logo
Lakroan'i Madagasikara
Fifidianana

Fantatro rô ny hataoko

Ranaivo Jacques il y a 4 années

Hateloana sisa dia hifarana ny fitetezam-paritra hataon’ireo kandida sy ny mpanohana azy. Hiverina amin’ny laoniny ny fiainana. Hijanona hatreo ireo fiara mitatatata amin’izato fanamafisam-peo. Misy ireo efa mamahatra mafy amin’ny safidiny. Mbola maro kosa ireo mila resen-dahatra. Santionan’ny fitaovana nentina nandemen-tsaina.

Fantatro rô ny hataoko
Hateloana sisa dia hifarana ny fitetezam-paritra hataon’ireo kandida sy ny mpanohana azy. Mbola betsaka ny telo andro handresen-dahatra ireo misalasala sy tsy te hahalala. Zovy amin’ireo 33 ary no tian-droky ? “Fantatro rô ny ataoko” hoy ny mpandrabiraby.

Misy ireo efa mitonon-tena ho mpanohana. Na eo aza ireo efa vonon-kifidy dia samy nanao ny ainy tsy ho zavatra ny kandida isanisany handresen-dahatra ireo misalasala. Samy nampiasa ny fara-fahaizany ireo mpahay serasera ao anaty ekipa.

Peta-drindrina…

Hita tokoa fa nisy hevitra sy tetika vaovao nampiasaina nandritra izao fampielezan-kevitra izao. Feo, sary, dihy, akanjo… santionany amin’ny fitaovana nampiasaina izany.

Ny fampiasana peta-drindrina no mahazatra. Rakotry ny afisy tokoa ny rindrina. Voatemitra ny pôtô an’ny Jirama sy ny tamboho ary koa ny fialofana fiandrasana taksibe raha ny ao Antananarivo. Nifaninana ny nanindry na nanala ny afisin’ny mpifaninana ireo iraky ny kandida. 

Taratasy no nahazatra raha ny peta-drindrina. Niakatra ny lentan’ny fitaovana fa nisy ireo nampiasa “vinyle”. Afisy natao tamin’ny plastika. Ny an’i Camille Vital izao dia tahaka izany. Ao koa ireo fanion. Dia mbola tahaka ilay fanamarihana teo. Misy ireo vinyle. Ohatra ny an’i Hery Vaovao. “Tsisy dikany ny vidin’ireny raha natao tany Shina ireny” hoy ity mpikarakara lanonana iray.

Tahaka izany koa ny banderole. Fitaovana nahazatra. Lamba no fampiasa. Mbola betsaka ireo kandida no nampiasa ny lamba. Fa efa maro ireo kandida no nampiasa ny labasy. Ny velarana samy manana ny azy. Miankina amin’ny toerana hametahana azy izy ireny. 

…tee-shirt, elo…

Isan’ny tetika nampiasaina ihany koa ny fizarana tee-shirt. Hita ohatra ny fizarana ny te-shirt an’ny kandida iray tao amin’ny ANS (tranom-panjakana, sekoly ambony ihany koa). Tee-shirt amina arivo isa ny asabotsy 19 okitobra teo no nozaraina maimaim-poana. Nahazo ny anjarany na ankizy kely na tanora lehibebe. Ireo mpilalao baolina lavalava no teno nokinendry teo. Ireo kandida tena malaza eo amin’ny haino aman-jery no miseho malala-tanana amin’ny fizarana tee-shirt. “Firy ny akanjo nomeny anao nandritra ny fotoana nitondrany ny firenena ?” hoy ity kandida iray. Tsy naharaka no nahatonga azy niteny toa izany sa tena tsy nanao ? Tsorina fa misy tsara endrika ireny tee-shirt ireny. Tahaka ny an’ilay nomerao 10 izao dia toa ireny mpilalao baolina ireny tokoa no fahitana ireo tanora mitondra azy eny andalambe. Ny azy amin’io mbola maro no nogiazana ao amin’ny ladoany ao Ivato. Ireo kandida goavana amin’ny ara-bola dia ahitana tee-shirt karazany maro. “Arakaraka ny mpanohana ny fisian’ireny tee-shirt ireny” hoy ity mpikarakara iray. Misy izany ny tee-shirt avy amin’ny QG ary misy ny tee-shirt avy amin’ny vondrona mpanohana na comité de soutien. Arakaraka ny toerana ao anatin’ny rafitra koa ny akanjo. Tee-shirt tsotrany an’ny “be nahoana” ary polo ny an’ny mpitarika.

