logo
Lakroan'i Madagasikara
F.F.K.M Fianarantsoa

Herinandro fiaraha-mivavaka 2021

Haja il y a 4 mois

“Jesoa Kristy no fototry ny firaisantsika sy ahafahantsika miray amin’Andriamanitra ary iraisantsika samy isika”, hoy ny Papa Joany Paoly Faharoa.

Herinandro fiaraha-mivavaka 2021

 

Fanao isan-taona ny manokana ny datin’ny 18 ka hatramin’ny 25 janoary ho herinandron’ny fiaraha-mivavaka. Ny 17 ka hatramin’ny 24 janoary 2021 kosa no nanatanterahana ny teto Fianarantsoa. Nanombohana azy ny tao amin’ny “Aumônerie Hopitaly” Tambohobe, ny alahady 17 janoary 2021. Namaranana azy kosa ny 24 janoary 2021, tao amin’ny Paroasy Maria Manjaka Talatamaty. Lohahevitra noraisina ny hoe: “Mihavana amin’ny zavaboary rehetra”. Nanampy tamin’ny fandalinana izany ny tenin’ny Soratra masina, Joany 15:11 “Mba ho aminareo anie ny hafaliako ary mba ho feno anie ny hafalianareo”, sy ny Kolosiana 1,15-20 “Ao aminy no aharetan’ny zavatra rehetra

 

Ezaka iraisan’ny mpino Kristianina ny Ekiomenisma, araka ny vavaka nataon’i Jesoa tamin’ny alakamisy Masina”, hoy ny Presbitera Rakotomalala Odilon, avy ao amin’ny Fiangonana Anglikana. Tsinjon’i Jesoa manko fa nisy ny fikononkononana fisarahana teo amin’ny mpianany. Koa nivavaka tamin’ny Rainy izy ho azy ireo. Izany indrindra no ambaran’ny Evanjelin’ny Md Joany 17, 21: “Mba ho iray ihany anie izy rehetra”. Vavolombelona ho an’ny Kristianina, araka izany, fa tonga hampihavana i Jesoa. Tsy mba nanavakavaka izy fa namela heloka. Fanenjehana avy amin’ny mpanohitra Azy anefa no vokatr’izany. Koa natao sorona tamin’ny hazo fijaliana Izy. Io ilay Hazofijaliana mampihavana ny olombelona amin’Andriamanitra. Fampihavanana tena hita maso, mampifandray ny atsinanana sy ny andrefana. Mampihaona ny avaratra sy ny atsimo na dia ao anatin’ny fahasamihafana aza.

 

Sehatra anehoana ny fomba ifandraisana amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fiaraha-mivavaka kosa ny F.F.K.M. Natao mba hahafahana mifankahalala bebe kokoa amin’ny maha fiombonana kristianina azy. Sehatra ifampizarana ny mahasoa sy ifanoroana hevitra. Efa efapolo taona tokoa manko izao ny nijoroan’ny F.F.K.M. Nisongadina tamin’izany sady mbola tsy hadino ny fanentanana nataon’ny Papa Joany Paoly faharoa, raha nanambara ny Ekiomenisma ao anatin’ny F.F.K.M izy, ny taona 1989 fa:”I Jesoa Kristy ihany no fototry ny firaisantsika sy ahafahantsika miray amin’Andriamanitra ary iraisantsika samy isika”

 

Misy toe-tsaina ekiomenika tokony hananana. Mialoha lalana hatrany io toe-tsaina io ny finoana mba tsy ho ny toe-tsaina no hibaiko ny finoana. Ilaina koa ny fifankatiavana sy ny fifandeferana ary ny fifanajana ao anatin’ny fahasamihafana. Izany hoe: manana ny toe-panahy araka an’Andriamanitra. Tsy ambakan’izany ny fampitam-baovao marina sy tsara fa tsy mampiely tsaho na ny honohono. Ampanjakaina ny fifampihainoana. Mahay mifamela heloka amin’ny fiainana andavanandro. Takiana ny fandraisana andraikitra fa tsy mifampiandry lava. Resena ny tahotra fanenjehana na dia hihatra aman’aina aza. Mila sahy miady hevitra anatin’ny fahasamihafana koa mba hialana amin’ny fihatsaram-belatsihy. Misokatra amin’ny olon-drehetra fa tsy mora sosotra. Tia fihavanana ka manaiky ho tarihin’ny Fanahy Masina.

