logo
Lakroan'i Madagasikara
Manan-danja ny telovolana faharoa

Mifohaza maraim-be fa hahazo tombony be ianao

Razafindramanitra il y a 8 années

Ny telovolana faharoa no herin'ny taom-pianarana iray. Samy manana ny tetik'ady entina hahatsara izany telovolana faharoa izany ny seha-pampianarana tsiraiary. Ny iombonan'ny rehetra dia ny fanairana ny mpianatra sy ny ray aman-dreny. Mba ho samy tompon'antoka.

Mifohaza maraim-be fa hahazo tombony be ianao
Mitsinjara ho telovolana telo ny taom-pianarana 2013-2014. Tsiahivina fa efa nisy ny fotoana natao isan-droa volana ny fitsinjarana ny fotoam-pianarana tao anatin’ny taom-pianarana iray. Izao izy naverina ho isan-telovolana izao indray.
Ho anay dia eto amin’ity telovolana faharoa ity no herin’ny taom-pianarana iray. Eto dia efa tazana ny ankizy hahomby sy ireo mila tosika manokana” hoy Doudou Ratoejanahary, tale jeneralin’ny Vondrona Arcade.Nambarany fa ho an’ny Vondrona tantaniny dia faranana ao anatin’ity telovolana faharoa ity ny fandaharam-pianarana manontolo indrindra ho an’ireo kilasy manala fanadinana ara-panjakana (CEPE, BEPC, Bakalorea). “Natao izany ezaka izany satria arakaraka ny fahavitan’ny praograma alohaloha no hahafahana manao famerenana na révision lalindalina sy fanazarana lavalava sy maro karazana” hoy ity tale ity.
An’ny mpianatra
Izay no anjaran’ny sekoly. Manana ny anjara  koa ny mpianatra. Tsy mpanjifa ny mpianatra ka tonga dia mibata mody izay omena azy satria nandoa ekolazy. “Manana andraikitra lehibe ny mpianatra” hoy ity mpampianatra iray. Anjarany ny manatona ny mpampianatra raha misy ny manahirana na mampisalasala azy. “Aoka tsy ahatoky tena ny mpianatra fa aleo manadihady tsara” hoy izy nanohy. “Ny mpampianatra ato aminay dia efa nomena toromarika handray ny mpianatra mila fanampim-panazavana” hoy ity talen-tsekoly iray. Tsapa fa misy tokoa ireo mpampianatra manatsahatra ny fampianarany 10 minitra alohan’ny hiravan’ny fotoana natokana hampianarany. Natokan’ireny mpampianatra ireny io 10 minitra io mba hahafahan’ny mpianatra mangata-panazavana na mitondra laza adina vaovao. Tsikaritra ko amaro ankehitriny ireo sekoly no manao ny antsoina hoe “portes ouvertes” eo amin’ny fiandohan’ny telovolana faharoa izao. “Tsy natao hisarihana mpianatra vaovao velively io fotoana io araka ny fiheveran’ny ray aman-dreny sasany” hoy Ramanantsahala, talen-tsekoly iray. “Natao izao hifampitafan’ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra mba hahafahana manitsy haingana ny dian’ny zaza iray
” hoy izy. Voalaza fa efa roa taona no nanaovan’ity sekoly an’izao portes ouvertes izao. Novana mihitsy ny fanomezana ny bulletin scolaire. Tsy nomena amin’ny faran’ny telovolana voalohany fa amin’izao portes ouvertes izao izay tontosaina amin’ny fiandohan’ny taona vaovao. Mandritra izany fotoana izany ny ray aman-dreny dia mahazo fanazavana manokana avy amin’ireo mpampianatra momba ny zanany. “Misy ny ray aman-dreny eo vao gaga raha hilazana fa mitabataba ny zanany any an-tsekoly fa tsy ilay noheverina fa anjely na zaza bonaika” hoy ity tale.
Ny fiezahan’ny mpianatra no hahazoany vokatra tsara. Manomboka amin’izao telovolana faharoa izao no tena mila milofo ny mpianatra. “Mifoha maraim-be no tsara. Manomboka any amin’ny efatra ora na efatra ora sy sasany any. Mbola mangina ny tontolo amin’izany ary afa-bizana ny vatana sy ny saina” hoy Ratoejanahary. Ho azy dia tsy azo ampiarahana ny taranja mavesatra toy ny matematika sy fizika fa mandrera-tsaina ny fanaovana an’izany. Mila mahay mampiasa fiche ny mpianatra rehefa amin’ny kilasy ambonimbony. Tsy tsianjery intsony no hatao fa ventin-kevitra no raisina ary mila mahafehy ny fanitaran-kevitra.
Aza resin'ny rendradrendra
Be ny rendrarendra misarika ny tanora ankehitriny mila mahafehy tena izany ny mpianatra hanala fanadinana. Misy ezaka takiana amin’ny ray aman-dreny amin’izay fotoana izay. Anjaran’ireo ray aman-dreny ny mijery ny ezaka ataon’ny zanany. Tsy voatery hahay matematika ny ray aman-dreny fa ny fanaraha-maso ny zanany no tena zava-dehibe. Ohatra tsy tsara ny mpianatra raha miondana finday. Mazava loatra fa tsy fianarana no hita ao anaty finday fa matetika sms na soratra maro sosona. Lavitry ny fianarana izay soratra maro sosona izany. Misy dia misy tokoa ireo tanora no mampiasa ny fitaovana maoderina hanampy azy amin’ny fianarana. Ao ireo mampiasa ny tablette ireny. Maro ireo rohy hita ao tahakaity iray ity http://etudiant.aujourdhui.fr/etudiant/info/planning-de-revision-du-bac-comment-reviser-le-bac.html. Tsara izany saingy mila mahafehy tena ary tsapa fa mbola vitsy ny tena sahaza ho an’ny mpianatra amin’ny kilasy Terminale mainka moa fa kilasy hanala BEPC. Rendrarendra izany no etaka. Rariny ny an’ny ray aman-dreny izay maka ny findain’ny zanany mba hifantohany amin’ny fianarana. Mila mitandrina tsara koa anefa raha manao izany fa mety hiteraka “frustration” ny fanaovana izany ka mifanipaka amin’ny tanjona nokendrena ny vokatra azo.
Ny mpianatra no hiatrika fanadinana fa tsy afa-misaraka ny fiarahana miezaka avy amin’ny sekoly (mpampianatra sy mpanabe) ary ny ray aman-dreny (mpitaiza). Mahombiaza ary.