Toa tsy mihoatra ny 10 ireo kandida tena mizara tee-shirt ireo. Manampy an’ireny tee-shirt ireny dia misy koa ny kasikety.

Fa ny kandida Hery Rajaonarimampianina no nahitana fitaovana maro karazany indrindra. Ankoatra ireo efa notanisaina teo dia misy ny bracelet, misy koa ny lambahoany ary ny elo ho an’ny vehivavy.

Raha izany dia mitombo hatrany ny tetika madinika hisarihana ny olona hitondrany ny anaran’ny kandida mandehandeha. “Homme sandwich” no fiantsoan’ireo mpikarakara serasera izany tetika izany.

…sofina

Raha tahaka izany ny hita maso dia eo ny fampaisana ny sofina. Teo ny fampiasana mpanakanto nanentana fa teo koa ny firotsahan’izy ireo lalina. Mendrika fanadihadiana manokana izany. Vokatr’izay dia hira karazany maro no re momba ny kandida iray. Mitory ady antrano ve izany teo amin’ireo mpanakanto mpanohana ? Sa vokatry ny tsy fahatokisana ka naleon’ny kandida mandrakotra sofina maro ?

Isan’ny niasa be tokoa nandritra izao fampielezan-kevitra izao ny sono mobile. Fiara nasiana fanamafisam-peo ary nentina nitety vohitra. Nandefasana hira faneva sy nanaovana fanentanana ny olona hifidy ny kandia iray.

Ireo no fitaovana hita maso ety amin’ny vahoaka. Ny isan’ny tsy hitan’ny mponina diany fampiasana ny angindimby na helikopitera, ny an’ny sasany dia jet privé (fiaramanidina raikitra manokana). Misy ireo nanofa fiara 4x4 aman-jataony isan’andro. Niarahana nandre aza ny fisian’ny fiara 4x4 350 isa nafarana hanaovana propagandy.

Na teo aza ny rehetra

“Tsy ahoako ny hirany fa ny nataony rô no lalako” hoy ity namana iray. Fantatro izay naka ny taniko. Fantatro iza no nanome fitafy ahy tao anatin’ny ririnina efa dimy taona izao no nisian’ny krizy. Fantatro izay nampanantena ka nanome. Tsaroako izay nampanantena ka tsy hita rehefa nahazo fahefana izy.

Fanaovana tsinontsinona ny firenena mahantra ny fahitana ny fanaovana fafy katrana ny vola izay tsy fanta-pihaviana avokoa. “Fantatro rô ny hataoko fa tsy omeko ny olona tsy milaza ny marina amiko ny fahefana” no tokony ho valiteny hentitra. Efa vitsy sisa kandia tavela raha izay no fenitra.

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 17 Oct. 2017 - 13:38-

    Senatera vaovao, minisitra vaovao. Araky ny fanambarana nataon’i Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika teny Iavoloha ny antoandron’ny 17 okitobra dia : voatendry ho loholon’i Madagasikara nisolo toerana an’i Ahmad i Rivo Rakotovao. Randriarimanana Harison Edmond kosa no voatendry ho minisitra eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny fambolena sy fiompiana misolo ny toeran’i Rivo Rakotovao. Soritana fa efa nisahana io ministera io i Randriarimanana Harison Edmond. Izao fanapahana izao dia efa noraisina ny 12 okitobra fa izao vao nambara ampahibemaso.

  • 17 Oct. 2017 - 12:48-

    Bilan de la peste au 16 octobre. La situation de l’épidémie de la peste affecte actuellement 38 Districts, qui se trouvent dans 17 Régions de Madagascar. 805 cas de peste ont été notifiés, dont 595 de formes pulmonaires et 210 de formes buboniques. Le bilan fait état de 74 décès.  Parmi ces cas notifiés : 62 sont confirmés selon les résultats de l’Institut Pasteur de Madagascar (IPM) ; 367 sont probables selon le test de diagnostic rapide (TDR) ; 377 sont des cas suspects. Source : Minsanp

  • 17 Oct. 2017 - 07:12-

    Deuxième session ordinaire. Selon l’article 75 de la Constitution l'Assemblée Nationale se réunit de plein droit en deux sessions ordinaires par an. La durée de chaque session est fixée à soixante jours. La première session commence le premier mardi de mai et la seconde, consacrée principalement à l'adoption de la loi de finances, le troisième mardi d'octobre. De même pour le Sénat comme le dispose l’article 84. Cette deuxième session commence ce 17 octobre à 14 heures pour les députés et 16 heures pour les sénateurs.

