logo
Lakroan'i Madagasikara
Kabary

Asaramanitra Iavoloha 6 janoray 2017

admin il y a 2 années

Mpandahateny maro no nifandimby teny Iavoloha ny 6 janoray 2017 teo. Nandrasana fatratra ny kabarin'ny Filoham-pirenena ka toa izao izany lahateny izany araka ny fampitana nataon'ny Sampana seraseran'ny prezidansa

Asaramanitra Iavoloha 6 janoray 2017

Kabary asaramanitra

Lapan’Iavoloha – 6 janoary 2017

 

Mesdames et Messieurs,

Ry vahoaka Malagasy,

Tompokolahy sy Tompokovavy,

 

Fifaliana sy voninahitra lehibe ho anay mivady ny mampiantrano anareo eto amin’ity Lapam-panjakana ity amin’izao Asaramanitra ankalazantsika ny taom-baovao izao.

 

Ianareo vory eto izao dia vovonana iadian’ny lohany ka mahasolotena ny vahoaka malagasy amin’ny lafy valon’ny Nosy sy avy amin’izao tontolo mihitsy aza, izay miara-miasa amin’i Madagasikara.

Ny teny izay ho entina eto kosa dia miantefa amin’ny malagasy tsivakivolo satria miampita mivantana amin’ny fitaovan-tserasera rehetra izany.

 

Koa mitsidika anareo isan-tokantrano izahay, mitsidika anareo isan-tokonana izahay. Ary miarahaba anareo vahoaka Malagasy mieli-patrana eran-tany koa.

 

Miarahaba anareo rehetra tratry izao taom-baovao 2017 izao, izay hirintsika ho taona miavaka dia miavaka noho ny soa be antenaintsika ho tovozina aminy.

 

Herintaona lasa izay, teto amin’ity toerana ity, tamin’ny lanonana toa izao, dia nisy andian’ankizy sy tanora marobe niditra teto tanaty hafaliana sy fahavitrihina, nilanja sainam-pirenena amam-polony maro. Sainan’ny COMESA sy ny OIF no nahofahofany teto, anambarana fa taona andraisantsika am-pahamendrehana ny fihaonana antampony iraisam-pirenena ny taona 2016.

 

Mino aho fa tsaroanareo ireny. Dia tsaroanareo koa anefa fa nandritra ny volana maro tamin’iny taon-dasa iny dia tsy aki-janonana ny fandrabirabiana, ny fanakiviana, ny fivohizana hevitra nandemy ny saim-bahoaka sy hampivalaketraka mihitsy aza ny vahoaka Malagasy toy ny hoe : tsy hisy izany frankôfonia izany, ho afindra atsy amin’ny firenena atsy hono, ho afindra ary amin’ny firenena ary hono fa tsy tafavoaka isika Malagasy, ary raha mikiry biby aza dia hitafy henatra tsy roa aman-tany i Madagasikara…

Ianareo vavolombelona nahita sy nandre ny zava-nisy.

 

Tsy izany no nitranga. Tontosantsika an-tsakany sy andavany, araka izay voalazan’ireo mpandahateny nialoha ahy teo, ny fihaonana rehetra. Tsy nampitsanga-menatra fa nahazahoam-piderana iraisam-pirenena aza, ireo Fihaonana an-tampony ireo. Tafaverina tanteraka ny hasina maha Firenena antsika, azo itokisana an’i Madagasikara ary nihatsara ny fomba fiheverana ny Malagasy sy I Madagasikara

maneran-tany. Nasehontsika mpiray tanindrazana fa matoky ny tenantsika isika Malagasy, ary matoky ny mpitondra nitarika anareo koa ianareo.

Misaotra sy mankasitraka anao aho ry vahoaka Malagasy, fa naneho fahendrena ianao, nanandratra avo ny fanilon’ny fitiavan-tanindrazana ianao, naneho ny ambompon’ny olom-pirenena ianao tamin’ireny rehetra ireny. Tiako ho fantatrao koa fa tsapan’ny Filoham-pirenena ny tohana sy ny toky avy amin’ny vahoaka Malagasy manerana ny nosy sy ny any ivelany, ka namporisika azy tsy hijery afa-tsy ny tombotsoam-pirenena ihany ary tsy ho kivy amin’ny asa fampandrosoana ny firenena.

Misaotra ny vahoaka Malagasy ihany koa aho satria tsy nanaiky horebirebena izy fa nahay nanavaka, satria ny fanosehantsika ireny dia efa fandraisanao anjara sahady ho amin’ny fampandrosoana ny firenena.

