logo
Lakroan'i Madagasikara
Matoan-dahatsoratra

Manangana firenena !

P.Prospère il y a 2 mois

Mitohy hatrany ny fiarahantsika eto amin’ny www.lakroa.mg sy ny ekipan’i Lakroan’i Madagasikara. Indro ny matoan-dahatsorata norenesinao tao amin’ny Feon’i Lakroa tao amin’ny RDB ny talata 17 novambra teo. Samia ho tahin’Andriamanita isika rehetra.

Misy fifanoheran-javatra samihafa be dia be mitranga eto amin’ny tanintsika. Ireny fifanoherana samihafa ireny no miteraka korontana maro. Vokany, manjary sakana ho an’ny fampandrosoana satria mazàna tsy mifanindran-dalana amin’ny lalam-pampandrosoana tokony harahin’ny besinimaro. Ny firenena araka izany no mahita faisana satria ny olom-pirenena mandrafitra azy no tsy mety milamina.

 

Mifandray amin’ny lafiny politika ny maro amin’izy ireny ary hatramin’izay naha firenena ny firenena dia ny politika hitantanana ny firenena no sarotra alamina eto amintsika. Tsy resaka mpitondra sy mpanohitra, tsy resaka antoko politika na fifidianana fotsiny ihany, fa ilay fototra hananganana ny firenena mihitsy no marefo. Izany hoe, ny lalàna hiarovana ny fiainan’ny olona sy ny fananany ary ny zony manoloana ny fanjakana tompon’andraikitra amin’izany.

 

Raha ny politika eny an-kianja no henoina dia io ilay lazainy hoe « manao didy jadona ny fanjakana », « tsy misy ny demokrasia », « manjary herim-pamoretana ny mpitandro filaminana » satria ilay « fahalalahana » arovan’ny lalàna na ilay zo fototra maha olona voalazan’ny Lalàm-panorenena ao amin’ny andininy faha 6, araka ny foto-kevitra ankapobeny no voatohintohina. Ifandroritana ny resaka fanarahan-dalàna na tsia ho an’ny andaniny sy ankilany.

 

Raha raisina amin’ny sokajiny samihafa amin’ny fiainam-bahoaka nankinina amin’ny fahefam-panjakana indray izany dia ireo mahakasika ny fitandrovana ny fandriam-pahalemana, ny fiarovana ny rariny sy ny hitsiny, ny fitantanana ny tanàna sy ny fanajariana ny tanàn-dehibe, izay niteraka olana teny Ambohitrimanjaka ; ny fiarovana ny fananana, toy ny resaka fananan-tany izay ahitana olana maro eto Madagasikara, ny sekoly sy ny fanabeazana – maimaim-poana sy andoavam-bola- manara-penitra sy tsy manara-penitra. Ny antom-pisian’ny asam-panjakana sy mpiasam-bahoaka mbola anjakan’ny tsolotra sy kolikoly samihafa.

 

Toy izany ny sehatry ny tontolo iainana : ny loto sy ny fako miavosa, ny olana ara-jiro sy rano mampikaikaika tanàna maro…Ny lalàna manoloana ny zo fototra sy andraikitry ny olom-pirenena : fahalalahana amin’ny fanehoan-kevitra, hahazo vaovao marina ; tsy ahiahiana amin’ny fanehoan-keviny (fizarana faha II, and. 11, amin’ny Lalàm-panorenana)… sns.

 

Ny fifanoheran’ny lalàna hita taratra amin’ny fampiharana azy no miteraka faharavan’ny fifampitokisana eny amin’ny fiarahamonina. Mitondra fifanenjehana sy olana samihafa mamparefo ny firaisan-kina sy fihavanana nampiavaka ny fiarahamonina malagasy. Tsy mahasolo soatoavina iorenan’ny fiaraha-miaina anefa ny lalàna raha toa tsy hajaina sy tsy omena hasina. Manana olana etika araka izany ny lafiny lalàna eto amintsika, izany hoe, tsy manana idealy hananganana ny rariny sy ny soatoavina moraly ny mpitondra, hany ka mandringa ny rafitra samihafa sy ny fahaiza-manao norantovina tany an-tsekoly, nangalana mari-pahaizana ambony.

