logo
Lakroan'i Madagasikara
Teny Mahavelona

« Ahazoana hasambarana ny miasa amin-kerim-po »

Malala il y a 2 mois

Efa eo andalam-pandinihana ny famerenana amin'ny laoniny ny fiainan'ny Gazety Lakroan'i Madagasikara isika izao. Ho avy tsy ho ela izany ny fotoana afahantsika mifandray. Izahay mampita ny vaovao avy aminareo ary ianareo miara-manabe ny mpamaky. Samia ho tahin'Andriamanitra isika rehetra.

   « Ahazoana hasambarana ny miasa amin-kerim-po »

TENY MAHAVELONA

Alahady 15 novambra 2020

Alahady Tsotra 33A

Oh. 31, 10-13. 19-20.30-31 ; 1 Tes. 5, 1-6 ; Mt. 25, 14-30

 

« Ahazoana hasambarana ny miasa amin-kerim-po »

 

Madiva hifarana ny taona litorjika. Hafatrafatra farany ihany koa no apetrak’i Jesoa amin’ireo mpianany mba ho vonona lalandava eo am-piandrasana ny fiaviany, araka ny fanoharana momba ny virjiny folo heno tamin’ny evanjely tamin’ny heriny. Tsy hoe fahavononana miandry fotsiny anefa, hoy ny evanjely androany, fa fahavononana arahin’asa amin-kerim-po hampamokatra ireo fanomezam-pahasoavana noraisina. Oharin’i Jesoa amin’ny talenta izany fanomezam-pahasoavana izany eto. Fanomezana natao hampitomboina fa tsy ho kobonina na halevina fotsiny. Zary lasa fiteny mahazatra ny olona mantsy ny hoe « amndevin-talenta »!         

« Ny anankiray nomeny talenta dimy, ny anankiray roa, ary ny anankiray iray » Samy nanankinan’ny tompony « talenta » araka ny fahaizany avy ny mpanompo telo, hoy ny fanoharana. Ny talenta moa araka ny fizotran’ny tantara eto dia vola (sandaina ho an-tapitrisa maro tokoa amin’ny vola malagasy ankehitriny). Ireo nomena talenta dimy sy talenta roa dia samy nampamokatra izany zato isan-jato avy, ka afaka nanolotra talenta dimy sy talenta roa ambonin’ireo napetraka tamin’izy ireo. Ilay nomena talenta iray kosa dia tsy mba nampitombo ny nomena azy fa nandevina izany sy namerina azy tamin’ny tompony.

« Tsara izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky…, noho ianao nahatoky tamin’ny kely, dia hataoko mpitantana ny be ianao: miaraha mifaly amin’ny tomponao ». Mitovy hatrany ny valinteny sy ny valisoa nataon’ny tompom-panànana tamin’ireo anakiroa nampamokatra ny volany. Mpanompo tsara sy mahatoky izy ireo. Tsara sy mahatoky satria tsy nanararaotra ny tsy naha-teo ny tompony, na sanatria nanodikodina ny vola, na nandanilany izany, fa namerina izay napetraka tamin’izy ireo ary nanome ny tombony rehetra ihany koa aza. Eny, ahazahona hasambarana ny miasa amin’kerim-po.     

« Mpanompo ratsy sady kamo…, tokony ho napetrakao tany amin’ny mpampanàna ny volako, ary rehefa tonga aho dia nandray ny ahy mban-janany ». Miavaka kosa ny valinteny nahazo ilay tsy mba nampamokatra ny talentany. Mpanompo ratsy sady kamo izy. Nihevitra ny tompony ho olona lozabe, mijinja amin’izay tsy nafafiny, manangona amin’izay tsy nanahafany. Hita àry amin’ity mpanompo farany ity fa tsy hoe tsy marina izy, satria naveriny ara-dalàna izay nomen’ny tompony azy, fa ny fiheverany sy ny fitsarany ambony ihany ny tompony ho olona mahatahotra, loza be ary mpanambàka, kosa naha mpanompo ratsy sy kamo azy. Indrisy, tsy ahazahoana hasambarana ny miasa tsy amim-pitiavana...   