Rehefa dinihina mantsy dia azo lazaina fa mizara telo ny sokajim-pisainana misy eto amintsika :

 

• Ao ireo izay fatra-pitsikerabe fahatany ;

• Ao kosa ireo andiany faha-roa izay mandinika, miandry fotoana izay hirosoana alohan’ny tena andraisana fanapahan-kevitra;

• Ao kosa ireo resy lahatra fa Firenena efa latsaka an-kady no noraisina an-tànana, arenina, ka homena ny anjara fisandràtany. Sokajin’olona tia ny fireneny, tsy te-hitsikera be fahatany fotsiny ka am-pitiavana tanteraka no hanomezany tànana hampandroso an’I Madagasikara.

 

Soa ihany fa ny maro an’isa amin’ny malagasy, no anatin’io sokajin’olona fahatelo io. Ary izany no manazava ny fahombiazantsika nanoloana ireo fanamby lehibe tamin’iny taona lasa iny sy ny ho avy rehetra.

 

Izany fahombiazana izany no porofo fa rehefa te hanao isika Malagasy, n’inon’inona fahasahiranana mbola atrehina, dia mahavita, ary mahavita tsara ny Malagasy Tompokolahy sy Tompokovavy.

Amintsika indraindray no mbola mety miroaroa saina aza fa ny fianakaviam-be iraisam-pirenena dia efa naneho ny fankasitrahany antsika.

 

Efa fambara ireny taona nolalovantsika vitsivitsy ireny fa miverina ny fifampitokisana, ary vao maika nohamafisin’ny fivoriana tany Frantsa niaraka tamin’ireo mpamatsy vola izany.

Araka ny efa fantatsika dia vola eo amin’ny 10 miliara dolara, avo roa heny noho izay novinavinaina, no azo tamin’ireny hanatanterahana ny Paikady hampandrosoana ny Firenena.

 

Manana anjara betsaka ao anatin’io ny mpandraharaha amin’ny sehatra tsy miankina, na eto amintsika izany na avy any ivelany, ka ho ampiasaina hanabeazam-boa ny fiharian-karena malagasy.

 

Inona no antony manazava izany ? Inona no antony manazava izany fahombiazana izany ?

• Voalohany : misy ny tahirin-kevitry ny PND, Paikadim-pirenena eo amin’ny Fampandrosoana, izay nokirakirain’ny mpamatsy sy mpampiasa vola ireo, azony antoka izany, mazava taminy ny vina ho amin’ny fampandrosoana sy amin’ny fampisandratana an’i Madagasikara. Antony voalohany io, nilaina, fa tsy izay irery no antony.

• Ny antony faharoa dia izao : nisy ny dingana efa nataontsika, nisy ny ezaka izay efa natao na dia tsy mba be mpiresaka aza izany, dingana ho amin’ny fanatsaram-pitantanana ankapobeny, indrindra teo amin’ny fitantanam-bola.

• Antony fahatelo : araka ny filazan’ny solontenan’ny mpamatsy vola iray dia izao vao tena miara-manaiky ry zareo fa feno ny fepetra rehetra ary tonga ny fotoana ampanjariana ho vokatra ny harenan’i Madagasikara sy ny fahavononan’ny malagasy mba hialan’ny vahoaka amin’ny fahasahiranana sy fahantrana.

 

Tonga tokoa ny fotoana Tompoko :

Ka « Faly sahirana toa ny akohokely notsipazam-potsimbary » ve isika ? Sa « Tena masa-bary mainty kitoza, ka ny tianao no tiako ? »

 

Tompokolahy sy tompokovavy,

Raha nilaza sy namaritra ary nanome toromarika aho fa hoe taonan’ny asa ny taona 2016, t@ herintaona tahaka izao, dia niasa tokoa isika ary iarahantsika rehetra mahita ny vokatra. Fotodrafitr’asa maro, arak any voalazan’Andriamatoa Praiministra teo, no vita manerana ny nosy, na eo @ fanabeazana sy ny fahasalamam-bahoaka izany, na eo @ lafiny ara-toe-karena. Fotodrafitrasa fototra no fotokevitra nanatanterahana ireny, raha tsy hiresaka afa-tsy ny toho-drano, izay amafisiko eto izay efa voalaza teo, toho-drano maro izay mamelona indray tanimbary aman’aliny Ha maro manerana ny nosy. Raha @ sehatry ny fizahan-tany koa ohatra no ambara dia nitombo 20 % ny isan’ny mpizahan-tany t@ 2016 raha oharina amin’ny taona mialoha an’izany.

Mikatsaka ny fihatsaram-piainana isan’ankohonana isika. Ny fototra iaingan’izany dia ny fihatsaran’ny fiharian-karena manontolo avy any ambanivohitra mankaty an-tanan-dehibe, avy any an-dranomasina ka mankaty anivon-tany.

