logo
Lakroan'i Madagasikara
Feon-gazety

Faha 60 taonan’ny fahaleovantena, fitiliana maimaim-poana amin’ny covid-19 sy ny fivoaran’ny isa

Rasoanjanahary il y a 12 mois

Satria manano-sarotra ny fanaparitahana ny gazety Lakroa (Lakroan’i Madagasikara) dia eto amin’ny tranonkala no hamoahana ireo lahatsoratra tokony ho novakianao tao amin’ny laharana mivoaka ny alahady 05 jolay izao, laharana 4188.

Faha 60 taonan’ny fahaleovantena, fitiliana maimaim-poana amin’ny covid-19 sy ny fivoaran’ny isa

Haino aman-jery

Faha 60 taonan’ny fahaleovantena, fitiliana maimaim-poana amin’ny covid-19 sy ny fivoaran’ny isa

Tontosa tamin’ny 26 jona ny fanaovana ny matso tsy natreham-bahoaka nokarakarain’ny fitondram-panjakana notarihin’ny filoha Andry Rajoelina, fa olona avy amin’ny fitondram-panjakana sy ireo notsongaina nasaina ihany no nanatrika izany, sahabo ho 200. Natao teny amin’ny Araben’ny fahaleovantena ao Antananarivo. Nampitaina mivantana tamin’ny TVM sy ny RNM ary ny radio sy televiziona tsy miankina sasany ny fizotran’izany. Tsikaritra fa tsy tomombana ny fampitana mivantana tamin’ny TVM fa tapatapaka. Miisa 3120 ireo nandray anjara tamin’ny matso sy fampisehoana ireo fitaovana ampiasain’ny mpitandro ny filaminana izay noantitranterin’ny mpitantara fa fanomezan’ny filoha Rajoelina, anisan’izany ireo ‘hélicoptères’ telo nasidina tamin’io fotoana io, sy môtô ary fiarakodia. Novelomina ny fiara ‘Cadillac’ nampiasain’ny filoha Tsiranana tamin’ny Repoblika voalohany, ary dia io no nandehanan’ny filoha Rajoelina nisafo ny andian-tafika. Anisan’ny tonga nanoina ny fanasana ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka. Nambarany, araka ny fanontanian’ny mpanao gazety amin’ny haino aman-jery tsy miankina fa ny tsy fisian’ny ‘continuité de l’Etat’ no mampahantra ny firenena fa dia fanonganam-panjakana hatrany no mampiova ny fitondrana ; nomarihany koa ny famotehana ny orinasa efa nisy, anisan’izany ny OFAFA mpamokatra fanafody izay efa namokatra ‘générique’ maro ary dia io ho velomina io, efa nisy koa raha ny nambarany hatrany ny fanambarana fiarakodia teto Madagasikara toy ny 504 sy ny Karenjy.


Nohalavaina 15 andro tamin’ny sabotsy 27 jona teo ny hamehana ara-pahasalamana mihatra eto amin’ny firenena taorian’ny filan-kevitry ny minisitra ka nandraisana didim-panjakana mifandraika amin’izany. Ny alahady 28 jona tamin’ny 8 ora alina dia ny praiminisitra Ntsay Christian fa tsy ny filoha Rajoelina, toy ny mahazatra, no niresaka tamin’ny vahoaka malagasy tamin’ny fampitam-baovaom-panjakana RNM sy TVM ary noraisin’ny haino aman-jery tsy miankina samihafa. Niompana tamin’ny ady atao amin’ny ‘covid-19’ ny votoatin-dresany nandritra ny 50 minitra. Fanamafisana ny fepetra hiatrehana ny ady no nataony amin’ny ankapobeny ary ny ezaka hatao hifehezana ny tsy hihanahan’ny aretina. Ny zava-baovao tena nambarany dia ny antso atao amin’ny mpiara-belona ka manana ahiahy amin’ny fahasalamany dia ny fanatonana ny ‘Village Voara’ hanao ny fitiliana maimaim-poana amin’ny ‘covid-19’ sy ny hanomezana azy ireo safidy na hotsaboina eny raha mitondra ny tsimokaretina na hotsaboina any an-tranony, dia any no arahi-maso. Momba ny fanamaivanana ny fahasahiranan’ny olona, dia hisy indray ny tosika sy fanampiana ary ny tsena mora.


