logo
Lakroan'i Madagasikara
Papa Fransoa sy ny tanora

Ny fijoroana vavaolombelona nataon’i Vavy Elyssa

Nangonin'i R.T.M il y a 2 années

Nifarana ny fitsidihana apostolika nataon’ny Papa Fransoa teto amintsika sy teo amin’ireo firenena roa dia i Mozambika sy i Maorisy. Maro ireo lahateny nataony sy nataon’ireo nisolontena isan’ambaratonga (Kardinaly, Evekan’ny Tanora, tanora…). Indro ampitaintsika eto isan’andro ny dikateny izay niantsorohan’i Mompera Marcel Ranivomanalina. Mpandikateny nahazo fankasitrahana feno avy amin’ny Papa Ray Masina. Lahateny 13 no havoaka eto.

Ny fijoroana vavaolombelona nataon’i Vavy Elyssa

Vavy Elyssa Nekendraza, tanora vavy 21 taona avy ao amin’ny diosezin’i Maintirano no nisolotena an’ireo tanora vavy nandritra ny fiaretan-tory teny Soamandrakizay ary nitondra ny tenin’ireo tanora nitafa mivantana tamin’ny Papa Fransoa ny 7 septambra 2019.

 “Izaho dia teraka tamin’ny 26 Jiona 1998 tao Ambiky, Commune Berevo. Zanak’i Laurent Vanombelona sy i Séraphine. Avy amin’ny foko Tsimihety ny raiko, ary ny reniko avy amin’ny foko Sakalava. Mpamboly sy mpiompy ireo ray aman-dreniko. Dimy izahay no zanak’izy ireo : iray lahy ary efatra vavy.

 

Niteraka olana maro tao amin’ny fiainan’ny fianakavianay ny fifangaroan’ireo foko roa ireo, satria samy manana ny fomba amam-panaony ny foko tsirairay ary samy te-hampanjaka ny azy. Kanefa noho ireo ray aman-dreniko tena nifankatia sy noho ny fananan’izy ireo toe-tsaina tompon’andraikitra, dia vitan’izy ireo ny nandresy ireo sedra ary nitondra fiadanana ho anay izany.

 

Mikasika ny fivavahana, ny nenitoako dia loterana; fa ny ray aman-dreniko kosa dia manahirana ahy ny milaza hoe fivavahana inona no arahin’izy ireo, satria tsy mba hitanay nandeha tany am-piangonana na oviana na oviana izany izy ireo. Nianatra ny katesizy tao amin’ny sekoly loterana izahay ka indray andro, nilaza taminay ny nenitoanay fa hatao batemy izahay. Nanaiky ny reniko. Ny raiko tsy niteny tsy nivolana. Dia niomana àry izahay ka tamin’ny taona 2017 no nandraisanay ny batemy tao amin’ny Eglizy katolikan’Ambiky, noho ny fanapahan-kevitry ny raiko. Tamin’izay no nahitako farany ireo ray aman-dreniko tao am-piangonana.

 

Fa izahay irery foana, izahay mirahavavy, no nandeha nivavaka tany am-piangonana ny alahady. Nanao komonio voalohany izahay tamin’ny taona 2011. Ny tena nahafaly anay dia ireo ray aman-dreninay nampitondra anay ireo vokatry ny tany hatao fanatitra tamin’ny fankalazana fety iray, ary raha tsy nisy ireo fanatitra dia vola no nampitondrain’izy ireo.

 

Ka na tojo fahasahiranana izahay, i papa sy mama dia niezaka ny hamelona anay toy ny olon-drehetra ary nanao izay tsy hampiafy anay. Tamin’ny taona 2013 dia nifindra tao Maintirano izaho sy ireo rahavaviko mba hanohy ny fianarana amin’ny ambaratonga faharoa. Notohizinay ny fianarana ny katesizy ary nihamafy ny fitiavanay ny vavaka.

 

Rehefa nilaza taminay i Mompera curé fa alohan’ny handraisana ny sakramentan’ny Fankaherezana dia tsara ho an’ireo tanora ny misoratra anarana amin’izay fikambanana misy ao am-piangonana, dia nanontany tena izahay hoe fikambanana inona moa no tokony hidiranay. Nanao izay hahafantarana ireo fikambanana misy ao am-piangonana izahay ka ny giropy fransiskana no nahasarika anay noho ny tantarany sy ny fiainam-panahiny ary dia niditra ho mpikambana tao izahay.

