logo
Lakroan'i Madagasikara
Teny Mahavelona

« Sitrana ny boka !»

Malala il y a 4 mois

Ny fanasitranan’i Jesoa boka anankiray nitalaho fanasitranana taminy no tantarain’ny evanjely androany (alahady tsotra faha-6B). Fampianarana atolotra etoana hanaraka antsika mandritra ny herinandro.

 « Sitrana ny boka !»




Alahady 14 Febroary 2021

Alahady Tsotra Faha-6B

Lev. 13, 1-2. 45-46; 1Kor. 10, 13 – 11, 1; Mk. 1, 40-45

 

« Sitrana ny boka !»

 

Ny fanasitranan’i Jesoa boka anankiray nitalaho fanasitranana taminy no tantarain’ny evanjely androany (alahady tsotra faha-6B). Ankoatra ny fitantarana io fanasitranana io anefa dia asongadin’ny evanjely ihany koa ny toe-po amam-panahin’i Jesoa manoloana ny Lalàn’i Moizy momba ny aretin-koditra sy ny habokana.

Miankina amin’i Jesoa ny fanasitranana : « Raha mety Ianao dia mahay manadio ahy ». Izany no talahon’ilay marary hoditra, boka, nandohalika teo anatrehan’i Jesoa. Raha araka ny Lalàn’i Moizy dia tsy tokony ho nanatona an’i Jesoa akory ity boka ity. Nosokajiana ho isan’ny « mampahaloto » ny olona ny habokana teo amin’ny Testamenta Taloha ; izany hoe fady ka mahatonga ny olona iray voan’izany aretina izany tsy ho isam-bahoaka intsony, tsy ho afa-mandray anjara amin’ny sorona sy ny fanatitra ao an-tempoly intsony,  ary tsy maintsy roahina ivelan’ny tanàna ; « hitokana irery any ivelan’ny toby » (hoy ny Vakiteny voalohany). Mandika ny lalàn’i Moizy ity boka ity satria mbola sahy nanatona an’i Jesoa sy nandohalika teo anatrehany ihany izy. Azon’i Jesoa ho natao tsara ny nandroaka ilay marary tsy hanatona Azy, araka izany Lalàna izany ihany. Azony ho natao tsara ihany koa ny nandositra tsy hohakaikezin’ity marary ity. Mbola ara-dalàna ihany koa izany. Miankina tanteraka Aminy àry ny hahasitrana ity marary ity. Miankina tanteraka amin’ny fahafahany ihany koa anefa na hanaraka ny Lalàna Izy na handika izany.

Nihoaran’i Jesoa ny Lalàna : « Mety aho, madiova ianao ». Mifanohitra amin’ny voalazan’ny Lalàna izany valintenin’i Jesoa izany. Fa vao mainka koa mifanohitra amin’ny Lalàna ny fihetsiny. : « Nangoraka azy i Jesoa ka naninjitra ny tanany dia nanendry [nikasika] azy ». Fantatr’i Jesoa tsara fa raha araka ny Lalàna dia « maloto », izany hoe « fady » ny habokana… Fantany tsara ihany koa fa mahatonga Azy ho « maloto » sy « manota fady » ny manakaiky sy mikasika boka. Nampangoraka azy anefa ny talahon’ity marary ity, izay nanankina tanteraka ny fiainany ho araka izay sitrapony. Ny fahefana nananany sy ny fangorahana tao anatiny no nanosika an’i Jesoa hihoatra ny Lalàna. Miharihary ny maha olombelona mahay mangoraka Azy. Mibaribary koa anefa ny maha Andriamanitra Azy, tompon’ny fahefana rehetra. Mijery ny maha olona Izy fa tsy nijery izay voalazan’ny Lalàna...

Narahin’i Jesoa indray ny Lalàna : « Mandehana misehoa amin’ny mpisorona…, manatera ny fanatitra nodidian’i Moizy ». Tsy izay mety ho Lalàna rehetra anefa dia nihoaran’i Jesoa avokoa. Misy ireo Lalàna mandrava, mampizarazara ny fiarahamonina. Misy kosa ireo Lalàna manorina, mampivondrona sy mampiray ny olombelona. Nanadio izay noheverina ho « maloto » i Jesoa, na dia tsy araka ny Lalàna aza izany. Namerina indray izay « voadio » ho eo anivon’ny fiarahamonina izy. Naniraka ilay marary hoditra vao sitrana hiseho amin’ny tompon’andraikitra ary hanatitra fanatitra hanehoana fanakasitrahana an’Andriamanitra Ray.

