logo
Lakroan'i Madagasikara
pub_dada
MOMBA NY FAMINDRAM-PON’ANDRIAMANITRA

Fototry ny fanantenana amin’ny Fitoriana ny Evanjely amin’ny fomba vaovao

admin il y a 2 années

Indro misy lahatsoratra navoakan'ny gazety Lakroan'i Madagasikara laharana 4001, pejy faha-15 mikasika ny famindram-pon'Andriamanitra hatrany.

Fototry ny fanantenana amin’ny Fitoriana ny Evanjely amin’ny fomba vaovao

KONGRESY FAHATELON’I AFRIKA SY MADAGASIKARA MOMBA NY FAMINDRAM-PON’ANDRIAMANITRA

Ny famindram-pon’Andriamanitra : Fototry ny fanantenana amin’ny Fitoriana ny Evanjely amin’ny fomba vaovao

 

Ny Kongresy fahatelon’i Afrika sy Madagasikara momba ny Famindram-pon’Andriamanitra dia natao tao Kigali renivohitr’i Rwanda tamin’ny 9 hatramin’ny15 septambre 2016

Ao anatin’i Afrika no ahitana an’i Rwanda. Manana velarana 26.300 Km², ahitana mponina 12.600.000, miteny amin’ny tenim-pirenena tokana, kinyarwanda. Tanàna be havoana I Kigali, ary antsoina hoe: “la ville aux mille collines” ary mampitolagaga amin’ny fahadiovany, sy ny  fanajariana tanàna voarindra manaraka ny toetr’andro, ka tena mahafinaritra. Tsy misy sachet plastique na fako miangona, tsy misy mpangataka an-dalambe na mpanendaka eny fa na alika mirenireny aza dia tsy misy.

Arsidiosezy tokana sy diosezy valo no mandrafitra ny Eglizy katolika ao Rwanda. Araka ny antonan’isa tamin’ny 2009 dia ahitana  paroasymiisa 161, pretra733, relijiozy lehilahy198, relijiozy vehivavy1600, 4 293 000 ny katolika raha 9 900 000 ny mponina.

Ny Rwandais dia vahoaka nifamono sy nifandripaka tamin’ny alalan’ny ady an-trano (génocide) tamin’ny avrily ka hatramin’ny jolay 1994. Eo amin’ny 800 000 lahy sy vavy ary  ankizy no maty tao anatin’ny fotoana fohy. Maro ny antony nahatonga izany fa indrindra ny fitambaran’ny fankahalàna sy fialonana teo amin’ny foko Tutsi sy Hutu nandritra ny taona maro. Kanefa ny marina dia avy amin’ny foko iray ihany no nihavian’izy ireo. Tany ho any amin’ny taona 1800 dia nametraka fanavahana ny mpanjana-tany, ka ny Tutsis dia ireo mpiompy manana omby mihoatra ny folo, ary ny Hutu kosa dia ireo mpamboly manana omby latsaky ny folo. Nosoratana tao amin’ny pasipaoron’ny tsirairay izany sokajy izany ka nifandovan’ny taranaka. Teo amin’ny faran’ny taona 1950, dia maro tamin’ireo avara-pianarana rwandais no nankato ny fisian’izany sokajy izany teo amin’ny fiarahamonina misy azy ireo ka ny Tutsis dia ireo mivoatra kokoa ary  ny Hutus dia sokajy natao hanaraka baiko fotsiny, ka nitarika fahasorenana lalina sy lonilony tamin’ireo farany izany.

Tao anatin’ny 20 taona taorian’izany genocide izany, dia nianatra niara-niaina ny Rwandais rehetra. Nofoanan’ny fitondrana tao anaty karapanondro ny anarana foko. Nampidirina tao anatin’ny fiarahamonina ny asa tana-maro fampivoarana: fanamboarana lalana, fanamboarana trano, fanadiovana ny tanàna sy ny tonolo iainana ary izany tsy nanavahana sokajin’olona ara-tsosialy fa nandraisan’ny olona rehetra anjara. Nomena ny fahamendrehany ny vehivavy ary mitana toerana lehibe eo anivon’ny fiarahamonina, eny fa eo amin’ny sehatry ny fandraharahana sy ny fitondram-panjakana. Na dia misy fiantraikany tamin’ny fiainan’ny tsirairay aza izany fifamonoana faobe izany dia samy mijery ny hoavy sy izay hampivoarana ny toe-kareny izy ireo.  Ankehitriny, na dia eo aza ny fery anaty sy ny takaitra eo amin’ny vatany, dia mirehareha noho ny maha izy azy izy ireo: olona niova fo, feno ainga vao ary nentanin’ny finoana, ka afaka nifamela, afaka ny nihavana tamin’izy samy izy, sy tamin’Andriamanitra.