 

Maniry ny ho tonga dokotera aho mba ahafahako manampy ny hafa sy manao soa ho azy ireo. Fa izany anefa dia miankina amin’izay enti-manan’ireo ray aman-dreniko. Tsy mitsahatra ny mivavaka ho azy ireo aho, indrindra mba hahafantarako indray andro izay fonosin’ny mistery miafina ao ambadiky ny fihetsik’izy ireo: izany hoe, tian’izy ireo ny vavaka ary ampianarin’izy ireo izahay ho tia vavaka, kanefa tsy mankany am-piangonana na oviana na oviana izy ireo.

 

Misaotra anao aho, ry Ray Masina, nihaino ahy. Misaotra ihany koa amin’ireo hafatra itaomanao ireo tanora mba hanaja ireo ray aman-dreny ary hjery ny lafy tsaran’ny fiainana ka hahay hanovo lesona amin’izany.


Ireo lahateny efa navoaka teto

1- Lahateny nataon'ny Papa Fransoa teny Iavoloha

https://www.lakroa.mg/item-1885_articles_dossier_18-lahateny-nataony-teny-amin-ny-lapam-panjakana-iavoloha.html


2- Lahateny fiarahaban'i kardinaly Désiré Tsarahazana : https://www.lakroa.mg/item-1887_articles_dossier_18-lahateny-fiarahaban-i-kardinaly-dasira-tsarahazana.html


3- Lahateny nataon’ny Papa Fransoa nandritra ny fihaonany tamin’ny Eveka https://www.lakroa.mg/item-1889_articles_dossier_18-lahateny-nataon-ny-papa-ray-masina.html


4- Fiarahabana nataon’i « Mère Madeleine de l’Annonciation » ny Papa François https://www.lakroa.mg/item-1891_articles_dossier_18-fiarahabana-nataonai-a-mare-madeleine-de-laannonciation-a-ny-papa-franaois.html

 

5- Lahateny nataon’i Fulgence Razakarivony, M.S, fiarahabana ny Papa Fransoa  https://www.lakroa.mg/item-1907_articles_dossier_18-lahateny-nataonai-fulgence-razakarivony-ms-fiarahabana-ny-papa-fransoa.html


6- Ny fijoroana vavolombelona nataon'i Rova Sitraka nandritra ny fiaretan-tory teny Soamandrakizay niaraka tamin'ny Papa Fransoa : https://www.lakroa.mg/item-1903_articles_dossier_18-ny-fijoroana-vavolombelona-nataonai-rova-sitraka.html


Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 10 Apr. 2021 - 05:29-

    ‘‘Antso vonjy ny an’ny vahoaka, miantso ny fanjakana hoe « aiza e… vonjeo e… avela ho ringana ve ny vahoaka ?’’ hoy ny fanombohan’ny Matoan-dahatsoratra ao amin’ny Lakroan’i Madagasikara efa hita teny amin’ny mpivarotra nanomboka ny alakamisy 8 avrily teo… Fa hoy izy mamarana ‘‘Izao no mila jerena…’’ Raha manjifa ny Lakroa ianao dia hahafantatra ny famoaboasana ihany koa ary ahita ny famaranana… Miarova tena, arovy ny akaiky anao. Md Roch…

  • 27 Jan. 2021 - 12:11-

    Fanambaran’ny FFKM. Namoaka fanambarana ny Filoham-piangonana efatra ato anatin'ny FFKM, Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, ny alahady 24 janoary ao anatin’ny Herinandro fiaraha-mivavaka ho an’ny Firaisan’ny Kristianina manerana  ny tany sy eto Madagasikara (18-25 janoary). Vakio ato izany https://www.lakroa.mg/item-2548_articles_politique_18-aoka-ny-rariny-hikoriana.html

  • 25 Jan. 2021 - 08:42-

    Televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Notokanana ny 23 janoary 201 teo tao Toamasina ny televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Ny RTCM na Radio Télévision Catholique Masova no televiziona katolika voalohany eto Madagasikara ary ny diosezin’i Toamasina no nanangana azy io. Miarahaba azy ny www.lakroa.mg ary mirary soa hahavita ny anjara andraikiny amin’ny fampitana ny feon’ny marina sy ny rariny. Ny RTCM dia raisina eo amin’ny ontsam-peo sy sary UHF 42 ao Toamasina. Sary vitsivitsy: https://www.lakroa.mg/item-2545_articles_newtech_18-notokanana-ny-televiziona-katolika-voalohany-eto...

