logo
Lakroan'i Madagasikara
Henoy ange

Taratasin’i Bida mpivaro-mangidy hanamamy ny fiainanao

Natolo zafiny il y a 2 années

Iray amin’ireo olona mifanerasera aminao andavanandro eny i Bida sy ireo mpivaro-mangidy mitovy aminy. Henoy anie ny torapon’i Bida e. Mpivaro-mangidy te hanala ny fahasahirananao sy ny mpitondra fanjakana hiady amin’ny kovadisy izy.

Bida no anarako, ny raibenay no nitondra anay niakatra an’Iarivo talohakelin’ilay sahotaka nisian’ny faty olona sy hain-trano iny. Mety tany ho any amin’ny taona 2009 tany izy izay fa tsaroako fotsiny hoe nandeha be ny tsena mangidin’i dadabe satria niverina in-telo na in’efatra izy isan’andro mameno siny, izany hoe mety nahatratra 100 litatra mihitsy izany no lafo. Raha ny filazany dia sivy taona aho tamin’izay fotoana izay. Tsy nandia fianarana aho na niditra lakilasy izany fa dia vitan’ny niandry omby sy nanondraka anana no asako tany ambanivohitra. Izay indrindra no antony nitondran’i dadabe aho niakatra fa sady hanampy azy no hiavo-tena ihany koa. Hiakatra an’Iarivo izany tamiko dia nofinofy tokoa satria tambanivohi-dahy no hianatra hiampita arabe eo Analakely. Hendratrendratra ihany aho tamin’i dadabe nitsena ahy teny amin’ny “Fasan’ny karana” toerana fiantsonan’ny fiarakodia. Vao tonga teo aho dia nanontany azy hoe “aiza ilay fasan’ny karana fa toa tsisy fasana mihitsy tazana ety ho ety ?” Dia namaly dadabe hoe karazana karana dorana no entina aty dia misy toerana natokana ho an’izany. Akory ny hagagako raha natorony ahy ilay toerana fandorana ireo karana maty fa hay toerana mahafinaritra, tsy hita soritra hoe feno molaly toy ny tao an-tranonay izay sady fandrahoana sakafo no fandrahoana hanin-kisoa. Hoy aho tany an’eritreritro tany hoe karana mihaja zany angamba tsy manetroka rehefa maty fa dia levona ho azy.

Roa taona izay no maty dadabenay, izany hoe feno 18 taona aho tamin’izay, soa ihany fa vitan’i dadabe ny nanao ny karapanondroko fa raha tsy izany dia asa izay natao. Voatery nandimby tsy satry ny fivarota-mangidy aho satria izay rahateo no efa notezain’ny dadabe sady nanampiako azy. Dia akory atao, hoy ilay fitenin’i dadabe izay fa dia efa ity varo-mangidy ity no fivelomany dia hitako fa nahavelona azy tokoa dia hiezahako io. Fony dadabe mbola nanao an’io asa fivarota-mangidy io, izay raha ny filazany dia efa tamin’izany andron-dRatsiraka izany izy no nivarotra mangidy, izany hoe efa 30 taona mahery dia nahavelona azy ny asany. Nisy radio sy televiziona kely tao an-trano, nanana efitra manokana fandrahoana mangidy izy, nisy vata kely izay koa fasiany ny akanjony sy izay mombamomba azy, nisy sobika iray izay koa fametrahany ny vary izay matetika vary avy any ambanivohitra foana. Tokantrano tsotra toa izay no nolovaiko tamin’i dadabe teny Andravoahangy teny. Mpangarom-paosy sy ny mpanao sinto-mahery no mpandalo matetika eo anoloan’ny tranoko, izay arahina polisy matetika. Nisy fotoana aho natahotra sy nivarahontsana mihitsy rehefa sendra azy ireny mihazakazaka enjehin’ny polisy, saingy zatra ihany rehefa ela ny ela.