Notokanan’ny filoha Rajoelina tamin’ny alarobia 1 jolay ny ivotoerana medikaly covid-19 (CMC-19) eny amin’ny Village Voara Andohatapenaka, ilay nambaran’ny praiminisitra tamin’ny alahady 28 jona. Ao no hanaovana ny ‘essai clinique’ izay tratran’ny aretina ka manaiky an-tsitrapo hanaovana izany. Niasa dieny io andro io ity ivotoerana ity, ary maro ireo olona tonga teny an-toerana nizaha fahasalamana.

Mbola mitombo hatreto maneran-tany ny tarehimarika momba ity covid-19 ity. Maherin’ny 10 tapitrisa no fitambaran’ny tratran’ny tsimokaretina tamin’ny faran’ny volana jona raha teo amin’ny 9 tapitrisa izany herinandro talohan’izany, ary maherin’ny 500 000 ireo namoy ny ainy raha teo amin’ny 470 000 tamin’ny 24 jona.


Ho an’i Madagasikara, araka ny tatitra nentin’ny Profesora Vololontiana Hanta Marie Danielle, mpitondra teny ofisialy momba ny ‘covid-19’, alefa amin’ny TVM sy RNM ary ny radio sy fahitalavitra tsy miankina samihafa, dia tsikaritra ho mitombo isan’andro ny tranga. Tamin’ny 1 jolay dia toy izao ny isa nambara : 2303 no fitambaran’ireo mitondra ny tsimokaretina, 1275 no an-dalam-pitsaboana, 1006 no sitrana, 32 no ‘cas grave’, 22 no namoy aina, ary 22 348 no fitiliana PCR natao hatramin’ny 28 jona.


Eo amin’ny ara-panahy, dia mitohy ny fotoam-bavaka tamin’ny haino aman-jery ho an’ny Fiangonana katolika tamin’ny alahady 28 jona 2020. Manao ny azy toy ny mahazatra ny RDB sy ny radion’ny diosezy. Ho an’ny fahitalavitra sy radio IBC, dia tao amin’ny EKAR Manjakaray no nanaovana izany. Ny an’ny fiangonana hafa toy ny protestanta moa dia efa misokatra fa manaja kosa ny fepetra amin’ny fisorohana ka miditra imbetsaka.

Rasoanjanahary

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 10 Apr. 2021 - 05:29-

    ‘‘Antso vonjy ny an’ny vahoaka, miantso ny fanjakana hoe « aiza e… vonjeo e… avela ho ringana ve ny vahoaka ?’’ hoy ny fanombohan’ny Matoan-dahatsoratra ao amin’ny Lakroan’i Madagasikara efa hita teny amin’ny mpivarotra nanomboka ny alakamisy 8 avrily teo… Fa hoy izy mamarana ‘‘Izao no mila jerena…’’ Raha manjifa ny Lakroa ianao dia hahafantatra ny famoaboasana ihany koa ary ahita ny famaranana… Miarova tena, arovy ny akaiky anao. Md Roch…

  • 27 Jan. 2021 - 12:11-

    Fanambaran’ny FFKM. Namoaka fanambarana ny Filoham-piangonana efatra ato anatin'ny FFKM, Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, ny alahady 24 janoary ao anatin’ny Herinandro fiaraha-mivavaka ho an’ny Firaisan’ny Kristianina manerana  ny tany sy eto Madagasikara (18-25 janoary). Vakio ato izany https://www.lakroa.mg/item-2548_articles_politique_18-aoka-ny-rariny-hikoriana.html

  • 25 Jan. 2021 - 08:42-

    Televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Notokanana ny 23 janoary 201 teo tao Toamasina ny televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Ny RTCM na Radio Télévision Catholique Masova no televiziona katolika voalohany eto Madagasikara ary ny diosezin’i Toamasina no nanangana azy io. Miarahaba azy ny www.lakroa.mg ary mirary soa hahavita ny anjara andraikiny amin’ny fampitana ny feon’ny marina sy ny rariny. Ny RTCM dia raisina eo amin’ny ontsam-peo sy sary UHF 42 ao Toamasina. Sary vitsivitsy: https://www.lakroa.mg/item-2545_articles_newtech_18-notokanana-ny-televiziona-katolika-voalohany-eto...

  • 23 Jan. 2021 - 04:30-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021. Toy izao raha fintinana ireo antontan’isa voaray haatramin'ny 22 janoary mahasika ny vokatry ny fandalovan’ny rivodoza ELOISE teto anivon’ny BNGRC (mahakasika ny olona)
    Maty
     : Olona 1 no lavo tamin’ny fandalovan’i ELOISE.
    Traboina
    3 601 ireo traboina.
    Nafindra toerana
    : Nitombo 470 ireo nafindra toerana vonjy maika izay mitotaly 835 izy raha atambatra amin’ny efa voaagona hatramin’izay.

