logo
Lakroan'i Madagasikara
Matoan-dahatsoratra

Dia tsy hohaintsika ve ny hanova ny politika ?

P.Prospère il y a 2 mois

Efa eo andalam-pandinihana ny famerenana amin'ny laoniny ny fiainan'ny Gazety Lakroan'i Madagasikara isika izao. Ho avy tsy ho ela izany ny fotoana afahantsika mifandray. Izahay mampita ny vaovao avy aminareo ary ianareo miara-manabe ny mpakamy aminay. Samia ho tahin'Andriamanitra isika rehetra.

 

Dia tsy hohaintsika ve ny hanova ny politika ?

 

Tsy dia fitia te-hamerimberina ity politika ity na fitia te-hiresaka politika fa na izany na tsy izany dia voatery ihany satria misy fanao tsy nahomby miverimberina. Misy ratsy zary fanao sy efa manjary fahazarana. Ilay politika mihitsy no very hasina ; ny politika anefa dia fomba natao hitantanana sy handaminana eo an-tanàna.

 

Fony fitondrana sosialista, rehefa nanomboka nihozongozona teto an-drenivohitra ny fitondran’Andriamatoa Ratsiraka dia nampiakatra tangalamena izy. Ny politikan’ny tranobe na ny hazomanga any ifotony, an’ireo olobe ireo anefa tsy misy ifandraisany amin’ny fanaon’ny antoko aty amin’ny foibe aty. Tato ho ato ireo ampanjaka any Vatovavy Fitovinany dia niseho fahitalavitra matetika na momba ny resaka faritra vaovao na ny fifidianana anteminieran-doholona. Zary atao fitaovana politikan’antoko ny tompon’andraikitra ara-drazana, nefa be ny raha tsy fantany. Raha azo novaina aza angamba ny jakimena dia efa namadika loko koa izy ireny. Izany no fomba fanapotehan’ny politika ny fiarahamonina any ifotony satria fividianana ny mahantra amin’ny vola 30 fahiny ihany izany.

 

Rehefa hidiran’ny politika ny zavatra samihafa dia simba, hoy isika. Ny fampidirana ny politika tsy araka ny tokony ho izy amin’ny zavatra samihafa anefa no manimba ny politika. Dia io no politika manimba ny zavatra maro eto amin’ny firenena, hany mitoetra. Natanjaka anie izany vehivavy Arema izany e ! Nitafy lamba mena anie izany eran’ny tanàna e ! Nandihy anie izany rehefa misy ny « oie, oie e ». Nifangaro ny antoko sy ny firenena ; nosalorana fitafy tsy an’ny tena na lahy na vavy na tanora na lehibe. Nandalo teo na maitso na manga. Dia io indray misy loko « orange » mameno ny rindrina sy trano samihafa. Dia nandihy anie ireo nitsena ny filoha tany Ambatondrazaka e ! Nisalovana aby anie ny vehivavy tany atsimo atsinanana nametraka faritra vaovao e. Mitafy « orange » aby anie ny bodo sy ny adala eny an-tsena e. Tsy ela akory anefa dia indro ireo « Andrianonibe sy ny Jakimena nirohotra, fa Vatovavy ihany no mety ho an’ny Antanala. Dia nihobihoby fahatany ny olobe. Ary dia ireto telo ireto sisa no mitoetra, ny loko, ny fitafy, ny fandihy, fa ny loko no lehibe indrindra.

 

Toy izay koa ny resaka fandriam-pahalemana. Ny lehibe, tompon’andraikitry ny filaminana dia nilaza fa misy olona voakarama manao dahalo, ary isaky ny manakaiky ny fifidianana dia mitranga ny tsy fandriam-pahalemana. Notondroiny aza ireo faritra hanjakan’izany manokana, toa an’Ambatondrazaka. Dia tsy maintsy fanasoketana ny mpifanandrina amin’ny tena ve no manazava ny tsy fahombiazana ? Nahoana raha fantatra ny fototry ny ratsy no tsy fongorina ? Maharary ny olona ao Ambatondrazaka anie ny kidnapping, zary fomba fiharian’ny tambajotran’ny ratsy eo an-tanàna e; teraka any ifotony ny tsikombakomba manabotry mpiray tanindrazana ! Maharary ny mpiomby omby anie ny very fananana fa dia mijery fotsiny ireo fiarabe miakatra ny renivohitra sady manana taratasy ara-dalàna no omby voadio sisa azony atao. Manjary fanadiovana ny maloto koa ny antoko sy ny politikany.