Tsara ho fantatra fa io famonoana faobe io dia tsy nijanona teo ivelan’ny Eglizy fa tafiditra hatrany anatin’ny tranon-drelijiozy: Tena asan’ny ratsy mihitsy.

Masina Maria dia niseho tamin’ny tanora zazavavy telo tao amin’ny Kolejy tao Kibeho, tanàna kely teo amin’ny 153km miala an’i Kigaly, teo anelanelan’ny 28 novembra 1981 hatramin’ny 28 novembra 1989. Nampahafantatra ny tenany izy ka nilaza fa: “Izaho no Renin’ny Teny”. Nampita hafatra tamin’izy ireo i Masina Maria ka toy izao ny ampahany: “Na dia eo aza ny loza mitatao aminareo, dia matokia anaka fa tsy misy ambony noho Andriamanitra. Ankoatr’izay, ny loza dia mety hiseho amin’ny toerana rehetra. Ny zava-dehibe dia ny hiatrehana azy tsy am-pitarainana, ampahanginana. Anaka, mivavaha, mibebaha ianareo!” Ny hafatra dia tsy natokana ho an’i Rwanda irery ihany fa ho an’izao tontolo izao. Koa azo ampiharina amin’ny firenena rehetra izao ampahany nambara izao, izay avy amin’ny Renintsika avy any an-danitra. Ny Rwandais dia mijoro vavolombelona tamin’ ny zavatra niainan’izy ireo, mba tsy hisy intsony olona na firenena ho tratry ny fandriky ny ratsy toy izao intsony. Tsapa fa be loatra ny fangirifiriana sy fahoriana nisy hany ka tsy mahaloa-peo ny tena! Noharian’Andriamanitra isika , nataony mitovy endrika Aminy, mifanahaka Aminy, nefa zary tsy hita izany.

Ho anay nanatrika ny Kongresy, lahika 524 avy amin’ny firenena 21 no tonga tao Kigali. Olona dimy no nandray anjara tao amin’ny delegasiona Malagasy, notarihin’i Monsenera Georges Varkey, Evekan’i Port-Bergé, niaraka tamin’ny pretra telo sy lahika iray. Notsenain’ireo mpampiantrano rwandais tamin-kafaliana sy tamim-pitiavana izahay. Noraisin’izy ireo an-tanana ny momba anay rehetra ary tsy nandao anay izy ireo nandritra ny fitsidihanay, ka nikarakara hatramin’ireo zava-madinika indrindra. Nampiantranoina tamin’ireo ivontoerana maromaro fandraisana vahinin’ny relijiozy izahay. Ireo Kardinaly 3 sy ireo Eveka 22 nanatrika ny Kongresy moa dia nipetraka tao amin’ny toerana voatokana ho azy ireo irery. Ny fitaterana hatrany amin’ny Toerana masina, Sanctuaire de la Miséricorde Divine izay tany amin’ny roapolo kilaometatra, dia notanterahin’ny fiarabe mpitatitra efa voatokana ho anay. Ny tontolo andronay dia feno tokoa: ka tao ny lahateny, ny Eokaristia, ny Sakramentan’ny Fampihavanana, ny vavaka sy fanajana ny oran’ny fampindram-pon’Andriamanitra ary tao koa ny raharaha hafa. Nefa dia niara nientam-po izahay rehetra, mahatsapa tena ho iray, aina iray, toy ny olona mifankahalala tsara, na dia mbola tsy nihaona mihitsy aza. Tsy nisy fotoana nahatsapanay hoe vahiny izahay. Samy nizara an-kitsipo ny traikefa nananany tany amin’ny taniny avy, tany amin’ny paroasiny avy. Ka dia tsapanay fa mitovy ny olana sedrain’ny tsirairay, isam-pirenena, eo amin’ny asa fanapariahana ny fampahafantarana ny Famindram-pon’Andriamanitra. Nampahalalanay ireo raiamandrenin’ny Fiangonana izany olana izany ka feno hafaliana ny fonay rehefa nahazo ny tso-dranon’ny Eglizy masina mba ho iraka mahatoky, hiara-miasa amin’i Jesoa ho famonjena fanahy maro, nandritra ny Sorona Masina famaranana ny Kongresy.

