logo
Lakroan'i Madagasikara
Hamehana ara-pahasalamana

Ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo

admin il y a 1 moi

Ny Praiministra Lehiben'ny Governemanta Ntsay Christian no niaka-tsehatra tao amin'ny TVM nanazava ny fepetra fampiharana ny andiany vaovao mahakasika ny fepetra ra-pahasalamana manomboka ny 19 septambra teo. "Manentana ny rehetra hanohy ny ezaka, haneho fiombonana sy fifampitsinjovana amin'ny fiatrehana izao valan'aretina izao... mbola mitohy ny ady... miankina amin'ny tsirairay ny fahafahana mifehy ny covid-19", hoy ny Praiminisitra,

Ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo

FAMINTINANA NATAON'NY PRIMATIORA LAPAN'I MAHAZOARIVO

 

Toy izao indray ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro manaraka nanomboka ny 19 septambra izany:

Amin'ny ankapobeny dia mipetraka hatrany ireo fitandremana fototra, toy ny :

- Fanaovana aro vava orona rehefa mivoaka ny trano, mahavoasazy ny tsy fanaovana izany

- Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra

- Tohizana hatrany ny famendrahana fanafody (désinfection) ireo toerana ifamezivezena

- Fanasana tanana amin'ny rano sy savony na fampiasana gel désinfection

- Fakana hafanana mialoha ny idirana amin'ny toerana iray

- Ary ny fanatonana tobim-pahasalamana raha vao misy fambara na soritr'aretina

 

Manaraka izay dia :

- Entanina hatrany ny rehetra tsy hifamezivezy, rehefa tsy misy zavatra mazava atao dia tsy mivoaka ny trano

- Voarara ny famoriam-bahoaka mihoatra ny 200

- Tsy mbola misy ny fifaninanana ara-panatanjahantena manerana ny Nosy saingy azo atao kosa ny manao fanazaran-tena

- Mbola mipetraka ny couvre feu eto Analamanga sy any amin'ny faritra Diana, ka manomboka amin'ny 12 ora alina ka hatramin'ny 4 ora maraina izany

- Omena alalana ny fitondrana razana miditra sy mivoaka ny faritra Analamanga rehefa voamarina fa tsy covid-19 no nahafaty azy

- Tsy mbola azo atao ny famadihana

Afaka mandray fepetra manokana kosa anefa ny CRCO araky ny zava-misy amin'ny faritra rehefa avy mifandinika amin'ny CCO.

 

Fepetra mikasika ny Fitaterana:

 

Tsy maintsy manaja ireo fepetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana ireo mpitatitra rehetra ( fitaterana an-tanety, an-dranomasina, an'habakabaka)

[Fitaterana an-tanety] :

 

1- Zotra nasionaly sy rezionaly

Sokafana kokoa ny zotra nasionaly sy rezionaly ka mitohy ny zotra mampitohy ireto toerana manaraka ireto:

- Antananarivo-Toamasina-Fenoarivo Atsinanana-Mananara ary Maroantsetra

- Antananarivo-Toliara

- Antananarivo-Tsiroanomandidy-Maintirano

- Antananarivo-Mahajanga

- Antananarivo-Antsohihy

- Antananarivo-Manakara-Farafangana- Vangaindrano

- Antananarivo-Ambatondrazaka

- Antananarivo-Morondava

- Antananarivo-Ihosy-Betroka-Ambovombe- Taolagnaro

- Misokatra manomboka ny Asabotsy 26 septambra kosa ny zotra mampitohy an'Antananarivo-Antsiranana sy Antananarivo-Sambava

- Apetraka mandrakariva ny manifolds eny amin'ny toby fiaingana sy fiantsonana rehetra ary arahana amin'ny an-tsakany sy an-davany ny famenoana azy ireny

- Tsy maintsy atao ny fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina amin'ireo fiara rehetra miasa

