarindra ireo harena, ny tsy fanananazotom-po sy fifampitokisana, ny tsy fahaiza-mitantana ny soa iombonana, ny fahabadoana, ny fanandevozana amin'ny endrika vaovao, ny fampiasana ny ankizy, ny fanararaotana ireo mpiasa. Izany rehetra izany dia zary sakana ho an’ny fivoaran’ny mahaolona, izay ivon’ny zavatra rehetra. Eo ankilan’izany rehetra izany dia mamoritra ireo efa tena marefo ihany koa ny fahasimban’ny tontolo iainana : fivondronan’ny fako, ny doro tanety, ny tsy fahampian’ny rano fisotro madio, ny fahalanian’ireo tahiry voajanahary…

·        Ny fianakaviana ankohonan’ny Famindram-po :

Ny fianakaviana no toerana hibeazan’ny ain’ny olombelona. Andriamanitra izay nahary sy tompon’ny aina dia manankina izany aina izany amin'ny fianakaviana (Jenezy). Ny fianakaviana arak’izany dia miasa ho an’ny aina ary mandrafitra ny toerana ivelaran’ireo taranaka : ao no toerana hianaran’ny zaza mangataka famelana sy mamela hadisoana, hianara ny miteny hoe « azafady, misaotra » amin'ny fakana ohatra amin'ireo ray aman-dreniny (Papa Fransoa), fianarana ny fitsipi-piainana fototra ary mamehy ireo karazam-pilana ihany koa. Ao no hampitana ny haren-tsaina sy hatsaram-panahy. Ny fianakaviana no fiangonana fototra (Papa Paoly faha 6) satria i Kristy no eo afovoany rahefa miara-mivavaka izy, ary i Kristy hatrany no mampiseho ny tena fitiavana sy fatran’ny zavatra rehetra amin’ny fiainantsika (Evangelii Gaudium).

·        Ny firindran’ny zava-boahary sy ny Famindram-pon’Andriamanitra :

Ny zava-boahary sy ny olombelona dia noharian’Andriamanitra ho taratry ny famindram-pony. Isika izay nataony mitovy endrika Aminy dia nomeny adidy mba hitahiry sy hiaro ny zava-boahary tsy ho samba. Arak any tenin’ny Papa Fransoa hoe: mila mitsinjo ny voahary isika ary mila fiovana lalina eo fomba amam-panao mba  hiahiana izany isika (Laudato Si 5). Miantso ny olombelona tsirairay ny Papa François mba ahatsiaro hanenina.

·        Ny Famindram-pon'Andriamanitra, fototry ny fanantenana sy lalivay ho amin’ny fivoarana ara-tsosialy sy ara-politika

Azo tovozina ao amin’ny Famindram-pon’Andriamanitra ny rariny, ny hitsiny, aryny fifamelana. Sitrana ao amin’ny Famindram-pon’Andriamanitra ny olana amin’ny fifandraisana sy ny aretina vokatry ny ratra anaty. Tany Rwanda, tao aorian’ny fifamonoana (génocide) ny taona 1994, noho ny fiovam-po ateraky ny finoana, sy ny ezaka niainana ny famindram-po dia afaka nandresy ny fifankahalana ny mponina ary afaka nifamela. Ny vokatr’izany dia nahazo ny hery ahafahany manangana fiaraha-monina salama sy mifanaja ary afaka mandray an-tanana ny fivoarany ara-toe-karena, araka ny tandrifiny avy izy ireo. Ny fivoaran’ny mahaolona ny olona ao anatin’ny fanajana ny soa iombonana sy ny fifampitsinjovana araka izany no ilaina mba hampivelatra ny fiaraha-monina.

Noho izany dia loharanon’ny fiadanana sy ny fandriampahalemana ny Famindram-pon’Andriamanitra ka manao ireto sos-kevitra ireto izahay ho fitoriana ny Evanjely amin’ny fomba vaovao amin’izao vanim-potoana iainantsika izao.