Rehefa miasa aho dia matetika mahavita 10 na 15 kilometatra isan’andro mitondra siny misy mangidy. Voatetiko daholo hatreny Anosy, Mahamasina, Analakely, fa indraindray aho tonga hatreny Ambohimanarina sy Analamahitsy sy Besarety. Haiko daholo ny anaran-tanàna eto Iarivo, sady efa nisy natoron’i dadabe koa fony fahavelony. Rehefa misy fety eo Mahamasina, na eny Antsonjombe, na koa eny Anosibe dia mandeha be ny varotra, mahalany 60 litatra aho indraindray satria siny roa no entiko miampy tavoahangy telo na efatra. Amin’ny fotoan’ny ririnina dia mandeha kely ihany fa tsy dia mahalafo mihoatra ny 30 litatra aho. Matetika dia 3500 na 5000 ariary eo no vola matiko indray andro rehefa mandeha tsara ny varotra, misy fotoana anefa zara raha mahazo 2000 ariary ihany koa. Io ilay tenenin’i dadabe hoe l“akalaka ry ilay kely ity ny varotra !” Fa efa antom-pivelomana ny varotra mangidy dia tsy maintsy atrehina.

Noho ity asa mandehandeha ity dia lasa nanana namana maro aho, ary lehilahy no ankamaroany, misy amin’izy ireo mpivarotra kafe mandehandeha toa ahy, misy mpivarotra eny Analakely sy Andravoahangy, misy sôferan’ny taxibe, fa misy ihany koa mpiasa birao, ireny mpitaky haban-tsena ireny, na koa ireny mpiasan’ny hôpitaly eny Isotry ireny. Rehefa mandalo eny aho na tsy miantso aza izy ireo dia manatona avy hatrany aho, misy tsy manome ilay arizato (100 ariary) eo no ho eo fa atambany dia amin’ny fandalovako manaraka aho no omeny. Nifankahalala izahay noho ny mangidy ! Misy aza ny sasany miantso ahy mihitsy hoe mangidy ! Tamin’ny voalohany sorena ihany aho nantsoin’ny olona hoe mangidy, fa tsy nampaninona ahy izany taty aoriana satria hay moa dadabe koa nantsoin’ireo olona ireo hoe mangidy nandritra ny taona maro.

Tojon’ny tsy nampoizina aho ankehitriny noho ity aretina malaza be eran-tany ity dia ilay antsoin’ny olona hoe kovadisy (coronavirus) ity. Miteny isan’andro amin’ny radio ny Filoha Rajoelina mampahafantatra ny zava-misy sy ny isan’ireo voan’io aretina io. Rehefa mba sendra manam-potoana mijery vaovao amin’ny televiziona aho dia akory ny hatairako mahita ireo olona an-jatony maro miara-maty vokatry ny kovadisy. Tamin’ny voalohany dia hoy aho hoe aretim-bazaha io fa tsy mahavoa ny malagasy, indrindra fa ny malagasy mahantra sy farahidiny toa ahy. Miezaka mody any an-trano manenjika ilay fanambarana ataon’ny Filoha aho rehefa amin’ny 8 ora alina iny, mientanentana ny foko maheno fa mitombo tsy miato ny isan’ireo voan’ny kovadisy. Dia hoy ny saiko kely tsy mahalala na inona na inona ity hoe, dia ho sanatria ho an-jatony no ho faty isan’andro eto Andravoahangy ve ? Fa hatramin’izao anefa dia tsy mbola naheno aho hoe nisy maty ireo voan’ny aretina. Mahay, hoy aho ny dokotera malagasy e ! Tsy misy dikany amin’ireo dokotera malagasy izay kovadisy, fa sady mankahery tena ihany aho ! Ny tahotra anefa efa mby an-koditra.

Fa lasa ny saiko sy ny eritreritro omaly ary tsy nikipy mihitsy ny masoko ny alina ! Sao mba afaka hitondra izay anjara birikiko aho amin’ny fiarovana ireto malagasy toa ahy amin’ny alalan’ity mangidy amidiko ity ! Ny dokotera aloha raha fantany izany tonga dia ampisamboriny polisy aho, natahotra indray aho teo, nefa hoy ny tao an-tsaiko hoe tsy maminona izany fa hanao fikarohana foana aho, na ho fiarovana ho ahy aloha no ataoko.