  • 23 Jan. 2021 - 04:28-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021.Raha ny mahakasika ireo foto-drafitr’asa sy trano fonenana dia:
    Miisa 156 ireo trano fonenana dibo-drano raha 645 ireo voakasika sy nahitam-pahasimbana.
    Miisa 193 kosa ireo trano fonenana rava tanteraka.
    142 trano fianarana voakasika sy nahitam-pahasimbana raha roa
    12 kosa ny trano fianarana rava tanteraka.

  • 23 Jan. 2021 - 04:26-

    Birao maharitra Antenimierandoholona. Tontosa ny zoma 22 janoary 2021 ny fifidianana ireo mpikambana mandrafitra ny Birao Maharitra eto anivon’ny Antenimierandoholona. Ka, voafidy ho :
    Filoha Lefitra ho an’ny faritany Avaratra : Loholon’i Madagasikara Imbiki Herilaza ;  
    Filoha lefitra ho an’ny faritany Atsimo : Loholon’i Madagasikara Rabemananjara Jean Paul Nicolas,
    Kestiora : Loholon’i Madagasikara Fernand Eddie Serge,
    Mpampakateny Jeneraly : Loholon’i Madagasikara Rasolondratsimba Raymond.
    Ny Filoha Razafimahefa Herimanana dia efa voafidy ny 19 janoary.

  • 07 Jan. 2021 - 07:36-

    Bonne année 2021. Toute l'équipe, rédaction et technique, de www.lakroa.mg se joint ici pour vous souhaiter, à vous lecteurs et sources, une bonne et heureuse année 2021. Que cette nouvelle année 2021 vous apporte, le bonheur, la joie et la prospérité et l’amour du prochain et du Pays. Notre unique résolution pour l’année 2021 est de réussir à vous apporter la nouvelle vraie avec des analyses lucides hors des sentiers battus. Et soyons solidaires pour notre Patrie et nos concitoyens. https://www.facebook.com/100002397970826/videos/3535584526531445/

  • 26 Dec. 2020 - 10:22-

    Que la magie de Noêl impacte sur votre vie 

    et voici des Suggestions de cadeaux de Noël:

    Pour l’ennemi, le pardon.
    Pour l’adversaire, la tolérance.
    Pour l’ami, votre cœur.
    Pour un client, du service.
    Pour tous, la charité.
    Pour chaque enfant, le bon exemple.
    Pour vous, le respect et

    Pour le Monde entier : l’Amour du Christ par la croix

    Et notre cadeau notre fidélité envers vous sur www.lakroa.mg

  • 07 Dec. 2020 - 07:23-

    Lahatsoratra mety hahaliana anao... Resaka tany

    https://www.lakroa.mg/item-2486_articles_economie_18-a-a-madagascar-comme-partout-sur-le-continent-les-alites-africaines-accaparent-les-terres-fertiles-a.html 

  • 25 Nov. 2020 - 12:28-

    l'économie bleue de l'AMDP a été engloutie par la vague orange. Et voilà que le dossier resurgit sous une autre forme avec d'autres acteurs mais toujours économie bleue (orangée).
    https://www.lakroa.mg/item-2465_articles_economie_18-petite-pache-en-paril-madagascar-signe-des-accords-de-pache-destructeurs-avec-des-investisseurs-chinois.html

  • 18 Oct. 2020 - 04:51-

    Arrêt n°10-HCC/AR du 16 octobre 2020 relative à une demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena. La demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena, est déclarée recevable. Article 3.-La demande du KMF-CNOE Fanabeazana Olompirenana est rejetée comme mal fondée en vertu des considérants 16 à 27. 

  • 18 Oct. 2020 - 04:50-

    Décision n°17-HCC/D3 du 16 octobre 2020 portant sur des requêtes aux fins d’inconstitutionnalité du décret n°2020-1110 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du 11 décembre 2020. Selon l’article 1, les requêtes sont déclarées recevables mais rejetées comme non fondées sur la base des considérants 17 à 25, 27 et 28 (article 3).