- Tsy tapaka gel désinfection ny fiara

- Manao aro vava orona avokoa ireo mpandeha

 

2- Manohy ny asany ny zotra an-tanan-dehibe sy ny manodidina

- Mitohy kosa ny fampiasana ny gel désinfection eo am-pidirana sy fivoahana ny fiara

- Manao aro vava orona ny mpandeha rehetra

- Manao visière ny mpamily sy mpanampy azy

- Tsy azo ampiasaina ny seza volamena na strapotin

- Tsy maintsy handrarahana fanafody famonoana otrik'aretina ny fiara fitaterana rehetra amin'ny toerana fiaingana isan'andro

- Tapitra amin'ny 9 ora alina ny fotoana fiasana

- Tsy miakatra ny saran-dalana

 

3- Mitohy miasa ny taxi-ville fa manaja hatrany ireo fepetra rehetra ary olona telo fara fahabetsany no entina

 

4- Azo atao hatrany ny manao taingin-droa amin'ny moto rehefa misy fanamarinana fa fianakaviana ilay entina

 

[Mikasika ny fitaterana an'habakabaka anatiny sy ivelany] :

Mitohy ny fisokafan'ny sidina anatiny ary hajaina hatrany ireo fepetra rehetra efa napetraka.

Mampiseho certificat de test PCR negatif latsaky ny 48 ora ny mpandeha rehetra

Araka ny efa nambara dia misokatra amin'ny sidina avy any ivelany i Nosy Be manomboka ny voalohan'ny volana oktobra, efa mipetraka daholo ny rindran-damina rehetra mikasika izay.

 

Hisokatra miandalana ihany koa ireo seranana hafa any amin'ny faritra hafa, ka ny sidina ato anatin'ny faritry ny Ranomasimbe Indianina no hanombohana azy.

 

Manomboka ny 29 oktobra izao dia misokatra amin'ireo Nosy manodidina ny seranam-piaramanidina ao Toamasina, Antsiranana, Toliara ary Taolagnaro

Tsy maintsy hajaina anefa ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana takian'ny sehatra iraisam-pirenena mifandraika amin'izao valan'aretina covid-19 izao.

 

[Fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy]

- Afaka miasa ireo mpitatitra olona, amin'ny anatiny ihany anefa fa mbola voarara ny fitaterana olona avy any ivelany

- Tsy maintsy andrarahana fanafody ny sambo

- Manao aro vava orona ny mpandeha

- Hajaina tsara ny fampiasana ny manifolds eny amin'ny toby fiantsonana sy fiaingana

- Hajaina ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana

 

Mikasika ny kolotsaina sy fialamboly :

- Mahazo misokatra hatrany ireo restaurants, cabarets, espaces, karaoke ary bar saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra efa napetraka, mikatona amin'ny 11 ora alina ary tsy mahazo mihoatra ny 200 ny olona raisina, ho hentitra ny fanaraha-maso amin'ireo fepetra ka raha misy tsy fanajana azy ireny dia hakatona avy hatrany ireo toerana tsy manara-dalàna.

- Mbola tsy afaka misokatra kosa ny boîte de nuit, noho ny fisian'ny fikasoana akaiky loatra izay manamora ny fifindran'ny valan'aretina.

- Misokatra ireo toerana azon'ny mpizahatany sy ny daholobe tsidihina (rova, lapa, salle d'exposition, sns)

- Misokatra ihany koa ireo salle de cinéma saingy tsy mahazo mihoatra ny 100 ny olona raisina

 

Mikasika ny toeram-pivavahana:

- Misokatra ireo fiangonana sy mosquée rehetra manerana ny Nosy saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana

- Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra

- Manao aro vava orona ny rehetra

- Raisina ny mari- pana eo am-pidirana

- Mampiasa gel désinfection

- Fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina

- Tsy azo atao ny fifandraisan-tanana mandritra ny fotoam-pivavahana

 

Mahazoarivo, 20 Septambra 2020

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 18 Oct. 2020 - 04:51-

    Arrêt n°10-HCC/AR du 16 octobre 2020 relative à une demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena. La demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena, est déclarée recevable. Article 3.-La demande du KMF-CNOE Fanabeazana Olompirenana est rejetée comme mal fondée en vertu des considérants 16 à 27. 