Ravintsara, vonenina ary asiako fanazava sy fakantsilo no fampiasako hatramin’izay, io no hafatr’i dadabe hoe aza ovaina mihitsy ireo fangaro ireo, na raha hanampy ise, hoy izy, dia asio fanazava kely fotsiny. Tonga tao an-tsaiko koa fa izay olona mpisotro mangidy tamiko dia nilaza fa nahasalama azy ireo ny mangidy entiko. Misy mihitsy aza nanome ahy vola 5 arivo ariary indray andro izay fa sitrana hoe izany diabeta taminy izany, nisy koa nilaza fa afaka ny farasisa taminy, sy ny maro tsy voatanisa. Dia inona no fangaro hataoko hiarovako ny tenako amin’io kovadisy io. Ny mangidy mantsy raha tsy mangidy ny tsirony dia tsy izy izay, izaho anefa tehanafangaro tambavy izay mety tsy ho lasa mangidy mihitsy. Vaky teo ny lohako, sahiran-tsaina aho, ny tahotry ny ho voan’ny kovadisy eo koa, ny asa fivelomana etsy an-daniny toa nihena ny fidiram-bola satria zara raha mahazo 2500 ariary isan’andro satria tsisy olona eny an-dàlana moa matahotra ny mpividy mangidy. Ireo namana mahafantatra sisa no mividy amiko sy ireo nahita soa tamin’ny mangidy. Na te hanafatra tambavy aza tsisy fiara midina mankany ambanivohitra, misy izay ravin-kazo atao hoe nimo (neem) izay anefa mety hanasitrana na hiarovan-tena tsara, any Toliara no betsaka azy io, sady mbola any ny anabavin’i dadabe. Ahoana re no hataoko e, hoy Bida mitan-takolaka toa miteny irery.

Tapidalan-kaleha letsy ialahy ry Bida, hoy izy miteny irery, fa tohizako foana ny asako, hoy indray izy avy eo, asiako katrafay ny aron’ny tambavy andrahoiko, hoy izy fa ny katrafay mantsy mampahatanjaka sy manampy ny hery fiarovana. Dia raikitra tokoa fa nasiany katrafay ny mangidy amidiny.

Te hanafatra fotsiny aho, hoy i Bida, mba ilazao ireo dokotera fa tsy fidiny ho ahy no ho mpivaro-mangidy fa asa nolovaina tamin’i dadabe io, nefa koa nahasitrana olona maro sy aretina maro. Tsy mila fanampiana avy amin’ny mpitondra aho fa ny zavatra angatahiko, hoy izy nanamafy, aza rarana ny olona hisotro mangidy.

04/04/2020

Ntaolo Zafiny


Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 31 Aug. 2021 - 09:26-

    Fahatezeran’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina teo Ivato. Tafaverina ny alatsinainy 30 aogositra teo ny filoha Rajoelina rehefa namita iraka ekonomika sy diplomatika tany Frantsa. Niara-dia tamin’ny mpilalao Barea sasay ny tenany. Nanao vaan-dresaka fohy tamin’ny mpanao gazety ny tenany teo ampahatongavana teo Ivato. Naneho ny hatezerany tamin’ny mpikambana ny FMF ny tenany (Federasiona Malagasy Football) izay nambarany fa nisakana ny fahafahan’ny mpijery manatrika ny alalan’ny Barea ny 2 spetambra. Hahita izay nanao sonia iny taratasy iy hoy izy.

  • 31 Aug. 2021 - 09:26-

    Fitokanana ny Kianja Barea Mahamasina. Nambaran’ny filoha nandritra ny tafa fohy ntaony  ho an’ny mpanao gazety teny Ivato fa ho tanterahina ny 4 septambra izao ny fitokanana ny Kianja Barea izay nokasaina natao ny 2 septambra. Ity kianja monisipaly ity dia nohavaozina nanomboka tamin’ny fiandohan’ny taona 2020, mitentina 77 tapitrisa dolara avy amin’ny volam-panjakana madiodio, araka ny nambara tamin’izany fotoana.