« Izay manana no homena, ka hanam-be izy ». Eto vao tena miharihary ny toetran’ilay tompom-bola. Tsy olon-doza, araka ny fiheveran’ilay mpanompo fahatelo izy, fa olona hentitra tokoa amin’ny fitantanana. Nony niverina izy dia « nampamoaka azy ireo ny amin’ny volany ». Tompo tsara sy malala-tanana ihany koa anefa izy. Nafoiny ho an’ireo mpanompo tsara sy mahatoky avokoa ny volany miaraka amin’ny zana-bola rehetra. Mbola nataony mpiara-mitantana ny fananany ihany koa aza izy ireo sady nasainy hiara-paly aminy. Ary na dia ilay talenta iray tsy namokatra ihany koa aza dia mbola nomeny ilay mpanompo efa nahazo talenta folo… Eny, ahazahoana hasambarana tokoa ny miasa ammin-kerim-po...         

Ilay Andriamanitra Ray be fitiavana dia manankina amin’ny olombelona ny fitantanana izao tontolo izao. Maro ny fanomezana-talenta nomen’Andriamanitra Ray ny olombelona na dia mpanompony fotsiny ihany aza izy ireo. Ny mpanompo ratsy sy kamo dia ireo izay manao tsinontsinona ny fanomezam-pahasoavana noraisina sy mihevitra an’Andriamanitra Ray ho lozabe sy mahatahotra ka tsy mba manao na inona na inona akory. Ireo mpanompo mahatoky sy tsara kosa dia mahatakatra ny hasarobidin’ny fanomezam-pahasoavana ka mampitombo sy mampivelatra azy.

 

« Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo, izay mizotra fehizay amin’ny làlany. Eny, ahazoanao tombon-tsoa ny asanao: hasambarana moa ny anao » (Sal. 127, 1-2). Eny, ahazahoana hasambarana tokoa ny miasa amim-kerim-po.

 

Malala


Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 07 Jan. 2021 - 07:36-

    Bonne année 2021. Toute l'équipe, rédaction et technique, de www.lakroa.mg se joint ici pour vous souhaiter, à vous lecteurs et sources, une bonne et heureuse année 2021. Que cette nouvelle année 2021 vous apporte, le bonheur, la joie et la prospérité et l’amour du prochain et du Pays. Notre unique résolution pour l’année 2021 est de réussir à vous apporter la nouvelle vraie avec des analyses lucides hors des sentiers battus. Et soyons solidaires pour notre Patrie et nos concitoyens. https://www.facebook.com/100002397970826/videos/3535584526531445/

  • 26 Dec. 2020 - 10:22-

    Que la magie de Noêl impacte sur votre vie 

    et voici des Suggestions de cadeaux de Noël:

    Pour l’ennemi, le pardon.
    Pour l’adversaire, la tolérance.
    Pour l’ami, votre cœur.
    Pour un client, du service.
    Pour tous, la charité.
    Pour chaque enfant, le bon exemple.
    Pour vous, le respect et

    Pour le Monde entier : l’Amour du Christ par la croix

    Et notre cadeau notre fidélité envers vous sur www.lakroa.mg

  • 07 Dec. 2020 - 07:23-

    Lahatsoratra mety hahaliana anao... Resaka tany

    https://www.lakroa.mg/item-2486_articles_economie_18-a-a-madagascar-comme-partout-sur-le-continent-les-alites-africaines-accaparent-les-terres-fertiles-a.html 

  • 25 Nov. 2020 - 12:28-

    l'économie bleue de l'AMDP a été engloutie par la vague orange. Et voilà que le dossier resurgit sous une autre forme avec d'autres acteurs mais toujours économie bleue (orangée).
    https://www.lakroa.mg/item-2465_articles_economie_18-petite-pache-en-paril-madagascar-signe-des-accords-de-pache-destructeurs-avec-des-investisseurs-chinois.html

  • 18 Oct. 2020 - 04:51-

    Arrêt n°10-HCC/AR du 16 octobre 2020 relative à une demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena. La demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena, est déclarée recevable. Article 3.-La demande du KMF-CNOE Fanabeazana Olompirenana est rejetée comme mal fondée en vertu des considérants 16 à 27. 

  • 18 Oct. 2020 - 04:50-

    Décision n°17-HCC/D3 du 16 octobre 2020 portant sur des requêtes aux fins d’inconstitutionnalité du décret n°2020-1110 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du 11 décembre 2020. Selon l’article 1, les requêtes sont déclarées recevables mais rejetées comme non fondées sur la base des considérants 17 à 25, 27 et 28 (article 3).