Niaina ny fotoana tena nanamarika indrindra ny fiainanay tokoa izahay. Manoloana ny firotsahanay amin’ny asan’ny Eglizy dia tsapa fa mazava izay rehetra tian’ireo Ray aman-drenin’ny Fiangonana navoitra tamin’ity Kongresy ity. Ireo lahateny nataon’ny raiamandrenin’ny Fiangonana sy ny mpampianatra mpikaroka ary koa ny fijoroana vavolombelona dia tafalatsaka sy nanokatra ny fonay ka nanampy anay hahatsapa ny zava-misy sy ny tontolo  iainantsika ankehitriny, bebe kokoa.

Araka izany, noho ny fanatontoloana, dia tandindomin-doza lehibe izao tontolo izao satria tsy heverina intsony ny maha olona, atao toy ny tsy misy Andriamanitra, ka miantomboka ao amin’ny fianakaviana, izay andrin’ny fivoarana sy fahombiazana ara-tsosialy ao amin’ny firenena, ary indrindra fototry ny Eglizy. Misy fomba amam-panao ratsy tafiditra ao amin’ny fiainantsika andavanandro izay tsy tandrintsika akory ny fisiany.  Tsikelikely, zary fahazarana ny tsy fisian’ny fanajana sy fahendrena ka heverina ho ara-dalàna. Ny zavatra tsy mety dia lasa ekena hoe mety. Ary ankehitriny, ny ady lehibe fahatelo dia efa nanomboka fa mitsitokotoko manerana an’izao tontolo izao…

Na eo aza izany, aty Afrika sy Madagasikara dia mbola misy fanantenana na dia maro ny ezaka ilaina tratrarina: mbola velona ny soatoavina ara-moraly, miahy ny maha-olona, ny lanjan’ny fianakaviana sy ny kolontsaina izay mitoetra eo amin’ny fiaraha-monina. I Afrika sy Madagasikara dia tokony hanaiky ny hiara-miasa amin’Andriamanitra, ary hatoky Azy mba hamerenana  ny hasin’ny maha-olona eo amin’izao tontolo izao. Ny Fiangonana aty Afrika sy Madagasikara no ho avin’ny Fiangonana maneran-tany. Ny Fanahy  Masina dia miasa mba hanampy antsika hanamafy ny finoantsika sy ny fahatokisantsika ny Famindram-pon’Andriamanitra izay tsy hita pesipesenina. Ary satria isika vita batemy, nirahin’ny Eglizy mba hitory ny Evanjely, hijoro vavolombelon’ny fitiavan’Andriamanitra sy hampiely ny Famindram-pon’Andriamanitra eo manodidina antsika amin’ny alalan’ny asa Famindram-po ara-nofo sy ara-panahy. Noho izany dia mitsangana isika mandeha manara-dia an’I Mb Faustine sy ny Papa Joany Paoly II. Hoy I Jesoa tamin’I Mb Faustine: “Faniriako ny hanavotra ny fanahy maro, ampio Aho anaka amin’ny fanavotana ny fanahy rehetra (PJ.1032). Toy inona ny faniriako hamonjy ny fanahy rehetra… Tiako ny manome ny aiko masina ho ao anatin’ny fanahin’ny olona rehetra ary hanamasina azy, indrindra fa raha eken’izy ireo ny fahasoavako. Ireo mpanota fadiranovana dia ho tonga amin’ny fahamasinana avo indrindra raha matoky ny Famindram-poko (PJ.1784). Anaka, atolory Ahy ny fanahy rehetra; fantaro fa adidinao ny mitondra ho Ahy ny fanahy rehetra amin’ny alalan’ny vavaka sy fampijalian-tena ary ny fampirisihana hatoky ny Famindram-poko (PJ.1690)”   Maniry hampiely ny fiainako amin’ny maha-Andriamanitra ao amin’ny fanahin’ny olombelona sy ny hanamasina azy Aho, raha mba maniry fotsiny izy ireo ka manaiky ny fahasoavako. Ny mpanota be dia mety ho tonga amin’ny fahamasinana, raha toa ka mahatoky ny Famindram-poko”.