  • 31 Aug. 2021 - 09:25-

    Famindram-pitantanana teo amin’ny Praiminisitra sy ny minisitry ny harena ankibonan’ny tany teo aloha. Notontosaina tamin’ny 23 aogositra 2021 ny famindram-pitantanana teo amin’ny Praiminisitra Ntsay Christian sy ny minisitry ny harena an-kibon’ny tany teo aloha Ravokatra Fidiniavo. Ny Praiminisitra izany no mitantana ity minisitera ity taorian’ny fametram-pialan’ny minisitra Brice Randrianasolo telo andro taorian’ny nanendrena azy tamin’ny 15 aogositra 2021.

  • 31 Aug. 2021 - 09:25-

    Fahazoan’ny mpitsara bakalorea any Antsiranana vola tamin’ny faritra sy kaominina. Nanolotra vola ho an’ireo mpitsara fanadinana bakalorea izay nanao fitokonana ny governoran’ny Faritra Diana sy ny ben’ny tanànan’ny kaominina ambonivohitra Antsiranana tamin’ny 23 aogositra 2021. Mitentina 34 tapitrisa Ariary ny avy avy amin’ny governora ary 16 tapitrisa Ariary ny avy amin'ny ben’ny tanàna. Nilaza ny tsy hitsara manko ireo mpitsara raha tsy voaloa ny tambim-pitsaran’izy ireo teo aloha. Ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika anefa dia efa nilaza, araka ny fampahafantarana nataony tamin’ny 17 aogositra fa efa nalefa any amin’ny oniversite isanisany ny vola tambin-karaman’ireo mpitsara ny fanadinana bakalorea 2020.

  • 31 Aug. 2021 - 09:25-

    Fivoaran’ny ‘covid-19’ sy ny hamehana ara-pahasalamana. Tsikaritra ho vitsy ny tranga vaovao amin’ny ‘covid-19’ raha mitaha amin’ny fitiliana atao tamin’iny herinandro iny, fa misy ihany ny tranga ahitam-pahasarotana. 3/351, 5/578, 3/845 ohatra ny tranga vaovao tamin’ny fitiliana natao tamin’ny 26, 27, ary 28 aogositra. Ny 23 marsa 2020 ka hatramin’ny 27 aogositra 2021, miisa 241 052 no fitambaran’ny fitiliana natao, miisa 955 ireo lavo, miisa 42 862 ireo tranga ka ny 42 566 no sitrana araka ny antotanisa ofisialy avy amin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. Mbola ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana i Madagasikara raha ny didim-panjakana navoaka tamin’ny 22 aogositra 2021, ary mipetraka ireo fepetra sakana samihafa.

  • 31 Aug. 2021 - 09:24-

    Filaharana haka tapakila hidirana ao Mahamasina. Ho tokanana amin’ny 2 septambra, andro hanatanterahana ny lalao hifanandrinan’i Barea Madagasikara sy ny ekipan’i Bénin amin’ny fifanintsanana hiadiana ny amboara eran-tany 2022 ny kianja Barea ao Mahamasina, araka ny fandaminana avy amin’ny prezidansa nampitaina tamin’ny fiandohan’ny herinandro lasa teo. Filaharana lava hatramin’ny vao maraina no hita ny alakamisy 26 sy zoma 27 aogositra mba haka ny tapakila hidirana ao Mahamasina, hijery baolina sady hanatrika ny fitokanana ny kianja.

  • 31 Aug. 2021 - 09:24-

    Fandavan’ny CAF ny hanatrehan’ny mpijery ny lalao ao Mahamasina. Nolavin’ny CAF (Confédération africaine de football) ny fangatahan’ny sekretera jeneralin’ny FMF (Fédération malagasy de football) ny hahafahan’ny mpijery miisa 1500 hanatrika ny lalao baolina kitra hatao ao Mahamasina amin’ny alakamisy 2 septambra 2021, ao anatin’ny fifanintsanana hiadiana ny amboara eran-tany 2022 hatao any Qatar. Araka ny fampatsiahivan’ny CAF ao amin’ny valim-pangatahan’ny FMF tamin’ny 27 aogositra, dia araka ny lamina napetraky ny CAF sy ny FIFA ny tsy hanatrehan’ny mpijery ny lalao noho ny valanaretina ‘covid-19’.

