logo
Lakroan'i Madagasikara
Teny Mahavelona

« Ity tany ity fandalovam-bahiny… ».

Malala il y a 2 mois

Efa eo andalam-pandinihana ny famerenana amin'ny laoniny ny fiainan'ny Gazety Lakroan'i Madagasikara isika izao. Ho avy tsy ho ela izany ny fotoana afahantsika mifandray. Izahay mampita ny vaovao avy aminareo ary ianareo miara-manabe ny mpamaky. Samia ho tahin'Andriamanitra isika rehetra.

« Ity tany ity fandalovam-bahiny… ».

TENY MAHAVELONA

Alahady 8 novambra 2020

Alahady Tsotra 32A

Fah. 6, 12-16; 1Tes. 4, 13-18; Mt. 25, 1-13

 

« Ity tany ity fandalovam-bahiny… ».

 Manomboka amin’ity Alahady faha 32 ity sy ireo Alahady roa manaraka azy dia ny santionan’ireo fampianaran’i Jesoa momba ny Eskatolojia (na ny amin’ny andro farany; ny any am-parany any) no atolotry ny evanjelin’i Md Matio hodinihina (Mt 25,1-46). Amin’ny alalan’ny fanoharana hatrany no entin’i Jesoa mampita an’izany fampianarany eskatolojika izany. Ny fanoharana momba ireo virijiny folo ; ny fanoharana momba ny talenta ; ny amin’ny filazana ny fitsarana farany hataon’ny Zanak’Olona rehefa ho avy amim-boninahitra Izy amin’ny andro farany – any am-parany any. Ny amin’ny virijiny folo àry no hodinihina amin’ity alahady anio ity.

 

« Ny fanjakan’ny lanitra dia ho tahaka ny virijiny folo izay naka ny fanalany, ka lasa nitsena ny mpampakatra sy ny ampakarina ». Oharin’i Jesoa ho toy ny lanonan’ny fampakaram-bady eto ny fanjakan’ny lanitra. Misy ny mpampakatra, misy ny ampakarina, eo ihany koa  ny mpanotrona amin’ny fampakarana. Ny mpampakatra dia i Jesoa Kristy ihany. Ny fotoana fiandrasana ny mpampakatra dia ny elanelam-potoana hatramin’ny nitsanganany tamin’ny maty ka hatramin’ny fiaviany amim-boninahitra indray amin’ny andro farany. Ireo virijiny folo dia tandindon’ny olombelona rehetra miandry ny fiavian’ny i Kristy Ilay mpampakatra. Ao ireo malina sy vonona ao kosa ireo variana loatra ka tsy mitsinjo ny ho farany…

 

« Ny dimy tamin’izy ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry ». Ireo virijiny dimy adala dia ireo izay miandry ny fiavian’ny mpampakatra saingy tsy mba misy fiomanana, nitondra fanala fa tsy nivatsy solika, tsy misy fiheverana fa ho lava ny fotoana ary mila fiomanana hatrany fa dia mionona amin’ny anio ary tsy mitsinjo ny hoavy, hany ka nony tonga ny farany vao mitady vonjy amin’ny namana saingy diso aoriana loatra ka ho voahidy any ivelany. Ireo virijiny dimy hendry kosa dia ireo izay miandry amim-pahavononana ka nitondra fanala sy solika satria efa nanampo ny mety haha ela ny fiavian’ny mpampakatra; ireo izay mitojo andro aman’alina hampitombo ny finoana, ny fanantenana, ary ny fitiavana; ireo izay mikezaka hatrany hamelombelona ny fiainam-panahiny.

 

Fotoana fiandrasana izao androntsika izao; fotoana ifandimbiasan’ny andro sy ny alina, ny maizina sy ny mazava, ny soa sy ny ratsy; fotoana fisedrana ny faharetana. Fotoana lava mbola omen’Izy Tompo ny olombelona anefa mba hiomanany amin’ny fihaonana Aminy ho avy amim-boninahitra, fitsenana ilay mpampakatra efa nandrasana hatry ny ela ; fotoana itehirizana hatrany ilay jiro narehitra tamin’ny batemy tsy ho resin’ny haizina ; fotoana fikatsahana hatrany ilay Fahendrena (vakiteny voalohany) ao anatin’ny vavaka sy ny fahanginana na dia eo aza ny tabataban’izao tontolo izao sy ny fanadinoany an’Andriamanitra Ray Mpahary. Fotoana iheverana hatrany ny fahamalinana sy ny fitsinjovana ny farany sao iharan’ny ohabolan-drazana hoe : « Fony be tsy mitsitsy, ka efa kely vao mikaroka, nony misy vahiny vao manao sosoa »

