logo
Lakroan'i Madagasikara
Lomano

Fanatanjahan-tenan’ny mpianatra ao Ranomafana Ifanadiana

Cousin Dox il y a 1 année

Malaza amin’ny fananana ny « rano mafana » tahaka ireo faritra hafa eto Madagasikara ny kaominina ambanivohitra Ranomafana, distrikan’Ifanadiana. Mahasarika ny mpitsangatsangana miala voly sy ireo mpizahatany vazaha sy malagasy, eny hatramin’ny mitsabo tena aza. Fa ireo mpianatra ihany koa dia misitraka azy ity. Fifampizarana.

Fanatanjahan-tenan’ny mpianatra ao Ranomafana Ifanadiana

Klioba tokana hany mijoro amin’ny taranja lomano ao amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany ny “Natation Club Ranomafana”. Nisy ihany mantsy tany Mananjary, Manakara taloha fa matimaty izany taty aoriana. Tokana araka izany koa ny ligy any an-toerana izay tantanin-dRamatoa Ialifara. Niorina tamin’ny 3 avrily 2019 ny klioba. Antom-pijoroany ny hampivelarana ny taranja lomano amin’ny fanabeazana sy fampianarana. Nambaran’i Armel Delysse, mpampianatra lomano sady mpitsabo ao amin’ny ranomafana fa « taranjam-panatanjahan-tena tsy dia mbola misandrahaka sy tsy ironan’ny olona loatra ny lomano satria izy ity dia mila fotodrafitrasa manokana, ny fitaovana ilaina aminy toy ny solomaso: lafo vidy. Ary maro ireo ankizy ao an-toerana no tia lomano fa tsy misy tekinika.» Ankehitriny, 29 ny mpikambana mandrafitra ny fikambanana raha 8 monja tamin’ny herintaona nanokafana azy ka ny ankizivavy no tena betsaka. Taizaina miaraka amin’ny fitsipika tahaka ireo fikambanana anabeazana ankizy ireny izy ireo amin’izany. Ora roa sy sasany isaky ny alarobia tolakandro sy sabotsy no ianarana fa afaka manao fanazaran-tena koa amin’ny andro hafa mampalalaka azy ireo. Tombony ho an’ny ao Ranomafana ny fananana io dobo filomanosana io satria afaka manao fanazaran-tena hatrany ny mpianatra amin’ny volan-dririnina iny (volana jona izay fikatonan’ny dobo filomanosana amin’ny faritra hafa toa an’Antsirabe sy ny renivohi-paritra hafa manerana an’i Madagasikara). Nanana solotena telo tafiakatra handray anjara tamin’ny fifaninam-pirenena (petit bassin de 25 m) natao tamin’ny 28 febroary hatramin’ny 1 marsa teo tany Mahajanga ny fikambanana taorian’ireo fifanitsanana natao taty amin’ny faritra tamin’ny volana jona sy okitobra lasa iny. Ireto avy izy ireo : Herivola Armélie (13 taona), Rajaonarison Arouka (12 taona) ary Rajaonarison Kennedy Zidane (8 taona), izy no zandriny indrindra. Mpianatry ny Lycée Fo Masin’i Jesoa ao Ranomafana avokoa izy telo mianadahy ireo izay hany manana ny « licence » ahafahana mandray anjara amin’ny fifaninanana toy izany. Tsara amin’ny ankapobeny ny vokatra azon’izy ireo satria nihoaran’izy ireo ny « temps d’engagement » takina amin’ny fifanitsanana isam-paritra ary sangany aty amin’ny tapany atsimon’i Madagasikara kanefa klioba zandriny indrindra nandray anjara. Mbola andrasana ny filaharana avy any amin’ny foibe nasionaly. Tombontsoa maro no azo avy amin’ny lomano toy ny fanalana sorisorin-tsaina (stress), fa indrindra indrindra : mamolavola ankizy manan-talenta sy mivelatra amin’ny maha olona sy ny talentany izy ity. Maro amin’ireo olona manana andraikitra ambony eto amin’ny firenena ohatra no sangany tamin’ny taranjam-panatanjahan-tena lomano ity.

