logo
Lakroan'i Madagasikara
Fiainam-bahoaka

Lavitry ny laharam-pahamehan’ny mponina ny politikan’ny mpitondra

Rahary il y a 2 mois

Tontolo mifamahofaho sy hafahafa no mbola iainan’ny firenena ankehitriny amin’izao taona 2020 madiva hifarana afaka herinandro vitsy izao, taorian’ny hamehana ara-pahasalamana volana maro tsy nihodinan’ny asa aman-draharaha sy servisy samihafa teo amin’ny andavanandrom-piainana. Miaina ny dindon’izany ankehitriny ny ankamaroan’ny olona, miatrika ny fahasahiranana samihafa eo amin’ny tontolom-piainana : fihariana, fianaran’ny ankizy, fahasalamana, sy ny sisa.

Lavitry ny laharam-pahamehan’ny mponina ny politikan’ny mpitondra


« Fa mbola misy eto ve izany coronavirus izany ? », hoy ny vazivazin’ny olona mahita fa toa tsy misy miraharaha intsony ireo fepetra fisorohana ity areti-mandoza ity. Hita taratra izany amin’ny fivezivezen’ny olona maro sy ny fitohanan’ny fifamoivoizan’ny fiarakodia ao an-drenivohitry ny Nosy ao. Ilay CVO nambara fa hamonjy an’izao tontolo izao anefa tsy re tohiny fa ny fanafarana vaksiny indray aza no re siosio, satria toa hoe efa an-dalana ny fahitan’ny firenen-dehibe izany. « Mahazendana ny zava-misy », hoy ny olom-pirenena tsotra.

Ny maha ao anaty hamehana ara-pahasalamana eto amin’ny firenena anefa no nifarana, fa mbola tazonina ny fepetra samihafa hisorohana ny aretina ‘coronavirus’ izay mbola tsy fongotra tanteraka raha ny antontanisa fantatra tamin’iny herinandro lasa iny. Hatramin’ny 18 novambra, dia 31 ny tranga vaovao tamin’ny fitiliana 742 natao, 65 no sitrana, ary 433 ireo manaraka fitsaboana. Niampy iray ny namoy aina ka lasa 251 izany hatramin’ny fiandohan’ny aretina tamin’ny 19 marsa. Miisa 17 341 ireo trangan’aretina ka ny 16 657 no sitrana, ary 93 734 no fitiliana natao. Maneran-tany, maherin’ny 59 tapitrisa ny tranga ka ny 38 tapitrisa mahery no sitrana, ary maherin’ny 1,4 tapitrisa no namoy aina.

Anisan’ny voa mafy ny any Etazonia sy ny any Eoropa, mahatonga ny fanamafisam-piarovana any satria miverina indray ilay fihanaky ny “coronavirus”amin’ny sasany amin’izy ireny,  miditra amin’ny atao hoe “2ème vague”. Fa ny eto amintsika toa mampametra-panontaniana ny olona ny ohatra miainga avy amin’ny fitondram-panjakana. « Lazaina fa mbola mihidy ny sisin-tany kanefa ny mpitondra antsika mivoaka miditra ny sisin-tany sy mamory olona mihoatra ny 200 ! Hatramin’ny artista avy any Afrika atsimo aza no tafiditra teto ary nitety faritra namory vahoaka tamin’iny herinandro iny », hoy ny fanamarihan’ny olona. « Tsy ho niditra teto ireny vahiny ireny raha tsy nahazo alalana avy amin’ny mpitondra fanjakana », hoy ny mpandinika fiarahamonina iray. « Hanampena-maso ny vahoaka tsy hisaina ny fahasahiranana tsy voavaha ve ireny sa dia talentan’ny mpitondra tokoa ny mamory vahoaka amina fikarakarana lanonana ? Sa inona no tena tanjon’izany ? », hoy hatrany ny fanamarihana re.

