logo
Lakroan'i Madagasikara
Finoana sy tantara

Faha 150 taona nidiran’ny finoana katolika tao Fianarantsoa

Haja il y a 1 moi

Nosokafana tamin’ny alahady 27 desambra 2020 fetin’ny Fianakaviana masina ny fankalazana ny faha 150 taona nidiran’ny finoana teto Fianarantsoa; nisy ny Sorona Masina notarihin’i Monseniera Rabemahafaly Fulgence, arsevekan’i Fianarantsoa, notanterahina teny amin’ny Paroasy Kadedraly Ambozontany.

Faha 150 taona nidiran’ny finoana katolika tao Fianarantsoa

Taon-jobily niomanana tao anatin’ny telo taona izy ity. Ny taona 2018 nibanjinana an’i Masina Maria Virjiny nampianatra ny tantaram-pamonjena tamin’ny fomba maro isan’izany ny nampianarany Sapile an’i Masimbavy Bernadette ka feno zato taona tamin’ny 11 febroary 1958. Ny taona 2019 an’i  Md Jozefa, nihainoana indray ilay hafatra mafonja nentin’ny Papa Joany Paoly faharoa teto fianarantsoa ny 1 Mey 1989. Voasoritra tamin’izany ny adidin’ny Ray aman-dReny mampita ny zanany tonga taona, eo amin’ny fanorenan-tokantrano. Ny taona 2020 niombonana tamin’i Jesoa zaza, ka nibanjinana Azy hatramin’ny nanolorany ny ainy ho sorona tambin’ny ota. Ny Fianakaviana Masina tao Nazareta fototry ny Finoana ho an’ny taon-jobily.

 Fotokevi-dehibe mandritra ny taon-jobily ny hoe: “Ny Batemy nampiombona antsika amin’i Jesoa”. Mifandray amin’izany ny vavaka hasiviam-bolana izay atao isan’andro, nanomboka ny daty nanokafana ny fankalazana ary mifarana amin’ny 30 septambra 2021. Notsofin-drano ihany koa taorianan’ny Sorona masina ny tsangambaton’i Masina Maria, miorina ao Ambatomena akaikin’ny fasan’ny misionera izay nitondra ny finoana teto Fianarantsoa.

Ny nidiran’ny finoana teto Fianarantsoa

Tonga teto Fianarantsoa i Mompera Marc Finaz, zezoita, tamin’ny 5 oktobra 1871 hitory ny Vaovao Mahafaly. Lehilahy mpamaky lay amin’ny fitoriana ny fanjakan’Andriamanitra satria izy indrindra no nanao Lamesa voalohany tao Antananarivo tamin’ny andron-dRanavalona I na dia teo aza ny fandrarana ny fivavahana kristianina. Mbola nitohy ny famakiana lalana rehefa afaka nitory an-kalalahana ny finoana kristianina ireo Misionera ka tody soa aman-tsara taty Fianarantsoa i Mompera. Efa nanam-paniriana ho aty Atsimo ry zareo ny taona 1861, folo taona taty aoriana anefa izany vao tanteraka. Isan’ny nanampy be dia be tamin’ny fanomanana ny dian’izy ireo sy nampiomana ny olona taty Fianarantsoa ry Itompokolahy Rainiboto Raphael avy any Tanjombato Antananarivo sy Ratsimba Piera, lehilahy nanana tantara manonkana tamin’ny fampijoroana ny finoana Katolika teto Fianarantsoa. Tsy mora velively ny fiainana nodiavin’i Mompera sy ireo Katolika voalohany tamin’izany fotoana izany araka ny voarakitry ny tantara. Ny antony dia noho ny fironan’ny olona tamin’ny fivavahana protestanta. Saika tamin’io finoana io daholo no nisy ny mpitondra hatrany amin’ny tampony ka hatraty amin’ny vahoaka. Noho izany, sarotra ny fampielezana ny finoana satria nisalasala ny hanome fahazoan-dalana azy ireo ny praiministra Rainilaiarivony tamin’izany raha hanorina ny trano hivavahana.   

Nisahana ny Diosezin’i Fianarantsoa ny pretran’ny fikambanan’i Jesoa na ny zezoita tany am-boalohany fa nanomboka tamin’ny taona 1972 kosa dia nandray an-tanana izany ny pretran’ny Diosezy.