Tamin’ny teny frantsay, anglisy, swahili, kinyarwanda, sy malagasy dia nanandratra vavaka tamin’ny feo iray izahay niara-nanonona ny sapilen’ny Famindram-pon’Andriamanitra izay nofaranana tamin’ny tenim-pirenenay avy hoe: “Jesoa matoky anao aho!”

Nentanin’ny hafaliana sy ny fitiavana izahay, mpirahalahy sy mpirahavavy ao amin’ny Eglizy katolika, no nanolo-tena ho azy, mba handroso lalindalina kokoa ho amin’ny fitoriana amin’ny fomba vaovao ny Evanjely ho voninahitr’Andriamanitra sy ny Fiangonana izay tena mampirehareha anay. Mazava tsara fa mila ny firotsahana an-tsehatry ny lahika bebe kokoa ao amin’ny fanitarana ny fanjakan’Andriamanitra ny Fiangonana, miaraka amin’ireo pretra sy relijiozy, ampian’ny fitantanan’i Masina Maria Virjiny, Renin’ny Teny.

                                                                      Natao teto Antananarivo ny 10 Novambra 2016

 

Mgr Georges VARKEY

Evêque de Port Bergé

Président de la Commission Episcopale pour la Nouvelle Evangélisation

 

 

 

Mme Joëlle BEDO

Secrétaire de la Commission Episcopale pour la Nouvelle Evangélisation

 

 


Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 20 Nov. 2018 - 07:46-

    Communiqué HCC. Suite à la publication officielle des résultats provisoires du premier tour de l’élection présidentielle par la CENI le samedi 17 novembre 2018, s’appliquent de facto les dispositions suivantes de la Loi organique N°2018-009 relative à l’élection du Président de la République :
    Article 61 :
    La Haute Cour Constitutionnelle procède à la proclamation officielle des résultats définitifs dans un délai de neuf (9) jours à partir de la date de publication des résultats provisoires par la Commission Electorale Nationale Indépendante.
    Article 66 alinéa 2 :
    Le délai de recours est fixé à deux (2) jours après la publication des résultats provisoires par la Commission Electorale Nationale Indépendante.
    En application du système de délai franc, la réception des requêtes sera clôturée le mardi 20 novembre 2018 à 24h.

  • 16 Nov. 2018 - 07:45-

    Voici les tendances publiées sur le site de la CENI ce 16 novembre 2018 à 6 heures et 58 minutes. C’est une tendance nationale, BV traités : 22 576 sur 24 852 soit : 90,84%. Inscrits : 8 906 101 sur 9 913 599 votants : 4 807 829 suffrages exprimés 4 453 212 soit 92,48%. Taux de participation : 53,98%.

    - RAJOELINA Andry Nirina : 1 763 347 soit 39,60%

    - RAVALOMANANA Marc : 1 535 795 soit 34,49%

    - RAJAONARIMAMPIANINA Hery : 390 356 soit 8,77%

    - MAILHOL André Christian Dieu Donné : 56 928 soit 1,28%

    - RANDRIAMAMPIONONA Joseph Martin : 53 629 soit 1,20%

    - RAFALIMANANA Ny Rado : 52 897 soit 1,19%

  • 16 Nov. 2018 - 07:45-

    Administrateur apostolique du diocèse de Mahajanga. Mgr Gustavo Bombin Espino, OSST, actuellement évêque du diocèse de Maintirano (dont il est le premier évêque) a été désigné comme Administrateur apostolique du diocèse de Mahajanga. L’annonce a été faite durant les obsèques de Mgr Roger Victor Solo Rakotondrajao le vendredi 9 novembre à Mahajanga. Pour mémoire, Mgr Gustavo Bombin Espino était évêque de Tsironomandidy entre février 2004 et février 2017 ‘érection du noouveau diocèse de Maintirano). Mgr Gustavo Bombin Espino est né le 24 septembre 1960 à San Llorente (Valadolid en Espagne).

  • 14 Nov. 2018 - 13:41-

    Voici les tendances publiées sur le site de la CENI ce 14 novembre 2018 à 13 heures et 6 minutes. C’est une tendance nationale, BV traités : 17504 sur 24 852 soit : 70,43%. Inscrits : 7 062 725 sur 9 913 599 votants : 3 827 816 suffrages exprimés 3 539 985 soit 92,48%. Taux de participation : 54.20%.