Naka tahaka an’i Jesoa i Md Paoly : « Makà tahaka ahy, toy ny akako tahaka an’i Kristy ». Anisan’ny fihetsika naha resy lahatra an’i Md Paoly ity fahafahana nasehon’i Jesoa manoloana ny Lalàna ity (vakiteny faharoa). Tsy manao izay hanafintohina ny olona na iza izy na iza fa manao izay hahafaly ny olona rehetra. Tsy mitady ny ho an’ny tena, fa ny ho an’ny be sy ny maro. Izany no fomba fiaina noraisin’i Md Paoly tamin’i Jesoa ka mba ampitainy amin’ny kristianina ihany koa.

Betsaka  ny endrika habokana miseho eo amin’ny fiainan’ny olombelona: ao ny bokan’ny aretina ka tsy maintsy mitokana sy manaraka fihibohana tsy hifanerasera amin’ny havana aman-tsakaizany; ao ny bokan’ny trosa ka misitrika sy mandositra ny mpitaky trosa; fa ao indrindra indrindra ireo bokan’ny fahotana sy ny faharatsian-toetra ka tsy miseho andro intsony noho ny henatra sy ny famoizam-po! Soa anefa fa eo i Jesoa ilay manasitrana ny boka!

« Jesoa Tompo ô, nanasitrana ny boka Ianao tety an-tany, na dia tsy araka ny lalàna tamin’izany aza; koa ampio izahay tsy hanaraka ambokony fotsiny ny fomba amam-panao sy ny lalàna mahazatra fa hitana ny tena votoatin’ny Evanjely. Manafaha anay amin’ny ratsy rehetra ary diovy amin’ny habokan’ny fahotana izahay».

Malala

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 10 Apr. 2021 - 05:29-

    ‘‘Antso vonjy ny an’ny vahoaka, miantso ny fanjakana hoe « aiza e… vonjeo e… avela ho ringana ve ny vahoaka ?’’ hoy ny fanombohan’ny Matoan-dahatsoratra ao amin’ny Lakroan’i Madagasikara efa hita teny amin’ny mpivarotra nanomboka ny alakamisy 8 avrily teo… Fa hoy izy mamarana ‘‘Izao no mila jerena…’’ Raha manjifa ny Lakroa ianao dia hahafantatra ny famoaboasana ihany koa ary ahita ny famaranana… Miarova tena, arovy ny akaiky anao. Md Roch…

  • 27 Jan. 2021 - 12:11-

    Fanambaran’ny FFKM. Namoaka fanambarana ny Filoham-piangonana efatra ato anatin'ny FFKM, Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, ny alahady 24 janoary ao anatin’ny Herinandro fiaraha-mivavaka ho an’ny Firaisan’ny Kristianina manerana  ny tany sy eto Madagasikara (18-25 janoary). Vakio ato izany https://www.lakroa.mg/item-2548_articles_politique_18-aoka-ny-rariny-hikoriana.html

  • 25 Jan. 2021 - 08:42-

    Televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Notokanana ny 23 janoary 201 teo tao Toamasina ny televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Ny RTCM na Radio Télévision Catholique Masova no televiziona katolika voalohany eto Madagasikara ary ny diosezin’i Toamasina no nanangana azy io. Miarahaba azy ny www.lakroa.mg ary mirary soa hahavita ny anjara andraikiny amin’ny fampitana ny feon’ny marina sy ny rariny. Ny RTCM dia raisina eo amin’ny ontsam-peo sy sary UHF 42 ao Toamasina. Sary vitsivitsy: https://www.lakroa.mg/item-2545_articles_newtech_18-notokanana-ny-televiziona-katolika-voalohany-eto...

  • 23 Jan. 2021 - 04:30-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021. Toy izao raha fintinana ireo antontan’isa voaray haatramin'ny 22 janoary mahasika ny vokatry ny fandalovan’ny rivodoza ELOISE teto anivon’ny BNGRC (mahakasika ny olona)
    Maty
     : Olona 1 no lavo tamin’ny fandalovan’i ELOISE.
    Traboina
    3 601 ireo traboina.
    Nafindra toerana
    : Nitombo 470 ireo nafindra toerana vonjy maika izay mitotaly 835 izy raha atambatra amin’ny efa voaagona hatramin’izay.