 

Mba rahoviana àry izany ny politika vao hiarina ? Rahoviana isika no afaka hanova ny fanao mba ho tena politikam-pampandrosoana ny tanàna no hajoro ? Rahoviana ny politika no tsy hisy loko ary tsy hitafiana akanjo tsy an’ny tena ? Rahoviana ny fihavanana no ho tarigetran’ny antoko politika liam-pahefana ? Rahoviana vao ho vitantsika ny mandresy ny ratsy amin’ny tsara, ka amin’izay dia mbola politika ihany no resahana, ary tena politika marina ? … Dia hoy aho aminao ry akama : mbola hisy ihany ny hanantena ny tsy misy, ary hisy hampanantena anefa indrisy ! hoy ny Nanahary izay !

 

P.Prospère

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 07 Jan. 2021 - 07:36-

    Bonne année 2021. Toute l'équipe, rédaction et technique, de www.lakroa.mg se joint ici pour vous souhaiter, à vous lecteurs et sources, une bonne et heureuse année 2021. Que cette nouvelle année 2021 vous apporte, le bonheur, la joie et la prospérité et l’amour du prochain et du Pays. Notre unique résolution pour l’année 2021 est de réussir à vous apporter la nouvelle vraie avec des analyses lucides hors des sentiers battus. Et soyons solidaires pour notre Patrie et nos concitoyens. https://www.facebook.com/100002397970826/videos/3535584526531445/

  • 26 Dec. 2020 - 10:22-

    Que la magie de Noêl impacte sur votre vie 

    et voici des Suggestions de cadeaux de Noël:

    Pour l’ennemi, le pardon.
    Pour l’adversaire, la tolérance.
    Pour l’ami, votre cœur.
    Pour un client, du service.
    Pour tous, la charité.
    Pour chaque enfant, le bon exemple.
    Pour vous, le respect et

    Pour le Monde entier : l’Amour du Christ par la croix

    Et notre cadeau notre fidélité envers vous sur www.lakroa.mg

  • 07 Dec. 2020 - 07:23-

    Lahatsoratra mety hahaliana anao... Resaka tany

    https://www.lakroa.mg/item-2486_articles_economie_18-a-a-madagascar-comme-partout-sur-le-continent-les-alites-africaines-accaparent-les-terres-fertiles-a.html 

  • 25 Nov. 2020 - 12:28-

    l'économie bleue de l'AMDP a été engloutie par la vague orange. Et voilà que le dossier resurgit sous une autre forme avec d'autres acteurs mais toujours économie bleue (orangée).
    https://www.lakroa.mg/item-2465_articles_economie_18-petite-pache-en-paril-madagascar-signe-des-accords-de-pache-destructeurs-avec-des-investisseurs-chinois.html

  • 18 Oct. 2020 - 04:51-

    Arrêt n°10-HCC/AR du 16 octobre 2020 relative à une demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena. La demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena, est déclarée recevable. Article 3.-La demande du KMF-CNOE Fanabeazana Olompirenana est rejetée comme mal fondée en vertu des considérants 16 à 27. 

  • 18 Oct. 2020 - 04:50-

    Décision n°17-HCC/D3 du 16 octobre 2020 portant sur des requêtes aux fins d’inconstitutionnalité du décret n°2020-1110 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du 11 décembre 2020. Selon l’article 1, les requêtes sont déclarées recevables mais rejetées comme non fondées sur la base des considérants 17 à 25, 27 et 28 (article 3).