Tsy maintsy jerena akaiky ny lafiny fanabeazana hoy ny Eveka satria mafy ny rivotra entin’ny fanatontoloana izay mety hanova zavatra haingana, ka manampy izany ny serasera na ny fifandraisan’ny mpiara-belona. Manoloana ireo anefa no ijoroana ho vavolombelona maha kristianina. Misy àry ny torolalana momba ny fanabeazana hatramin’ny zaza ilay mbola eo am-pelatanan’ny ray aman-dreny mandeha mianatra ka hatreny amin’ny oniversite. Ampahafantarina ny tokony hataony ny tanora eo amin’ny fivelomany, fitantanana ny tany misy, ny toe-karena, ny fahasalamana, ary ny lafiny fiarahamonina. Beazina handray andraikitra ihany koa ny ankizy sy ny tanora any amin’ny fikambanana masina misy azy. Tsy ny any an-dakilasy ihany na any am-piangonana fa tanjona ny ho tonga amin’ny asa fanoloran-tena hanao Komity. Irosoana ny fizakan-tenan’ny Diosezy amin’ny fanamafisana ny asan’ny Komitin’ny sori-dalana pastoraly fa indrindra mikasika ny fitantanana. Hatao mangarahara io mba hananan’ny Kristianina risi-po hanatanterahany ny adidy hampandrosoana ny Paroasy sy ny Distrika. Paroasy 10 no mandrafitra ny Diosezy eto an-drenivohitra miampy ireo distrika any ambanivohitra ary 1000 latsaka kely ny isan’ny Fiangonana.   

Haja


Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 27 Jan. 2021 - 12:11-

    Fanambaran’ny FFKM. Namoaka fanambarana ny Filoham-piangonana efatra ato anatin'ny FFKM, Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, ny alahady 24 janoary ao anatin’ny Herinandro fiaraha-mivavaka ho an’ny Firaisan’ny Kristianina manerana  ny tany sy eto Madagasikara (18-25 janoary). Vakio ato izany https://www.lakroa.mg/item-2548_articles_politique_18-aoka-ny-rariny-hikoriana.html

  • 25 Jan. 2021 - 08:42-

    Televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Notokanana ny 23 janoary 201 teo tao Toamasina ny televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Ny RTCM na Radio Télévision Catholique Masova no televiziona katolika voalohany eto Madagasikara ary ny diosezin’i Toamasina no nanangana azy io. Miarahaba azy ny www.lakroa.mg ary mirary soa hahavita ny anjara andraikiny amin’ny fampitana ny feon’ny marina sy ny rariny. Ny RTCM dia raisina eo amin’ny ontsam-peo sy sary UHF 42 ao Toamasina. Sary vitsivitsy: https://www.lakroa.mg/item-2545_articles_newtech_18-notokanana-ny-televiziona-katolika-voalohany-eto...

  • 23 Jan. 2021 - 04:30-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021. Toy izao raha fintinana ireo antontan’isa voaray haatramin'ny 22 janoary mahasika ny vokatry ny fandalovan’ny rivodoza ELOISE teto anivon’ny BNGRC (mahakasika ny olona)
    Maty
     : Olona 1 no lavo tamin’ny fandalovan’i ELOISE.
    Traboina
    3 601 ireo traboina.
    Nafindra toerana
    : Nitombo 470 ireo nafindra toerana vonjy maika izay mitotaly 835 izy raha atambatra amin’ny efa voaagona hatramin’izay.

  • 23 Jan. 2021 - 04:28-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021.Raha ny mahakasika ireo foto-drafitr’asa sy trano fonenana dia:
    Miisa 156 ireo trano fonenana dibo-drano raha 645 ireo voakasika sy nahitam-pahasimbana.
    Miisa 193 kosa ireo trano fonenana rava tanteraka.
    142 trano fianarana voakasika sy nahitam-pahasimbana raha roa
    12 kosa ny trano fianarana rava tanteraka.