 

« Miambena ianareo, fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora ». Fotoana fiheverana ny farany, fandinihana ilay ora farany honenana amin’ity tany ity fa “’Ty tany ity fandalovam-bahiny, fa tsy tanàna natao fonenantsika. 'Zao foko 'zao tsy mba aoriko eto, fa ny tanànan'i Jesoa no andraina”, hoy ny hira katolika... Ho avy amin’ny ora tsy ampoizina ny Tompo ; mety ho avy amin’ny misasak’alina toy ny niaviany tamin’ny fahaterahany tao Betlehema Izy, saingy tsy ho mangingina intsony fa ho avy amim-bonihanitra miaraka amin’ny feon’arakanjely sy ny feon-trompetran’Andriamanitra ny Tompo (vakiteny faharoa). Manantena ny olombelona handray azy amim-pahavononana Izy ka izay efa nivonona sy niandry amim-paharetana dia hiara-mandroso Aminy ho ao amin’ilay lanonan’ny fampakaram-bady. Ireo tsy mba màlina sy tsy nitsinjo ny farany kosa dia ho voahidy any ivelany ka na hiantso ny Tompo aza tsy hohenoiny intsony...

 

Ampio amin’ny fahasoavanao izahay ry Tompo mba tsy ho sondriantory sy ho varimbariana fa hanana ny faharetana sy hafanam-po ary ho vonona handray Anao amin’ny andro hanaovanao « haody » eo am-baravaranay.

 

Malala


Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 07 Jan. 2021 - 07:36-

    Bonne année 2021. Toute l'équipe, rédaction et technique, de www.lakroa.mg se joint ici pour vous souhaiter, à vous lecteurs et sources, une bonne et heureuse année 2021. Que cette nouvelle année 2021 vous apporte, le bonheur, la joie et la prospérité et l’amour du prochain et du Pays. Notre unique résolution pour l’année 2021 est de réussir à vous apporter la nouvelle vraie avec des analyses lucides hors des sentiers battus. Et soyons solidaires pour notre Patrie et nos concitoyens. https://www.facebook.com/100002397970826/videos/3535584526531445/

  • 26 Dec. 2020 - 10:22-

    Que la magie de Noêl impacte sur votre vie 

    et voici des Suggestions de cadeaux de Noël:

    Pour l’ennemi, le pardon.
    Pour l’adversaire, la tolérance.
    Pour l’ami, votre cœur.
    Pour un client, du service.
    Pour tous, la charité.
    Pour chaque enfant, le bon exemple.
    Pour vous, le respect et

    Pour le Monde entier : l’Amour du Christ par la croix

    Et notre cadeau notre fidélité envers vous sur www.lakroa.mg

  • 07 Dec. 2020 - 07:23-

    Lahatsoratra mety hahaliana anao... Resaka tany

    https://www.lakroa.mg/item-2486_articles_economie_18-a-a-madagascar-comme-partout-sur-le-continent-les-alites-africaines-accaparent-les-terres-fertiles-a.html 

  • 25 Nov. 2020 - 12:28-

    l'économie bleue de l'AMDP a été engloutie par la vague orange. Et voilà que le dossier resurgit sous une autre forme avec d'autres acteurs mais toujours économie bleue (orangée).
    https://www.lakroa.mg/item-2465_articles_economie_18-petite-pache-en-paril-madagascar-signe-des-accords-de-pache-destructeurs-avec-des-investisseurs-chinois.html

  • 18 Oct. 2020 - 04:51-

    Arrêt n°10-HCC/AR du 16 octobre 2020 relative à une demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena. La demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena, est déclarée recevable. Article 3.-La demande du KMF-CNOE Fanabeazana Olompirenana est rejetée comme mal fondée en vertu des considérants 16 à 27. 