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 10 Apr. 2021 - 05:29-

    ‘‘Antso vonjy ny an’ny vahoaka, miantso ny fanjakana hoe « aiza e… vonjeo e… avela ho ringana ve ny vahoaka ?’’ hoy ny fanombohan’ny Matoan-dahatsoratra ao amin’ny Lakroan’i Madagasikara efa hita teny amin’ny mpivarotra nanomboka ny alakamisy 8 avrily teo… Fa hoy izy mamarana ‘‘Izao no mila jerena…’’ Raha manjifa ny Lakroa ianao dia hahafantatra ny famoaboasana ihany koa ary ahita ny famaranana… Miarova tena, arovy ny akaiky anao. Md Roch…

  • 27 Jan. 2021 - 12:11-

    Fanambaran’ny FFKM. Namoaka fanambarana ny Filoham-piangonana efatra ato anatin'ny FFKM, Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, ny alahady 24 janoary ao anatin’ny Herinandro fiaraha-mivavaka ho an’ny Firaisan’ny Kristianina manerana  ny tany sy eto Madagasikara (18-25 janoary). Vakio ato izany https://www.lakroa.mg/item-2548_articles_politique_18-aoka-ny-rariny-hikoriana.html

  • 25 Jan. 2021 - 08:42-

    Televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Notokanana ny 23 janoary 201 teo tao Toamasina ny televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Ny RTCM na Radio Télévision Catholique Masova no televiziona katolika voalohany eto Madagasikara ary ny diosezin’i Toamasina no nanangana azy io. Miarahaba azy ny www.lakroa.mg ary mirary soa hahavita ny anjara andraikiny amin’ny fampitana ny feon’ny marina sy ny rariny. Ny RTCM dia raisina eo amin’ny ontsam-peo sy sary UHF 42 ao Toamasina. Sary vitsivitsy: https://www.lakroa.mg/item-2545_articles_newtech_18-notokanana-ny-televiziona-katolika-voalohany-eto...

  • 23 Jan. 2021 - 04:30-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021. Toy izao raha fintinana ireo antontan’isa voaray haatramin'ny 22 janoary mahasika ny vokatry ny fandalovan’ny rivodoza ELOISE teto anivon’ny BNGRC (mahakasika ny olona)
    Maty
     : Olona 1 no lavo tamin’ny fandalovan’i ELOISE.
    Traboina
    3 601 ireo traboina.
    Nafindra toerana
    : Nitombo 470 ireo nafindra toerana vonjy maika izay mitotaly 835 izy raha atambatra amin’ny efa voaagona hatramin’izay.