  • 23 Jan. 2021 - 04:26-

    Birao maharitra Antenimierandoholona. Tontosa ny zoma 22 janoary 2021 ny fifidianana ireo mpikambana mandrafitra ny Birao Maharitra eto anivon’ny Antenimierandoholona. Ka, voafidy ho :
    Filoha Lefitra ho an’ny faritany Avaratra : Loholon’i Madagasikara Imbiki Herilaza ;  
    Filoha lefitra ho an’ny faritany Atsimo : Loholon’i Madagasikara Rabemananjara Jean Paul Nicolas,
    Kestiora : Loholon’i Madagasikara Fernand Eddie Serge,
    Mpampakateny Jeneraly : Loholon’i Madagasikara Rasolondratsimba Raymond.
    Ny Filoha Razafimahefa Herimanana dia efa voafidy ny 19 janoary.

  • 07 Jan. 2021 - 07:36-

    Bonne année 2021. Toute l'équipe, rédaction et technique, de www.lakroa.mg se joint ici pour vous souhaiter, à vous lecteurs et sources, une bonne et heureuse année 2021. Que cette nouvelle année 2021 vous apporte, le bonheur, la joie et la prospérité et l’amour du prochain et du Pays. Notre unique résolution pour l’année 2021 est de réussir à vous apporter la nouvelle vraie avec des analyses lucides hors des sentiers battus. Et soyons solidaires pour notre Patrie et nos concitoyens. https://www.facebook.com/100002397970826/videos/3535584526531445/

  • 26 Dec. 2020 - 10:22-

    Que la magie de Noêl impacte sur votre vie 

    et voici des Suggestions de cadeaux de Noël:

    Pour l’ennemi, le pardon.
    Pour l’adversaire, la tolérance.
    Pour l’ami, votre cœur.
    Pour un client, du service.
    Pour tous, la charité.
    Pour chaque enfant, le bon exemple.
    Pour vous, le respect et

    Pour le Monde entier : l’Amour du Christ par la croix

    Et notre cadeau notre fidélité envers vous sur www.lakroa.mg

  • 07 Dec. 2020 - 07:23-

    Lahatsoratra mety hahaliana anao... Resaka tany

    https://www.lakroa.mg/item-2486_articles_economie_18-a-a-madagascar-comme-partout-sur-le-continent-les-alites-africaines-accaparent-les-terres-fertiles-a.html 

  • 25 Nov. 2020 - 12:28-

    l'économie bleue de l'AMDP a été engloutie par la vague orange. Et voilà que le dossier resurgit sous une autre forme avec d'autres acteurs mais toujours économie bleue (orangée).
    https://www.lakroa.mg/item-2465_articles_economie_18-petite-pache-en-paril-madagascar-signe-des-accords-de-pache-destructeurs-avec-des-investisseurs-chinois.html

  • 18 Oct. 2020 - 04:51-

    Arrêt n°10-HCC/AR du 16 octobre 2020 relative à une demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena. La demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena, est déclarée recevable. Article 3.-La demande du KMF-CNOE Fanabeazana Olompirenana est rejetée comme mal fondée en vertu des considérants 16 à 27. 

  • 18 Oct. 2020 - 04:50-

    Décision n°17-HCC/D3 du 16 octobre 2020 portant sur des requêtes aux fins d’inconstitutionnalité du décret n°2020-1110 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du 11 décembre 2020. Selon l’article 1, les requêtes sont déclarées recevables mais rejetées comme non fondées sur la base des considérants 17 à 25, 27 et 28 (article 3).

  • 17 Oct. 2020 - 05:06-

    Lu pour vous: Une usine clés en main normande expédiée à Madagascar contre la faim.  https://www.lakroa.mg/item-2413_articles_monde_18-une-usine-clas-en-main-normande-expadiae-a-madagascar-contre-la-faim.html

  • 13 Oct. 2020 - 04:49-

    62 taona ny Repoblika Malagasy. Hetsika maro no fantatra fa ho karakaraina hanamarihana ny faha 62 taona ny nanambarana ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy voalohany. Iray amin’ireny ny karakarain’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina. Ny 14 oktobra dia hisy ny fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny FJKM Atsimon’i  Mahamasina ny maraina amin’ny 9 ora sy sasany ary fikaonan-doha atao ao amin’ny Le pave Antaninarenina kosa ny tapany hariva. Asaina ny rehetra ka ny lohahevitra amin’izany ny hoe « maro tohanan’ny maro »