    - RAJOELINA Andry Nirina: 1396356 (39.45%)
    - RAVALOMANANA Marc: 1297579 (36.65%)
    - RAJAONARIMAMPIANINA Hery: 266857 (7.54%)
    - MAILHOL André Christian Dieu Donné: 46243 (1.31%)
    - RANDRIAMAMPIONONA Joseph Martin: 41091 (1.16%)
    - RAFALIMANANA Ny Rado: 39742 (1.12%)

  • 13 Nov. 2018 - 14:56-

    FMF out, comité de normalisation in. Le Bureau du Conseil de la FIFA a décidé, ce 12 novembre 2018, de désigner des comités de normalisation pour les Fédérations de Football de République dominicaine (FEDOFUTBOL) et Madagascar (FMF) conformément à l’art. 14, al. 1a et l’art. 8, al. 2 des Statuts de la FIFA. À Madagascar, la décision de nommer un comité de normalisation est liée à la procédure électorale de la FMF, qui n’a pas été effectuée conformément aux exigences réglementaires applicables aux membres de la FIFA. Le mandat du comité expirera au plus tard le 12 mai 2019. La participation des Barea à la CAN n'est pas concernée par la mise en place du comité de normalisation.

  • 13 Nov. 2018 - 07:46- Voici les tendances publiées sur le site de la CENI ce 13 novembre 2018 à 6 heures et 57minutes. C’est une tendance nationale, BV traités : 13 283 sur 24 852 soit : 53,45%. Inscrits : 5 370 311 sur 9 913 599 votants : 2 876 312 suffrages exprimés 2 659 943 soit 92,48%. Taux de participation: 53,56%.
    - RAJOELINA Andry Nirina : 1 051 134 (39,52%)
    - RAVALOMANANA Marc: 950 724 (35,74%)
    - RAJAONARIMAMPIANINA Hery: 212 682 (8%)
    - MAILHOL André Christian Dieu Donné: 35 382 (1,33%)
  • 12 Nov. 2018 - 08:08-

    Voici les tendances publiées sur le site de la CENI ce 12 novembre 2018 à 6 heures et 8 minutes. C’est une tendance nationale, BV traités : 10437 sur 24852 soit : 42%. Inscrits 4 285 527 sur 9 913 599 votants : 2 301 808 suffrages exprimés 2 129 443 soit 92,51%. Taux de participation: 53.71%.

    - RAJOELINA Andry Nirina : 835301 soit 39.23%
    - RAVALOMANANA Marc: 785748 soit 36.90%
    - RAJAONARIMAMPIANINA Hery: 160879 soit 7.55%
    - MAILHOL André Christian Dieu Donné: 28308 soit 1.33%

  • 10 Nov. 2018 - 12:47-

    Voici les tendances publiées sur le site de la CENI ce 10 novembre 2018 à 10h 25minutes. C’est une tendance nationale, nombre de bureau de vote (BV) traité : 3 663  sur les 24 852. Inscrits : 1 646 896 sur 9 913 599 votants : 860 662. Suffrages exprimés : 798 788. Taux de participation : 52.26%.  

    RAJOELINA Andry Nirina : 40.90%.

    RAVALOMANANA Marc: 39.09%.

    RAJAONARIMAMPIANINA Hery: 5.75%

    MAILHOL André Christian Dieu Donné: 1.46%

    RABARY Andrianiaina Paul: 0,95%

  • 06 Nov. 2018 - 07:44-

    Camions pour le SAMVA. Le communiqué du Conseil des Ministres du lundi 5 novembre 2018 effectué 16 Heures au Palais d’Ambohitsorohitra nous apprend l’arrivée d’un premier lot de 11 camions remis au SAMVA (Service Autonome de Maintenance de la Ville d'Antananarivo) pour l’enlèvement des ordures de la capitale a été portée à la connaissance du Conseil, et le Chef de l’Etat a insisté sur l’importance d’une bonne gestion de ce nouveau parc de véhicules et la mise en place de procédures de contrôles strictes. On attend les impacts réels de cette remise de camions.

