logo
Lakroan'i Madagasikara
Fivondronam-ben’ny Eveka eto Madagasikara

Antso ho amin’ny fifanomezan-tanana

admin il y a 5 mois

"Hombanay manana ny antso amin’ny fifanampiana nataon’ny Evekan’Ambanja koa miangavy ny vahoaka Malagasy rehetra mba hifanome tanana", hoy ny fivondronamben'ny Eveka. Toa izao ny Antso avo nampitain'ireo Eveka. - See more at: http://www.lakroa.mg/sociales-madagascar.html#sthash.RSVHyP01.dpuf

Antso ho amin’ny fifanomezan-tanana

Antso ho amin’ny fifanomezan-tanana

avy amin’ny Fivondronam-ben’ny Eveka eto Madagasikara

 

Ry havana malala,

Faly miarahaba anareo amin’ny alalan’ity taratasy ity indray izahay Eveka Ray aman-dreninareo.

Eo amin’ny vanim-potoana fiandohan’ny Karemy indrindra isika izao izay ampahatsiahivan’ny Fiangonana amintsika ny Antson’i Jesoa ho amin’ny fibebahana sy fiovan’ny fo ao anatin’ny fivavahana sy eo ambany fanilovan’ny Tenin’Andriamanitra. Ary ny antso mba hisokatra bebe kokoa amin’ny hafa sy haneho asa fitiava-namana, indrindra ireo havantsika ory sy mijaly ary ao anatin’ny fahasahiranana.

Iarahatsika nahalala sy nandre ny zava-niseho mampalahelo teto amin’ny firenentsika tato ho ato dia ny voina nahazo ireo havantsika any amin’ny commune Antsakabary, faritra Sofia, ao anatin’ny diosezin’Ambanja. An’arivony mahery ireo havantsika niharan’ny herisetra ka tra-boina tsy fidiny, tsy manan-kohanina, tsy manan-kotafiana, tsy manan-kialofana ary voatohintohina hatramin’ny asa fivelomana sy ny fianarana.

Manoloana ny zava-mitranga dia :

maneho fiaraha-miory amin’ireo namoy havana sy ireo tra-boina rehetra izahay Birao sy ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasika ary ny Fiangonana Katolika manontolo.

Manameloka ny vonoan’ olona sy ny herisetra ary ny valifaty na inona na inona antony.

Ary manao antso avo ho amin’ny fampihavanana sy ny fifamelan-keloka ary ny fandraisana andraikitra manoloana ny tsy fandriam-pahalemana sy ny firongatry ny hatezeram-bahoaka mahazo vahana etsy sy aroa. Efa naverimberinay tamin’ny hafatra nataonay io antso ho amin’ny fandraisana andraikitra io.

Maneho fisaorana manokana sy mankahery an’ireo pretra sy relijiozy ary lahika any amin’ny faritra nisehoan’ny voina, eo ambany fitarihan’i Mgr Rosario VELLA, Evekan’ny diosezin’Ambanja, tamin’ny fijoroana ho vavolombelon’ny marina sy ny fanentanana amin’ny fifanampiana ary ny fandraisana andraikitra avy hatrany hatramin’ny nitrangan’ny loza.

Maneho fisaorana an’ireo rehetra tsara sitra-po izay efa naneho fiaraha-mientana sahady satria tokoa ny voinkava-mahatratra.

Manoloana ny zavamisy ankehitriny dia tsy hainay ny hangina tsy hampahatsiahy sy hampita hafatra :

Miteny amintsika tokoa ny hafatry ny Papa tamin’ny fiandohan’ity taona ity, nankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny fandriam-pahalemana ka nitaomany antsika mba tsy hanao herisetra. (Non-violence)

Ary mbola tsy lefy ao am-po koa ny hafatry ny Kardinaly Pietro PAROLIN nanao hoe : aoka ho mpanorina  fandriam-pahalemana ianareo. (Soyez des artisans de la paix). Nampahatsiahiviny tamin’izany ny tokony hanaovantsika ny hasambarana valo ho karam-panondrontsika ka averinay eto ireo tenin’i Jesoa izay tokony hanohina antsika mafy amin’izao zava-mitranga izao :

-        Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana fa ho voky izy

-        Sambatra ny mamindra fo fa hamindrana fo izy

-        Sambatra ny tia fihavanana fa antsoina hoe Zanak’Andriamanitra izy

-        Sambatra izay enjehina noho ny rariny fa azy ireo ny fanjakan’ny lanitra (Mt 5, 6-8)

Miharihary fa ny fitiavam-bola sy ny fitiavan-tena ary ny fahalòvana (corruption) mihanaka manenika ny seha-piainan’ny fiaraha-monina no mahatonga izao korontana rehetra izao koa anentanana ny tsirairay mba hihaino ny feon’ny fieritreretany ka hibebaka sy hiova fo amin’izao fotoanan’ny karemy izao. Ny famonoana eritreritra no aretina ratsy indrindra mitarika any amin’ny fahafatesana mandrakizay.