  • 17 Oct. 2020 - 05:06-

    Lu pour vous: Une usine clés en main normande expédiée à Madagascar contre la faim.  https://www.lakroa.mg/item-2413_articles_monde_18-une-usine-clas-en-main-normande-expadiae-a-madagascar-contre-la-faim.html

  • 13 Oct. 2020 - 04:49-

    62 taona ny Repoblika Malagasy. Hetsika maro no fantatra fa ho karakaraina hanamarihana ny faha 62 taona ny nanambarana ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy voalohany. Iray amin’ireny ny karakarain’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina. Ny 14 oktobra dia hisy ny fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny FJKM Atsimon’i  Mahamasina ny maraina amin’ny 9 ora sy sasany ary fikaonan-doha atao ao amin’ny Le pave Antaninarenina kosa ny tapany hariva. Asaina ny rehetra ka ny lohahevitra amin’izany ny hoe « maro tohanan’ny maro »

  • 12 Oct. 2020 - 05:08-

    Lu pour vous. Le Conseil des Ministres du 7 octobre a pris la décision que l’Etat va effectuer des travaux de relevés sismiques marins pour déterminer la ZEE. Et on apprend sur Africa Intelligence que. Il faut rappeller aussi que durant la présidence de Rajaonarimampianina un programme a été lancé en 2017. Quel sous-marin derrière tout cela ? Lu pour vous ne fait que transmettre l’article de Africa Intelligence. https://www.lakroa.mg/item-2404_articles_monde_18-culmen-international-intronisa-conseiller-stratagique-de-la-marine-malgache.html

  • 09 Oct. 2020 - 17:44-

    Marine malgache a un conseiller stratégique. Culmen International pressenti est intronisé conseiller stratégique de la marine malgache Comme l'avait anticipé Africa Intelligence (09/09/20), Culmen International a remporté le 28 septembre le marché de mise à disposition d'un conseiller stratégique pour la marine malgache. Ce contrat est financé par le Département d'Etat américain à hauteur d'un million de dollars. Culmen s'est imposé face à un autre contractor de défense américain, Sincerus Global Solutions, qui a absorbé en juillet la branche internationale du géant Science Applications International Corp (SAIC).

  • 01 Oct. 2020 - 09:23-

    Le mois d’octobre est consacré au  Saint Rosaire. La prière du rosaire se décline en 4 «groupes» de mystères : joyeux, lumineux, douloureux, glorieux. Chacun de ces «groupes» (ou méditations) se décline en 5 mystères. La prière du rosaire, au complet, comprend donc 20 mystères au total. Prier le chapelet, c’est par conséquent, quotidiennement, prier 5 mystères par jour.

  • 30 Sep. 2020 - 07:34-

    #COVID19
    Atontanisa momba ny Covid-19 ny 29 septambra 2020. Sitrana 192 vaovao.  
    Lavo 229 (+ 0).  
    Marary mafy 16 (– 1).
    FITILIANA : Tests PCR (297), Tests GeneXpert (53)
    Marary 29 vaovao : 1 Cas importé, 2 Analamanga,  Sainte Marie, 4 Ambatondrazaka, 2 Amparafaravola, 3 Matsiatra Ambony, 1 Atsimo Andrefana, 1 Menabe, 4 Antsohihy, 1 Bealanana, 5 Sava, 4 Diana

  • 21 Sep. 2020 - 07:15-

    Mikasika ny toeram-pivavahana: Toy izao indray ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo:
    - Misokatra ireo fiangonana sy mosquée rehetra manerana ny Nosy saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    - Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra
    - Manao aro vava orona ny rehetra
    - Raisina ny mari- pana eo am-pidirana
    - Mampiasa gel désinfection
    - Fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina
    - Tsy azo atao ny fifandraisan-tanana mandritra ny fotoam-pivavahana.