 

Fanamby

            Amin’ny maha klioba zandriny ity ao Ranomafana ity dia maro ny ezaka tsy maintsy tratrarina. Fa araka ny nambaran’ny mpanabe lomano ao an-toerana dia mangataka ny federasiôna izy ireo mba hanome fiofanana ireo mpanazatra sy ny mpilomano mandritry ny vanim-potoanan’ny ririnina. Olana mantsy dia mangovitra ireo mpilomano avy ao an-toerana rehefa manao fifanitsanana amin’ny toeran-kafa amin’ny fotoana toy izany na dia ampy traikefa. Irina araka izany ny hisian’ny dobo filomanosana ampiasana rano mangatsiaka raha tiana handroso io taranjam-panatanjahan-tena iray io. Vinan’ny ligy ankehitriny ny hanangana sekoly fianarana lomano mifanindran-dàlana amin’ny fisian’io fikambanana io. Mba hampivelarana ity taranja ity ihany koa dia manentana ny sekoly rehetra ao an-toerana ny mpiandraikitra ny klioba hiara-miasa na hampiraika ny taranjam-panatanjahan-tena amin’ny taranja lomano koa. Marihina fa amin’ny fialan-tsasatry ny Paka io ny fifaninanam-pirenena « grand bassin ou bassin de 50 m ».

                                                                                                                            Cousin Dox.      


Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 10 Apr. 2021 - 05:29-

    ‘‘Antso vonjy ny an’ny vahoaka, miantso ny fanjakana hoe « aiza e… vonjeo e… avela ho ringana ve ny vahoaka ?’’ hoy ny fanombohan’ny Matoan-dahatsoratra ao amin’ny Lakroan’i Madagasikara efa hita teny amin’ny mpivarotra nanomboka ny alakamisy 8 avrily teo… Fa hoy izy mamarana ‘‘Izao no mila jerena…’’ Raha manjifa ny Lakroa ianao dia hahafantatra ny famoaboasana ihany koa ary ahita ny famaranana… Miarova tena, arovy ny akaiky anao. Md Roch…

  • 27 Jan. 2021 - 12:11-

    Fanambaran’ny FFKM. Namoaka fanambarana ny Filoham-piangonana efatra ato anatin'ny FFKM, Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, ny alahady 24 janoary ao anatin’ny Herinandro fiaraha-mivavaka ho an’ny Firaisan’ny Kristianina manerana  ny tany sy eto Madagasikara (18-25 janoary). Vakio ato izany https://www.lakroa.mg/item-2548_articles_politique_18-aoka-ny-rariny-hikoriana.html

  • 25 Jan. 2021 - 08:42-

    Televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Notokanana ny 23 janoary 201 teo tao Toamasina ny televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Ny RTCM na Radio Télévision Catholique Masova no televiziona katolika voalohany eto Madagasikara ary ny diosezin’i Toamasina no nanangana azy io. Miarahaba azy ny www.lakroa.mg ary mirary soa hahavita ny anjara andraikiny amin’ny fampitana ny feon’ny marina sy ny rariny. Ny RTCM dia raisina eo amin’ny ontsam-peo sy sary UHF 42 ao Toamasina. Sary vitsivitsy: https://www.lakroa.mg/item-2545_articles_newtech_18-notokanana-ny-televiziona-katolika-voalohany-eto...

  • 23 Jan. 2021 - 04:30-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021. Toy izao raha fintinana ireo antontan’isa voaray haatramin'ny 22 janoary mahasika ny vokatry ny fandalovan’ny rivodoza ELOISE teto anivon’ny BNGRC (mahakasika ny olona)
    Maty
     : Olona 1 no lavo tamin’ny fandalovan’i ELOISE.
    Traboina
    3 601 ireo traboina.
    Nafindra toerana
    : Nitombo 470 ireo nafindra toerana vonjy maika izay mitotaly 835 izy raha atambatra amin’ny efa voaagona hatramin’izay.

  • 23 Jan. 2021 - 04:28-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021.Raha ny mahakasika ireo foto-drafitr’asa sy trano fonenana dia:
    Miisa 156 ireo trano fonenana dibo-drano raha 645 ireo voakasika sy nahitam-pahasimbana.
    Miisa 193 kosa ireo trano fonenana rava tanteraka.
    142 trano fianarana voakasika sy nahitam-pahasimbana raha roa
    12 kosa ny trano fianarana rava tanteraka.