 

Asa ekiomenika tanterahina miaraka ny fitoriana ny TeninAndriamanitra. Tsy ny hiditra ao anatin’ny F.F.K.M no tanjona mahamaika fa ny famporisihana ny olona hamonjy fiangonana. Omena lanja ny fanabeazana ny maha olona izay hita fa mihen-danja ankehitriny. Marihina fa natao tamin’izao famaranana ny fiombonam-bavaka izao koa ny famindram-pitantanana amin’ny fitarihana ny fikambanana. Nahavita ny anjarany i Pastora Randrianambo Ny Valiha, avy amin’ny F.L.M. Mandimby azy kosa i Mompera Randrianasolo Charles Arsène, avy amin’ny E.K.A.R.


Mandeha ny feo fa manao Politika ny F.F.K.M. “Politika fanasoavana ny mpiray tanàna sy ny mpiara-monina no imasoanay”, hoy ny Presbitera Odilon. Nohamafisiny fa tsy mitambatra amin’ny vondron’olona mikatsaka tombontsoa manokana handrombahana fahefana ny F.F.K.M. Entanina koa, ny lahika mba tsy ho voasarika amin’ny politika maloto.

 

 HAJA

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 10 Apr. 2021 - 05:29-

    ‘‘Antso vonjy ny an’ny vahoaka, miantso ny fanjakana hoe « aiza e… vonjeo e… avela ho ringana ve ny vahoaka ?’’ hoy ny fanombohan’ny Matoan-dahatsoratra ao amin’ny Lakroan’i Madagasikara efa hita teny amin’ny mpivarotra nanomboka ny alakamisy 8 avrily teo… Fa hoy izy mamarana ‘‘Izao no mila jerena…’’ Raha manjifa ny Lakroa ianao dia hahafantatra ny famoaboasana ihany koa ary ahita ny famaranana… Miarova tena, arovy ny akaiky anao. Md Roch…

  • 27 Jan. 2021 - 12:11-

    Fanambaran’ny FFKM. Namoaka fanambarana ny Filoham-piangonana efatra ato anatin'ny FFKM, Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, ny alahady 24 janoary ao anatin’ny Herinandro fiaraha-mivavaka ho an’ny Firaisan’ny Kristianina manerana  ny tany sy eto Madagasikara (18-25 janoary). Vakio ato izany https://www.lakroa.mg/item-2548_articles_politique_18-aoka-ny-rariny-hikoriana.html

  • 25 Jan. 2021 - 08:42-

    Televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Notokanana ny 23 janoary 201 teo tao Toamasina ny televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Ny RTCM na Radio Télévision Catholique Masova no televiziona katolika voalohany eto Madagasikara ary ny diosezin’i Toamasina no nanangana azy io. Miarahaba azy ny www.lakroa.mg ary mirary soa hahavita ny anjara andraikiny amin’ny fampitana ny feon’ny marina sy ny rariny. Ny RTCM dia raisina eo amin’ny ontsam-peo sy sary UHF 42 ao Toamasina. Sary vitsivitsy: https://www.lakroa.mg/item-2545_articles_newtech_18-notokanana-ny-televiziona-katolika-voalohany-eto...

  • 23 Jan. 2021 - 04:30-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021. Toy izao raha fintinana ireo antontan’isa voaray haatramin'ny 22 janoary mahasika ny vokatry ny fandalovan’ny rivodoza ELOISE teto anivon’ny BNGRC (mahakasika ny olona)
    Maty
     : Olona 1 no lavo tamin’ny fandalovan’i ELOISE.
    Traboina
    3 601 ireo traboina.
    Nafindra toerana
    : Nitombo 470 ireo nafindra toerana vonjy maika izay mitotaly 835 izy raha atambatra amin’ny efa voaagona hatramin’izay.

  • 23 Jan. 2021 - 04:28-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021.Raha ny mahakasika ireo foto-drafitr’asa sy trano fonenana dia:
    Miisa 156 ireo trano fonenana dibo-drano raha 645 ireo voakasika sy nahitam-pahasimbana.
    Miisa 193 kosa ireo trano fonenana rava tanteraka.
    142 trano fianarana voakasika sy nahitam-pahasimbana raha roa
    12 kosa ny trano fianarana rava tanteraka.