 

Tsy andraikitry ny fitondrana loatra intsony ny manangana orinasa fa andraikitry ny mpandraharaha tsy miankina izany. Ny andraikitry ny fitondram-panjakana dia ny manatsàra ny tontolon’ny fiharian-karena sy ny fitsinjarana ara-drariny sy hitsiny ny harin-karem-pirenena. Ezaka efa natomboka sy mbola ho tohizana sy hamafisina izany, fa raha tsy natomboka, efa nihemotra ireo mpampiasa vola tsy miankina ireo.

 

Tsy vitan’izay, fa hanampy ny sehatra tsy miankina ihany koa ny mpamatsy vola iraisam-pirenena. Ao ny Banky iraisam-pirenena, ao ny Vondrona Eropeana, ao ny Banky Afrikana ho amin’ny Fampandrosoana.

 

Hafainganintsika ny fampijoroana ireo antsoina hoe Zone Economiques Spéciales (any Tolagnaro sy Antsiranana) izay fanoitra lehibe eo amin’ny fampivelarana aingana ny fiharian-karena. Hiteraka asa maro manerana an’i Madagasikara izany, ary ny tanora no tena hisitraka manokana sy voalohany an’izany. Ka ho asa miteraka fahamendrehana ho an’ny isam-batan’olona, fidiram-bola sy fihatsaram-piainana ho an’ny ankohonana, ary hiteraka fidiram-bola ihany koa ho an’ny Fitondram-panjakana.

 

Asiana tsindrim-peo manokana ny mahakasika ny angovo. Satria mahita isika fa misy ny fahasahiranana mbola atrehina amin’io lafiny io isika, raha tsy hiresaka afa-tsy ny delestazy fotsiny isika. Mazava anefa ny politikantsika eo amin’ny angovo ankehitriny, ary efa misy ny vava asa misokatra sy nanomboka ary tohizany momba izany. Ao anatin’izany indrindra ny fanampiana ireo tohodrano lehibe hamokarana herinaratra ampian’ireo fotodrafitr’asa, indrindra indrindra ireo mandeha @ herin’ny masoandro.

 

Tsy sanatria ka hanao dridran’Ingilo aho fa ny marina dia marina hatrany. Mizaka ny vokatry ny vina tsy dia nahataka-davitra loatra tamin’io lafiny io isika hatramin’izay, nefa teo ny masoandro, teo ny rivotra, teo ny renirano. Angamba vokatry ny korontana ara-politika ka nanjary tandra-vadikoditry ny Tantarantsika koa, ka tsy nahafahan’ireo nitondra tany aloha mampitozo ny ezaka izay tokony ho natao.

Ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena dia samy hitondra ny anjara birikiny, na eo amin’ny sehatry ny angovo izany, na eo amin’ny sehatra maro samihafa, ankoatra ireo izay efa ho entin’ireo mpandarahara tsy miankina.

 

Ny vondrona eropeana miaraka @ banky eropeana momba ny fampandrosoana dia hamatsy vola manokana ny fanamboaran-dàlana maro eto Madagasikara, izay hanomboka @ ity taona 2017 ity (ao ny any avaratra, ao ny any atsimo, ao ny eto afovoantany). Ary marihiko manokana ny fanamby izay efa nataoko taminareo ary mbola averiko eto, ary ny làlana Ambilobe-Vohémar dia tafiditra amin’izany Tompokolahy sy Tompokovavy.

 

Etsy andanin’izany koa anefa ireo fotodrafitrasa maro samihafa hanitarana seranam-piaramanidina, sy seranan-tsambo (ao anatin’izany I Toamasina sy i Toliara).

 

Tompokolahy sy tompokovavy,

ry vahoaka Malagasy,

 

Ny fametrahana fotodrafitrasa lehibe dia tsy vita indray andro, fa aman-taonany, ka raha isan-taona izao anefa isika dia ifanakorontana amin’ny ady lahy politika, dia mazava izany, fa ny fisandratan’ny Firenena sy ny fihatsaram-piainan’ny vahoaka Malagasy mihitsy no voasakana. Andraikitry ny fitondram-panjakana sy isika rehetra mifanome Tanana no miaro ny fisandratan’ny Firenena sy ny fihatsaram-piainan’ny vakoaka malagasy.

 

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Santionany amin’izay misongadina indrindra amin’ny sehatra ho vatsiana vola ireo noresahiko ireo. Tsy vinavina fotsiny ireo. Hafa ny vinavina. Fa hafa ny vina miaraka amin’ny enti-manana. Teny samihafa izany. Efa natomboka ny asa tamin’iny taona lasa iny. Tohizana, atevenina, @ afainganam-pandeha mafimafy kokoa, izany no fanambintsika. Asa be no miandry antsika, asa aingana, asa tsara, asa madio, asa mirindra, fahasahiana manazava amin’ny vahoaka, fahasahiana manapa-kevitra koa anefa satria ilaina izany.