  • 18 Oct. 2020 - 04:50-

    Décision n°17-HCC/D3 du 16 octobre 2020 portant sur des requêtes aux fins d’inconstitutionnalité du décret n°2020-1110 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du 11 décembre 2020. Selon l’article 1, les requêtes sont déclarées recevables mais rejetées comme non fondées sur la base des considérants 17 à 25, 27 et 28 (article 3).

  • 17 Oct. 2020 - 05:06-

    Lu pour vous: Une usine clés en main normande expédiée à Madagascar contre la faim.  https://www.lakroa.mg/item-2413_articles_monde_18-une-usine-clas-en-main-normande-expadiae-a-madagascar-contre-la-faim.html

  • 13 Oct. 2020 - 04:49-

    62 taona ny Repoblika Malagasy. Hetsika maro no fantatra fa ho karakaraina hanamarihana ny faha 62 taona ny nanambarana ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy voalohany. Iray amin’ireny ny karakarain’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina. Ny 14 oktobra dia hisy ny fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny FJKM Atsimon’i  Mahamasina ny maraina amin’ny 9 ora sy sasany ary fikaonan-doha atao ao amin’ny Le pave Antaninarenina kosa ny tapany hariva. Asaina ny rehetra ka ny lohahevitra amin’izany ny hoe « maro tohanan’ny maro »

  • 12 Oct. 2020 - 05:08-

    Lu pour vous. Le Conseil des Ministres du 7 octobre a pris la décision que l’Etat va effectuer des travaux de relevés sismiques marins pour déterminer la ZEE. Et on apprend sur Africa Intelligence que. Il faut rappeller aussi que durant la présidence de Rajaonarimampianina un programme a été lancé en 2017. Quel sous-marin derrière tout cela ? Lu pour vous ne fait que transmettre l’article de Africa Intelligence. https://www.lakroa.mg/item-2404_articles_monde_18-culmen-international-intronisa-conseiller-stratagique-de-la-marine-malgache.html

  • 09 Oct. 2020 - 17:44-

    Marine malgache a un conseiller stratégique. Culmen International pressenti est intronisé conseiller stratégique de la marine malgache Comme l'avait anticipé Africa Intelligence (09/09/20), Culmen International a remporté le 28 septembre le marché de mise à disposition d'un conseiller stratégique pour la marine malgache. Ce contrat est financé par le Département d'Etat américain à hauteur d'un million de dollars. Culmen s'est imposé face à un autre contractor de défense américain, Sincerus Global Solutions, qui a absorbé en juillet la branche internationale du géant Science Applications International Corp (SAIC).

  • 01 Oct. 2020 - 09:23-

    Le mois d’octobre est consacré au  Saint Rosaire. La prière du rosaire se décline en 4 «groupes» de mystères : joyeux, lumineux, douloureux, glorieux. Chacun de ces «groupes» (ou méditations) se décline en 5 mystères. La prière du rosaire, au complet, comprend donc 20 mystères au total. Prier le chapelet, c’est par conséquent, quotidiennement, prier 5 mystères par jour.