Hombanay manana ny antso amin’ny fifanampiana nataon’ny Evekan’Ambanja koa miangavy ny vahoaka Malagasy rehetra mba :

-        Hitondra am-bavaka ny firenena indrindra ireo mpiray tanindrazana amintsika tra-boina any amin’ny commune Antsakabary, amin’ny fotoana rehetra ahafahana manao izany na amin’ny isam-pianakaviana sy ny ankohanam-piainana, na any amin’ny fotoana iarahana any am-piangonana, indrindra amin’ny Làlan’ny Hazofijaliana amin’izao fotoanan’ny Karemy izao.

 

-        Hanao tolo-tànana hanangonana izay fointsika rehetra: vola, akanjo, lamba, sakafo, kahié, stylo…amin’ny sehatra rehetra ahafahana manao izany, na Fiangonana, na fikambanana masina, na sekoly, …sns, ka hanangona ny azo ao amin’ny pretra, na amin’ny Caritas diosezana, na araka izay fandaminana isaky ny diosezy.

-        Ary ny isaky ny Diosezy kosa no hiangaviana handefa mivantana any amin’ny mpiandraikitra ny diosezin’Ambanja na aty amin’ny Foiben’ny Caritas Nasionaly Antananarivo(jereo ny adiresy any amin’ny farany) ary izy ireo no hiangaviana handefa izay voaangona any amin’ny diosezin’Ambanja, amin’ireto toerana telo ireto:

 

·        Ambanja – Katedraly (Caritas)

·         Antsohihy

·        Befandriana

Araka izay mahamety sy mahamora azy.

Eto am-pamaranana, i Masina Maria Mpanjakavavin’I Madagasikara, Vonjin’ny Kristianina anie hanampy antsika hiatrika ny zava-tsarotra ankehitriny ary hivavaka ho antsika mba hibebahantsika marina tokoa ka hanokafatsika ny fontsika hivavaka ho an’ireo rehetra mijaly sy hitondrantsika fanampiana ho azy ireo hanehoana fa ny voin-kava-mahatratra. Misaotra mialoha amin’izay rehetra hataontsika ary Izy Tompo anie hamaly zato heny izay foinareo.

Mitso-drano anareo zahay Eveka Ray aman-dreninareo.

Amin’ny anaran’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara

 

 

Mgr Désiré TSARAHAZANA

Filoha

 

Mgr Jean Claude RANDRIANARISOA

Sekretera Jeneraly.


Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 26 Jul. 2017 - 08:41-

    5ème édition de la foire Ankolagny. La cinquième édition de la foire économique Ankolagny se déroulera du 11 au 13 août 2017. Cette foire est organisée par l’équipe du programme Prosperer Sofia. L’objectif de cette manifestation est de faire rencontrer les organisations de producteurs aves les opérateurs de marché afin de promouvoir les relations commerciales entre les deux entités. Selon Rafaralahy Redeck, coordonnateur du programme Prosperer Sofia, cette cinquième édition se veut être plus ouverte aux participants venant de diverses filières et des opérateurs originaires d’autres régions. Il invite tous les opérateurs économiques à visiter la centaine de stands (donc d’opportunités) prévue pour la foire.

  • 26 Jul. 2017 - 07:53-

    Nodimandy i Mgr ZEVACO Pierre. Nindaosin'ny fahafatesana ny 25 jolay 2017 tamin'ny 7 ora sasany maraina teo i SE Mgr ZEVACO Pierre. Lavo teo amin'ny faha 92 taonany ny andrarezin'ny Fiangonana. Ny nofo mangatsiaka dia amin'ny tranon'ny Fikambanana Lazarista Tanantsoa ao Fianarantsoa. Anarany feno: Jean-Pierre-Dominique Zévaco. Teraka ny 30 Jolay 1925 (92 taona) tao Vico France. Fikambanana: Lazaristes. Nanamasinana ho pretra: 29 juin 1959, Fikambanan-dRelijiozy Lazariste. Fanamasinana ho eveka: 12 janvier 1969 - Mgr Gilbert Ramanantoanina. Evekan’ny Diosezy Tolagnaro: 26 septambra 1968 - 24 avrily 2001 ary Évêque émérite nanomboka teo. Aoka samy hiara-hiombom-bavaka ho an’ny fialantsasatry ny fanahiny isika mianakavy.

