
Nivoaka tamin’ny 20 Jolay 1927 ny laharana voalohany, 35 centimes ny vidin’ny iray, 18 francs ny famandrihana herintaona: M. Jean Baptiste Ramanamisata no mpanorina, sady tonia no tompony. Tandindon’ny firotsahan’ny lahika an-tsehatra eo amin’ny fiainam-piangonana izany. Tsy adino ny ezaka goavana nataon’ny olontsambatra Victoire Rasoamanarivo tamin’ny fanorenana ny fiangonana katolika teto Madagasikara.
• Hatramin’ny laharana faha-41 (nivoaka ny 25 Jolay 1928) dia Atoa. Jean Baptiste Rakotomavo no tonia ary P. Léontin Geneyes, sj., no gérant.
• Nanomboka ny laharana faha-66 (nivoaka ny 23 Janoary 1929) ka hatramin’ny laharana faha-238 (nivoaka ny 11 mai 1932) dia lasa gazetin’ny TKFJ (Tohan-kajan’ny Fo Masin’i Jesoa) ny Lakroa.
• Novidian’ny Misiona Katolikan’Antanananarivo tamin’Atoa Jean-Baptiste Rakotomavo ny Lakroa tamin’ny 28 mai 1929. 3000 francs no nividianana azy tamin’izany. Efa nanomboka nisy vaovao avy amin’ny vikarià hafa toa an’i Fianara, Antsirabe, Mahajanga. Teo dia niseho tsikelikely ny maha-gazetim-pirenena ny Lakroa.
• Nanomboka ny laharana faha-239 (nivoaka ny Alarobia 18 Mai 1932), ka hatramin’ny Jolay 1965 dia fananan’ny Misiona katolikan’Antananarivo ny Lakroa. Tamin’ny Jolay 1965 kosa dia lasa fananan’ny Fiombonamben’ny Eveka eto Madagasikara ny Lakroa ka nomena ny zezoita ny fitantanana azy. I mompera isany Xavier Tabao Manjarimanana sy Remi Ralibera no tonia tamin’ny volana Marsa 1966 nandraisan’ny zezoita ny fitantanana.
• Roa volana ihany no tsy nivoahan’ny Lakroa nandritra izay tantara lava niainanay izay: ny Janoary sy Febroary1966.
• Hatramin’ny laharana faha-1473 (nivoaka ny 6 mars 1966) ka mandraka ankehitriny (laharana faha-3664) dia any Fianarantsoa (Imprimerie Saint Paul) no atonta ny Lakroa: nandritra izay 83 taona nisian’ny Lakroa izay dia 39 taona no nitoeran’ny Lakroa tao Antananarivo ary 44 taona tany Fianarantsoa.
• Zavamisy ankehitriny: Mbola fananan’ny Eveka ny Lakroa. Ny zezoita kosa no mbola miandraikitra ny fitantanana. Miara miasa ao ny mpiasa matihanina, ny mpanao gazety lahika sy relijiozy mitotaly eo amin’ny 15 eo ho eo manerana ny nosy. Zezoita iray no tonia, mpiandraikitra ankapobe lahika, mpanao gazety matihanina efatra ka relijiozy avy aminin-dry masera St Paul de Fribourg, mpaka sary iray, mpanoratra telo, mpiandraikitra ny fanaparitahana, zezoita roa collaborateurs, manana solontena miisa 7 any amin’ny faritany. Mompera Jean de Dieu Raoelison no tonian’ny famoahana amin’ny maha sekreteran’ny fivondronamben’ny Eveka azy.
• Niova niandalana ny endriky ny Lakroa: loko roa izy taloha, izao dia lasa loko efatra: niakatra niandalana ihany koa ny isan’ny pejy: 6, 8, 10, 12
• Nandritra izay 83 taona mahery izay dia olona maro no nandalo tao amin’ny fitantanana azy: lahika tany am-boalohany, pretra frantsay sy malagasy niara-niasa. Vanim-potoana maro no nandalovany : faha-zanatany, ny ady lehibe faharoa,ny tabataba 47, ny Loi-cadre de 56, ny referandaoma (58), ny repoblika voalohany, faharoa (revolisiona), ny kirizy 1991, ny repoblika fahatelo tapany voalohany sy faharoa, ny kirizy 2002, ny kirizy tamin’ny 2009 ary dia izao vanim-potoana “tetezamita” lalovan’ny firenena ankehitriny izao.
• Na dia teo aza ny fiovaovan’ny zavamisy sy ny hevitra notohanan’ny mpitantana samihafa, dia tsapa fa nisy ny finiavana hanompo ny firenena sy ny vahoaka, amin’ny fanomezana vaovao marim-pototra samihafa momba ny fiainam-pirenena, amin’ny alalan’ny fanaitairana ny eritreritra, ny fanampiana handanjalanja, fanampiana ho tia tanindrazana, fanampiana hifikitra amin’ny maha malagasy kanefa koa misokatra amin’ny hafa. Fa indrindra indrindra, manampy ireo fadiranovana sy tsy misy mpihaino mba hitraka sy handray an-tanana ny ho aviny.
• Azo lazaina fa tsy nisy nitompo teny ho fatratra tamin’ny hevitra navoaka ireo mpitantana nifandimby: tsy nisy nitompo teny ho mahalala ny hany marina.
• Soa toavina ijoroan’’ity gazety ity ny filazan-kevitra mazava, ny fandanjalanjana, ny famakafakana, ny famolavolana hevitra mifototra amin’ny fampianarana sosialin’ny fiangonana izay mety tsy mifanojo foana amin’ny an’ny mpitondra fanjakana (indraindray na ny an’ny mpitondra fiangonana aza).
• ao anatin’ny antontan-kevitra mivoaka isan-kerinandro izay mahafeno 80 volumes dia azo inoana tsy am-pisalasalana fa misy ny zavatra azo tsikeraina, nisy ny fironana nampametra-panontaniana, nisy ny hevitra natao tefy maika na taloha izany na ankehitriny. Miaiky izany am-panetren-tena izahay amin’ny maha olombelona manam-petra anay.
• Niezaka foana kosa anefa ny Lakroa mba hanompo ny vahoaka, ny firenena sy ny fiangonana. Izay no mba fandraisany anjara amin’ny ezaka fampandrosoana ny fanjakan’Andriamanitra eto an-tany, ny fanaparitahana ny Vaovao mahafaly mitondra fanafahana sy fahamarinana bebe kokoa eto amin’ny fiarahamonina.
• Ny irariana dia ny mba hanohizan’i Lakroa hatrany ny asany omban’ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanohanan’ny mpamaky.
Ny aretin’ny vanin-taolana (l’arthrose)
Nosoratan'i Dr R.A.Mamy
[Kaominina Ambahikily - Faritra Atsimo Andrefana]
Ilaina jerena ny fotodrafitrasa miantoka ny famokarana
Nosoratan'i Donnah
nosoratan'i Nosoratan’i Arikaomisa Randria