  • 30 Sep. 2020 - 07:34-

    #COVID19
    Atontanisa momba ny Covid-19 ny 29 septambra 2020. Sitrana 192 vaovao.  
    Lavo 229 (+ 0).  
    Marary mafy 16 (– 1).
    FITILIANA : Tests PCR (297), Tests GeneXpert (53)
    Marary 29 vaovao : 1 Cas importé, 2 Analamanga,  Sainte Marie, 4 Ambatondrazaka, 2 Amparafaravola, 3 Matsiatra Ambony, 1 Atsimo Andrefana, 1 Menabe, 4 Antsohihy, 1 Bealanana, 5 Sava, 4 Diana

  • 21 Sep. 2020 - 07:15-

    Mikasika ny toeram-pivavahana: Toy izao indray ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo:
    - Misokatra ireo fiangonana sy mosquée rehetra manerana ny Nosy saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    - Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra
    - Manao aro vava orona ny rehetra
    - Raisina ny mari- pana eo am-pidirana
    - Mampiasa gel désinfection
    - Fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina
    - Tsy azo atao ny fifandraisan-tanana mandritra ny fotoam-pivavahana.

    Jereo ny fepetra manontolo :

    https://www.lakroa.mg/item-2386_articles_societe_18-ireo-fepetra-arahina-mandritra-ny-15-andro-nanomboka-ny-19-septambra-teo.html

  • 11 Sep. 2020 - 07:15-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 10 Septambra 2020
    #Sitrana: 52
    #Tranga_vaovao:104
    • 53 Analamanga, • 17 Antsirabe I, • 2 Antsirabe II, • 1 Mandoto, • 4 Ambositra, • 1 Antsohihy, • 6 Sambava, • 16 Antsiranana I, • 2 Antsiranana II, • 2 Ambilobe
    FITILIANA : Tests PCR (676), Tests GeneXpert (66)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 48 (-3)
     #Aina_nafoy: 02

  • 10 Sep. 2020 - 06:51-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 9 Septambra 2020
    #Sitrana: 24
    #Tranga_vaovao: 85
    Analamanga :22, Alaotra Mangoro :16 (10 :Ambatondrazaka,04 :Amparafaravola), Matsiatra ambony :01, V7V :05 (Manakara), Boeny : 01, Sofia : 05(Mandritsara), Melaky : 01(Maintirano), Anosy :01 (Amboasary atsimo), Menabe : 14(Morondava), SAVA : 04(Sambava), Diana : 15(14 :Antsiranana I, 01 Antsiranana II)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 53
     #Aina_nafoy: 00

  • 09 Sep. 2020 - 08:05-

    #COVID19 08 SEPTAMBRA 2020 
    #Sitrana : 35 vaovao :
    #Lavo 206 (+ 4)
    #Marary_mafy 53 (+ 2)
    #Fitilana
    Tests PCR (210) Tests GeneXpert (87)
    #Marary vaovao  83
    • 44 Analamanga, • 10 Ambatondrazaka, • 4 Amparafaravola, • 3 Matsiatra Ambony, • 3 Boeny, • 7 Sofia, • 9 Antsiranana I, • 1 Antsiranana II, • 2 Sambava

  • 09 Sep. 2020 - 08:04-

    Fiaraha-monina mifamelona sy mifanohana. Izay no foto-kevitra notohanan’ny AFK izay Ivotoerana fikarohana sy fanofanana ho vahaolam-pampandrosoana hanavotana ny firenena. Nandritra ny famelabelaran-kevitra natao teny Alarobia ny sabotsy 5 septambra lasa teo no nanehoany izany. Mila hapetraka eto amin’ny Firenena ny fihavanana matotra sy marina. Ity rafi-pampandrosoana ity dia tsy mila famatsiam-bola avy any ivelany araka ny nambaran’Atoa Andriamparany Ricky filohan’ny Ivontoerana. Ny AFK na ny Antso Fiarahamonina Kristianina (AFK) dia ivotoerana fikarohana sy fanofanana.