  • 04 Nov. 2018 - 08:46-

    Nodimandry i Mgr Rakotondrajao Roger Victor Solo. Nodimandry ny sabotsy 3 novambra teo i Mgr Rakotondrajao Roger Victor Solo, evekan’i Mahajanga, mpiahy ny vaomieran’ny « Justice et paix » nasionaly sy ny fonja. Tsiahivina etoana ny resaka nataony mikasika ny tany ao Soamahamanina. Lahatsoratra nivoaka tao amin'ny Lakroan'i Madagasikara laharana 3979, pejy faha-12 ary ity ny rohy ahitana izany eto amin’ny www.lakroa.mg  https://www.lakroa.mg/item-818_articles_dossier_18-resaka-nifanaovana-tamin-i-mgr-rakotondrajao-roger-victor-solo.html

  • 24 Oct. 2018 - 11:42-

    Endrika fanakorontanana. Nanambara ny Za’Gasy ny zoma 19 okitobra lasa teo teny Ambohimitsimbina fa tena fanakorontanana no nataon’ilay mpomba ny kandida iray heverina fa goavana, izay nitaona ny ireo izay tsy voasoratra amin’ny lisi-pifidianana ho tonga hifidy amin’ny biraom-pandatsaham-bato 7 novambra. Marihina fa nitety haino aman-jery io pomba ny kandida iray io ny 18 okitobra lasa teo. Miantso ny Ceni sy ny Cfm ary ny mpitandron’ny filaminana ary ny Hcc mba hanao fanazavana mikasika ny fakana ordonnance sy ny resaka lisi-pifidianana ity fa mety hampikorontana ny fifidianana.

  • 17 Oct. 2018 - 07:46-

    Sipem Bank. Tamin’ny desambra 2014 no nahazo ny agrément bancaire ny Sipem bank. Miasa toy ny banky izy ankehitriny. Betsaka ireo tolotra misy amin’izany, toy ny fampindramam-bola. Marihina fa ity orinasa ity dia tena orinasa malagasy araka ny nambaran’ireo mpikarakara. Malagasy avokoa ireo mpiasa ao. Ny Malagasy ihany koa no manana petra-bola betsaka ao na hoe majorité. « Orinasa madinika sy ireo orinasa vaventy no mihindram-bola ato aminay amin’izao fotoana izao » hoy ihany izy ireo. Izy rahateo dia niatomboka tamin’ny micro-finance.

  • 28 Sep. 2018 - 06:51-

    Salon des écoles supérieures catholique. Le salon des Ecoles supérieures Catholique se déroule ce vendredi 28 septembre 2018 au sein du Collège Saint Michel Amparibe. 22 universités, écoles et instituts supérieurs participent à ce salon. L’enseignement supérieur catholique se veut être le moteur de la chrétienneté et de la citoyenneté responsable. L’événement est placé sous le patronage de SEM Mgr Benjamin Marc Ramaroson, Archevêque d’Antsiranana et Président de la commission épiscopale pour l’éducation et l’enseignement catholique.

  • 14 Sep. 2018 - 08:38-

    Poulet de chair à Madagasikara. Pour Olivier Fanchette, de Innodis Poultry, il y a encore de la marge pour produire du poulet de chair à Madagasikara. “C’est pour cette raison que nous participons à la Foire Internationale d’Agriculture”. Innodis Poultry est l’un des plus grands producteurs de poulet de l’île Maurice. Selon Fanchette, cette société exporte vers Madagasikara du poulet de chair avec garantie sanitaire sans antibiotiques. De son côté Iqbal Mohungoo, de la société Meaders Feeds, assure l’alimentation des poulets de chair, une alimentation répondant aux besoins d’une clientèle autant présente sur le marché local que régional dont Madagasikara.

  • 13 Sep. 2018 - 07:45-

    Colloque sur l’énergie. Lors d’une rencontre avec la présse Andry Ramaroson a fait savoir que le Groupement Des Professionnels de l’Energie à Madagascar GDPEM organise un colloque en entrée libre qui se tiendra au 3A Andrefanambohijanahary durant 2 jours ou 4 demi-journées avec comme thème “Energie, 1er levier de la croissance économique de Madagascar”. La première demi-journée (matin du 14 septembre) une conférence-débat sur l’économie d’énergie et l’après-midi sur le génie électrique. La troisième demi-journée (matin du 15 septembre) une conférence-débat sur le thème 1er levier économique de Madagascar. Et l’après-midi sera consacré à la restitution des travaux.