  • 31 Aug. 2021 - 09:23-

    Hetsiky ny RMDM Frantsa sy fisamborana/ famotsorana an’i Fanirisoa Ernaivo. Nandritra ny dian’ny filoham-pirenena malagasy tany Paris no nisian’ny hetsiky ny rodoben’ny mpanohitra RMDM Frantsa tarihin’i Fanirisoa Ernaivo izay mitsikera hatrany ny fitantanan’ny filoha Rajoelina sy mitaky ny fialany. Nandritra ny fihaonana tamin’ny Medef ny 25 aogositra, dia nisy ny fisamboran’ny polisy frantsay ity mpitarika ny RMDM Frantsa ity noho ny vaovao nampitaina tamin’izy ireo fa hoe mitondra fitaovam-piadiana izy saingy navotsotra ihany satria tsy nahitana izany tany aminy. Nambara ihany koa ny fisian’ny ‘mandat d’arrêt international’ hisambotra azy saingy tsy azo notanterahina izany raha ny nambaran’ny nokasaina hosamborina satria mpialokaloka politika no maha any azy. Voalaza fa ‘mandat d’arrêt’ nosoniavin’ny minisitry ny raharaham-bahiny Patrick Rajoelina tamin’ny 16 aogositra izany. Ny minisitry ny fitsarana ankehitriny Imbiky Herilaza dia nanamafy fa didim-pitsarana efa nivoaka ny fisamborana azy, nilaza izy fa hifampiraharaha amin’ny fanjakana frantsay ny fanjakana malagasy ny hisamborana sy hampodiana an’i Fanirisoa Ernaivo aty Madagasikara.

  • 31 Aug. 2021 - 09:23-

    Vidin-javatra midangana sy ny minisitera. Nametraka ny tokony ho saran’ny entana sasantsasany ilaina andavanandro ato anatin’ny enim-bolana ny minisitry ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana Edgard Razafindravahy. Tamin’ny 26 aogositra teo no nitondrany ny fanazavana momba izany. Anisan’izany ny menaka fihinana « huile de palme » izay tsy tokony hihoatra ny 6000 Ariary ny litatra, ny menaka soja ‘en vrac’ tsy tokony hihoatra ny 7000 Ariary ary ny anaty tavoahangy mihidy tsy hihoatra ny 7500 Ariary, ny vary tsy tokony hihoatra ny 2300 Ariary ny kilao, ny siramamy tsy tokony hihoatra ny 2600 Ariary ny kilao, torak’izany koa ny lafarinina tsy tokony hihoatra ny 2600 Ariary ny kilao, ny arina fandrehitra tsy tokony hihoatra ny 23 000 Ariary ny gony. Mbola lavitry ny vidiny teo aloha izay efa tsy zakan’ny ankamaroan’ny olona ireo raha ny fanehoan-kevitry ny olona satria tany amin’ny 5000 Ariary ny litatry ny menaka taon-dasa. Ny filoha malagasy moa dia nanome andro telo hamahana ny olan’ity fidangan’ny vidin’entana ilaina andavanandro ity tamin’ny kabariny saingy tsy tafa izany raha ny zava-misy.

  • 31 Aug. 2021 - 09:23-

    Praiminisitra nanao vakisiny. Nanao vaksiny fanefitry ny ‘covid-19’ ny praiminisitra Ntsay Christian tamin’ny alakamisy 26 aogositra teo. Tao amin’ny hopitaly Befelatanana no nanaovana vaksiny azy tamin’ilay atao hoe ‘Johnson & Johnson’, tsindrona indray mandeha. Nilaza ho fitaratra ho an’ny vahoaka ny praiminisitra tamin’ny nanaovana izany vaksiny izany.