  • 17 Oct. 2020 - 05:06-

    Lu pour vous: Une usine clés en main normande expédiée à Madagascar contre la faim.  https://www.lakroa.mg/item-2413_articles_monde_18-une-usine-clas-en-main-normande-expadiae-a-madagascar-contre-la-faim.html

  • 13 Oct. 2020 - 04:49-

    62 taona ny Repoblika Malagasy. Hetsika maro no fantatra fa ho karakaraina hanamarihana ny faha 62 taona ny nanambarana ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy voalohany. Iray amin’ireny ny karakarain’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina. Ny 14 oktobra dia hisy ny fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny FJKM Atsimon’i  Mahamasina ny maraina amin’ny 9 ora sy sasany ary fikaonan-doha atao ao amin’ny Le pave Antaninarenina kosa ny tapany hariva. Asaina ny rehetra ka ny lohahevitra amin’izany ny hoe « maro tohanan’ny maro »

  • 12 Oct. 2020 - 05:08-

    Lu pour vous. Le Conseil des Ministres du 7 octobre a pris la décision que l’Etat va effectuer des travaux de relevés sismiques marins pour déterminer la ZEE. Et on apprend sur Africa Intelligence que. Il faut rappeller aussi que durant la présidence de Rajaonarimampianina un programme a été lancé en 2017. Quel sous-marin derrière tout cela ? Lu pour vous ne fait que transmettre l’article de Africa Intelligence. https://www.lakroa.mg/item-2404_articles_monde_18-culmen-international-intronisa-conseiller-stratagique-de-la-marine-malgache.html

  • 09 Oct. 2020 - 17:44-

    Marine malgache a un conseiller stratégique. Culmen International pressenti est intronisé conseiller stratégique de la marine malgache Comme l'avait anticipé Africa Intelligence (09/09/20), Culmen International a remporté le 28 septembre le marché de mise à disposition d'un conseiller stratégique pour la marine malgache. Ce contrat est financé par le Département d'Etat américain à hauteur d'un million de dollars. Culmen s'est imposé face à un autre contractor de défense américain, Sincerus Global Solutions, qui a absorbé en juillet la branche internationale du géant Science Applications International Corp (SAIC).

  • 01 Oct. 2020 - 09:23-

    Le mois d’octobre est consacré au  Saint Rosaire. La prière du rosaire se décline en 4 «groupes» de mystères : joyeux, lumineux, douloureux, glorieux. Chacun de ces «groupes» (ou méditations) se décline en 5 mystères. La prière du rosaire, au complet, comprend donc 20 mystères au total. Prier le chapelet, c’est par conséquent, quotidiennement, prier 5 mystères par jour.

  • 30 Sep. 2020 - 07:34-

    #COVID19
    Atontanisa momba ny Covid-19 ny 29 septambra 2020. Sitrana 192 vaovao.  
    Lavo 229 (+ 0).  
    Marary mafy 16 (– 1).
    FITILIANA : Tests PCR (297), Tests GeneXpert (53)
    Marary 29 vaovao : 1 Cas importé, 2 Analamanga,  Sainte Marie, 4 Ambatondrazaka, 2 Amparafaravola, 3 Matsiatra Ambony, 1 Atsimo Andrefana, 1 Menabe, 4 Antsohihy, 1 Bealanana, 5 Sava, 4 Diana

  • 21 Sep. 2020 - 07:15-

    Mikasika ny toeram-pivavahana: Toy izao indray ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo:
    - Misokatra ireo fiangonana sy mosquée rehetra manerana ny Nosy saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    - Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra
    - Manao aro vava orona ny rehetra
    - Raisina ny mari- pana eo am-pidirana
    - Mampiasa gel désinfection
    - Fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina
    - Tsy azo atao ny fifandraisan-tanana mandritra ny fotoam-pivavahana.

    Jereo ny fepetra manontolo :

    https://www.lakroa.mg/item-2386_articles_societe_18-ireo-fepetra-arahina-mandritra-ny-15-andro-nanomboka-ny-19-septambra-teo.html

  • 11 Sep. 2020 - 07:15-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 10 Septambra 2020
    #Sitrana: 52
    #Tranga_vaovao:104
    • 53 Analamanga, • 17 Antsirabe I, • 2 Antsirabe II, • 1 Mandoto, • 4 Ambositra, • 1 Antsohihy, • 6 Sambava, • 16 Antsiranana I, • 2 Antsiranana II, • 2 Ambilobe
    FITILIANA : Tests PCR (676), Tests GeneXpert (66)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 48 (-3)
     #Aina_nafoy: 02

Du même auteur

sport
politique

Dans la même rubrique

newtech
newtech