  • 12 Oct. 2020 - 05:08-

    Lu pour vous. Le Conseil des Ministres du 7 octobre a pris la décision que l’Etat va effectuer des travaux de relevés sismiques marins pour déterminer la ZEE. Et on apprend sur Africa Intelligence que. Il faut rappeller aussi que durant la présidence de Rajaonarimampianina un programme a été lancé en 2017. Quel sous-marin derrière tout cela ? Lu pour vous ne fait que transmettre l’article de Africa Intelligence. https://www.lakroa.mg/item-2404_articles_monde_18-culmen-international-intronisa-conseiller-stratagique-de-la-marine-malgache.html

  • 09 Oct. 2020 - 17:44-

    Marine malgache a un conseiller stratégique. Culmen International pressenti est intronisé conseiller stratégique de la marine malgache Comme l'avait anticipé Africa Intelligence (09/09/20), Culmen International a remporté le 28 septembre le marché de mise à disposition d'un conseiller stratégique pour la marine malgache. Ce contrat est financé par le Département d'Etat américain à hauteur d'un million de dollars. Culmen s'est imposé face à un autre contractor de défense américain, Sincerus Global Solutions, qui a absorbé en juillet la branche internationale du géant Science Applications International Corp (SAIC).

  • 01 Oct. 2020 - 09:23-

    Le mois d’octobre est consacré au  Saint Rosaire. La prière du rosaire se décline en 4 «groupes» de mystères : joyeux, lumineux, douloureux, glorieux. Chacun de ces «groupes» (ou méditations) se décline en 5 mystères. La prière du rosaire, au complet, comprend donc 20 mystères au total. Prier le chapelet, c’est par conséquent, quotidiennement, prier 5 mystères par jour.

  • 30 Sep. 2020 - 07:34-

    #COVID19
    Atontanisa momba ny Covid-19 ny 29 septambra 2020. Sitrana 192 vaovao.  
    Lavo 229 (+ 0).  
    Marary mafy 16 (– 1).
    FITILIANA : Tests PCR (297), Tests GeneXpert (53)
    Marary 29 vaovao : 1 Cas importé, 2 Analamanga,  Sainte Marie, 4 Ambatondrazaka, 2 Amparafaravola, 3 Matsiatra Ambony, 1 Atsimo Andrefana, 1 Menabe, 4 Antsohihy, 1 Bealanana, 5 Sava, 4 Diana

  • 21 Sep. 2020 - 07:15-

    Mikasika ny toeram-pivavahana: Toy izao indray ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo:
    - Misokatra ireo fiangonana sy mosquée rehetra manerana ny Nosy saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    - Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra
    - Manao aro vava orona ny rehetra
    - Raisina ny mari- pana eo am-pidirana
    - Mampiasa gel désinfection
    - Fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina
    - Tsy azo atao ny fifandraisan-tanana mandritra ny fotoam-pivavahana.

    Jereo ny fepetra manontolo :

    https://www.lakroa.mg/item-2386_articles_societe_18-ireo-fepetra-arahina-mandritra-ny-15-andro-nanomboka-ny-19-septambra-teo.html

  • 11 Sep. 2020 - 07:15-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 10 Septambra 2020
    #Sitrana: 52
    #Tranga_vaovao:104
    • 53 Analamanga, • 17 Antsirabe I, • 2 Antsirabe II, • 1 Mandoto, • 4 Ambositra, • 1 Antsohihy, • 6 Sambava, • 16 Antsiranana I, • 2 Antsiranana II, • 2 Ambilobe
    FITILIANA : Tests PCR (676), Tests GeneXpert (66)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 48 (-3)
     #Aina_nafoy: 02

  • 10 Sep. 2020 - 06:51-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 9 Septambra 2020
    #Sitrana: 24
    #Tranga_vaovao: 85
    Analamanga :22, Alaotra Mangoro :16 (10 :Ambatondrazaka,04 :Amparafaravola), Matsiatra ambony :01, V7V :05 (Manakara), Boeny : 01, Sofia : 05(Mandritsara), Melaky : 01(Maintirano), Anosy :01 (Amboasary atsimo), Menabe : 14(Morondava), SAVA : 04(Sambava), Diana : 15(14 :Antsiranana I, 01 Antsiranana II)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 53
     #Aina_nafoy: 00

Du même auteur

politique
politique

Dans la même rubrique

religion
religion