  • 23 Jan. 2021 - 04:26-

    Birao maharitra Antenimierandoholona. Tontosa ny zoma 22 janoary 2021 ny fifidianana ireo mpikambana mandrafitra ny Birao Maharitra eto anivon’ny Antenimierandoholona. Ka, voafidy ho :
    Filoha Lefitra ho an’ny faritany Avaratra : Loholon’i Madagasikara Imbiki Herilaza ;  
    Filoha lefitra ho an’ny faritany Atsimo : Loholon’i Madagasikara Rabemananjara Jean Paul Nicolas,
    Kestiora : Loholon’i Madagasikara Fernand Eddie Serge,
    Mpampakateny Jeneraly : Loholon’i Madagasikara Rasolondratsimba Raymond.
    Ny Filoha Razafimahefa Herimanana dia efa voafidy ny 19 janoary.

  • 07 Jan. 2021 - 07:36-

    Bonne année 2021. Toute l'équipe, rédaction et technique, de www.lakroa.mg se joint ici pour vous souhaiter, à vous lecteurs et sources, une bonne et heureuse année 2021. Que cette nouvelle année 2021 vous apporte, le bonheur, la joie et la prospérité et l’amour du prochain et du Pays. Notre unique résolution pour l’année 2021 est de réussir à vous apporter la nouvelle vraie avec des analyses lucides hors des sentiers battus. Et soyons solidaires pour notre Patrie et nos concitoyens. https://www.facebook.com/100002397970826/videos/3535584526531445/

  • 26 Dec. 2020 - 10:22-

    Que la magie de Noêl impacte sur votre vie 

    et voici des Suggestions de cadeaux de Noël:

    Pour l’ennemi, le pardon.
    Pour l’adversaire, la tolérance.
    Pour l’ami, votre cœur.
    Pour un client, du service.
    Pour tous, la charité.
    Pour chaque enfant, le bon exemple.
    Pour vous, le respect et

    Pour le Monde entier : l’Amour du Christ par la croix

    Et notre cadeau notre fidélité envers vous sur www.lakroa.mg

  • 07 Dec. 2020 - 07:23-

    Lahatsoratra mety hahaliana anao... Resaka tany

    https://www.lakroa.mg/item-2486_articles_economie_18-a-a-madagascar-comme-partout-sur-le-continent-les-alites-africaines-accaparent-les-terres-fertiles-a.html 

  • 25 Nov. 2020 - 12:28-

    l'économie bleue de l'AMDP a été engloutie par la vague orange. Et voilà que le dossier resurgit sous une autre forme avec d'autres acteurs mais toujours économie bleue (orangée).
    https://www.lakroa.mg/item-2465_articles_economie_18-petite-pache-en-paril-madagascar-signe-des-accords-de-pache-destructeurs-avec-des-investisseurs-chinois.html

  • 18 Oct. 2020 - 04:51-

    Arrêt n°10-HCC/AR du 16 octobre 2020 relative à une demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena. La demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena, est déclarée recevable. Article 3.-La demande du KMF-CNOE Fanabeazana Olompirenana est rejetée comme mal fondée en vertu des considérants 16 à 27. 

  • 18 Oct. 2020 - 04:50-

    Décision n°17-HCC/D3 du 16 octobre 2020 portant sur des requêtes aux fins d’inconstitutionnalité du décret n°2020-1110 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du 11 décembre 2020. Selon l’article 1, les requêtes sont déclarées recevables mais rejetées comme non fondées sur la base des considérants 17 à 25, 27 et 28 (article 3).