 

Raha tsorina ny filaza dia tsy manana fototra hijoroany ny demokrasia rehefa voahosihosy ny lalàna. Fiekena ampahibemaso ny tsy fananan-kasin’ny rafitra politika hananganana firenena izany. Tsy tanjon’ny politika araka izany ny fampitovian-jo ny olom-pirenena. Ny tsy fitoviana eo anatrehan’ny lalàna no endriky ny tsy fanajana ny zon’ny olombelona. Mbola ho sarotra araka izany ny hampijoro ny fiandrianam-pirenena. Sarotra ny hanarina ny politika rehefa ny fanjakana no mivily lalana amin’ny antom-pijoroany. Dia eo isika ankehitriny. Te ho tan-dalàna nefa tsy masi-mandidy ; te ho masi-mandidy nefa tsy mitandro ny hasina. « Ny vahoaka ipoiran’ny fahefana anefa no maha masi-mandidy, ary ny Malagasy no firenena sy vahoaka mivondrona ho fanjakana masi-mandidy ». (Andininy voalohany amin’ny lalàm-panorenena, foto-kevitra ankapobeny). Ny vahoaka no Andriamanjaka eo amin’ny firenena.

P.Prospère

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 27 Jan. 2021 - 12:11-

    Fanambaran’ny FFKM. Namoaka fanambarana ny Filoham-piangonana efatra ato anatin'ny FFKM, Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, ny alahady 24 janoary ao anatin’ny Herinandro fiaraha-mivavaka ho an’ny Firaisan’ny Kristianina manerana  ny tany sy eto Madagasikara (18-25 janoary). Vakio ato izany https://www.lakroa.mg/item-2548_articles_politique_18-aoka-ny-rariny-hikoriana.html

  • 25 Jan. 2021 - 08:42-

    Televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Notokanana ny 23 janoary 201 teo tao Toamasina ny televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Ny RTCM na Radio Télévision Catholique Masova no televiziona katolika voalohany eto Madagasikara ary ny diosezin’i Toamasina no nanangana azy io. Miarahaba azy ny www.lakroa.mg ary mirary soa hahavita ny anjara andraikiny amin’ny fampitana ny feon’ny marina sy ny rariny. Ny RTCM dia raisina eo amin’ny ontsam-peo sy sary UHF 42 ao Toamasina. Sary vitsivitsy: https://www.lakroa.mg/item-2545_articles_newtech_18-notokanana-ny-televiziona-katolika-voalohany-eto...

  • 23 Jan. 2021 - 04:30-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021. Toy izao raha fintinana ireo antontan’isa voaray haatramin'ny 22 janoary mahasika ny vokatry ny fandalovan’ny rivodoza ELOISE teto anivon’ny BNGRC (mahakasika ny olona)
    Maty
     : Olona 1 no lavo tamin’ny fandalovan’i ELOISE.
    Traboina
    3 601 ireo traboina.
    Nafindra toerana
    : Nitombo 470 ireo nafindra toerana vonjy maika izay mitotaly 835 izy raha atambatra amin’ny efa voaagona hatramin’izay.

  • 23 Jan. 2021 - 04:28-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021.Raha ny mahakasika ireo foto-drafitr’asa sy trano fonenana dia:
    Miisa 156 ireo trano fonenana dibo-drano raha 645 ireo voakasika sy nahitam-pahasimbana.
    Miisa 193 kosa ireo trano fonenana rava tanteraka.
    142 trano fianarana voakasika sy nahitam-pahasimbana raha roa
    12 kosa ny trano fianarana rava tanteraka.

  • 23 Jan. 2021 - 04:26-

    Birao maharitra Antenimierandoholona. Tontosa ny zoma 22 janoary 2021 ny fifidianana ireo mpikambana mandrafitra ny Birao Maharitra eto anivon’ny Antenimierandoholona. Ka, voafidy ho :
    Filoha Lefitra ho an’ny faritany Avaratra : Loholon’i Madagasikara Imbiki Herilaza ;  
    Filoha lefitra ho an’ny faritany Atsimo : Loholon’i Madagasikara Rabemananjara Jean Paul Nicolas,
    Kestiora : Loholon’i Madagasikara Fernand Eddie Serge,
    Mpampakateny Jeneraly : Loholon’i Madagasikara Rasolondratsimba Raymond.
    Ny Filoha Razafimahefa Herimanana dia efa voafidy ny 19 janoary.