 

Eto aho dia te-hiteny aminao ry vahoaka Malagasy. Kolokoloy ireo voa izay nafafintsika eo @ tanimbolin’ny fampandrosoana. Misy ny ahidratsy maniry eny an-tsefatsefany eny. Misy ny mamafafy azy mihitsy aza hamotika ireo vokatra nikelezantsika aina. Tsy hataontsika ho sakana ireny, aoka tsy ho ataontsika ho sakana ireny fa hifanolo-tànana isika ka tsy hamela ny ahi-dratsy hanimba ny voly izay efa nafafintsika sy nokarakaraintsika.

 

Izany no andrasan’ny vahoaka malagasy amintsika isan’ambaratongam-pahefana ary ho tanterahantsika. Izany dia hanamafy ny maha toko telo mahamasa-nahandro hatrany ny fitondrana, sy ny mpandraharaha ary ny mpiara- miombon’antoka iraisam-pirenena. Ho sehatr’asa tsy mijanona, ho sehatr’asa ranolava i Madagasikara.

 

Ary tiako ny milaza aminao fa teo amin’ny tantaran’ity firenena ity, ary am-panetrahantena no ilazana izany, dia tsy mbola nisy fotoana naha vori-lanina ny fepetram-pahombiazana toa izao misy izao.

 

Fambara mazava ireo fa eo an-tokonan’ny fisandratana feno ny Firenentsika ankehitriny. Mby an-tanantsika ny ilaina mba ampisy fihatsaram-piainana ho an’ny malagasy manerana ity Nosy malalantsika ity. Saingy izao !

Misy fanapaha-kevitra tsy maintsy raisina mba ifanitsy amin’izany fotokevitra ijoroana izany izay ataontsika.

 

Ny fampiasana ny volam-panjakana, ohatra, dia tsy maintsy mikatsaka an’izay tena hitondrana fanamaivanam-pahasahiranana eo amin’ny fiainam-bahoaka tokoa. Misy fasahiana tsy maintsy aseho. Tafiditra ao anatin’izany ny fampiarana ny vérité des prix eo amin’ny vidin’ny solika, izay miankina @ ny vidin’ny solika eo @ tsena iraisam-pirenena. Misy kosa anefa, ary tena misy, ny politika izay napetrantsika hitsinjovana ny sarababem-bahoaka mampiasa ny fitateram-bahoaka raha tahini ka misy ny fisondrotry ny vidin’izany solika izany.

 

Eo ihany koa ny fanampiana (na subvention) tsy toko tsy foroana (tafakatra hatrany amin’ny 300 miliara ariary ny taona iray) izay arotsaky ny Fanjakana amin’ny Jirama anentsemana ny faty antoka lava reny, nefa 14% ny vahoaka Malagasy ihany no msitraka izany. Raha hatambatra, ohatra, ireny fanampiana izay nentina ireny dia sahiko ny milaza aminao fa efa nahavitantsika làlana maro manerana ny nosy, izay tsy nilantsika izany vola fanampiana na findramam-bola avy any ivelany akory.

Tsy maintsy mitondra vahaolana amin’izany isika.

 

Tahaka ny maso voan-tsakay isika, ohatra, eo amin’ny fahasimban’ny tontolo voajanahary ary manomboka enjana ny fiantraikany amin’ny fotodrafitrasa iankinan’ny aim-pirenena. Ohatra amin’izany, vao notsidiako farany teo, ny fahavoazana ao Andekaleka nefa mihatra amin’ny faritra maro samihafa izany noho ny sahan-driaka izay ngazana, lasa ngazana manodidina azy, potiky ny tavy, potiky ny dorotanety, potiky ny fitrandrahana tsy ara-drariny ny harena ao ankibon’ny tany. Mila fanaraha-maso sy fandraisana fepetra hentitra izany.

 

Koa antsoina isika rehetra, antsoina ianao hiaro ny tontolo izay iainanao sy iainantsika. Aoka hifanentana isika rehetra. Aoka hampiarina ny lalàna. Eto aho dia manambara amintsika fa manomboka anio dia apetraka ny “Dinam-pirenena iadiana amin’ny toetr’andro ho amin’ny fampandrosoana mirindra sy maharitra”.

 

Ka ny voakasiky izany voalohany dia ny “Kaominina”, ny Kaominina no ho mpiantsehatra voalohany amin’izany ka hisy famporisihina manokana ho an’ireo kaominina izay vonona sy hita fa miroso amin’ireo fandaharan’asa izay ho faritana amin’izany (ao anatiny ny Fambolen-kazo, ao anatiny ny fiarovana ny ala, ao anatiny ny fiarovana amin’ny doron-tanety sns…)

Hisy fandaharan’asa samihafa izany izay ataon’ny ministera any amin’ireo kaominina izay mahazo famporisihina.