  • 31 Aug. 2021 - 09:22-

    Filoham-pirenena malagasy sy ny Medef ary ny fihaonana tamin’ny filoha frantsay. Nanomboka tamin’ny talata 24 aogositra 2021 tany Paris ny fihaonan’ny vondron’ny mpandraharaha frankofonina ao amin’ny Medef nandraisan’ny delegasiona malagasy anjara notarihan’ny filoham-pirenena malagasy Andry Rajoelina. Taorian’izany fihaonana izany ihany koa no nisian’ny fihaonan’ny delegasiona notarihin’ny filoha tamin’ireo malagasy sasany any ivelany, maherin’ny 1000 tao amin’ny ambasady malagasy. Nisoratra anarana mialoha ireo nanatrika izany. Tombanana ho eo amin’ny 140 000 eo ho eo ireo malagasy any Frantsa raha ny antotanisa fantatra. Ny 27 aogositra dia nihaona manokana tamin’ny filoha frantsay Emmanuel Macron ny filoha malagasy, fa nialoha izany nisy ny kabary fohy nifandimbiasan’izy ireo, niresahana ny fiaraha-miasan’ny roa tonta. Miely amin’ny fampitam-baovao samihafa sy tambajotra sosialy ny fizotran’ireny fihaonana ireny.

  • 23 Aug. 2021 - 10:48-

    Fanamasinana diakra sy pretra redantorista. (Fiainam-pinoana katolika). Mitohy hatrany ny fanamasinana pretra sy diakra manerana ny diosezy samihafa eto amin’ny Nosy, eo anivon’ny Fiangonana katolika. Taratry ny fahaveloman’ny finoana sy firoborobon’ny fiantsoan’Andriamanitra izany. Anisan’ny tamin’ny faran’ny herinandro teo ny tao amin’ny diosezin’Antananarivo, tao Andempona Alasora ny alahady 22 aogositra, notarihan’ny arseveka Odon Razanakolona sy Mgr Rosario Saro. Nanaovana fanamasinana diakra sy pretra redantorista miisa 16 mirahalahy. Mahatratra 30 ny fanamasinana manerana ny diosezy eto amintsika raha ny nambaran’ny arseveka. Misy ny efa vita tamin’iny volana jolay iny toy ny an’ny lasalety tany Antsirabe, ny an’ny zezoita tao Antananarivo, fa mbola ho avy koa ny an’ny hafa.

  • 23 Aug. 2021 - 10:47-

    Filoha mitantana ny FJKM. Voafidy indray ho filohan'ny birao foibe FJKM ny mpitandrina Dr Irako Andriamahazosoa Ammi. Efa-taona no haharetan’ny maha filoha azy. Nandritra ny sinoda lehibe faha-19 natao tao Sambava (11-18 aogositra 2021) no nanatanterahana ny fifidianana ny filoha sy ny mpikambana mandrafitra ny birao foibe.

  • 23 Aug. 2021 - 10:46-

    Olan’ny tambin-karaman’ny mpitsara bakalorea any Antsiranana. Mikatso ny fitsarana ny taratasim-panadinana bakalorea any Antsiranana noho ny fitokonan’ireo mpampianatra mpitsara hatramin’ny nahavitan’ny fanadinana bakalorea tamin’ny 18 aogositra. Mitaky ny handoavana ny tambim-pitsarana tamin’ny 2020 izy ireo vao hiroso amin'izany. Tsy nisy akony ny fitakiana hatramin’ny 20 aogositra teo. Manoloana izany, mametra-panontaniana ny ray amamn-dreny ny alehan’ireny saram-pisoratana anarana ireny. Olana iraisan'ny mpitsara bakalorea  maneran'ny  Nosy izy io.

  • 23 Aug. 2021 - 10:45-

    Fandoavana ny volan’ny mpandraharaha mpanao lalana. Nanipy teny tamin’ny minisitry ny asa vaventy Hatrefindrazana Jerry ny minisitra Hajo Andrianainarivelo mba handreseny lahatra ny filoham-pirenena hanao sonia ny taratasy hahafahana mamoaka ny volan’ireo mpandraharaha amin’ny asa vaventy mbola tsy voaloa. Tamin’ny famindram-pahefana teo amin’izy mirahalahy no nitenenany izany. Efa ho herintaona ireo mpandraharaha ireo no tsy nahazo ny volany na dia efa vita aza ny asa, fa miandry ny tombana ataon’ny mpanara-maso ny tetikasam-panjakana. Nomem-pahefana handray anjara amin’ny fanaraha-maso ny tetikasam-panjakana ny goverinora, araka ny didim-panjakana noraisina tamin’ny filan-kevitry ny minisitra ny 18 aogositra 2021. Olom-boatendry hatramin’izao ny governora izay nasolo ny lehiben’ny faritra tokony ho olom-boafidy, araka ny lalàm-panorenana.