Ny mazava aloha hatreto dia malama vava ny tompon’andraiki-panjakana raha ny fampanantenana hanao an’izatsy sy izaroa no itarafana azy. “Talentan’ny mpitondrantsika ny mampandry adrisa ary revon’izany ny maro”, hoy ity renim-pianakaviana iray. Iray amin’ny ohatra azo raisina ny amin’ny fepetra any amin’ireny fiara fitateram-bahoaka ireny. Tsy nisy mihitsy raha ny marina ny tena fahatanterahan’ny hoe nomena ‘gel’ sy aron’akanjo ireo taksibe tao an-drenivohitra tamin’ireny fotoanan’ny hamehana ara-pahasalamana ireny. “Tsy afo mololo akory, fa tsy nisy mihitsy !”, hoy ny nambaran’ny resevera iray. Nampanantenain’ny mpitondra anefa izany, fa dila ihany ny fotoana nomena, ary nofaranana ny hamehana ara-pahasalamana. Aiza ho aiza ankehitriny ny zava-misy amin’ny fiara fitateram-bahoaka ? Na ilay seza telo isaky ny laharana aza, maro no tsy mahaja izany, ny fanaovana maska tsy misy miraharaha firy, ny elanelana iray metatra dia nofy.

Politika mambotry firenena

Manakaiky fotoanan’ny maitso ahitra isika ankehitriny, vanim-potoana mahasahirana ny mponina amin’ny famatsiana sakafo, olana tsy voavaha mandraka ankehitriny satria tsy tena mazava ny politikan’ny famokarana hampivoarana ny isam-paritra, ao anatin’izany ny resaka kere any atsimo, toa lasa fitaovana politika. Tsikaritra fa mitombo ny vidim-bary eny an-tsena, tafakatra hatrany amin’ny 700 ariary ny kapoakan’ny vary ao an-drenivohitra ary hatrany amin’ny 1000 Ariary aza amin’ny faritra sasany. “Mitohy hatrany ny aferam-bary mampanankarena antokon’olom-bitsy ka tsy atao mahagaga izay fiakaram-bidiny izay”, hoy ny mpahalala. Zavatra hafa tokoa no mahamay ny fitondram-panjakana raha ny zava-misy, dia ny fametrahana mpitantana azony baikoina hifehezana bebe kokoa hatrany ny fanjakana. Tsikaritra fa saika misy mandrakariva ny fanendrena mpitantana ambony isaky ny filan-kevitry ny minisitra: tale samihafa ary hatramin’ny toeran’ny tokony ho olom-boafidy aza. Mpandinika fiarahamonina iray aza dia nilaza hoe: “Mahavaka saina ange ilay resaka hoe ‘budgetivore’ ny Antenimieran-doholona kanefa raha resaka isa ve, tsy ny ao amin’ny Antenimieram-pirenena aza no tena izany ? Amin’ny saina tsy miangatra sy araka ny isan’ny mponina, mifandanja ve ny loholona 18 sy ny depiote 151?” Ilam-pandinihana avokoa raha ny marina ny isa mandrafitra sy tena ilaina amin’ireo rafitra parlemantera ireo. Resaka diso fipetraka ihany manko ilay hoe “Senat sa Oniversite ?” nambaran’ny filoham-pirenena, satria rafitra natao handrindra ny ‘senat’ ary tsara ny manana oniversite mihodina tsara amin’ny maha oniversite azy, ny oniversite efa eo anefa iaraha-mahalala ny olana misy ao aminy. Fa ny mazava kosa dia taratr’ilay lalàm-panorenana sadasada, araka ny efa nomarihan’ny mpandinika, izao zava-misy izao, ka anjakan’ny fandikan-dalàna samihafa. Eo anatrehan’izany anefa, tsy milamina ny famatsiana jiro sy rano ilain’ny mponina, mampikaikaika ny tsy fandriam-pahalemana, sahirana ny ray aman-dreny amin’ny fizakana ny fampianarana ny ankizy, ary sahirana mafy izay marary noho ny fanafody midangam-bidy aok’izany. “Aza mba marary ihany”, hoy ny senton’ny miaina ny fitsaboana any amin’ny hopitaly, misaina ny hahazoana ny lisitra lava asaina vidiana.