  • 07 Jan. 2021 - 07:36-

    Bonne année 2021. Toute l'équipe, rédaction et technique, de www.lakroa.mg se joint ici pour vous souhaiter, à vous lecteurs et sources, une bonne et heureuse année 2021. Que cette nouvelle année 2021 vous apporte, le bonheur, la joie et la prospérité et l’amour du prochain et du Pays. Notre unique résolution pour l’année 2021 est de réussir à vous apporter la nouvelle vraie avec des analyses lucides hors des sentiers battus. Et soyons solidaires pour notre Patrie et nos concitoyens. https://www.facebook.com/100002397970826/videos/3535584526531445/

  • 26 Dec. 2020 - 10:22-

    Que la magie de Noêl impacte sur votre vie 

    et voici des Suggestions de cadeaux de Noël:

    Pour l’ennemi, le pardon.
    Pour l’adversaire, la tolérance.
    Pour l’ami, votre cœur.
    Pour un client, du service.
    Pour tous, la charité.
    Pour chaque enfant, le bon exemple.
    Pour vous, le respect et

    Pour le Monde entier : l’Amour du Christ par la croix

    Et notre cadeau notre fidélité envers vous sur www.lakroa.mg

  • 07 Dec. 2020 - 07:23-

    Lahatsoratra mety hahaliana anao... Resaka tany

    https://www.lakroa.mg/item-2486_articles_economie_18-a-a-madagascar-comme-partout-sur-le-continent-les-alites-africaines-accaparent-les-terres-fertiles-a.html 

  • 25 Nov. 2020 - 12:28-

    l'économie bleue de l'AMDP a été engloutie par la vague orange. Et voilà que le dossier resurgit sous une autre forme avec d'autres acteurs mais toujours économie bleue (orangée).
    https://www.lakroa.mg/item-2465_articles_economie_18-petite-pache-en-paril-madagascar-signe-des-accords-de-pache-destructeurs-avec-des-investisseurs-chinois.html

  • 18 Oct. 2020 - 04:51-

    Arrêt n°10-HCC/AR du 16 octobre 2020 relative à une demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena. La demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena, est déclarée recevable. Article 3.-La demande du KMF-CNOE Fanabeazana Olompirenana est rejetée comme mal fondée en vertu des considérants 16 à 27. 

  • 18 Oct. 2020 - 04:50-

    Décision n°17-HCC/D3 du 16 octobre 2020 portant sur des requêtes aux fins d’inconstitutionnalité du décret n°2020-1110 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du 11 décembre 2020. Selon l’article 1, les requêtes sont déclarées recevables mais rejetées comme non fondées sur la base des considérants 17 à 25, 27 et 28 (article 3).

  • 17 Oct. 2020 - 05:06-

    Lu pour vous: Une usine clés en main normande expédiée à Madagascar contre la faim.  https://www.lakroa.mg/item-2413_articles_monde_18-une-usine-clas-en-main-normande-expadiae-a-madagascar-contre-la-faim.html

  • 13 Oct. 2020 - 04:49-

    62 taona ny Repoblika Malagasy. Hetsika maro no fantatra fa ho karakaraina hanamarihana ny faha 62 taona ny nanambarana ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy voalohany. Iray amin’ireny ny karakarain’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina. Ny 14 oktobra dia hisy ny fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny FJKM Atsimon’i  Mahamasina ny maraina amin’ny 9 ora sy sasany ary fikaonan-doha atao ao amin’ny Le pave Antaninarenina kosa ny tapany hariva. Asaina ny rehetra ka ny lohahevitra amin’izany ny hoe « maro tohanan’ny maro »