  • 26 Jul. 2017 - 06:57-

    Région Anosy dynamique. Pour Tanjaniana Juliot, Chef de Région Anosy, plusieurs signes indiquent le dynamisme de la région qu’il préside. Pour ce chef de régionles publication sur le compte Facebook de la Région Anosy (https://www.facebook.com/regionanosy.anosy) indique ce dynamisme. Il cite entre autres les différents ateliers de formation pour le développement local du 10 au 14 juillet, la dotation en matériel (motos cross), les initiatives des organismes comme la Chambre de Commerce et d’Industrie cette dernière initie pour la fin du mois de juillet du festival de la mer.

  • 25 Jul. 2017 - 09:19-

    Lahatsoratra ny 25 jolay 2017. ao amin'ny sokajy politika no misy lahatsoratra navoaka ho an'ny anio : http://www.lakroa.mg/item-1118_articles_politique_18-jeneraly-manampi-maso-sy-manao-miaoa.html

    Sy ao amin’ny sokajy NTIC http://www.lakroa.mg/item-1119_articles_newtech_18-fablab-solidaire-mamiratra-racompensa.html

  • 24 Jul. 2017 - 07:16-

    Epreuves du baccalauréat session 2017. Les épreuves écrites du Baccalauréat général se dérouleront du lundi 24 au jeudi 27 juillet prochain pour l’année scolaire 2016-2017. Les épreuves écrites pour l’EPS auront lieu le vendredi 28 juillet. Les épreuves écrites du Baccalauréat technique et technologique se dérouleront du 31 juillet au 3 août 2017. Le nombre total de candidats au baccalauréat dans la Grande Ile atteint 177 686 pour cette session. Ils sont répartis dans 270 centres d’examen.

  • 21 Jul. 2017 - 06:52-

    20 juillet 1947 - 20 juillet 2017 Pour tes 90 ans,
    Nous cueillons la joie de tes dix ans,
    La folie de tes vingts ans,
    La sagesse de tes trente ans,
    Le travail de tes quarante ans,
    Les découvertes de tes cinquante ans,
    Le renouveau de tes soixante ans,
    Les voyages de tes soixante-dix ans
    La quiétude de tes quatre-vingts ans.
    Prend tout cela comme un bouquet,
    Si agréable à contempler.
    Joyeux anniversaire Lakroan'i Madagasikara

  • 18 Jul. 2017 - 11:56-

    Open Fokontany. Orange Madagascar, Habaka et Giz allient leurs capacités d’innovation pour accompagner la transformation digitale de la commune rurale d’Anosizato Ouest. Habaka met à disposition les données de la commune en libre accès et sur une plateforme géospatiale. Cette innovation va permettre aux sept fokontany de la commune de s’ouvrir sur de nouveaux horizons de développement, et d’accéder  à de nouvelles opportunités d’investissement. La mise en place d’un tel dispositif d’accès à des données nécessite des moyens techniques et humains. Francia Andriamampionona, directeur des relations publiques d’Orange Madagascar, a remis ce 18 juillet des équipements nécessaires pour la réalisation de cet open fokontany (100 smartphones, 28 tablettes pour les développeurs et une connexion internet ultra haut débit).

  • 18 Jul. 2017 - 06:48-

    Cours Rasolotafika. Les professeurs au sein du groupe Cours Rasolotafika affirment qu’ils ne craignent pas les conséquences des déclarations répétées du ministre de l’Education Nationale. Ces déclarations concernent la volonté des responsables du Ministère d’augmenter les difficultés au niveau des examens officiels ceci afin de piéger les élèves qui se contentent de répéter les exercices dits sujets-types. Pour ce groupe les professeurs ne distribuent pas de polycops ni de sujets types. Ils ne donnent pas non plus de cours après bacc pour préparer les différents concours. Ce sont des signes que les bases sont bonnes.