  • 08 Sep. 2020 - 07:14-

    #COVID19  Antontan’isa ny 7 septambra 2020

    #COVID19  Antontan’isa ny 7 septambra 2020
    #Sitrana: 45
    #Tranga_vaovao: 33
    • 17 Analamanga, • 6 Tsiroanomandidy, • 1 Matsiatra Ambony, • 3 Antsiranana I, • 2 Sambava, • 2 Atsimo Andrefana, • 2 Mahajanga I
    #Namoy_ny_ainy: 02
    #Fitiliana
    Tests PCR (439) Tests GeneXpert (33)

  • 07 Sep. 2020 - 09:23-

    Hafatry ny Biraon’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara noho ny tsingerintaona voalohan’ny fitsidihana apostolika nataon’ny Papa Fransoa teto Madagasikara, vakianao ao amin’ny rohy https://www.lakroa.mg/item-2367_articles_dossier_18-hafatry-ny-eveka-aminaizao-tsiahy-ny-fitisidihana-pastoraly-nataonany-papa-fransoa.html

  • 07 Sep. 2020 - 03:40-

    Fepetra vaovao manomboka ny 6 septambra. 5) Mahakasika ny fiangonana
    Afaka misokatra avokoa ny fiangonana sy ny mosquée manerana ny Nosy saingy tsy maintsy hajaina ny elanelana 1m ary manao aro vava-orona daholo ny rehetra fa indrindra mila hajaina ny fepetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    Ny faritra Analamanga, Vakinankaratra, Alaotra Mangoro, Boeny, Sava ary Diana dia tsy azo mihoatra ny 100 ny mpiangona

  • 07 Sep. 2020 - 03:39-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 6 septambra 2020
    #Sitrana: 26
    #Tranga_vaovao: 50
    • 30 Analamanga, • 2 Vakinankaratra, • 5 Matsiatra Ambony, • 3 Amoron’i Mania, • 2 Sofia, • 4 Diana, • 2 ..., • 2 Atsimo Andrefana
    #Fitiliana : 469
    Tests PCR (413) Tests GeneXpert (56)
    #Namoy_ny_ainy: 01

  • 06 Sep. 2020 - 04:47-

    Didim-panjakana manalava ny fahamehana ara-pahasalamana. Noraisin’ny filoham-pirenena, nandritra ny Filankevitry ny minisitra natao ny asabotsy 5 septambra 2020 ny didim-panjakana laharana faha-2020-1087 izay manalava ny fotoana hampiarana ny fahamehana ara-pahasalamana araka ny andininy voalohany manao hoe : mitohy mandritra ny 15 andro eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara, manomboka amin’ny fotoana hivoahan’ity didim-panjakana ity ny « Fahamehana ara-pahasalamana » noho ny antony ara-pahasalamana, noho ny fisian’ny toe-javatra goavana mampisahotaka ny fiainam-bahoaka, mba hampizotra ara-dàlana ny asan’ireo fahefam-panjakana araka ny didim-panjakana laharana faha 2020-359 tamin’ny 21 martsa 2020… (sy ny manraka rehetra)

  • 06 Sep. 2020 - 03:14-

    #Covid-19: Antontan'isa ny 05 septambra 2020
    #Sitrana: 38
    #Namoy_ny_ainy: 01
    #Tranga_vaovao: 82 tamin'ireo 641 nanaovana fitiliana.
    Analamanga: 46, Alaotra Mangoro: 3, Haute Matsiatra: 2, Manakara: 4 , Ihorombe: 1, Sava: 11, Diana: 15
    #Fitiliana 641
    #Tranga_misy_fahasarotana: 46

  • 05 Sep. 2020 - 03:10-

    #Covid-19: Antontan'isa ny 04 septambra 2020
    #Sitrana: 44
    #Namoy_ny_ainy: 01
    #Tranga_vaovao: 81 tamin'ireo 584 nanaovana fitiliana.
    Analamanga 50, Atsinanana 3, Alaotra Mangoro 1, Haute Matsiatra 4, Sofia 3, Diana 10, Atsimo Andrefana 9, Androy 1
    #Fitiliana 584
    #Tranga_misy_fahasarotana: 46

Du même auteur

economie
economie

Dans la même rubrique

societe
societe
Publicité