Tsy laharam-pahamehana mitondra fiovam-piainana sy fampivoarana ny maha olona hatreto no mihatra. Samy hafa ny laharam-pahamehan’ny mpitondra sy ny vahoaka, ary lavitry ny fikatsahana ny soa iombonana sy mampilamina ny politika iainana. Ary ny tena loza, dia ilay vahoaka maro an’isa hatrany no mizaka ny tsy eran’ny aina amin’izany rehetra izany. Tsy misitraka ny zo fototra samihafa ilain’ny maha olona ny maro. Sanatria ve politika avo lenta mambotry ny firenena no mihatra eto ka tsy ny soa iombonana ho an’ny vahoaka no itodihana fa ny an’izay ifandraisan-tendro any ivelany any ? Dia manjaka ny samy mandeha samy mitady itrangan’ny tsy rariny sy fanararaotana samihafa !

Rahary

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 27 Jan. 2021 - 12:11-

    Fanambaran’ny FFKM. Namoaka fanambarana ny Filoham-piangonana efatra ato anatin'ny FFKM, Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, ny alahady 24 janoary ao anatin’ny Herinandro fiaraha-mivavaka ho an’ny Firaisan’ny Kristianina manerana  ny tany sy eto Madagasikara (18-25 janoary). Vakio ato izany https://www.lakroa.mg/item-2548_articles_politique_18-aoka-ny-rariny-hikoriana.html

  • 25 Jan. 2021 - 08:42-

    Televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Notokanana ny 23 janoary 201 teo tao Toamasina ny televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Ny RTCM na Radio Télévision Catholique Masova no televiziona katolika voalohany eto Madagasikara ary ny diosezin’i Toamasina no nanangana azy io. Miarahaba azy ny www.lakroa.mg ary mirary soa hahavita ny anjara andraikiny amin’ny fampitana ny feon’ny marina sy ny rariny. Ny RTCM dia raisina eo amin’ny ontsam-peo sy sary UHF 42 ao Toamasina. Sary vitsivitsy: https://www.lakroa.mg/item-2545_articles_newtech_18-notokanana-ny-televiziona-katolika-voalohany-eto...

  • 23 Jan. 2021 - 04:30-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021. Toy izao raha fintinana ireo antontan’isa voaray haatramin'ny 22 janoary mahasika ny vokatry ny fandalovan’ny rivodoza ELOISE teto anivon’ny BNGRC (mahakasika ny olona)
    Maty
     : Olona 1 no lavo tamin’ny fandalovan’i ELOISE.
    Traboina
    3 601 ireo traboina.
    Nafindra toerana
    : Nitombo 470 ireo nafindra toerana vonjy maika izay mitotaly 835 izy raha atambatra amin’ny efa voaagona hatramin’izay.

  • 23 Jan. 2021 - 04:28-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021.Raha ny mahakasika ireo foto-drafitr’asa sy trano fonenana dia:
    Miisa 156 ireo trano fonenana dibo-drano raha 645 ireo voakasika sy nahitam-pahasimbana.
    Miisa 193 kosa ireo trano fonenana rava tanteraka.
    142 trano fianarana voakasika sy nahitam-pahasimbana raha roa
    12 kosa ny trano fianarana rava tanteraka.

  • 23 Jan. 2021 - 04:26-

    Birao maharitra Antenimierandoholona. Tontosa ny zoma 22 janoary 2021 ny fifidianana ireo mpikambana mandrafitra ny Birao Maharitra eto anivon’ny Antenimierandoholona. Ka, voafidy ho :
    Filoha Lefitra ho an’ny faritany Avaratra : Loholon’i Madagasikara Imbiki Herilaza ;  
    Filoha lefitra ho an’ny faritany Atsimo : Loholon’i Madagasikara Rabemananjara Jean Paul Nicolas,
    Kestiora : Loholon’i Madagasikara Fernand Eddie Serge,
    Mpampakateny Jeneraly : Loholon’i Madagasikara Rasolondratsimba Raymond.
    Ny Filoha Razafimahefa Herimanana dia efa voafidy ny 19 janoary.