  • 17 Oct. 2020 - 05:06-

    Lu pour vous: Une usine clés en main normande expédiée à Madagascar contre la faim.  https://www.lakroa.mg/item-2413_articles_monde_18-une-usine-clas-en-main-normande-expadiae-a-madagascar-contre-la-faim.html

  • 13 Oct. 2020 - 04:49-

    62 taona ny Repoblika Malagasy. Hetsika maro no fantatra fa ho karakaraina hanamarihana ny faha 62 taona ny nanambarana ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy voalohany. Iray amin’ireny ny karakarain’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina. Ny 14 oktobra dia hisy ny fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny FJKM Atsimon’i  Mahamasina ny maraina amin’ny 9 ora sy sasany ary fikaonan-doha atao ao amin’ny Le pave Antaninarenina kosa ny tapany hariva. Asaina ny rehetra ka ny lohahevitra amin’izany ny hoe « maro tohanan’ny maro »

  • 12 Oct. 2020 - 05:08-

    Lu pour vous. Le Conseil des Ministres du 7 octobre a pris la décision que l’Etat va effectuer des travaux de relevés sismiques marins pour déterminer la ZEE. Et on apprend sur Africa Intelligence que. Il faut rappeller aussi que durant la présidence de Rajaonarimampianina un programme a été lancé en 2017. Quel sous-marin derrière tout cela ? Lu pour vous ne fait que transmettre l’article de Africa Intelligence. https://www.lakroa.mg/item-2404_articles_monde_18-culmen-international-intronisa-conseiller-stratagique-de-la-marine-malgache.html

  • 09 Oct. 2020 - 17:44-

    Marine malgache a un conseiller stratégique. Culmen International pressenti est intronisé conseiller stratégique de la marine malgache Comme l'avait anticipé Africa Intelligence (09/09/20), Culmen International a remporté le 28 septembre le marché de mise à disposition d'un conseiller stratégique pour la marine malgache. Ce contrat est financé par le Département d'Etat américain à hauteur d'un million de dollars. Culmen s'est imposé face à un autre contractor de défense américain, Sincerus Global Solutions, qui a absorbé en juillet la branche internationale du géant Science Applications International Corp (SAIC).

  • 01 Oct. 2020 - 09:23-

    Le mois d’octobre est consacré au  Saint Rosaire. La prière du rosaire se décline en 4 «groupes» de mystères : joyeux, lumineux, douloureux, glorieux. Chacun de ces «groupes» (ou méditations) se décline en 5 mystères. La prière du rosaire, au complet, comprend donc 20 mystères au total. Prier le chapelet, c’est par conséquent, quotidiennement, prier 5 mystères par jour.

  • 30 Sep. 2020 - 07:34-

    #COVID19
    Atontanisa momba ny Covid-19 ny 29 septambra 2020. Sitrana 192 vaovao.  
    Lavo 229 (+ 0).  
    Marary mafy 16 (– 1).
    FITILIANA : Tests PCR (297), Tests GeneXpert (53)
    Marary 29 vaovao : 1 Cas importé, 2 Analamanga,  Sainte Marie, 4 Ambatondrazaka, 2 Amparafaravola, 3 Matsiatra Ambony, 1 Atsimo Andrefana, 1 Menabe, 4 Antsohihy, 1 Bealanana, 5 Sava, 4 Diana

  • 21 Sep. 2020 - 07:15-

    Mikasika ny toeram-pivavahana: Toy izao indray ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo:
    - Misokatra ireo fiangonana sy mosquée rehetra manerana ny Nosy saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    - Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra
    - Manao aro vava orona ny rehetra
    - Raisina ny mari- pana eo am-pidirana
    - Mampiasa gel désinfection
    - Fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina
    - Tsy azo atao ny fifandraisan-tanana mandritra ny fotoam-pivavahana.

    Jereo ny fepetra manontolo :

    https://www.lakroa.mg/item-2386_articles_societe_18-ireo-fepetra-arahina-mandritra-ny-15-andro-nanomboka-ny-19-septambra-teo.html

  • 11 Sep. 2020 - 07:15-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 10 Septambra 2020
    #Sitrana: 52
    #Tranga_vaovao:104
    • 53 Analamanga, • 17 Antsirabe I, • 2 Antsirabe II, • 1 Mandoto, • 4 Ambositra, • 1 Antsohihy, • 6 Sambava, • 16 Antsiranana I, • 2 Antsiranana II, • 2 Ambilobe
    FITILIANA : Tests PCR (676), Tests GeneXpert (66)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 48 (-3)
     #Aina_nafoy: 02

Du même auteur

sport
politique

Dans la même rubrique

religion
religion