·        Ireo fanentanana ho an’ ny fitoriana ny Evanjely amin'ny fombavaovao :

o  Tsara raha misy vondrom-bavakamiaina sy manaja nyFamindram-pon'Andriamanitra isaky ny paroasy, ka tia mamaky sy mihaino ary miaina ny Tenin’Andriamanitra ary mitory izany ny mpandray anjara. Ilaina ny fahalalan’ny olona ny hasin’ny Eokaristia Masina sy ny fandraisana ny Sakramentan’ny fampihavanana ary mivavaka ho an’izao tontolo izao mba hiverenany amin’Andriamanitra tsy misy hatak’andro. Entanina izy ireo hanatanteraka ny asa famindram-po amin'ny fiainany andavanandro.

o  Etsy andanin’izany dia tsara raha beazina amin'ny Doctrine sosialin’ny Eglizy ny vahoaka. Ny tompon’andraikitra ao amin’ny paroasy no handinika izay hampivoatra ny kristianina ao aminy. Ny fomba entina amin’izany hoy ny Papa Fransoa aoanatin’ny Laudato Si dia ny mijery, ny mandinika, ny manatanteraka ary ny mankalaza.

o  Anisan’ny tanjon’ny fitoriana ny Evanjely amin’ny fomba vaovao koa ny fanampiana sy ny fiahiana ny fianakaviana. Hamafisina ny asa fampianaranaisan-tokatrano « ny katesizin’ny fianakaviana izay antoka tsara hibeazan’ireo ray aman-dreny mbola tanora mba  hahafahany mahalala fa izy ireo dia voairaka hitory ny evanjely ao anivon’ny ankohonany » (Amoris Laetitia 287).

o  Mba hirosoana bebe kokoa amin'ny fitoriana ny Evanjely amin'ny fomba vaovao dia ilaina ny fitoriana eo amin’ny sehatra fanabeazana ny ankizy sy ny tanora any an-tsekoly. Mba tena handranto fianarana marina izy ireo ary koa fahendrena sy kolontsaina hivoaran’ny mahaolona ao aminy tanteraka. Maika indrindra koa ny fitsinjovana ny tontolo iainana izay tranobe iraisantsika : toy ny mpiray tampo amintsika izy, hifampizarantsika ny fisiantsika ary toy ny renymandray antsika. Tonga toy ny tononkalo, fahafoizana sy fankasitrahana malalaka eo anatrehan’Andriamanitra izany fifandraisana vaovao izany. Dieny mbola kely ny ankizy no ilaina beazina hiaina sy hanao asa famindram-po isan’andro ampian’ny fiahiana ny zava-boaharyamin'ny alalan’ny tsy fampiasàna akora plastika, fampihenana ny fandaniana tafahoatra ny rano, fanavahana ireo fako, ny fanajana ireo zava-manan’aina rehetra, fambolen-kazo, fitsitsiana ireo zavatra mbola mety azo ampiasaina… Izany fanovàna ny fomba fiaina izany no mitondra antsika lalindalina kokoa amin'ny fiahiana ny aina (Amoris Laetitia212). Azo ampidirina ao anatin’ny katesizy izany, ao amin’ny fandalinam-pinoana, fa ao anatin’ny fikambanana masina misy ny tanora koa.

o  Entanina ny fianakaviana kristianina hiara-mivavaka sy hanao Raozery. Ilaintsika ny   fanampian’i Masina Maria Virjiny, Renin’ny Famindram-po ahazoantsika hery iatrehana ireo andro sarotra eo amin’ny fiainantsika. Ny tsirairay ao anatin’ny fianakaviana izay miara-mivavaka dia atambatry ny fitiavana. Miitatra ao amin’ny paroasy izanyfomba izany satria ny vavaka dia mitondra tsikelikely amin’ny fihavaozana anaty ary manampy ho amin’ny fifampitokisana sy fanentren-tena ao amin’ny fiaraha-monina rehetra.

 

·        Famaranana :

Ho antsika kristianina katolika, ny fitoriana ny Evanjely amin’ny fomba vaovao dia miantomboka amin’ny tenantsika. Anjarantsika tsirairay aloha ny manaiky miaina ny Evanjely amin’ny lafiny ara-batana sy ara-panahy. Izay no hahafahantsika mitory an’i Kristy maty sy nitsanga-ko velona, am-pitiavana tahaka an’i Masindahy Paoly Apostoly. Koa amin’izao famaranana ny taon-jobilin’ny Famindram-po izao dia enga anie ny Famindram-pon’Andriamanitra hanavao ny fontsika, ny toetrantsika, ny ankohonam-piainana misy antsika sy ny fiaraha-monina rehetra mba hahazoantsika fahamasinana, mba hahatonga antsika ho endrik’i Jesoa be famindram-po, lalana sy fahamarinana ary fiainana. Miankina amin’i Masina Maria Virjiny, Renin’ny Teny isika mangataka ny fanampiany mba ho tanteraka ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly amin’ny fomba vaovao amin’izao tontolo ankehitriny izao.