 

Tompokolahy sy tompokovavy,

• Ny Fisandratana Mirindra izay imasoantsika ho an’ny Firenena sy ny malagasy tsivakivolo dia mitaky enti-manana. Efa eo ny enti-manana. Mitaky asa be sy fandraisan’andraikitra isan’ambaratonga ka tandremonareo, tandremonareo manam-pahefana andraindrain’ny olona any rehetra any fa « Tsy mety, hoy ny fitenenana, raha manantena rahalahy mahay mandrafitra ka mitondra ny hazo meloka hatrany an’ala » ary « Aza manao toa ny tandindona, miaraka ihany fa tsy namana ».

• Tandremonareo ao anatin’ny ambaratonga samihafa, ato anatin’ny Fitondram-panjakana, tandremo mba tsy hanao mpamosasy malemy, ka manaratsy endrika ny fitondrana sy ny mpitondra.

• Ilaintsika koa ny Fisandratana ara-kolontsaina. Samy manaiky isika fa ireo savorovoro lava reny, vokatry ny sangy politika mihoatra ny loha dia mikendry hanozongozona ny fisainantsika eo amin’ny fiaraha-monina. Eo amin’ny andavan’andro fotsiny dia efa azontsika arenina tsikelikely ny lesoka ary ho hitantsika fa hirindra kokoa ny atao rehetra. Miainga @ fanovana ny toe-tsaina izany, miainga @ fifampitaizana ho olom-pirenena vanona izany, izay atao eo @ isam-batan’olona sy tokony ataon’ny malagasy isan-tokantrano. Ataovy filamatra ry vahoaka Malagasy ny Mifanaja fa tsy mifanebaka, ny Mifameno fa tsy mifanavaka, ny Mifamelona fa tsy mifamono, ny Mifanoro fa tsy mifanilika, ny Mifanitsy fa tsy mifamitaka, ny Mifanampy fa tsy mifamingana, Mifanondrotra fa tsy mifanitsaka, araka ilay ohabolana manao hoe « Mifandamina toa ny vero an-tahala : ny lava tsy hanosihosy ny fohy, ny fohy tsy hamingana ny lava » Tompokolahy sy Tompokovavy.

• Mila fisandratana koa; ary tena ilaina mihitsy, ny tontolon’ny politika eto amintsika. Aza zatra ny andro ririnina ka fahavaratra avy mbola manao hitsin-dalana ». Ekena fa tsy afaka misaraka amin’ny fiainana repoblikana manamasaka ny demokrasia ny adihevitra politika, ary ny tanjon’izany dia ny handresy lahatra ny vahoaka ho namana, itondrany ny tena eo amin’ny fahefam-pitondrana, amin’ny alalan’ny fifidianana, raha resy lahatra ny vahoaka fa ny tolotra avy aminao no mety sy mahasoa. Betsaka no azo atolotra ny vahoaka ivelan’ny fanaratsiana, ivelan’ny fifaminganana, ivelan’ny fanelezana tsaho sy lainga marivo-tototra, izany no mba tiako ho lazaina aminao ry namana mpanao politika malagasy. Aoka tsy « Mirehareha toa voron-tsy fihinana » ka « Eo imaso be henatra, vao takona be fosafosa ». Aoka hifanolo-tànana, aoka hiara-mibanjina ny tena tombotsoam-pirenena. Im-betsaka aho no mamerina an’izany, fa misokatra ho amintsika ny varavarana ao anatin’ny fampihavanam-pirenena, entina hampandrosoana ity firenentsika ity.

 

Indramako ny fahendren-drazana izay manao hoe : « Aza mandrehitra afo hanetroka ny tena » , “aza mandrora mitsilany”, « Ny toko no tsy atao maranitra hono, tsy te ahita vilany vaky ».

 

Tompokolahy sy tompokovavy,

Ry vahoaka Malagasy mpiray tanindrazana,

Ny vanim-potoana toa izao dia fandraisana fanapaha-kevitra sasantsany koa dia ambarako fa ho asondrotra 7% ny karaman’ny mpiasam-panjakàna.

Eo ihany koa ny didy fanalefahana sazy sy fanenan-tsazy ataon’ny Filoham-pirenena @ vaninandro toy izao.

 

Mbola ho tohizana ihany koa, araka ny fangatahana nataon’ny mpitondra teny teo, ho tohizantsika manditra ny enim-bolana ny tsy fandoavana hetra @ famindrana lova.