  • 18 Oct. 2020 - 04:50-

    Décision n°17-HCC/D3 du 16 octobre 2020 portant sur des requêtes aux fins d’inconstitutionnalité du décret n°2020-1110 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du 11 décembre 2020. Selon l’article 1, les requêtes sont déclarées recevables mais rejetées comme non fondées sur la base des considérants 17 à 25, 27 et 28 (article 3).

  • 17 Oct. 2020 - 05:06-

    Lu pour vous: Une usine clés en main normande expédiée à Madagascar contre la faim.  https://www.lakroa.mg/item-2413_articles_monde_18-une-usine-clas-en-main-normande-expadiae-a-madagascar-contre-la-faim.html

  • 13 Oct. 2020 - 04:49-

    62 taona ny Repoblika Malagasy. Hetsika maro no fantatra fa ho karakaraina hanamarihana ny faha 62 taona ny nanambarana ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy voalohany. Iray amin’ireny ny karakarain’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina. Ny 14 oktobra dia hisy ny fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny FJKM Atsimon’i  Mahamasina ny maraina amin’ny 9 ora sy sasany ary fikaonan-doha atao ao amin’ny Le pave Antaninarenina kosa ny tapany hariva. Asaina ny rehetra ka ny lohahevitra amin’izany ny hoe « maro tohanan’ny maro »

  • 12 Oct. 2020 - 05:08-

    Lu pour vous. Le Conseil des Ministres du 7 octobre a pris la décision que l’Etat va effectuer des travaux de relevés sismiques marins pour déterminer la ZEE. Et on apprend sur Africa Intelligence que. Il faut rappeller aussi que durant la présidence de Rajaonarimampianina un programme a été lancé en 2017. Quel sous-marin derrière tout cela ? Lu pour vous ne fait que transmettre l’article de Africa Intelligence. https://www.lakroa.mg/item-2404_articles_monde_18-culmen-international-intronisa-conseiller-stratagique-de-la-marine-malgache.html

  • 09 Oct. 2020 - 17:44-

    Marine malgache a un conseiller stratégique. Culmen International pressenti est intronisé conseiller stratégique de la marine malgache Comme l'avait anticipé Africa Intelligence (09/09/20), Culmen International a remporté le 28 septembre le marché de mise à disposition d'un conseiller stratégique pour la marine malgache. Ce contrat est financé par le Département d'Etat américain à hauteur d'un million de dollars. Culmen s'est imposé face à un autre contractor de défense américain, Sincerus Global Solutions, qui a absorbé en juillet la branche internationale du géant Science Applications International Corp (SAIC).

  • 01 Oct. 2020 - 09:23-

    Le mois d’octobre est consacré au  Saint Rosaire. La prière du rosaire se décline en 4 «groupes» de mystères : joyeux, lumineux, douloureux, glorieux. Chacun de ces «groupes» (ou méditations) se décline en 5 mystères. La prière du rosaire, au complet, comprend donc 20 mystères au total. Prier le chapelet, c’est par conséquent, quotidiennement, prier 5 mystères par jour.

  • 30 Sep. 2020 - 07:34-

    #COVID19
    Atontanisa momba ny Covid-19 ny 29 septambra 2020. Sitrana 192 vaovao.  
    Lavo 229 (+ 0).  
    Marary mafy 16 (– 1).
    FITILIANA : Tests PCR (297), Tests GeneXpert (53)
    Marary 29 vaovao : 1 Cas importé, 2 Analamanga,  Sainte Marie, 4 Ambatondrazaka, 2 Amparafaravola, 3 Matsiatra Ambony, 1 Atsimo Andrefana, 1 Menabe, 4 Antsohihy, 1 Bealanana, 5 Sava, 4 Diana

  • 21 Sep. 2020 - 07:15-

    Mikasika ny toeram-pivavahana: Toy izao indray ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo:
    - Misokatra ireo fiangonana sy mosquée rehetra manerana ny Nosy saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    - Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra
    - Manao aro vava orona ny rehetra
    - Raisina ny mari- pana eo am-pidirana
    - Mampiasa gel désinfection
    - Fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina
    - Tsy azo atao ny fifandraisan-tanana mandritra ny fotoam-pivavahana.