  • 23 Jan. 2021 - 04:30-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021. Toy izao raha fintinana ireo antontan’isa voaray haatramin'ny 22 janoary mahasika ny vokatry ny fandalovan’ny rivodoza ELOISE teto anivon’ny BNGRC (mahakasika ny olona)
    Maty
     : Olona 1 no lavo tamin’ny fandalovan’i ELOISE.
    Traboina
    3 601 ireo traboina.
    Nafindra toerana
    : Nitombo 470 ireo nafindra toerana vonjy maika izay mitotaly 835 izy raha atambatra amin’ny efa voaagona hatramin’izay.

  • 23 Jan. 2021 - 04:28-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021.Raha ny mahakasika ireo foto-drafitr’asa sy trano fonenana dia:
    Miisa 156 ireo trano fonenana dibo-drano raha 645 ireo voakasika sy nahitam-pahasimbana.
    Miisa 193 kosa ireo trano fonenana rava tanteraka.
    142 trano fianarana voakasika sy nahitam-pahasimbana raha roa
    12 kosa ny trano fianarana rava tanteraka.

  • 23 Jan. 2021 - 04:26-

    Birao maharitra Antenimierandoholona. Tontosa ny zoma 22 janoary 2021 ny fifidianana ireo mpikambana mandrafitra ny Birao Maharitra eto anivon’ny Antenimierandoholona. Ka, voafidy ho :
    Filoha Lefitra ho an’ny faritany Avaratra : Loholon’i Madagasikara Imbiki Herilaza ;  
    Filoha lefitra ho an’ny faritany Atsimo : Loholon’i Madagasikara Rabemananjara Jean Paul Nicolas,
    Kestiora : Loholon’i Madagasikara Fernand Eddie Serge,
    Mpampakateny Jeneraly : Loholon’i Madagasikara Rasolondratsimba Raymond.
    Ny Filoha Razafimahefa Herimanana dia efa voafidy ny 19 janoary.

  • 07 Jan. 2021 - 07:36-

    Bonne année 2021. Toute l'équipe, rédaction et technique, de www.lakroa.mg se joint ici pour vous souhaiter, à vous lecteurs et sources, une bonne et heureuse année 2021. Que cette nouvelle année 2021 vous apporte, le bonheur, la joie et la prospérité et l’amour du prochain et du Pays. Notre unique résolution pour l’année 2021 est de réussir à vous apporter la nouvelle vraie avec des analyses lucides hors des sentiers battus. Et soyons solidaires pour notre Patrie et nos concitoyens. https://www.facebook.com/100002397970826/videos/3535584526531445/

  • 26 Dec. 2020 - 10:22-

    Que la magie de Noêl impacte sur votre vie 

    et voici des Suggestions de cadeaux de Noël:

    Pour l’ennemi, le pardon.
    Pour l’adversaire, la tolérance.
    Pour l’ami, votre cœur.
    Pour un client, du service.
    Pour tous, la charité.
    Pour chaque enfant, le bon exemple.
    Pour vous, le respect et

    Pour le Monde entier : l’Amour du Christ par la croix

    Et notre cadeau notre fidélité envers vous sur www.lakroa.mg

  • 07 Dec. 2020 - 07:23-

    Lahatsoratra mety hahaliana anao... Resaka tany

    https://www.lakroa.mg/item-2486_articles_economie_18-a-a-madagascar-comme-partout-sur-le-continent-les-alites-africaines-accaparent-les-terres-fertiles-a.html 

  • 25 Nov. 2020 - 12:28-

    l'économie bleue de l'AMDP a été engloutie par la vague orange. Et voilà que le dossier resurgit sous une autre forme avec d'autres acteurs mais toujours économie bleue (orangée).
    https://www.lakroa.mg/item-2465_articles_economie_18-petite-pache-en-paril-madagascar-signe-des-accords-de-pache-destructeurs-avec-des-investisseurs-chinois.html

  • 18 Oct. 2020 - 04:51-

    Arrêt n°10-HCC/AR du 16 octobre 2020 relative à une demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena. La demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena, est déclarée recevable. Article 3.-La demande du KMF-CNOE Fanabeazana Olompirenana est rejetée comme mal fondée en vertu des considérants 16 à 27. 

  • 18 Oct. 2020 - 04:50-

    Décision n°17-HCC/D3 du 16 octobre 2020 portant sur des requêtes aux fins d’inconstitutionnalité du décret n°2020-1110 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du 11 décembre 2020. Selon l’article 1, les requêtes sont déclarées recevables mais rejetées comme non fondées sur la base des considérants 17 à 25, 27 et 28 (article 3).