  • 23 Aug. 2021 - 10:44-

    Fanesorana ny tale jeneralin’ny tahirim-bolam-panjakana. Maro ny fanesorana sy fanendrena tompon’andraikitra ambony taorian’ny fiovan’ny mpikambana anivon’ny governemanta tamin’ny alahady 15 aogositra 2021. Anisan’izany ny fanafoanana ny didim-panjakana laharana 2019-2217 tamin'ny 11 desambra 2019 izay nanendry ny tale jeneralin’ny Tahirim-bolam-panjakana (trésor public), Ranjalahy Ihajambolatiana. Noraisina tamin’ny filan-kevitry ny minisitra tamin’ny alarobia 18 aogositra 2021 io didim-panjakana io. Naato ihany koa ny fandoavam-bola ankoatra ny karama mandra-panendry ny tale jeneraly vaovao.

  • 23 Aug. 2021 - 10:43-

    Fanitarana ny fe-potoanan’ny hamehana ara-pahasalamana sy fepetra. Araka ny didim-panjakana 2021-848 tamin’ny 22 aogositra 2021, dia mitohy mandritra ny 15 andro ny hamehana ara-pahasalamana noho ny fiarovana ny fahasalamam-bahoaka sy fisian’ny toe-javatra goavana mampisahotaka ny fiainam-bahoaka. Nanao fampahafantarana momba izany ny ao amin’ny fiadidiana ny repoblika, araka ny hita tamin’ny tambajotra sosialy. Mitohy noho izany ny fanajana ny fepetra sakana mahazatra toy ny tsy famoriana olona amina efitra mihidy mihoatra ny 400 sy ny fitandremam-pahadiovana. Eo ihany koa ny fanaovana vaksiny izay efa niditra tamin’ny fanaovana ny andiany faharoa nanomboka tamin’ny 19 aogositra teo.

  • 22 Aug. 2021 - 10:42-

    Lasa any Frantsa ny filoha Andry Rajoelina. Ny sabotsy 21 aogositra 2021 no lasa any Frantsa ny delegasiona tarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, hihaona amin’ny mpandraharaha frantsay ao anivon’ny MEDEF (Mouvement des entreprises de France). Anisan’ny delegasiona miaraka amin’ny filoha ny minisitry ny raharaham-bahiny Patrick Rajoelina, ny minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Andry Ramaroson, ny minisitry ny fizahantany Joël Randriamandrato ary ny minisitry ny asa tanana sy ny haitao Sophie Ratsiraka. Hihaona amin’ny filoha Macron izy ny 27 aogositra ary amin’ny Dispora ny 28 aogositra.

  • 21 Aug. 2021 - 10:40-

    Fidirana sy fivoahana eto Madagasikara. Tonga ny zomà 20 aogositra teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny andiany voalohany tamin’ireo malagasy tavela tany Frantsa, araka ny fandaharana nataon’ny fitondram-panjakana. Ny sidina an’ny Air Caraibes no mitatitra ireo nahazo fankatoavana hody aty Madagasikara. Miisa 1500 ireo nahazo fankatoavana hody.

  • 20 Aug. 2021 - 10:22-

    Minisitra nametra-pialana. Nametra-pialana tamin’ny alakamisy hariva 19 aogositra ny minisitry ny harena ankibon'ny tany, Brice Randrianasolo. Telo andro izany no naha minisitra azy. Ary ny minisitra teo aloha efa nofoanana tamin’ny didim-panjakana ny maha minisitra azy no nambara fa mitantana indray ny minisitera.

Du même auteur

societe
societe

Dans la même rubrique

chronique
chronique