  • 17 Oct. 2017 - 06:37-

    Araka ny fanarahana akaiky ataon'ny #cellule_riposte_peste ireo ZAP nahitana ny trangana pesta ka nanakatonana ireo sekoly dia misy izy ireo no efa tsy misy ahiahiana intsony. Miverina mianatra noho izay ny mpianatra eny anivon'ireto ZAP ireto manomboka ny Alarobia 18 Oktobra ho avy izao:

    DREN ANALAMANGA:
    CISCO MANJAKANDRIANA

    • ZAP RANOVAO
    • ZAP AMBOHITROLOMAHITSY

    DREN ITASY:
    CISCO ARIVONIMAMO

    • ZAP ARIVONIMAMO I
    • ZAP ARIVONIMAMO II
    • ZAP ALAKAMISY KELY
    • ZAP AMPAHIMANGA
    • ZAP AMBATOMIRAHAVY

     CISCO MIARINARIVO
    • ZAP MIARINARIVO I
    • ZAP MANAZARA

     CISCO SOAVINANDRIANA
    • ZAP MAHAVELONA

    DREN HAUTE MATSIATRA:
    CISCO LALANGINA

    • ZAP ALAKAMISY AMBOHIMAHA 

    CISCO AMBOHIMAHASOA
    •ZAP AMPITANA
    •ZAP ISAKA
    •ZAP AMBOHINAMBOARINA

    DREN AMORON'I MANIA:
    CISCO FANDRIANA
    • ZAP IMITO

    DREN VAKINANKARATRA:
    CISCO ANTSIRABE I manontolo

     

    Cellule riposte/MEN

  • 16 Oct. 2017 - 07:29-

    Situation générale de la peste le 13 octobre. La situation épidémiologique du 1er août au 13 octobre 2017 est détaillée comme suit : 610 est le nombre total de cas rapporté (cumul pour tout Madagasikara pour toute cette période et pour tout type de peste confondue).

    63 : Nombre de personnes décédées (cumul pour tout Madagasikara pour toute cette période et pour tout type de peste confondue).  Taux de létalité nationale : 10,3% (c’est le rapport du nombre de décès avec le nombre total des cas notifies). Source : Minsan.

  • 15 Oct. 2017 - 18:13-

    Atlantis Business School renforce sa présence auprès des écoles à Antananarivo. Le samedi 14 octobre Rasolofonjatovo Ny Aina, un des responsables du bureau de Atlantis Business School ou ABS offre à Antananarivo a rencontré les représentants de quelques écoles d’expression française pour présenter les avantanges et les possibilités de poursuivre les études au sein de l’ABS. ABS offre aux étudiants la possibilité d'étudier à Maurice pour obtenir un diplôme internationalement reconnu décerné par UUM (University Utara Malaysia)  prestigieuse université malaisienne. ABS est aussi accréditée auprès de he Association to Advance Collegiate School of Business des États-Unis.

  • 14 Oct. 2017 - 13:13-

    Fahatongavan’ny nofo mangatsiakan’ny Filoham-pirenena teo aloha Zafy Albert. Ny nofo mangatsiakan'ny Filoha Albert Zafy dia ho tonga eny Ivato ny 14 oktobra amin'ny 4 ora sy 10mn. Aorian'ny fanomezamboninahitra ho tontosanan’ny fanjakana, dia ho entina eny antranony eny Ivandry villa franchise ny vata mangatsiaka. Toy izao ny lalana hizorana: Ivato- Talatamaty-rond point Ankazomanga - route des hydrocarbures - Ivandry.