    Jereo ny fepetra manontolo :

    https://www.lakroa.mg/item-2386_articles_societe_18-ireo-fepetra-arahina-mandritra-ny-15-andro-nanomboka-ny-19-septambra-teo.html

  • 11 Sep. 2020 - 07:15-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 10 Septambra 2020
    #Sitrana: 52
    #Tranga_vaovao:104
    • 53 Analamanga, • 17 Antsirabe I, • 2 Antsirabe II, • 1 Mandoto, • 4 Ambositra, • 1 Antsohihy, • 6 Sambava, • 16 Antsiranana I, • 2 Antsiranana II, • 2 Ambilobe
    FITILIANA : Tests PCR (676), Tests GeneXpert (66)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 48 (-3)
     #Aina_nafoy: 02

  • 10 Sep. 2020 - 06:51-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 9 Septambra 2020
    #Sitrana: 24
    #Tranga_vaovao: 85
    Analamanga :22, Alaotra Mangoro :16 (10 :Ambatondrazaka,04 :Amparafaravola), Matsiatra ambony :01, V7V :05 (Manakara), Boeny : 01, Sofia : 05(Mandritsara), Melaky : 01(Maintirano), Anosy :01 (Amboasary atsimo), Menabe : 14(Morondava), SAVA : 04(Sambava), Diana : 15(14 :Antsiranana I, 01 Antsiranana II)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 53
     #Aina_nafoy: 00

  • 09 Sep. 2020 - 08:05-

    #COVID19 08 SEPTAMBRA 2020 
    #Sitrana : 35 vaovao :
    #Lavo 206 (+ 4)
    #Marary_mafy 53 (+ 2)
    #Fitilana
    Tests PCR (210) Tests GeneXpert (87)
    #Marary vaovao  83
    • 44 Analamanga, • 10 Ambatondrazaka, • 4 Amparafaravola, • 3 Matsiatra Ambony, • 3 Boeny, • 7 Sofia, • 9 Antsiranana I, • 1 Antsiranana II, • 2 Sambava

  • 09 Sep. 2020 - 08:04-

    Fiaraha-monina mifamelona sy mifanohana. Izay no foto-kevitra notohanan’ny AFK izay Ivotoerana fikarohana sy fanofanana ho vahaolam-pampandrosoana hanavotana ny firenena. Nandritra ny famelabelaran-kevitra natao teny Alarobia ny sabotsy 5 septambra lasa teo no nanehoany izany. Mila hapetraka eto amin’ny Firenena ny fihavanana matotra sy marina. Ity rafi-pampandrosoana ity dia tsy mila famatsiam-bola avy any ivelany araka ny nambaran’Atoa Andriamparany Ricky filohan’ny Ivontoerana. Ny AFK na ny Antso Fiarahamonina Kristianina (AFK) dia ivotoerana fikarohana sy fanofanana.

  • 08 Sep. 2020 - 07:14-

    #COVID19  Antontan’isa ny 7 septambra 2020

    #COVID19  Antontan’isa ny 7 septambra 2020
    #Sitrana: 45
    #Tranga_vaovao: 33
    • 17 Analamanga, • 6 Tsiroanomandidy, • 1 Matsiatra Ambony, • 3 Antsiranana I, • 2 Sambava, • 2 Atsimo Andrefana, • 2 Mahajanga I
    #Namoy_ny_ainy: 02
    #Fitiliana
    Tests PCR (439) Tests GeneXpert (33)

  • 07 Sep. 2020 - 09:23-

    Hafatry ny Biraon’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara noho ny tsingerintaona voalohan’ny fitsidihana apostolika nataon’ny Papa Fransoa teto Madagasikara, vakianao ao amin’ny rohy https://www.lakroa.mg/item-2367_articles_dossier_18-hafatry-ny-eveka-aminaizao-tsiahy-ny-fitisidihana-pastoraly-nataonany-papa-fransoa.html

  • 07 Sep. 2020 - 03:40-

    Fepetra vaovao manomboka ny 6 septambra. 5) Mahakasika ny fiangonana
    Afaka misokatra avokoa ny fiangonana sy ny mosquée manerana ny Nosy saingy tsy maintsy hajaina ny elanelana 1m ary manao aro vava-orona daholo ny rehetra fa indrindra mila hajaina ny fepetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    Ny faritra Analamanga, Vakinankaratra, Alaotra Mangoro, Boeny, Sava ary Diana dia tsy azo mihoatra ny 100 ny mpiangona

Du même auteur

societe
religion

Dans la même rubrique

editorial
editorial