  • 17 Oct. 2020 - 05:06-

    Lu pour vous: Une usine clés en main normande expédiée à Madagascar contre la faim.  https://www.lakroa.mg/item-2413_articles_monde_18-une-usine-clas-en-main-normande-expadiae-a-madagascar-contre-la-faim.html

  • 13 Oct. 2020 - 04:49-

    62 taona ny Repoblika Malagasy. Hetsika maro no fantatra fa ho karakaraina hanamarihana ny faha 62 taona ny nanambarana ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy voalohany. Iray amin’ireny ny karakarain’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina. Ny 14 oktobra dia hisy ny fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny FJKM Atsimon’i  Mahamasina ny maraina amin’ny 9 ora sy sasany ary fikaonan-doha atao ao amin’ny Le pave Antaninarenina kosa ny tapany hariva. Asaina ny rehetra ka ny lohahevitra amin’izany ny hoe « maro tohanan’ny maro »

  • 12 Oct. 2020 - 05:08-

    Lu pour vous. Le Conseil des Ministres du 7 octobre a pris la décision que l’Etat va effectuer des travaux de relevés sismiques marins pour déterminer la ZEE. Et on apprend sur Africa Intelligence que. Il faut rappeller aussi que durant la présidence de Rajaonarimampianina un programme a été lancé en 2017. Quel sous-marin derrière tout cela ? Lu pour vous ne fait que transmettre l’article de Africa Intelligence. https://www.lakroa.mg/item-2404_articles_monde_18-culmen-international-intronisa-conseiller-stratagique-de-la-marine-malgache.html

  • 09 Oct. 2020 - 17:44-

    Marine malgache a un conseiller stratégique. Culmen International pressenti est intronisé conseiller stratégique de la marine malgache Comme l'avait anticipé Africa Intelligence (09/09/20), Culmen International a remporté le 28 septembre le marché de mise à disposition d'un conseiller stratégique pour la marine malgache. Ce contrat est financé par le Département d'Etat américain à hauteur d'un million de dollars. Culmen s'est imposé face à un autre contractor de défense américain, Sincerus Global Solutions, qui a absorbé en juillet la branche internationale du géant Science Applications International Corp (SAIC).

  • 01 Oct. 2020 - 09:23-

    Le mois d’octobre est consacré au  Saint Rosaire. La prière du rosaire se décline en 4 «groupes» de mystères : joyeux, lumineux, douloureux, glorieux. Chacun de ces «groupes» (ou méditations) se décline en 5 mystères. La prière du rosaire, au complet, comprend donc 20 mystères au total. Prier le chapelet, c’est par conséquent, quotidiennement, prier 5 mystères par jour.

  • 30 Sep. 2020 - 07:34-

    #COVID19
    Atontanisa momba ny Covid-19 ny 29 septambra 2020. Sitrana 192 vaovao.  
    Lavo 229 (+ 0).  
    Marary mafy 16 (– 1).
    FITILIANA : Tests PCR (297), Tests GeneXpert (53)
    Marary 29 vaovao : 1 Cas importé, 2 Analamanga,  Sainte Marie, 4 Ambatondrazaka, 2 Amparafaravola, 3 Matsiatra Ambony, 1 Atsimo Andrefana, 1 Menabe, 4 Antsohihy, 1 Bealanana, 5 Sava, 4 Diana

  • 21 Sep. 2020 - 07:15-

    Mikasika ny toeram-pivavahana: Toy izao indray ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo:
    - Misokatra ireo fiangonana sy mosquée rehetra manerana ny Nosy saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    - Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra
    - Manao aro vava orona ny rehetra
    - Raisina ny mari- pana eo am-pidirana
    - Mampiasa gel désinfection
    - Fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina
    - Tsy azo atao ny fifandraisan-tanana mandritra ny fotoam-pivavahana.