 

Araka izay voalazako rehetra teo, dia andraikitra, adidy lehibe manoloana ny Firenena no irosoantsika izao ho amin’izany Fisandratana, Fisandratana Mirindra sy Arindrantsika izany. Tsy mora fa laitry ny zoto satria « Ny lohasaha tsy ilaozam-pidinana, ny tendrombohitra tsy ilaozam-piakarana ». Isika anefa « Tsy valala kely andiany ka ataho-papango, fa akanga maro tsy vakin’amboa, mitabe tsy lanin’ny mamba » ka ny asa rehetra izay irosoana dia ataontsika toa ny « Tamboho fararano, ka indray mientana ihany ».

 

Mirary ny soa sy ny mamy indrindra ho antsika rehetra isam-baravarana manerana ny Nosy, sy ho an’ny Malagasy mielim-patrana manerana izao tontolo izao. Enga anie ka hanandrify antsika ilay fitenenana hoe « Fanangan-kena, midina mahazo ny tratrany, miakatra mahazo ny trafony ».

Dia samia ho tahian’Andriamanitra tompoko.

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 30 Jun. 2018 - 08:40-

    Remplacement à l’Assemblée Nationale. « Le Député dont siège devient vacant est remplacé par le suppléant élu en même temps que lui, sauf en cas d’annulation de l’élection, jusqu’au renouvellement de l’Assemblée nationale ». .Que suivant le certificat de décès n°65969 versé au dossier, sieur ABDILLAH est décédé le 21 février 2018 à l’hôpital Apollo de New Delhi. La vacance d’un siège de Député à l’Assemblée nationale est constatée, à la suite du décès de sieur ABDILLAH. Est proclamé Député à l’Assemblée nationale, le candidat EDIZARD, premier suppléant de la liste VPM-MMM de Vohémar. (Arrêt de la HCC du 28 juin 2018).

  • 30 Jun. 2018 - 08:34-

    Remplacement au sénat.« Le député nommé membre du Gouvernement est suspendu d’office de son mandat. Il est remplacé par son suppléant » et que « Les dispositions des articles 71 à 79 sont applicables, par analogie, au Sénat ». Que par décret n°2018-540 du 11 juin 2018, le Sénateur ANDRIAMANDAVY VII Riana a été nommé membre du Gouvernement. Qu’il y a donc lieu de suspendre d’office de son mandat le sénateur Riana  Andriamandavy VII. Est proclamé Sénateur de Madagascar le candidat Rajaonarivelo Henri Velomaro, premier suppléant de la liste « HVM » de Fianarantsoa. (Arrêt de la Hcc du 28 juin 2018.

  • 29 Jun. 2018 - 13:34-

    Dates des élections présidentielles.-  Le Premier ministre, Ntsay Christian, a annoncé lors d'un point de presse qu'il a donné à Mahazoarivo ce 29 juin la date des élections présidentielles. Le premier tour se tiendra le 7 novembre 2018 et le second tour se tiendra le 19 décembre 2018. La convocation des électeurs se fera dans le courant du mois d’août. Suivant la Constitution, le président de la République Hery Rajaonarimampianina, s'il se porte candidat, devrait démissionner le 7 septembre de cette année.

  • 16 Jun. 2018 - 10:10-

    Minisitera MPAE : mitohy ny asa. Isan’ny Miinisitera tsy nisolo ny minisitra mitantana azy ny Minisiteran’ny Fambolena sy Fiompiana. Nahatsapa ankehitriny ny mpitantana ity minisitera ity fa misy mpanakorontana tafiditra ao anatiny ka nahatonga azy i reo hanao fanambarana. Nanambara ireo tompon’andraikitra ao amin’ny minisiteran’ny fambolena sy fiompiana ny alakamisy 14 jona lasa teo teny Ampadrianomby fa mandeha tsara ny asa rehetra ao amin’ny minisitera. Tsy mba nahitana olana hatramin’izay na dia minisitra Hvm aza no nitondra tao hatramin’izay ka hatramin’izao. Nilaza ireo tompon'andraikitra fa tsisy tombontsoa ho azon'ny Firenena indrindra ny tantsaha sy ny mpiompy amin'ny fanakorontanana.

  • 05 Jun. 2018 - 06:58-

    Concours pour pourvoir les 40 postes d’inspecteurs du Trésor. Le ministère des Finances et du Budget informe que le dépôt de dossier pour le concours de recrutement d'élèves inspecteurs du trésor est ouvert depuis ce 4 juin. A noter que 40 postes sont à pourvoir, dont 35 sur concours direct et 5 pour les fonctionnaires du ministère. Le concours se tiendra du 22 au 23 novembre 2018 à Antananarivo Renivohitra, Antsiranana I, Fianarantsoa I, Mahajanga I, Toamasina I et Toliara I. http://www.tresorpublic.mg/tresorpublic/download.php?path=wp-content/uploads/2018/06/&file=concours_ins_2018.pdf