                                                                                  Natao teto Antananarivo faha 6 Novambra 2016

 

Mgr Benjamin Marc RAMAROSON

Archevêque d’Antsiranana

Co-Président de la Commission Episcopale pour la Nouvelle Evangélisation

                       

Mgr Georges VARKEY

Evêque de Port Bergé

Président de la Commission Episcopale pour la Nouvelle Evangélisation

 

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 27 Mar. 2019 - 14:16-

    . Ho avy ny Papa. ny fanambarana ofisialy nataon'ny Nonce ny tolakandron'ny 27 Marsa teo fa ho avy hanatanteraka famangiana apostolika eto Madagasikara ny Papa Fransoa. Ny 6 sepitambra izy no eto hatramin'ny alahady 8 sepitambra. Feno 30 taona izao no nandalovan'ny Papa iray voalohany teto Madagasikara dia ny Papa Joany Paoly faha2 izany.


  • 27 Mar. 2019 - 14:16-

    . Ho avy ny Papa. ny fanambarana ofisialy nataon'ny Nonce ny tolakandron'ny 27 Marsa teo fa ho avy hanatanteraka famangiana apostolika eto Madagasikara ny Papa Fransoa. Ny 6 sepitambra izy no eto hatramin'ny alahady 8 sepitambra. Feno 30 taona izao no nandalovan'ny Papa iray voalohany teto Madagasikara dia ny Papa Joany Paoly faha2 izany.


  • 06 Mar. 2019 - 07:23-

    Carême 2019. Le temps de Carême 2019 commence ce jour, Mercredi des cendres. Pour nous accompagner dans ce temps fort de notre foi voici deux liens :

    Message intégrale du Pape pour ce Carême 2019

    https://www.lakroa.mg/item-1640_articles_une_18-ala-craation-attend-avec-impatience-la-ravalation-des-fils-de-dieua-rm-819.html  

    Et une analyse succincte de ce message

    https://www.lakroa.mg/item-1641_articles_religion_18-se-convertir-pour-auvrer-a-la-rademption-de-la-craation.html


  • 31 Jan. 2019 - 06:49-

    Bilan provisoire global en date du 30 janvier 2019 à 18h. Le bilan provisoire global après les « Fortes pluies » et « Tempête Tropicale Modérée EKETSANG» fait état de : • 27 Décédés (18 à cause du glissement de terrain, 4 morts par noyade, 1 mort d’un écroulement d’une maison suite à l’inondation, 4 morts d’un écroulement d’une maison) ; • 1 Disparu (emportée par l’eau) ; • 3 Rescapés (suite au glissement de terrain) ; • 9 586 Sinistrés (254 dues au glissement de terrain et 9 332 à cause de l’inondation) ; • 833 Déplacés actuels (451 dues au glissement de terrain et 382 à cause de l’inondation) ; • 2 462 Déplacés cumulés (518 dues au glissement de terrain et 1 944 à cause de l’inondation) ; • 1 778 Cases d’habitation inondées ; • 187 Cases détruites (7 dues au glissement et 83 dues à l’inondation).
    CECI EST LE DERNIER BULLETIN EN CE QUI CONCERNE L’INONDATION ET LE GLISSEMENT DE TERRAIN DE CES DEUX DERNIERES SEMAINES A MADAGASCAR. (Source : BNGRC, Centre d'Etudes de Réflexion de Veille et d'Orientation).