  • 12 Oct. 2020 - 05:08-

    Lu pour vous. Le Conseil des Ministres du 7 octobre a pris la décision que l’Etat va effectuer des travaux de relevés sismiques marins pour déterminer la ZEE. Et on apprend sur Africa Intelligence que. Il faut rappeller aussi que durant la présidence de Rajaonarimampianina un programme a été lancé en 2017. Quel sous-marin derrière tout cela ? Lu pour vous ne fait que transmettre l’article de Africa Intelligence. https://www.lakroa.mg/item-2404_articles_monde_18-culmen-international-intronisa-conseiller-stratagique-de-la-marine-malgache.html

  • 09 Oct. 2020 - 17:44-

    Marine malgache a un conseiller stratégique. Culmen International pressenti est intronisé conseiller stratégique de la marine malgache Comme l'avait anticipé Africa Intelligence (09/09/20), Culmen International a remporté le 28 septembre le marché de mise à disposition d'un conseiller stratégique pour la marine malgache. Ce contrat est financé par le Département d'Etat américain à hauteur d'un million de dollars. Culmen s'est imposé face à un autre contractor de défense américain, Sincerus Global Solutions, qui a absorbé en juillet la branche internationale du géant Science Applications International Corp (SAIC).

  • 01 Oct. 2020 - 09:23-

    Le mois d’octobre est consacré au  Saint Rosaire. La prière du rosaire se décline en 4 «groupes» de mystères : joyeux, lumineux, douloureux, glorieux. Chacun de ces «groupes» (ou méditations) se décline en 5 mystères. La prière du rosaire, au complet, comprend donc 20 mystères au total. Prier le chapelet, c’est par conséquent, quotidiennement, prier 5 mystères par jour.

  • 30 Sep. 2020 - 07:34-

    #COVID19
    Atontanisa momba ny Covid-19 ny 29 septambra 2020. Sitrana 192 vaovao.  
    Lavo 229 (+ 0).  
    Marary mafy 16 (– 1).
    FITILIANA : Tests PCR (297), Tests GeneXpert (53)
    Marary 29 vaovao : 1 Cas importé, 2 Analamanga,  Sainte Marie, 4 Ambatondrazaka, 2 Amparafaravola, 3 Matsiatra Ambony, 1 Atsimo Andrefana, 1 Menabe, 4 Antsohihy, 1 Bealanana, 5 Sava, 4 Diana

  • 21 Sep. 2020 - 07:15-

    Mikasika ny toeram-pivavahana: Toy izao indray ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo:
    - Misokatra ireo fiangonana sy mosquée rehetra manerana ny Nosy saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    - Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra
    - Manao aro vava orona ny rehetra
    - Raisina ny mari- pana eo am-pidirana
    - Mampiasa gel désinfection
    - Fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina
    - Tsy azo atao ny fifandraisan-tanana mandritra ny fotoam-pivavahana.

    Jereo ny fepetra manontolo :

    https://www.lakroa.mg/item-2386_articles_societe_18-ireo-fepetra-arahina-mandritra-ny-15-andro-nanomboka-ny-19-septambra-teo.html

  • 11 Sep. 2020 - 07:15-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 10 Septambra 2020
    #Sitrana: 52
    #Tranga_vaovao:104
    • 53 Analamanga, • 17 Antsirabe I, • 2 Antsirabe II, • 1 Mandoto, • 4 Ambositra, • 1 Antsohihy, • 6 Sambava, • 16 Antsiranana I, • 2 Antsiranana II, • 2 Ambilobe
    FITILIANA : Tests PCR (676), Tests GeneXpert (66)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 48 (-3)
     #Aina_nafoy: 02

  • 10 Sep. 2020 - 06:51-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 9 Septambra 2020
    #Sitrana: 24
    #Tranga_vaovao: 85
    Analamanga :22, Alaotra Mangoro :16 (10 :Ambatondrazaka,04 :Amparafaravola), Matsiatra ambony :01, V7V :05 (Manakara), Boeny : 01, Sofia : 05(Mandritsara), Melaky : 01(Maintirano), Anosy :01 (Amboasary atsimo), Menabe : 14(Morondava), SAVA : 04(Sambava), Diana : 15(14 :Antsiranana I, 01 Antsiranana II)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 53
     #Aina_nafoy: 00

Du même auteur

politique
culture

Dans la même rubrique

editorial
editorial