  • 26 May. 2018 - 11:34- GBM Fête des Mères. La GBM ou Grande Braderie de Madagascar a ouvert ses portes ce 23 mai comme annoncé dans les médias. On observe une grande affluence dans les allées. Selon MadaVision la règle de la réduction minimale de 15% est respectée par les participants.
  • 26 May. 2018 - 08:27-

    Décision HCC. Décision n°18-HCC/D3 du 25 mai 2018 Relative à une requête en déchéance du Président de la République Hery Rajaonarimampianina : La Haute Cour Constitutionnelle, Vu la Constitution ; Vu l’Ordonnance n°2001-003 du 18 novembre 2001 portant loi organique relative à la Haute Cour Constitutionnelle ; Vu la loi n°2014-043 relative à la Haute Cour de Justice ; Les rapporteurs ayant été entendus… (lire la suite sur  http://www.lakroa.mg/item-1389_articles_politique_18-dacision-relative-a-une-requate-en-dachaance-du-prasident.html

  • 22 May. 2018 - 07:11-

    Nouveau cardinal. Le Pape François a annoncé ce 20 mai dimanche de Pentecôte, qu’il créera le 29 juin prochain 14 nouveaux cardinaux dont 11 parmi eux sont des électeurs. Parmi ces 14 nouveaux cardinaux se trouvent l’Archevêque Désiré Tsarahazana. L’équipe de http://www.lakroa.mg/ salue ce nouveau cardinal en particulier et toute l’Eglise catholique notamment à Madagascar pour cette nomination. Que le souffle de l’Esprit Saint souffle sur ce nouveau cardinal pour donne un nouvel élan toujours plus positif sur l’EKAR que cela influe positivement sur la vie du pays.

  • 19 May. 2018 - 09:50-

    GBM Fête des mères. La Grande Braderie de Madagascar dédiée à la fête des Mères se déroulera du 23 au 27 mai 2018. Comme d’habitude les visiteurs bénéficieront d’une garantie d’obtenir une remise de 15% minimum. Les visiteurs auront une large gamme de choix pour honorer les mamans. Mais les stands traditionnels seront aussi là pour satisfaire toutes les demandes.

  • 09 May. 2018 - 11:42-

    Daty 3. Nanao fanambarana ny CENI ka nanolotra daty telo. Momba ny datim-pifidianana dia tranga telo no azo eritreretina ka nanaovan'ny CENI tolokevitra :
    - Tranga voalohany: Fifidianana Filoham-pirenena mialoha ny fotoana (alarobia 29 aogositra ny fihodinana voalohany)
    - Tranga faharoa: Fifidianana Filoham-pirenena tanterahina araka ny voalazan'ny andininy faha 47 amin'ny lalàm-panorenana (alarobia 28 novambra ny fihodinana voalohany)
    - Tranga fahatelo: Fanemorana ny fifidianana noho ny antony voalazan'ny Lalàm-panorenana hatrany (29 mai 2019 ny fihodinana voalohany)
    Hahafahana mandrindra araka ny tokony ho izy ny fifidianana sy manatanteraka izany ao anatin'ireo tranga roa voalohany (izany hoe amin'ity taona 2018 ity) dia takiana hazava amin'ity volana mey 2018 ity ny lalàm-pifidianana sy ny fandaminana ara-politika.

  • 05 May. 2018 - 15:04-

    Médiation du FFKM. Le FFKM continue à son rythme sa médiation. Une médiation qui a été ouverte par un culte œcuménique le dimanche 29 avril 2018. Un culte où déjà on a remarqué l’absence d’une certaine partie des acteurs politiques. Puis le lundi 30 avril, le FFKM a invité les députés de chaque camp. Seul le camp des députés “pro-régime” s’est fait représenter. Le camp des députés 73 n’a pas répondu à l’invitation du FFKM. Les quatre chefs d’Eglise du FFKM se sont déplacés, ce 4 mai, à Tsimbazaza pour rencontrer le président de l’Assemblée nationale et à Anosikely pour rencontrer le président du Sénat.

  • 05 May. 2018 - 12:59-

    Dates du recensement. Le Premier Ministre, Mahafaly Solonandrasana Olivier, a présidé ce 3 mai 2018 la cinquième réunion du Conseil National du Recensement (CNR). Cette réunion du CNR s’inscrit toujours dans le cadre de la préparation du troisième recensement général de la population et de l’habitation (RGPH-3). L’objet principal de cette réunion du CNR est de soumettre aux membres du CNR une proposition de date pour la réalisation du lancement du dénombrement. Ainsi, il a été validé que le recensement aura lieu du 18 mai au 10 juin 2018 à commencer par la numérotation de bâtiments (18 au 24 mai 2018), et par la suite, le  dénombrement de la population et des ménages (25 mai au 10 juin 2018).