  • 07 Jan. 2021 - 07:36-

    Bonne année 2021. Toute l'équipe, rédaction et technique, de www.lakroa.mg se joint ici pour vous souhaiter, à vous lecteurs et sources, une bonne et heureuse année 2021. Que cette nouvelle année 2021 vous apporte, le bonheur, la joie et la prospérité et l’amour du prochain et du Pays. Notre unique résolution pour l’année 2021 est de réussir à vous apporter la nouvelle vraie avec des analyses lucides hors des sentiers battus. Et soyons solidaires pour notre Patrie et nos concitoyens. https://www.facebook.com/100002397970826/videos/3535584526531445/

  • 26 Dec. 2020 - 10:22-

    Que la magie de Noêl impacte sur votre vie 

    et voici des Suggestions de cadeaux de Noël:

    Pour l’ennemi, le pardon.
    Pour l’adversaire, la tolérance.
    Pour l’ami, votre cœur.
    Pour un client, du service.
    Pour tous, la charité.
    Pour chaque enfant, le bon exemple.
    Pour vous, le respect et

    Pour le Monde entier : l’Amour du Christ par la croix

    Et notre cadeau notre fidélité envers vous sur www.lakroa.mg

  • 07 Dec. 2020 - 07:23-

    Lahatsoratra mety hahaliana anao... Resaka tany

    https://www.lakroa.mg/item-2486_articles_economie_18-a-a-madagascar-comme-partout-sur-le-continent-les-alites-africaines-accaparent-les-terres-fertiles-a.html 

  • 25 Nov. 2020 - 12:28-

    l'économie bleue de l'AMDP a été engloutie par la vague orange. Et voilà que le dossier resurgit sous une autre forme avec d'autres acteurs mais toujours économie bleue (orangée).
    https://www.lakroa.mg/item-2465_articles_economie_18-petite-pache-en-paril-madagascar-signe-des-accords-de-pache-destructeurs-avec-des-investisseurs-chinois.html

  • 18 Oct. 2020 - 04:51-

    Arrêt n°10-HCC/AR du 16 octobre 2020 relative à une demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena. La demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena, est déclarée recevable. Article 3.-La demande du KMF-CNOE Fanabeazana Olompirenana est rejetée comme mal fondée en vertu des considérants 16 à 27. 

  • 18 Oct. 2020 - 04:50-

    Décision n°17-HCC/D3 du 16 octobre 2020 portant sur des requêtes aux fins d’inconstitutionnalité du décret n°2020-1110 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du 11 décembre 2020. Selon l’article 1, les requêtes sont déclarées recevables mais rejetées comme non fondées sur la base des considérants 17 à 25, 27 et 28 (article 3).

  • 17 Oct. 2020 - 05:06-

    Lu pour vous: Une usine clés en main normande expédiée à Madagascar contre la faim.  https://www.lakroa.mg/item-2413_articles_monde_18-une-usine-clas-en-main-normande-expadiae-a-madagascar-contre-la-faim.html

  • 13 Oct. 2020 - 04:49-

    62 taona ny Repoblika Malagasy. Hetsika maro no fantatra fa ho karakaraina hanamarihana ny faha 62 taona ny nanambarana ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy voalohany. Iray amin’ireny ny karakarain’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina. Ny 14 oktobra dia hisy ny fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny FJKM Atsimon’i  Mahamasina ny maraina amin’ny 9 ora sy sasany ary fikaonan-doha atao ao amin’ny Le pave Antaninarenina kosa ny tapany hariva. Asaina ny rehetra ka ny lohahevitra amin’izany ny hoe « maro tohanan’ny maro »

  • 12 Oct. 2020 - 05:08-

    Lu pour vous. Le Conseil des Ministres du 7 octobre a pris la décision que l’Etat va effectuer des travaux de relevés sismiques marins pour déterminer la ZEE. Et on apprend sur Africa Intelligence que. Il faut rappeller aussi que durant la présidence de Rajaonarimampianina un programme a été lancé en 2017. Quel sous-marin derrière tout cela ? Lu pour vous ne fait que transmettre l’article de Africa Intelligence. https://www.lakroa.mg/item-2404_articles_monde_18-culmen-international-intronisa-conseiller-stratagique-de-la-marine-malgache.html