  • 29 Jan. 2019 - 07:10-

    Bilan provisoire global en date du 28 Janvier 2019 à 20h. Le bilan provisoire global après les « Fortes pluies » et « Tempête Tropicale Modérée EKETSANG» fait état de : • 21 Décédés (18 à cause du glissement de terrain, 2 morts par noyade, 1 mort d’un écroulement, d’une maison suite à l’inondation) ; • 1 Disparu (emportée par l’eau) ; • 3 Rescapés (suite au glissement de terrain) ; • 8 466 Sinistrés (254 dues au glissement de terrain et 8 212 à cause de l’inondation) ; • 1 934 Déplacés actuels (450 dues au glissement de terrain et 1 484 à cause de l’inondation) ; • 2 304 Déplacés cumulés (518 dues au glissement de terrain et 1 786 à cause de l’inondation) ; • 1 603 Cases d’habitation inondées ; • 62 Cases détruites (7 dues au glissement et 55 dues à l’inondation). Source : Centre d'Etudes de Réflexion de Veille et d'Orientation.

  • 28 Jan. 2019 - 07:43-

    Bilan provisoire global en date du 27 janvier 2019 à 19h. Voici le bilan après les « Fortes pluies » et « Tempête Tropicale Modérée EKETSANG» qui fait état de :
    • 21 Décédés (18 à cause du glissement de terrain, 2 morts par noyade, 1 mort d’un écroulement d’une maison suite à l’inondation) ;
    • 1 Disparu (emportée par l’eau) ;
    • 3 Rescapés (suite au glissement de terrain) ;
    • 8 031 Sinistrés (201 dues au glissement de terrain et 7 830 à cause de l’inondation) ;
    • 1 236 Déplacés actuels (134 dues au glissement de terrain et 1 102 à cause de l’inondation) ;
    • 1 605 Déplacés cumulés (201 dues au glissement de terrain et 1 404 à cause de l’inondation) ;
    • 1 603 Cases d’habitation inondées ;
    • 62 Cases détruites (7 dues au glissement et 55 dues à l’inondation). (Source : Centre d'Etudes de Réflexion de Veille et d'Orientation).

  • 25 Jan. 2019 - 11:26-

    Nominations lors du Premier Conseil des ministres. Ce jeudi 24 janvier, après la nomination du nouveau gouvernement, le Président Rajoelina, a présidé le premier conseil des ministres au Palais d’Etat d’Iavoloha.
    Décret abrogeant le décret n°2016-140 du 02 mars 2016 et portant nomination de Madame ANDRIAMBALO Lala Ratompoalizo, Directeur du Protocole d’Etat auprès de la Présidence;
    Décret portant nomination de Ramaholimasy Holder, Directeur Général de la Présidence en charge des Affaires Politiques;
    Décret portant nomination de Andriamanananoro Augustin, Directeur Général de la Présidence en charge des Projets;
    Décret portant nomination de Sahondrarimalalala Marie Michelle, Directeur des Etudes Juridiques de la Présidence;
    Décret portant nomination de Raharinosy Jimmy, Directeur des Systèmes d'Information.
    Lalatiana Raktotondrazafy est le porte-parole du gouvernement

  • 24 Jan. 2019 - 07:49-

    Bulletin flash du 23 janvier. Bilan provisoire global en date du 23 Janvier 2019 à 18h transmis par le Centre d'Etudes de Réflexion de Veille et d'Orientation. Le bilan provisoire global fait état de : 16 décédés (15 à cause du glissement de terrain et 1 mort par noyade) ; 4 disparus (3 à cause du glissement de terrain et 1 emportée par l’eau) ; 3 rescapés (suite au glissement de terrain) ; 5 763 sinistrés (201 dues au glissement de terrain et 5 562 à cause de l’inondation) ; 503 déplacés cumulés (201 dues au glissement de terrain et 302 à cause de l’inondation) ; 1 588 cases d’habitation inondées ; 31 cases détruites (7 dues au glissement et 24 dues à l’inondation).

  • 24 Jan. 2019 - 06:30-

    IML - Le lancement officiel de l’Institut Malagasy de Leadership (IML) s’est tenu le 17 janvier 2019 au Carlton Antananarivo. IML a été créé avec la collaboration entre le Centre d’Etudes Diplomatiques et Stratégiques (CEDS) et l’Institut d’Etudes Politiques (IEP, pour que les dirigeants puissent mener sans failles avec courage l’envie de réussir ensemble en servant le bien commun. La formation est destinée à toutes les personnes qui cherchent à mieux se préparer pour diriger les secteurs économiques et administratifs tant au niveau national qu’international. IML offre deux sessions pour l’année 2019, une en mars et l’autre en octobre.