  • 23 Jan. 2021 - 04:28-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021.Raha ny mahakasika ireo foto-drafitr’asa sy trano fonenana dia:
    Miisa 156 ireo trano fonenana dibo-drano raha 645 ireo voakasika sy nahitam-pahasimbana.
    Miisa 193 kosa ireo trano fonenana rava tanteraka.
    142 trano fianarana voakasika sy nahitam-pahasimbana raha roa
    12 kosa ny trano fianarana rava tanteraka.

  • 23 Jan. 2021 - 04:26-

    Birao maharitra Antenimierandoholona. Tontosa ny zoma 22 janoary 2021 ny fifidianana ireo mpikambana mandrafitra ny Birao Maharitra eto anivon’ny Antenimierandoholona. Ka, voafidy ho :
    Filoha Lefitra ho an’ny faritany Avaratra : Loholon’i Madagasikara Imbiki Herilaza ;  
    Filoha lefitra ho an’ny faritany Atsimo : Loholon’i Madagasikara Rabemananjara Jean Paul Nicolas,
    Kestiora : Loholon’i Madagasikara Fernand Eddie Serge,
    Mpampakateny Jeneraly : Loholon’i Madagasikara Rasolondratsimba Raymond.
    Ny Filoha Razafimahefa Herimanana dia efa voafidy ny 19 janoary.

  • 07 Jan. 2021 - 07:36-

    Bonne année 2021. Toute l'équipe, rédaction et technique, de www.lakroa.mg se joint ici pour vous souhaiter, à vous lecteurs et sources, une bonne et heureuse année 2021. Que cette nouvelle année 2021 vous apporte, le bonheur, la joie et la prospérité et l’amour du prochain et du Pays. Notre unique résolution pour l’année 2021 est de réussir à vous apporter la nouvelle vraie avec des analyses lucides hors des sentiers battus. Et soyons solidaires pour notre Patrie et nos concitoyens. https://www.facebook.com/100002397970826/videos/3535584526531445/

  • 26 Dec. 2020 - 10:22-

    Que la magie de Noêl impacte sur votre vie 

    et voici des Suggestions de cadeaux de Noël:

    Pour l’ennemi, le pardon.
    Pour l’adversaire, la tolérance.
    Pour l’ami, votre cœur.
    Pour un client, du service.
    Pour tous, la charité.
    Pour chaque enfant, le bon exemple.
    Pour vous, le respect et

    Pour le Monde entier : l’Amour du Christ par la croix

    Et notre cadeau notre fidélité envers vous sur www.lakroa.mg

  • 07 Dec. 2020 - 07:23-

    Lahatsoratra mety hahaliana anao... Resaka tany

    https://www.lakroa.mg/item-2486_articles_economie_18-a-a-madagascar-comme-partout-sur-le-continent-les-alites-africaines-accaparent-les-terres-fertiles-a.html 

  • 25 Nov. 2020 - 12:28-

    l'économie bleue de l'AMDP a été engloutie par la vague orange. Et voilà que le dossier resurgit sous une autre forme avec d'autres acteurs mais toujours économie bleue (orangée).
    https://www.lakroa.mg/item-2465_articles_economie_18-petite-pache-en-paril-madagascar-signe-des-accords-de-pache-destructeurs-avec-des-investisseurs-chinois.html

  • 18 Oct. 2020 - 04:51-

    Arrêt n°10-HCC/AR du 16 octobre 2020 relative à une demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena. La demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena, est déclarée recevable. Article 3.-La demande du KMF-CNOE Fanabeazana Olompirenana est rejetée comme mal fondée en vertu des considérants 16 à 27. 

  • 18 Oct. 2020 - 04:50-

    Décision n°17-HCC/D3 du 16 octobre 2020 portant sur des requêtes aux fins d’inconstitutionnalité du décret n°2020-1110 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du 11 décembre 2020. Selon l’article 1, les requêtes sont déclarées recevables mais rejetées comme non fondées sur la base des considérants 17 à 25, 27 et 28 (article 3).