  • 09 Oct. 2020 - 17:44-

    Marine malgache a un conseiller stratégique. Culmen International pressenti est intronisé conseiller stratégique de la marine malgache Comme l'avait anticipé Africa Intelligence (09/09/20), Culmen International a remporté le 28 septembre le marché de mise à disposition d'un conseiller stratégique pour la marine malgache. Ce contrat est financé par le Département d'Etat américain à hauteur d'un million de dollars. Culmen s'est imposé face à un autre contractor de défense américain, Sincerus Global Solutions, qui a absorbé en juillet la branche internationale du géant Science Applications International Corp (SAIC).

  • 01 Oct. 2020 - 09:23-

    Le mois d’octobre est consacré au  Saint Rosaire. La prière du rosaire se décline en 4 «groupes» de mystères : joyeux, lumineux, douloureux, glorieux. Chacun de ces «groupes» (ou méditations) se décline en 5 mystères. La prière du rosaire, au complet, comprend donc 20 mystères au total. Prier le chapelet, c’est par conséquent, quotidiennement, prier 5 mystères par jour.

  • 30 Sep. 2020 - 07:34-

    #COVID19
    Atontanisa momba ny Covid-19 ny 29 septambra 2020. Sitrana 192 vaovao.  
    Lavo 229 (+ 0).  
    Marary mafy 16 (– 1).
    FITILIANA : Tests PCR (297), Tests GeneXpert (53)
    Marary 29 vaovao : 1 Cas importé, 2 Analamanga,  Sainte Marie, 4 Ambatondrazaka, 2 Amparafaravola, 3 Matsiatra Ambony, 1 Atsimo Andrefana, 1 Menabe, 4 Antsohihy, 1 Bealanana, 5 Sava, 4 Diana

  • 21 Sep. 2020 - 07:15-

    Mikasika ny toeram-pivavahana: Toy izao indray ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo:
    - Misokatra ireo fiangonana sy mosquée rehetra manerana ny Nosy saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    - Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra
    - Manao aro vava orona ny rehetra
    - Raisina ny mari- pana eo am-pidirana
    - Mampiasa gel désinfection
    - Fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina
    - Tsy azo atao ny fifandraisan-tanana mandritra ny fotoam-pivavahana.

    Jereo ny fepetra manontolo :

    https://www.lakroa.mg/item-2386_articles_societe_18-ireo-fepetra-arahina-mandritra-ny-15-andro-nanomboka-ny-19-septambra-teo.html

  • 11 Sep. 2020 - 07:15-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 10 Septambra 2020
    #Sitrana: 52
    #Tranga_vaovao:104
    • 53 Analamanga, • 17 Antsirabe I, • 2 Antsirabe II, • 1 Mandoto, • 4 Ambositra, • 1 Antsohihy, • 6 Sambava, • 16 Antsiranana I, • 2 Antsiranana II, • 2 Ambilobe
    FITILIANA : Tests PCR (676), Tests GeneXpert (66)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 48 (-3)
     #Aina_nafoy: 02

  • 10 Sep. 2020 - 06:51-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 9 Septambra 2020
    #Sitrana: 24
    #Tranga_vaovao: 85
    Analamanga :22, Alaotra Mangoro :16 (10 :Ambatondrazaka,04 :Amparafaravola), Matsiatra ambony :01, V7V :05 (Manakara), Boeny : 01, Sofia : 05(Mandritsara), Melaky : 01(Maintirano), Anosy :01 (Amboasary atsimo), Menabe : 14(Morondava), SAVA : 04(Sambava), Diana : 15(14 :Antsiranana I, 01 Antsiranana II)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 53
     #Aina_nafoy: 00

Du même auteur

politique
culture

Dans la même rubrique

societe
societe