  • 23 Jan. 2021 - 04:26-

    Birao maharitra Antenimierandoholona. Tontosa ny zoma 22 janoary 2021 ny fifidianana ireo mpikambana mandrafitra ny Birao Maharitra eto anivon’ny Antenimierandoholona. Ka, voafidy ho :
    Filoha Lefitra ho an’ny faritany Avaratra : Loholon’i Madagasikara Imbiki Herilaza ;  
    Filoha lefitra ho an’ny faritany Atsimo : Loholon’i Madagasikara Rabemananjara Jean Paul Nicolas,
    Kestiora : Loholon’i Madagasikara Fernand Eddie Serge,
    Mpampakateny Jeneraly : Loholon’i Madagasikara Rasolondratsimba Raymond.
    Ny Filoha Razafimahefa Herimanana dia efa voafidy ny 19 janoary.

  • 07 Jan. 2021 - 07:36-

    Bonne année 2021. Toute l'équipe, rédaction et technique, de www.lakroa.mg se joint ici pour vous souhaiter, à vous lecteurs et sources, une bonne et heureuse année 2021. Que cette nouvelle année 2021 vous apporte, le bonheur, la joie et la prospérité et l’amour du prochain et du Pays. Notre unique résolution pour l’année 2021 est de réussir à vous apporter la nouvelle vraie avec des analyses lucides hors des sentiers battus. Et soyons solidaires pour notre Patrie et nos concitoyens. https://www.facebook.com/100002397970826/videos/3535584526531445/

  • 26 Dec. 2020 - 10:22-

    Que la magie de Noêl impacte sur votre vie 

    et voici des Suggestions de cadeaux de Noël:

    Pour l’ennemi, le pardon.
    Pour l’adversaire, la tolérance.
    Pour l’ami, votre cœur.
    Pour un client, du service.
    Pour tous, la charité.
    Pour chaque enfant, le bon exemple.
    Pour vous, le respect et

    Pour le Monde entier : l’Amour du Christ par la croix

    Et notre cadeau notre fidélité envers vous sur www.lakroa.mg

  • 07 Dec. 2020 - 07:23-

    Lahatsoratra mety hahaliana anao... Resaka tany

    https://www.lakroa.mg/item-2486_articles_economie_18-a-a-madagascar-comme-partout-sur-le-continent-les-alites-africaines-accaparent-les-terres-fertiles-a.html 

  • 25 Nov. 2020 - 12:28-

    l'économie bleue de l'AMDP a été engloutie par la vague orange. Et voilà que le dossier resurgit sous une autre forme avec d'autres acteurs mais toujours économie bleue (orangée).
    https://www.lakroa.mg/item-2465_articles_economie_18-petite-pache-en-paril-madagascar-signe-des-accords-de-pache-destructeurs-avec-des-investisseurs-chinois.html

  • 18 Oct. 2020 - 04:51-

    Arrêt n°10-HCC/AR du 16 octobre 2020 relative à une demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena. La demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena, est déclarée recevable. Article 3.-La demande du KMF-CNOE Fanabeazana Olompirenana est rejetée comme mal fondée en vertu des considérants 16 à 27. 

  • 18 Oct. 2020 - 04:50-

    Décision n°17-HCC/D3 du 16 octobre 2020 portant sur des requêtes aux fins d’inconstitutionnalité du décret n°2020-1110 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du 11 décembre 2020. Selon l’article 1, les requêtes sont déclarées recevables mais rejetées comme non fondées sur la base des considérants 17 à 25, 27 et 28 (article 3).