  • 17 Jul. 2017 - 11:54-

    25ème anniversaire du Fiefa MirMad. Le FieFa Mir Mad  ou Fikambanana Entanin’ny Fampihavanana eto Madagasikara branche à Madagasikara du Mouvement International de la Réconciliation  va célébrer son 25ème anniversaire cette année. La célébration de cet anniversaire se fera ce vendredi 21 juillet en son siège au Village Saint François. La célébration commencera par une prière œcuménique qui sera suivie par une conférence-débat avec trois intervenants (le pasteur Tehindrazanarivelo, Rabetafika Fulgence, Serge Ramiandrasoa). « La non-violence électorale » est le thème de cette conférence-débat.

  • 14 Jul. 2017 - 07:21-

    AFIFAB 35 taona. Ny fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara dia mankalaza ny faha-35 taonan’ny AFIFAB na Asa Fifandraisana sy Fampahalalam-baovao. « Maro ny fandahanarana entina hanamarihana izany tsingerin-taona izany ka ny fanompoam-pivavahana no hanokafana izany vanim-potoana izany ary hanasana ny rehetra » hoy ny sekretera jeneralin’ny Afifab . Ny fanompoam-pivavahana fanakalazana an’Andriamanitra dia ho tontosaina ny sabotsy 15 jolay 2017 amin’ny 3 ora tolakandro ao amin’ny fiangonana Fjkm Atsimon’i Mahamasina. Ny fanapariahana ny Radio Fahazavana no ho tsangambaon’ny faha-35 taonan’ny Afifab.

  • 14 Jul. 2017 - 07:00-

    Cours Rasolotafika. Niaraha-nahita fa ratsy ny voka-panadinana Bepc teo. Vao mainka mahazo aina ireo toeram-panomanana fanadinana vokatr’izany. Mitombo isa ireo teorana manolotra cours araka nyhita amin’ny peta-drindrina raha ny ao Antananarivo no jerena. Ho an’ny Cours Rasolotafika manokana dia milaza ny tompon’andraikitra an’ity toerana ity fa mila mijery ny fahatezan’ny toeram-pampianarana iray sy ny vokatra azony ny ray aman-dreny sy ny mpiantra fa tsy ho sodokan’ny dokam-barotra. Ny fara-doboka fanao isan-taona dia manomboka ny 17 jolay ka hatramin’ny 22 jolay ary ny taranja rehetra no atao amin’izany. Hita eo amin’ny facebooko ny antsipiriany https://www.facebook.com/coursdebaccetbepc/

  • 14 Jul. 2017 - 06:58-

    Appeler gratuitement le 117 grâce à Orange. Si vous êtes confrontés à une situation d’urgence comme l’acte de banditisme/cambriolage et vous avez des renseignements à signaler. Vous êtes invités à composer depuis un portable de jour, comme de nuit le numéro d’appel d’urgence 017 (Appel gratuit) peut-on lire sur le site web de la police nationale (http://www.policenationale.gov.mg/?page_id=331) dorénavant on peut appeler gratuitement le 117 pour le réseau Orange. Tous les appels entrants au 117 sont routés vers les Commissariats du district concernés par l’appel et couverts par le réseau Orange.

  • 14 Jul. 2017 - 06:47-

    Maire d’Ampitatafika en formation. Rado Ramparaoelina, maire d’Ampitatafika, avec une partie de son exécutif, suit une formation avec le FDL sur les manières d’assurer la bonne gouvernance d’une commune. Pour ce maire il espère qu’à la fin de cette formation la commune bénéficie réellement d’une subvention car il estime que la commune remplit les conditions requises durant la formation pour obtenir des subventions annoncées. Pour ce maire il faudrait que les subventions arrivent rapidement avant la saison des pluies car les projets présentés par la commune d’Ampitatafika sont orientés pour se prémunir des effets de la pluie.

  • 13 Jul. 2017 - 17:11-

    Ampitomboy ny fiahiana ara-tsosialy. Mitaky ezaka amin’ny mpitantana aty ifotony ny Fanjakana foibe eo ny mikasika ny fitantanana ny kaominina mba ho tsara tantana. Ny vahoaka koa etsy andaniny mitaky fiahiana avy amin’ny ben’ny tanàna (fanomezana asa, fanampiana mivantana). Tsy araka ny mamaly izany hetaheta rehetra izany. Heveriko fa manana anjara lehibe amin’ny fiahiana ara-tsosialy io ny fanjakana foibe. Eo ny fiantohana ny filaminana fa eo koa ny fanondrotana ny tombontsoa azo amin’ny Cnaps ohatra. Efa nampiakatra ny Cnaps fa tokony ho jeren’ny fanjakana foibe ny fanohizana ny fanatsarana izany tombontsoa izany fa miandrandra izany vahoaka.