  • 23 Jan. 2021 - 04:28-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021.Raha ny mahakasika ireo foto-drafitr’asa sy trano fonenana dia:
    Miisa 156 ireo trano fonenana dibo-drano raha 645 ireo voakasika sy nahitam-pahasimbana.
    Miisa 193 kosa ireo trano fonenana rava tanteraka.
    142 trano fianarana voakasika sy nahitam-pahasimbana raha roa
    12 kosa ny trano fianarana rava tanteraka.

  • 23 Jan. 2021 - 04:26-

    Birao maharitra Antenimierandoholona. Tontosa ny zoma 22 janoary 2021 ny fifidianana ireo mpikambana mandrafitra ny Birao Maharitra eto anivon’ny Antenimierandoholona. Ka, voafidy ho :
    Filoha Lefitra ho an’ny faritany Avaratra : Loholon’i Madagasikara Imbiki Herilaza ;  
    Filoha lefitra ho an’ny faritany Atsimo : Loholon’i Madagasikara Rabemananjara Jean Paul Nicolas,
    Kestiora : Loholon’i Madagasikara Fernand Eddie Serge,
    Mpampakateny Jeneraly : Loholon’i Madagasikara Rasolondratsimba Raymond.
    Ny Filoha Razafimahefa Herimanana dia efa voafidy ny 19 janoary.

  • 07 Jan. 2021 - 07:36-

    Bonne année 2021. Toute l'équipe, rédaction et technique, de www.lakroa.mg se joint ici pour vous souhaiter, à vous lecteurs et sources, une bonne et heureuse année 2021. Que cette nouvelle année 2021 vous apporte, le bonheur, la joie et la prospérité et l’amour du prochain et du Pays. Notre unique résolution pour l’année 2021 est de réussir à vous apporter la nouvelle vraie avec des analyses lucides hors des sentiers battus. Et soyons solidaires pour notre Patrie et nos concitoyens. https://www.facebook.com/100002397970826/videos/3535584526531445/

  • 26 Dec. 2020 - 10:22-

    Que la magie de Noêl impacte sur votre vie 

    et voici des Suggestions de cadeaux de Noël:

    Pour l’ennemi, le pardon.
    Pour l’adversaire, la tolérance.
    Pour l’ami, votre cœur.
    Pour un client, du service.
    Pour tous, la charité.
    Pour chaque enfant, le bon exemple.
    Pour vous, le respect et

    Pour le Monde entier : l’Amour du Christ par la croix

    Et notre cadeau notre fidélité envers vous sur www.lakroa.mg

  • 07 Dec. 2020 - 07:23-

    Lahatsoratra mety hahaliana anao... Resaka tany

    https://www.lakroa.mg/item-2486_articles_economie_18-a-a-madagascar-comme-partout-sur-le-continent-les-alites-africaines-accaparent-les-terres-fertiles-a.html 

  • 25 Nov. 2020 - 12:28-

    l'économie bleue de l'AMDP a été engloutie par la vague orange. Et voilà que le dossier resurgit sous une autre forme avec d'autres acteurs mais toujours économie bleue (orangée).
    https://www.lakroa.mg/item-2465_articles_economie_18-petite-pache-en-paril-madagascar-signe-des-accords-de-pache-destructeurs-avec-des-investisseurs-chinois.html

  • 18 Oct. 2020 - 04:51-

    Arrêt n°10-HCC/AR du 16 octobre 2020 relative à une demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena. La demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena, est déclarée recevable. Article 3.-La demande du KMF-CNOE Fanabeazana Olompirenana est rejetée comme mal fondée en vertu des considérants 16 à 27. 

  • 18 Oct. 2020 - 04:50-

    Décision n°17-HCC/D3 du 16 octobre 2020 portant sur des requêtes aux fins d’inconstitutionnalité du décret n°2020-1110 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du 11 décembre 2020. Selon l’article 1, les requêtes sont déclarées recevables mais rejetées comme non fondées sur la base des considérants 17 à 25, 27 et 28 (article 3).