  • 22 Jan. 2019 - 14:46-

    Le staff du PRM Rajoelina. Rajoelina Andry Nirina, a tenu son premier conseil des ministres restreint, ce lundi 21 janvier 2019 au Palais d’État d’Iavoloha. Il a nommé ses proches collaborateurs. Ramonjavelo Manambahoaka Valéry Fitzgerald a été nommé Secrétaire général de la Présidence. Andriamaholy Onjaniaina Dina est nommé au poste Secrétaire Général Adjoint de la Présidence. Et, Delmotte Stéphanie a été nommée Directeur de Cabinet civil de la Présidence. On attend donc les autres membres entre autres le directeur de cabinet militaire,  le directeur administratif et financier…

  • 22 Jan. 2019 - 14:45-

    Reconduction du PM Christian Ntsay. Conformément aux dispositions de l’article 54 de la Constitution de la Quatrième République, les députés issus du groupe de partis majoritaires à l’Assemblée Nationale, en l’occurrence le MAPAR, ont proposé le nom de NTSAY Christian Louis au poste de Premier Ministre. Aussi, Son Excellence Monsieur le Président de la République, Rajoelina Andry Nirina, a pris le décret n°2019-016 portant nomination du Premier ministre, Chef du Gouvernement, Monsieur NTSAY Louis Christian.

  • 21 Jan. 2019 - 15:57-

    Gouverneur de région ? Dans son premier discours après la prestation de serment ce 19 janvier, le président Andry Rajoelina a utilisé le mot “gouverneur” de région. On lit dans la Constitution que “La fonction exécutive est exercée par un organe dirigé par le Chef de Région élu au suffrage universel. Le Chef de Région est le premier responsable de la stratégie et de la mise en œuvre de toutes les actions de développement économique et social de sa région. Il est le Chef de l’Administration de sa région.” Première entorse devant le gardien de la Constitution ?

  • 21 Jan. 2019 - 15:34-

    10 décès au moins. Les pluies torrentielles tombées sur Antananarivo dans la soirée du samedi 19 janvier ont perturbé la fin des festivités de la prestation de serment du Président Rajoelina (fête à Mahamasina, feux d’artifices annulées). Mais plus grave, elles ont provoqué un éboulement en plusieurs endroits et plusieurs maisons ont été démolies. Plusieurs personnes ont été ensevelies sous les décombres. Plusieurs personnes ont été sauvées mais on déplore une dizaine de victimes. On compte au moins 10 personnes décédées et on craint que le nombre ira en croissant.

  • 19 Jan. 2019 - 11:48-

    Hevi-dehibe notsoahina tamin'ny lahatenin'ny filoha Rajoelina. Ezaka lehibe no atao momba ny famokarana ny herinaratra. Politikan’ny kibo velaran-tany hovolena, tsy hanafatra vary intsony. Hitsinjo sy hanampy ireo tena marefo efa eny ambony sambo ny vary tena mora ho zaraina sy hamidy mora. Asa fa tsy kabary. Hanangana sy hanorina tanana vaovao isika ho modely aty amin’ny ranomasina Indiana izay atomboka amin’ity taona ity ihany. Ho mpandresy amin’ny lafiny rehetra ny Malagasy. Ampiray sy ampitambatra ny Malagasy aho. Tsy ny eto antananarivo ihany no hisitraka fa hapetraka ny fanamby fa hisitraka izany ny any amin’ny faritra. Apetraka ny governora hisolo ny lehiben’ny faritra. Izy ireo no hitarika ny asa goavana. Omentsika fitaovana manokana fanamboaran-dalana ny faritra rehetra. Ho lasa 23 ny faritra. Tsy ekeko ny gaboraraka. Tsy azo ekena ny fanaovana tolotrasa kanefa tsy  nisy asa notanterahina akory. Ady amin’ny kolikoly sy fitsarana marina tsy mitanila. Tsy ekeko ny fitsabahana amin’ny raharaha fitsarana.

    Tsy fandriampahalemana. Vahaolana koa ampitomboina ny isan’ny mpitandro filaminana. Ho vatsiana fitaovana mendrika manaraka ny toetrandro ny foloalindahy sy mpitandro filaminana. Handalo eto ny santionany amin’ny fitaovana tsy mataho-bala. Fankahalana fanaratsiana fisaraham-bazana hahilika izany.