  • 10 Sep. 2018 - 07:28-

    Affaires courantes du Président. Pour la HCC, rentrent dans la catégorie juridique des attributions présidentielles courantes, les affaires constituant la poursuite normale d’une procédure régulièrement engagée avant la démission du Président de la République, toute affaire dont l’importance dépasse celle des affaires de gestion journalière si la procédure qui a donné lieu à l’acte règlementaire concerné a été engagée bien avant la période critique et a ensuite été réglée sans précipitation et si les questions politiques, qui ont pu se poser sur le plan administratif, ont été résolues avant cette période critique.

  • 10 Sep. 2018 - 07:28-

    Non affaires courantes du Président. Pour la HCC, ne rentrent pas dans les compétences attribuées au Chef de l’Etat ad intérim celles qui procèdent des articles 45 alinéa 3, 54 ; 55 -2°, 4° sauf en cas de faute grave ou de crime ou délit commis par le haut fonctionnaire, 5°, 6°, 7°, 8° ; 56 ; 57 alinéa premier ; 58 ; 59 alinéa 2 ; 60 ; 61 ; 103 ; 104 ; 107 ; 137 ; 162 ; 163. Il est habilité à exercer toutes les autres attributions confiées au Président de la République par la Constitution.

  • 01 Sep. 2018 - 09:48-

    Journée mondiale de prière pour la sauvegarde de la création 2018. Instituée en 2015 par le Pape François, quelques mois après la publication de son encyclique « Laudato si’, sur la sauvegarde de la maison commune », cette journée a lieu chaque 1er septembre, en communion de prière avec les Eglises orthodoxes, « pour offrir « à chacun des croyants et aux communautés la précieuse opportunité de renouveler leur adhésion personnelle à leur vocation de gardiens de la création, en rendant grâce à Dieu pour l’œuvre merveilleuse qu’Il a confiée à nos soins. » (Pape François, Lettre du Pape François pour l’institution de la « Journée mondiale de prière pour la sauvegarde de la création », 6 août 2015).

  • 01 Sep. 2018 - 07:56-

    Liste des personnes exerçant des hautes fonctions et hauts emplois civils et militaires de l’Etat, candidates aux élections, assujetties à l’obligation de démission prévue à l’article 6 alinéa 5 de la Loi organique relative au régime général des élections et des référendums. I – Les personnes nommées aux hautes fonctions et hauts emplois civils de l’Etat :   – Grand Chancelier de l’Ordre National malagasy ; – Ambassadeurs ou chefs titulaires de missions diplomatiques avant rang d’Ambassadeurs ; – Gouverneur de la Banque Centrale ; – Secrétaires généraux, Directeurs généraux et Directeurs de ministères ; – Présidents d’Universités ; – Représentants de l’Etat au niveau des collectivités territoriales décentralisées ; – Directeurs généraux, membres des organes d’administration ou de gestion des organismes rattachés aux Institutions et aux départements ministériels.

  • 01 Sep. 2018 - 07:55-

    Liste des personnes exerçant des hautes fonctions et hauts emplois civils et militaires de l’Etat, candidates aux élections, assujetties à l’obligation de démission prévue à l’article 6 alinéa 5 de la Loi organique relative au régime général des élections et des référendums. II – Les personnes dont la nomination aux hautes fonctions et hauts emplois militaires est faite par décret en Conseil des Ministres : – Officiers Généraux ; – Inspecteur général de l’Armée Malagasy; – Inspecteur général de la Gendarmerie Nationale ; – Chef de l’Etat-Major général de l’Armée Malagasy ; – Commandant de la Gendarmerie Nationale ; – Adjoints au chef de l’Etat-Major général de l’Armée Malagasy; – Adjoints au Commandant de la Gendarmerie Nationale ; – Commandant des Forces Aériennes ; – Commandant des Forces Navales ; – Commandant des Forces d’Intervention – Commandant des Forces de développement ; – Chef d’Etat-major du commandement de la Gendarmerie Nationale ; – Commandants des régions militaires; – Commandants des Circonscriptions inter-régionales de la Gendarmerie Nationale ; – Tous autres fonctions et hauts emplois militaires dont la nomination est faite par décret en Conseil des Ministres.

Du même auteur

societe
politique

Dans la même rubrique

religion
religion
Publicité