    Jereo ny fepetra manontolo :

    https://www.lakroa.mg/item-2386_articles_societe_18-ireo-fepetra-arahina-mandritra-ny-15-andro-nanomboka-ny-19-septambra-teo.html

  • 11 Sep. 2020 - 07:15-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 10 Septambra 2020
    #Sitrana: 52
    #Tranga_vaovao:104
    • 53 Analamanga, • 17 Antsirabe I, • 2 Antsirabe II, • 1 Mandoto, • 4 Ambositra, • 1 Antsohihy, • 6 Sambava, • 16 Antsiranana I, • 2 Antsiranana II, • 2 Ambilobe
    FITILIANA : Tests PCR (676), Tests GeneXpert (66)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 48 (-3)
     #Aina_nafoy: 02

  • 10 Sep. 2020 - 06:51-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 9 Septambra 2020
    #Sitrana: 24
    #Tranga_vaovao: 85
    Analamanga :22, Alaotra Mangoro :16 (10 :Ambatondrazaka,04 :Amparafaravola), Matsiatra ambony :01, V7V :05 (Manakara), Boeny : 01, Sofia : 05(Mandritsara), Melaky : 01(Maintirano), Anosy :01 (Amboasary atsimo), Menabe : 14(Morondava), SAVA : 04(Sambava), Diana : 15(14 :Antsiranana I, 01 Antsiranana II)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 53
     #Aina_nafoy: 00

  • 09 Sep. 2020 - 08:05-

    #COVID19 08 SEPTAMBRA 2020 
    #Sitrana : 35 vaovao :
    #Lavo 206 (+ 4)
    #Marary_mafy 53 (+ 2)
    #Fitilana
    Tests PCR (210) Tests GeneXpert (87)
    #Marary vaovao  83
    • 44 Analamanga, • 10 Ambatondrazaka, • 4 Amparafaravola, • 3 Matsiatra Ambony, • 3 Boeny, • 7 Sofia, • 9 Antsiranana I, • 1 Antsiranana II, • 2 Sambava

  • 09 Sep. 2020 - 08:04-

    Fiaraha-monina mifamelona sy mifanohana. Izay no foto-kevitra notohanan’ny AFK izay Ivotoerana fikarohana sy fanofanana ho vahaolam-pampandrosoana hanavotana ny firenena. Nandritra ny famelabelaran-kevitra natao teny Alarobia ny sabotsy 5 septambra lasa teo no nanehoany izany. Mila hapetraka eto amin’ny Firenena ny fihavanana matotra sy marina. Ity rafi-pampandrosoana ity dia tsy mila famatsiam-bola avy any ivelany araka ny nambaran’Atoa Andriamparany Ricky filohan’ny Ivontoerana. Ny AFK na ny Antso Fiarahamonina Kristianina (AFK) dia ivotoerana fikarohana sy fanofanana.

  • 08 Sep. 2020 - 07:14-

    #COVID19  Antontan’isa ny 7 septambra 2020

    #COVID19  Antontan’isa ny 7 septambra 2020
    #Sitrana: 45
    #Tranga_vaovao: 33
    • 17 Analamanga, • 6 Tsiroanomandidy, • 1 Matsiatra Ambony, • 3 Antsiranana I, • 2 Sambava, • 2 Atsimo Andrefana, • 2 Mahajanga I
    #Namoy_ny_ainy: 02
    #Fitiliana
    Tests PCR (439) Tests GeneXpert (33)

  • 07 Sep. 2020 - 09:23-

    Hafatry ny Biraon’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara noho ny tsingerintaona voalohan’ny fitsidihana apostolika nataon’ny Papa Fransoa teto Madagasikara, vakianao ao amin’ny rohy https://www.lakroa.mg/item-2367_articles_dossier_18-hafatry-ny-eveka-aminaizao-tsiahy-ny-fitisidihana-pastoraly-nataonany-papa-fransoa.html

  • 07 Sep. 2020 - 03:40-

    Fepetra vaovao manomboka ny 6 septambra. 5) Mahakasika ny fiangonana
    Afaka misokatra avokoa ny fiangonana sy ny mosquée manerana ny Nosy saingy tsy maintsy hajaina ny elanelana 1m ary manao aro vava-orona daholo ny rehetra fa indrindra mila hajaina ny fepetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    Ny faritra Analamanga, Vakinankaratra, Alaotra Mangoro, Boeny, Sava ary Diana dia tsy azo mihoatra ny 100 ny mpiangona

Du même auteur

economie
religion

Dans la même rubrique

religion
religion