  • 18 Jan. 2019 - 08:14-

    Passation à Iavoloha. Selon l’article 48 de la constitution “La passation officielle du pouvoir se fait entre le Président sortant et le Président nouvellement élu.” Il n’est nullement indiqué que c’est le président démissionnaire ou le président intérimaire. La passation se fera officiellemen ce vendredi 18 janvier. Selon la rumeur la passation se fera entre le président Rajaonarimampianina qui a démis de ses fonctions présidentielles en septembre 2018 et le président Rajoelina. Si cela se fera cela veut dire une passation des dossiers de janvier 2014 à septembre 2018. Qu’en sera-t-il des dossiers durant l’intérim ? Y aura-t-il une autre cérémonie de passation ce vendredi aussi ?


  • 09 Jan. 2019 - 08:42-

    Le FFKM présente ses vœux au Président de la République p.i. Les représentants du Conseil Chrétien des Eglises (FFKM), sont venus présenter les vœux de nouvel an au Président de la République p.i, Rivo Rakotovao, au palais d’Ambohitsorohitra, le 8 janvier 2019. Le Président en exercice de la FFKM a évoqué lors de la rencontre l’importance de la période que traverse le pays à l’heure actuelle, et n’a pas manqué de souligner l’union dans la prière pour la marche du pays ; il a aussi mis en relief la noble mission et les responsabilités qui incombent au Chef de l’Etat, Rivo Rakotovao, et invoqué la bénédiction divine à son endroit ainsi qu’à sa famille.

  • 07 Jan. 2019 - 14:16-

    Jours fériés de 2019. Mardi 1er Janvier, Vendredi 8 Mars : Journée de la Femme. Vendredi 29 Mars : Jour des martyrs 1947. 21 Avril : Pâques ; 22 Avril : Lundi de Pâques. Mercredi 1er Mai : Fête du travail. 30 Mai : Ascension. 4 Juin : L'Aïd el Fitr. 9 Juin : Pentecôte ; 10 Juin : Lundi de Pentecôte. 26 Juin : Fête de l'Indépendance. 11 Aout : L'Aïd el kebir ou Aïd-al-adha. 15 Août : Assomption. Vendredi 1er Novembre : Toussaint. 25 Décembre : Noël.

  • 05 Jan. 2019 - 09:59-

    Différents cas d’annulation d’une élection. Suivre les liens

    http://www.lakroa.mg/item-1607_articles_monde_18-la-cour-suprame-annule-laalection-prasidentielle.html


    http://www.lakroa.mg/item-1608_articles_monde_18-annulae-a-cause-daune-utilisation-abusive-de-facebook.html

  • 04 Jan. 2019 - 07:17-

    Résultats officiels le 8 janvier. La HCC, Haute Cour Constitutionnelle, dans un communiqué publié sur son site fait savoir la date de la proclamation officielle des résultats. La HCC procèdera à la proclamation officielle du second tour de l’élection présidentielle le mardi 8 janvier 2019 à 15 heures. La cérémonie aura lieu à la salle de proclamation du Palais d’Etat d’Ambohidahy. Pour la la HCC, s’applique de facto l’Article 61 de la Loi organique N°2018-009 relative à l’élection du Président de la République qui dit que la HCC procède à la proclamation officielle des résultats définitifs dans un délai de neuf (9) jours à partir de la date de publication des résultats provisoires par la CENI.

  • 02 Jan. 2019 - 12:49-

    Sainte et heureuse année 2019. Nous vous envoyons des étoiles de Paix, de solidarité, de Vérité et d’Amour pour qu’elles illuminent votre vie toute l’année 2019. toute l'équipe de www.lakroa.mg nous vous offrons comme menu au quotidien pour les 365 jours : "De belles coupes de sourire, Quelques éclats de rires, Une grande cuillerée de gentillesse, Quelques grains de tendresse, Une bonne pincée d’affection, Des poignées d’or et d’argent, Un maximum de réussite, Saupoudrer de gaïté, Faire mijoter avec douceur, Servir joyeusement."

Du même auteur

newtech
economie

Dans la même rubrique

religion
religion
Publicité