  • 13 Jul. 2017 - 09:04-

    LaRok Studio et son événement. LaRok Studio présente ce samedi 15 juillet, au CCESCA à partir de 14 heures, un spectacle avec plusieurs événements. Il y a en premier lieu la présentation d’un spectacle de danse par les élèves des acquis durant leur temps de formation. Puis un défi bodybuilding avec trois catégories de poids (–77 kgs, entre 77 et 87 kgs et enfin les +87 kgs), un concours de Men’s physique en open et pour les femmes un concours de Miss bikini en open. Les coachs de ce centre vont effectuer une démonstration de leur savoir-faire. Il y aura aussi le lancement d’une agence artistique.

  • 13 Jul. 2017 - 07:41-

    Projet de loi. Le Conseil des Ministres du mercredi 12 Juillet 2017, qui s’est tenu au Palais d’Etat d’Iavoloha, a adopté le projet de loi portant création d’une contribution financière des entreprises au développement de la formation professionnelle continue et d’un fonds de gestion de cette contribution. Ce projet de loi concerne plusieurs ministères (Ministère des Finances et du Budget, Ministère de l’Industrie et du Développement du Secteur Privé, Ministère de l’Emploi, de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle).

  • 13 Jul. 2017 - 07:41-

    Ofnac au chevet du poète Haingo. Haingo Razafiarijaona, ou Haingo poeta, est malade alité à l’hôpital de Befelatanana depuis quelques mois. L’Office national des arts et de la culture (Ofnac), par son directeur, Randriakoto Samuelson Daumet, a décidé d’apporter un soutien effectif à ce poète. L’Ofnac organise un téléthon pour ce jeune poète, musicien et compositeur de textes pour de nombreux artistes. Ce téléthon se déroule dans la Salle Rado dans l’immeuble de la Bibliothèque Nationale. Le directeur de l’Ofnac invite tous les amoureux de l’art de venir apporter ce soutien à la fois moral et surtout soutien financier.

  • 11 Jul. 2017 - 13:12-

    Convention entre AFD  et BFV SG. Ce lundi 10 juillet a eu lieu la cérémonie de signature d’une convention GPP ARIZ entre l’AFD et la BFV SG. Cette cérémonie était l’occasion de renouveler la convention de partenariat entre cette banque et l’AFD qui existe depuis 2010, un partenariat qui accompagne et appuie le développement des opérateurs malgaches. Par le biais de son instrument de sous-participation dénommé « ARIZ », l’AFD promeut un accès facilité au financement bancaire des PME, TPE et micro entreprises. 

  • 07 Jul. 2017 - 06:42-

    Salon de la médecine et du bonheur. Kis Madagascar organise le « Salon de la médecine et du bonheur ». Cet événement a ouvert ses portes le 6 juillet et durera jusqu’au au 8 juillet. Il se déroule sur le parvis de l’Hôtel de ville d’Antananarivo. Cette première édition offre à la population des dépistages (diabète, sida, maladie de la prostate…), des consultations médicales (ophtalmo, orl…) et des conseils gratuits ou don de sang. La Clinique Fidy avec les étudiants de Imag Appli effectuent des circoncisions gratuites durant cet événement.

  • 07 Jul. 2017 - 06:40-

    Ce-Fer-Mad. Le Centre de Fertilité de Madagascar vise à aider les couples hypofertiles et infertiles à réaliser leur plus grand désir, celui d’avoir un enfant. En venant consulter au Centre de Fertilité de Madagascar, vous pourrez trouver les réponses aux questions concernant la fertilité : nos médecins spécialisés en médecine de la reproduction vous aident à mieux comprendre votre situation. Cette structure a été mise en place par le docteur Rakotobe Andriamaro, gynécologue obstétricien, en octobre 2016. Il est entouré de deux spécialistes étrangers. Pour l’instant aucune loi ne régit cette procédure à Madagasikara.

Du même auteur

societe
newtech

Dans la même rubrique

religion
religion
Publicité