  • 17 Oct. 2020 - 05:06-

    Lu pour vous: Une usine clés en main normande expédiée à Madagascar contre la faim.  https://www.lakroa.mg/item-2413_articles_monde_18-une-usine-clas-en-main-normande-expadiae-a-madagascar-contre-la-faim.html

  • 13 Oct. 2020 - 04:49-

    62 taona ny Repoblika Malagasy. Hetsika maro no fantatra fa ho karakaraina hanamarihana ny faha 62 taona ny nanambarana ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy voalohany. Iray amin’ireny ny karakarain’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina. Ny 14 oktobra dia hisy ny fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny FJKM Atsimon’i  Mahamasina ny maraina amin’ny 9 ora sy sasany ary fikaonan-doha atao ao amin’ny Le pave Antaninarenina kosa ny tapany hariva. Asaina ny rehetra ka ny lohahevitra amin’izany ny hoe « maro tohanan’ny maro »

  • 12 Oct. 2020 - 05:08-

    Lu pour vous. Le Conseil des Ministres du 7 octobre a pris la décision que l’Etat va effectuer des travaux de relevés sismiques marins pour déterminer la ZEE. Et on apprend sur Africa Intelligence que. Il faut rappeller aussi que durant la présidence de Rajaonarimampianina un programme a été lancé en 2017. Quel sous-marin derrière tout cela ? Lu pour vous ne fait que transmettre l’article de Africa Intelligence. https://www.lakroa.mg/item-2404_articles_monde_18-culmen-international-intronisa-conseiller-stratagique-de-la-marine-malgache.html

  • 09 Oct. 2020 - 17:44-

    Marine malgache a un conseiller stratégique. Culmen International pressenti est intronisé conseiller stratégique de la marine malgache Comme l'avait anticipé Africa Intelligence (09/09/20), Culmen International a remporté le 28 septembre le marché de mise à disposition d'un conseiller stratégique pour la marine malgache. Ce contrat est financé par le Département d'Etat américain à hauteur d'un million de dollars. Culmen s'est imposé face à un autre contractor de défense américain, Sincerus Global Solutions, qui a absorbé en juillet la branche internationale du géant Science Applications International Corp (SAIC).

  • 01 Oct. 2020 - 09:23-

    Le mois d’octobre est consacré au  Saint Rosaire. La prière du rosaire se décline en 4 «groupes» de mystères : joyeux, lumineux, douloureux, glorieux. Chacun de ces «groupes» (ou méditations) se décline en 5 mystères. La prière du rosaire, au complet, comprend donc 20 mystères au total. Prier le chapelet, c’est par conséquent, quotidiennement, prier 5 mystères par jour.

  • 30 Sep. 2020 - 07:34-

    #COVID19
    Atontanisa momba ny Covid-19 ny 29 septambra 2020. Sitrana 192 vaovao.  
    Lavo 229 (+ 0).  
    Marary mafy 16 (– 1).
    FITILIANA : Tests PCR (297), Tests GeneXpert (53)
    Marary 29 vaovao : 1 Cas importé, 2 Analamanga,  Sainte Marie, 4 Ambatondrazaka, 2 Amparafaravola, 3 Matsiatra Ambony, 1 Atsimo Andrefana, 1 Menabe, 4 Antsohihy, 1 Bealanana, 5 Sava, 4 Diana

  • 21 Sep. 2020 - 07:15-

    Mikasika ny toeram-pivavahana: Toy izao indray ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo:
    - Misokatra ireo fiangonana sy mosquée rehetra manerana ny Nosy saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    - Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra
    - Manao aro vava orona ny rehetra
    - Raisina ny mari- pana eo am-pidirana
    - Mampiasa gel désinfection
    - Fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina
    - Tsy azo atao ny fifandraisan-tanana mandritra ny fotoam-pivavahana.

    Jereo ny fepetra manontolo :

    https://www.lakroa.mg/item-2386_articles_societe_18-ireo-fepetra-arahina-mandritra-ny-15-andro-nanomboka-ny-19-septambra-teo.html

  • 11 Sep. 2020 - 07:15-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 10 Septambra 2020
    #Sitrana: 52
    #Tranga_vaovao:104
    • 53 Analamanga, • 17 Antsirabe I, • 2 Antsirabe II, • 1 Mandoto, • 4 Ambositra, • 1 Antsohihy, • 6 Sambava, • 16 Antsiranana I, • 2 Antsiranana II, • 2 Ambilobe
    FITILIANA : Tests PCR (676), Tests GeneXpert (66)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 48 (-3)
     #Aina_nafoy: 02

Du même auteur

sport
politique

Dans la même rubrique

religion
religion