  • 14 Oct. 2017 - 12:21-

    Fanambaran’ny Filoham-pirenena, Hery Rajaonarimampianina, manoloana ny fahalasanan’ny Filoha Zafy Albert. Ry Vahoaka malagasy, amin’alahelo tokoa no nandrenesana ny fodiamandrin’ny Profesora ZAFY Albert tany amin’ny Nosy La Réunion. Very olomanga ny firenena satria Filoham-pirenena voafidim-bahoaka tamin’ny taona 1992 ny filoha Zafy Albert, ary niady sy nandala ny demokrasia sy ny fihavanam-pirenena. Koa amin’ny anaran’ny vahoaka Malagasy, amin’ny anaran’ny fitondram-panjakana iray manontolo, sy amin’ny anaran’ny tenanay manokana, no itondranay ny fiaraha-miory amin’ny vadiny sy ny zanaka aman-jafiny ary ny fianakaviana, mangataka ny fitahian’Andriamanitra mba hampahery azy ireo hatrany.

  • 13 Oct. 2017 - 14:04-

    Décès du Pr Zafy Albert. Le professeur Albert Zafy, ancien président de la République malgache, est décédé ce vendredi 13 octobre à l’hôpital de Saint-Pierre, selon la publication qu’on peut lire sur le site de la Présidence de la République de Madagasikara. Il a été évacué sur l'île de la Réunion ce jour 12 octobre. Le Professeur, fondateur du parti Undd et acuellement Président d’honneur, ancien Président de la république a été admis à la polyclinique d’Ilafy le 11 octobre 2017. Il est âgé de 90 ans. www.lakroa.mg présente ses condoléances à la famille. Paix à son âme.

  • 13 Oct. 2017 - 07:35-

    Situation épidémiologique à Madagascar du 1er août au 12 octobre 2017. Voici la situation épidémiologique : Au total : 561 cas dont 57 décédés. • Létalité globale est de : 10,2%. • Formes cliniques : 415 cas de Peste pulmonaire ; 144 cas de Peste bubonique ; 1 cas Peste septicémique ; 1 cas de peste non précisée. • Confirmés : 39, • Probable : 219, • Suspect : 303. Source : MSANP, Communiqué par : BNGRC.

  • 11 Oct. 2017 - 07:26-

    Lisitra fanampiny zap hanakatona sekoly, lisitra navoaka ny 10 okitobra. Miato ihany koa ny fampianarana amin'ireto toerana ireto, na ny sekoly miankina na ny tsy miankina. Misy amin'izy ireo no efa tsy nampianatra androany misy kosa ireo hikatona manomboka rahampitso 11 okitobra 2017= Dren Itasy, Cisco Soavinandriana : ZAP Antanetibe. Dren Haute Matsiatra, Cisco Vohibato : Zap Mahaditra. Dren Vakinankaratra, Cisco Antsirabe 1 : Zap Antsirabe Ampovoany, Zap Soamalaza Mahatsinjo, Zap Antsenakely Andraikiba, Zap Mahazoarivo Avarabohitra.

  • 10 Oct. 2017 - 13:59-

    Récentes parutions. Culture : http://www.lakroa.mg/item-1190_articles_culture_18-pesita-sy-fantsy.html. Social: http://www.lakroa.mg/item-1189_articles_societe_18-signature-daune-convention-entre-la-cnaps-et-la-flm.html

  • 10 Oct. 2017 - 13:32-

    Communiqé du Sefafi. Le Sefafi vient de publier un nouveau communiqué intitulé : “Intérêt légitime et droit à être informé”. Épidémie de peste, révision de la constitution, accueil de réfugiés syriens… Autant d’actualités polémiques qui ont soulevé un tollé, suscité l’incompréhension et l’indignation, semé le désarroi voire même la panique au sein de l’opinion et qui, dans certains cas, ont fini par indisposer le pouvoir ! L’État aurait pu éviter la psychose en tenant le public informé et en prenant les devants par des mesures d’urgence appropriées pour limiter la propagation de la maladie.

  • 10 Oct. 2017 - 07:23-

    Lisitra fanampiny. Ankoatra ireo ZAP sy CISCO voalaza eto ambany dia mihato ihany koa ny fampianarana eny anivon'ireto ZAP sy CISCO ireto mandritra ity herinandro ity:

    DREN ANALAMANGA CISCO ANJOZOROBE: ZAP ANJOZOROBE I

    DREN ITASY, CISCO ARIVONIMAMO:

    - ZAP ALAKAMISY KELY

    - ZAP AMPAHIMANGA

    - ZAP AMBATOMIRAHAVAVY

    DREN HAUTE MATSIATRA CISCO FIANARANTSOA MANONTOLO

    DREN ANALANJIROFOCISCO FENERIVE EST MANONTOLO

    DREN AMORON'I MANIA CISCO FANDRIANA: ZAP IMITO

    (Cellule riposte/MEN)