  • 17 Oct. 2020 - 05:06-

    Lu pour vous: Une usine clés en main normande expédiée à Madagascar contre la faim.  https://www.lakroa.mg/item-2413_articles_monde_18-une-usine-clas-en-main-normande-expadiae-a-madagascar-contre-la-faim.html

  • 13 Oct. 2020 - 04:49-

    62 taona ny Repoblika Malagasy. Hetsika maro no fantatra fa ho karakaraina hanamarihana ny faha 62 taona ny nanambarana ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy voalohany. Iray amin’ireny ny karakarain’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina. Ny 14 oktobra dia hisy ny fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny FJKM Atsimon’i  Mahamasina ny maraina amin’ny 9 ora sy sasany ary fikaonan-doha atao ao amin’ny Le pave Antaninarenina kosa ny tapany hariva. Asaina ny rehetra ka ny lohahevitra amin’izany ny hoe « maro tohanan’ny maro »

  • 12 Oct. 2020 - 05:08-

    Lu pour vous. Le Conseil des Ministres du 7 octobre a pris la décision que l’Etat va effectuer des travaux de relevés sismiques marins pour déterminer la ZEE. Et on apprend sur Africa Intelligence que. Il faut rappeller aussi que durant la présidence de Rajaonarimampianina un programme a été lancé en 2017. Quel sous-marin derrière tout cela ? Lu pour vous ne fait que transmettre l’article de Africa Intelligence. https://www.lakroa.mg/item-2404_articles_monde_18-culmen-international-intronisa-conseiller-stratagique-de-la-marine-malgache.html

  • 09 Oct. 2020 - 17:44-

    Marine malgache a un conseiller stratégique. Culmen International pressenti est intronisé conseiller stratégique de la marine malgache Comme l'avait anticipé Africa Intelligence (09/09/20), Culmen International a remporté le 28 septembre le marché de mise à disposition d'un conseiller stratégique pour la marine malgache. Ce contrat est financé par le Département d'Etat américain à hauteur d'un million de dollars. Culmen s'est imposé face à un autre contractor de défense américain, Sincerus Global Solutions, qui a absorbé en juillet la branche internationale du géant Science Applications International Corp (SAIC).

  • 01 Oct. 2020 - 09:23-

    Le mois d’octobre est consacré au  Saint Rosaire. La prière du rosaire se décline en 4 «groupes» de mystères : joyeux, lumineux, douloureux, glorieux. Chacun de ces «groupes» (ou méditations) se décline en 5 mystères. La prière du rosaire, au complet, comprend donc 20 mystères au total. Prier le chapelet, c’est par conséquent, quotidiennement, prier 5 mystères par jour.

  • 30 Sep. 2020 - 07:34-

    #COVID19
    Atontanisa momba ny Covid-19 ny 29 septambra 2020. Sitrana 192 vaovao.  
    Lavo 229 (+ 0).  
    Marary mafy 16 (– 1).
    FITILIANA : Tests PCR (297), Tests GeneXpert (53)
    Marary 29 vaovao : 1 Cas importé, 2 Analamanga,  Sainte Marie, 4 Ambatondrazaka, 2 Amparafaravola, 3 Matsiatra Ambony, 1 Atsimo Andrefana, 1 Menabe, 4 Antsohihy, 1 Bealanana, 5 Sava, 4 Diana

  • 21 Sep. 2020 - 07:15-

    Mikasika ny toeram-pivavahana: Toy izao indray ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo:
    - Misokatra ireo fiangonana sy mosquée rehetra manerana ny Nosy saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    - Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra
    - Manao aro vava orona ny rehetra
    - Raisina ny mari- pana eo am-pidirana
    - Mampiasa gel désinfection
    - Fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina
    - Tsy azo atao ny fifandraisan-tanana mandritra ny fotoam-pivavahana.

    Jereo ny fepetra manontolo :

    https://www.lakroa.mg/item-2386_articles_societe_18-ireo-fepetra-arahina-mandritra-ny-15-andro-nanomboka-ny-19-septambra-teo.html

  • 11 Sep. 2020 - 07:15-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 10 Septambra 2020
    #Sitrana: 52
    #Tranga_vaovao:104
    • 53 Analamanga, • 17 Antsirabe I, • 2 Antsirabe II, • 1 Mandoto, • 4 Ambositra, • 1 Antsohihy, • 6 Sambava, • 16 Antsiranana I, • 2 Antsiranana II, • 2 Ambilobe
    FITILIANA : Tests PCR (676), Tests GeneXpert (66)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 48 (-3)
     #Aina_nafoy: 02

Du même auteur

sport
politique

Dans la même rubrique

dossier
dossier