    Jereo ny fepetra manontolo :

    https://www.lakroa.mg/item-2386_articles_societe_18-ireo-fepetra-arahina-mandritra-ny-15-andro-nanomboka-ny-19-septambra-teo.html

  • 11 Sep. 2020 - 07:15-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 10 Septambra 2020
    #Sitrana: 52
    #Tranga_vaovao:104
    • 53 Analamanga, • 17 Antsirabe I, • 2 Antsirabe II, • 1 Mandoto, • 4 Ambositra, • 1 Antsohihy, • 6 Sambava, • 16 Antsiranana I, • 2 Antsiranana II, • 2 Ambilobe
    FITILIANA : Tests PCR (676), Tests GeneXpert (66)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 48 (-3)
     #Aina_nafoy: 02

  • 10 Sep. 2020 - 06:51-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 9 Septambra 2020
    #Sitrana: 24
    #Tranga_vaovao: 85
    Analamanga :22, Alaotra Mangoro :16 (10 :Ambatondrazaka,04 :Amparafaravola), Matsiatra ambony :01, V7V :05 (Manakara), Boeny : 01, Sofia : 05(Mandritsara), Melaky : 01(Maintirano), Anosy :01 (Amboasary atsimo), Menabe : 14(Morondava), SAVA : 04(Sambava), Diana : 15(14 :Antsiranana I, 01 Antsiranana II)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 53
     #Aina_nafoy: 00

  • 09 Sep. 2020 - 08:05-

    #COVID19 08 SEPTAMBRA 2020 
    #Sitrana : 35 vaovao :
    #Lavo 206 (+ 4)
    #Marary_mafy 53 (+ 2)
    #Fitilana
    Tests PCR (210) Tests GeneXpert (87)
    #Marary vaovao  83
    • 44 Analamanga, • 10 Ambatondrazaka, • 4 Amparafaravola, • 3 Matsiatra Ambony, • 3 Boeny, • 7 Sofia, • 9 Antsiranana I, • 1 Antsiranana II, • 2 Sambava

  • 09 Sep. 2020 - 08:04-

    Fiaraha-monina mifamelona sy mifanohana. Izay no foto-kevitra notohanan’ny AFK izay Ivotoerana fikarohana sy fanofanana ho vahaolam-pampandrosoana hanavotana ny firenena. Nandritra ny famelabelaran-kevitra natao teny Alarobia ny sabotsy 5 septambra lasa teo no nanehoany izany. Mila hapetraka eto amin’ny Firenena ny fihavanana matotra sy marina. Ity rafi-pampandrosoana ity dia tsy mila famatsiam-bola avy any ivelany araka ny nambaran’Atoa Andriamparany Ricky filohan’ny Ivontoerana. Ny AFK na ny Antso Fiarahamonina Kristianina (AFK) dia ivotoerana fikarohana sy fanofanana.

  • 08 Sep. 2020 - 07:14-

    #COVID19  Antontan’isa ny 7 septambra 2020

    #COVID19  Antontan’isa ny 7 septambra 2020
    #Sitrana: 45
    #Tranga_vaovao: 33
    • 17 Analamanga, • 6 Tsiroanomandidy, • 1 Matsiatra Ambony, • 3 Antsiranana I, • 2 Sambava, • 2 Atsimo Andrefana, • 2 Mahajanga I
    #Namoy_ny_ainy: 02
    #Fitiliana
    Tests PCR (439) Tests GeneXpert (33)

  • 07 Sep. 2020 - 09:23-

    Hafatry ny Biraon’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara noho ny tsingerintaona voalohan’ny fitsidihana apostolika nataon’ny Papa Fransoa teto Madagasikara, vakianao ao amin’ny rohy https://www.lakroa.mg/item-2367_articles_dossier_18-hafatry-ny-eveka-aminaizao-tsiahy-ny-fitisidihana-pastoraly-nataonany-papa-fransoa.html

  • 07 Sep. 2020 - 03:40-

    Fepetra vaovao manomboka ny 6 septambra. 5) Mahakasika ny fiangonana
    Afaka misokatra avokoa ny fiangonana sy ny mosquée manerana ny Nosy saingy tsy maintsy hajaina ny elanelana 1m ary manao aro vava-orona daholo ny rehetra fa indrindra mila hajaina ny fepetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    Ny faritra Analamanga, Vakinankaratra, Alaotra Mangoro, Boeny, Sava ary Diana dia tsy azo mihoatra ny 100 ny mpiangona

Du même auteur

economie
religion

Dans la même rubrique

religion
religion