  • 05 May. 2018 - 09:21-

    MTS. Le parti MTS (Malagasy Tonga Saina) a tenu son congrès le 4 mai 2018 à Antanimena. A l’issue de ce congrès, Mirasoa Razanamasy a été élu au poste de Secrétaire général du parti. Il remplace à ce poste Benjamina Ramanantsoa. Le Congrès a également désigné les coachs par Faritany. Concernant les afairres nationales, Roland Ratsiraka, président national du MTS, prône le « Soa toavina », faisant valoir le dialogue. Pour lui, il vaut mieux qu’un candidat soit présenter par un parti cela suppose l’existence d’une organisation. Le MTS affirme aligner des candidats à toutes les échéances électorales.

  • 03 Apr. 2018 - 08:58-

    Joyeuses Pâques à tous et à chacun. www.lakroa.mg souhaite à tous et à chacun de Joyeuses fêtes de Pâques. Que chaque jour qui se lève soit un jour de Pâques, un jour de victoire pour le monde. Dans son homélie de la nuit de Pâques 2018, le Pape François nous a invités à « transformer l’espérance en gestes concrets de charité ». La suite nous appartient.

  • 23 Mar. 2018 - 07:59-

    Passage de Eliakim (bilan du 22 mars à 20h). Le bilan provisoire global en date du 22 mars 2018 transmis par le Centre d'Etudes de Réflexion de Veille et d'Orientation du Bngrc nous donne les chiffres suivants : A l’échelle nationale, le bilan provisoire global fait état de : 21 décédés ; 50 872 sinistrés ; 19 439 déplacés cumulés ; 1 491 cases d’habitations endommagées ; 13 345 d’habitations inondées ; 2 392 cases détruites.

  • 20 Mar. 2018 - 07:58-

    José Vianey candidat aux présidentielles. Chaque week end apporte son lot de candidat à la candidature au poste de président de la République de Madagasikara. José Vianey vient d’annoncer sa candidature ce samedi 17 mars 2018 au Paon d’Or. Si l’on se réfère aux informations dans les informations, José Vianey ou Vijo a annoncé sa candidature en son  nom propre et non comme candidat du parti RAM. Ce parti certainement va entériner prochainement cette volonté du candidat Vijo. C’est devenu le modus vivendi.

  • 19 Mar. 2018 - 08:45-

    Passage de Eliakim. Le bilan provisoire global en date du 18 mars 2018 à 18h transmis par le Centre d'Etudes de Réflexion de Veille et d'Orientation du Bngrc nous donne les chiffres suivants : A l’échelle nationale, le bilan provisoire global fait état de : 17 décédés ; 15 772 sinistrés ; 6 282 déplacés cumulés ; 251 cases d’habitations endommagées ; 1 271 cases d’habitations inondées ;  648 cases détruites.

  • 19 Mar. 2018 - 08:29-

    200 étudiants s’imprègnent du Fisandratana2030. Hugues Ratsiferana, Conseiller spécial du Président de la République, a eu comme invité près de 200 étudiants issus de plusieurs universités de la Capitale (des universités publiques et des instituts supérieurs privés). Ces étudiants ont pu s’imprégner du Fisandratana 2030, dans l’amphithéâtre du Centre d’Application de Développement Intégré (Cadi), durant la matinée du 17 mars 2018. Après la présentation succincte du Fisandratana 2030 les étudiants ont pu poser des questions sur ce programme présidentiel. Le président Rajaonarimampianina est passé pour partager avec ces étudiants son expérience de vie.

  • 15 Mar. 2018 - 07:38-

    Jour J pour Aok’izay. C’est aujourd’hui 15 mars de 12h à 12h05 que le rendez-vous a été fixé par les organisateurs pour sensibiliser les tenants du pouvoir sur l’insécurité. Les organisateurs demandent une table ronde aux dirigeants mais surtout l’effectivité des décisions prises. Pour ce jour les organisateurs demandent à tous et à chacun de faire le maximum de bruit (klaxon, son de cloche, sifflet…) pour que ce cri soit entendu en haut lieu. Les organisateurs se donnent rendez-vous sur le parking de Jumbo Score Ankorondrano pour faire le maximum de bruit.

  • 15 Mar. 2018 - 07:36-

    Salon du chocolat et de la gourmandise. Pour la deuxième année consécutive, Wednesday Morning Group a choisi le chocolat et la gourmandise pour son activité de levée de fonds. Cet événement se déroulera durant la journée du 17 mars et se tiendra au Carlton Anosy. “Ce sera une journée d’animation, de démonstration, de préparation, mais surtout de dégustation” annonce les organisatrices car WMG est une association composée uniquement de femmes. Le but de WMG est de recueillir des fonds pour permettre la réalisation des actions sociales de cette Ong.

Du même auteur

economie
societe

Dans la même rubrique

politique
politique
Publicité