  • 17 Oct. 2020 - 05:06-

    Lu pour vous: Une usine clés en main normande expédiée à Madagascar contre la faim.  https://www.lakroa.mg/item-2413_articles_monde_18-une-usine-clas-en-main-normande-expadiae-a-madagascar-contre-la-faim.html

  • 13 Oct. 2020 - 04:49-

    62 taona ny Repoblika Malagasy. Hetsika maro no fantatra fa ho karakaraina hanamarihana ny faha 62 taona ny nanambarana ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy voalohany. Iray amin’ireny ny karakarain’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina. Ny 14 oktobra dia hisy ny fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny FJKM Atsimon’i  Mahamasina ny maraina amin’ny 9 ora sy sasany ary fikaonan-doha atao ao amin’ny Le pave Antaninarenina kosa ny tapany hariva. Asaina ny rehetra ka ny lohahevitra amin’izany ny hoe « maro tohanan’ny maro »

  • 12 Oct. 2020 - 05:08-

    Lu pour vous. Le Conseil des Ministres du 7 octobre a pris la décision que l’Etat va effectuer des travaux de relevés sismiques marins pour déterminer la ZEE. Et on apprend sur Africa Intelligence que. Il faut rappeller aussi que durant la présidence de Rajaonarimampianina un programme a été lancé en 2017. Quel sous-marin derrière tout cela ? Lu pour vous ne fait que transmettre l’article de Africa Intelligence. https://www.lakroa.mg/item-2404_articles_monde_18-culmen-international-intronisa-conseiller-stratagique-de-la-marine-malgache.html

  • 09 Oct. 2020 - 17:44-

    Marine malgache a un conseiller stratégique. Culmen International pressenti est intronisé conseiller stratégique de la marine malgache Comme l'avait anticipé Africa Intelligence (09/09/20), Culmen International a remporté le 28 septembre le marché de mise à disposition d'un conseiller stratégique pour la marine malgache. Ce contrat est financé par le Département d'Etat américain à hauteur d'un million de dollars. Culmen s'est imposé face à un autre contractor de défense américain, Sincerus Global Solutions, qui a absorbé en juillet la branche internationale du géant Science Applications International Corp (SAIC).

  • 01 Oct. 2020 - 09:23-

    Le mois d’octobre est consacré au  Saint Rosaire. La prière du rosaire se décline en 4 «groupes» de mystères : joyeux, lumineux, douloureux, glorieux. Chacun de ces «groupes» (ou méditations) se décline en 5 mystères. La prière du rosaire, au complet, comprend donc 20 mystères au total. Prier le chapelet, c’est par conséquent, quotidiennement, prier 5 mystères par jour.

  • 30 Sep. 2020 - 07:34-

    #COVID19
    Atontanisa momba ny Covid-19 ny 29 septambra 2020. Sitrana 192 vaovao.  
    Lavo 229 (+ 0).  
    Marary mafy 16 (– 1).
    FITILIANA : Tests PCR (297), Tests GeneXpert (53)
    Marary 29 vaovao : 1 Cas importé, 2 Analamanga,  Sainte Marie, 4 Ambatondrazaka, 2 Amparafaravola, 3 Matsiatra Ambony, 1 Atsimo Andrefana, 1 Menabe, 4 Antsohihy, 1 Bealanana, 5 Sava, 4 Diana

  • 21 Sep. 2020 - 07:15-

    Mikasika ny toeram-pivavahana: Toy izao indray ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo:
    - Misokatra ireo fiangonana sy mosquée rehetra manerana ny Nosy saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    - Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra
    - Manao aro vava orona ny rehetra
    - Raisina ny mari- pana eo am-pidirana
    - Mampiasa gel désinfection
    - Fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina
    - Tsy azo atao ny fifandraisan-tanana mandritra ny fotoam-pivavahana.

    Jereo ny fepetra manontolo :

    https://www.lakroa.mg/item-2386_articles_societe_18-ireo-fepetra-arahina-mandritra-ny-15-andro-nanomboka-ny-19-septambra-teo.html

  • 11 Sep. 2020 - 07:15-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 10 Septambra 2020
    #Sitrana: 52
    #Tranga_vaovao:104
    • 53 Analamanga, • 17 Antsirabe I, • 2 Antsirabe II, • 1 Mandoto, • 4 Ambositra, • 1 Antsohihy, • 6 Sambava, • 16 Antsiranana I, • 2 Antsiranana II, • 2 Ambilobe
    FITILIANA : Tests PCR (676), Tests GeneXpert (66)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 48 (-3)
     #Aina_nafoy: 02

Du même auteur

economie
newtech

Dans la même rubrique

education
education