  • 07 Oct. 2017 - 08:28-

    Cisco sy zap tsy mianatra. Manoloana ny fitrangan’ny aretina pesita dia nandray fepetra samihafa ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Voalohany, misy ny  Fanadiovana faobe ny sekoly rehetra ao amin’ilay ZAP na CISCO misy ny marary ;  Fandrarahana fanafody ireo sekoly rehetra ao anatin’ny ZAP na ny CISCO ;  Fanakatonana ny sekoly ao anatin’ny 3 andro aorian’ny fandrarahana fanafody. Faharoa, misy ny fepetra ho raisina amin’ny herinandron’ny faha 9 oktobra ka hatao “Semaine d’observation” ny herinandron’ny miandoha ny 9 okitobra. Ka jereo anatin’ity rohy ity ny Cisco sy zap tsy mianatra mandritra io herinandro io : http://www.lakroa.mg/item-1183_articles_education_18-fepetra-noraisina-ho-fisorohana.html

  • 05 Oct. 2017 - 08:41-

    Premium class Soatrans. La coopérative Soatrans vient de lancer une nouvelle offre dénommée Premium class. Le lancement de cette offre a été effectué ce 3 octobre 2017. Avec cette offre les passagers sont sûrs de partir à l’heure indiquée quelle que soit le nombre de clients ayant réservés. Les voyageurs bénéficient de l’internet avec le Wi-Fi intégré à bord. Chaque voiture est dotée de gps cela permet de contrôler la vitesse employée et de suivre la voiture en temps réel. Les départs se font toutes les deux heures (6h, 8h, 10h le matin et 14h, 16h et 18h l’après-midi).

  • 05 Oct. 2017 - 07:42-

    Lahatsoratra farany. Santé : http://www.lakroa.mg/item-1180_articles_sport_18-pesita-misy-mpizesita-mahay.html

  • 03 Oct. 2017 - 06:58-

    Sekoly mikatona ho an’ny Cisco 6. Tahaka izao ny fanambarana navoakan’i Paul Rabary, minisitry ny fanabeazam-pirenena : « Miato ny fampianarana amin'ireto toerana voalaza ireto amin'ity herinandro ity ho fanohizana ny fanadiovana ny sekoly (miankina sy tsy miankina): Antananarivo Renivohitra, Antananarivo Avaradrano, Antananarivo Atsimondrano, Ambohidratrimo, Toamasina I, Toamasina II.

    Amin'ny alatsinainy izany ny ankizy vao miverina mamonjy ny toeram-pianarany any amin'ireo toerana ireo ! »

  • 30 Sep. 2017 - 09:32-

    THB Ligue des champions 2017, phase 2. La Phase 2 du THB Ligue des champions 2017 a commencé ce 29 septembre. Les équipes du groupe 1 jouent à Mahajanga. Dans ce groupe se trouvent les équipes HZAM Amparafaravola (Alaotra Mangoro), CNAPS SPORT (Itasy), USSK Ambanja (Diana), VARATRAZA (Sofia), FC MAEVA (Betsiboka), AJESAIA (Bongolava). Les équipes du groupe 2 évoluent à Fianarantsoa. Dans ce groupe se rencontreront les équipes suivantes :  COSFA (Analamanga II), ELGECO PLUS (Analamanga I), TOP DOM (Amoron'imania), ZANAKALA FC (Haute Matsiatra), FC ANGELE (Anosy), RTS JET MADA (Itasy II).

  • 30 Sep. 2017 - 08:13-

    CEO de la Cnaps. L’inauguration du Centre d’Ecoute et d’Orientation (CEO) nouveau service au sein de la  Caisse Nationale de Prévoyance Sociale (Cnaps) a été effectuée ce vendredi 29 septembre. L’inauguration de ce nouveau service dans un nouveau bâtiment a été effectuée par le Ministre de la Fonction publique, ministre de tutelle de la Cnaps, pour le compte d l’Etat et du Directeur Général de la Cnaps pour le compte de la Cnaps. Ce nouveau service, sis au 67 Ha, sera opérationnel dans le courant du mois d'octobre 2017.

Du même auteur

monde
politique

Dans la même rubrique

politique
politique
Publicité