  • 17 Oct. 2020 - 05:06-

    Lu pour vous: Une usine clés en main normande expédiée à Madagascar contre la faim.  https://www.lakroa.mg/item-2413_articles_monde_18-une-usine-clas-en-main-normande-expadiae-a-madagascar-contre-la-faim.html

  • 13 Oct. 2020 - 04:49-

    62 taona ny Repoblika Malagasy. Hetsika maro no fantatra fa ho karakaraina hanamarihana ny faha 62 taona ny nanambarana ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy voalohany. Iray amin’ireny ny karakarain’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina. Ny 14 oktobra dia hisy ny fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny FJKM Atsimon’i  Mahamasina ny maraina amin’ny 9 ora sy sasany ary fikaonan-doha atao ao amin’ny Le pave Antaninarenina kosa ny tapany hariva. Asaina ny rehetra ka ny lohahevitra amin’izany ny hoe « maro tohanan’ny maro »

  • 12 Oct. 2020 - 05:08-

    Lu pour vous. Le Conseil des Ministres du 7 octobre a pris la décision que l’Etat va effectuer des travaux de relevés sismiques marins pour déterminer la ZEE. Et on apprend sur Africa Intelligence que. Il faut rappeller aussi que durant la présidence de Rajaonarimampianina un programme a été lancé en 2017. Quel sous-marin derrière tout cela ? Lu pour vous ne fait que transmettre l’article de Africa Intelligence. https://www.lakroa.mg/item-2404_articles_monde_18-culmen-international-intronisa-conseiller-stratagique-de-la-marine-malgache.html

  • 09 Oct. 2020 - 17:44-

    Marine malgache a un conseiller stratégique. Culmen International pressenti est intronisé conseiller stratégique de la marine malgache Comme l'avait anticipé Africa Intelligence (09/09/20), Culmen International a remporté le 28 septembre le marché de mise à disposition d'un conseiller stratégique pour la marine malgache. Ce contrat est financé par le Département d'Etat américain à hauteur d'un million de dollars. Culmen s'est imposé face à un autre contractor de défense américain, Sincerus Global Solutions, qui a absorbé en juillet la branche internationale du géant Science Applications International Corp (SAIC).

  • 01 Oct. 2020 - 09:23-

    Le mois d’octobre est consacré au  Saint Rosaire. La prière du rosaire se décline en 4 «groupes» de mystères : joyeux, lumineux, douloureux, glorieux. Chacun de ces «groupes» (ou méditations) se décline en 5 mystères. La prière du rosaire, au complet, comprend donc 20 mystères au total. Prier le chapelet, c’est par conséquent, quotidiennement, prier 5 mystères par jour.

  • 30 Sep. 2020 - 07:34-

    #COVID19
    Atontanisa momba ny Covid-19 ny 29 septambra 2020. Sitrana 192 vaovao.  
    Lavo 229 (+ 0).  
    Marary mafy 16 (– 1).
    FITILIANA : Tests PCR (297), Tests GeneXpert (53)
    Marary 29 vaovao : 1 Cas importé, 2 Analamanga,  Sainte Marie, 4 Ambatondrazaka, 2 Amparafaravola, 3 Matsiatra Ambony, 1 Atsimo Andrefana, 1 Menabe, 4 Antsohihy, 1 Bealanana, 5 Sava, 4 Diana

  • 21 Sep. 2020 - 07:15-

    Mikasika ny toeram-pivavahana: Toy izao indray ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo:
    - Misokatra ireo fiangonana sy mosquée rehetra manerana ny Nosy saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    - Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra
    - Manao aro vava orona ny rehetra
    - Raisina ny mari- pana eo am-pidirana
    - Mampiasa gel désinfection
    - Fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina
    - Tsy azo atao ny fifandraisan-tanana mandritra ny fotoam-pivavahana.

    Jereo ny fepetra manontolo :

    https://www.lakroa.mg/item-2386_articles_societe_18-ireo-fepetra-arahina-mandritra-ny-15-andro-nanomboka-ny-19-septambra-teo.html

  • 11 Sep. 2020 - 07:15-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 10 Septambra 2020
    #Sitrana: 52
    #Tranga_vaovao:104
    • 53 Analamanga, • 17 Antsirabe I, • 2 Antsirabe II, • 1 Mandoto, • 4 Ambositra, • 1 Antsohihy, • 6 Sambava, • 16 Antsiranana I, • 2 Antsiranana II, • 2 Ambilobe
    FITILIANA : Tests PCR (676), Tests GeneXpert (66)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 48 (-3)
     #Aina_nafoy: 02

Du même auteur

monde
politique

Dans la même rubrique

education
education