logo
Lakroan'i Madagasikara
Teny Mahavelona

«Ary nahita izy ka nino fa nitsangan-ko velona tokoa ny Tompo.»

Malala il y a 1 moi

Alahadin’ny Paka. Alahady, andro voalohany amin’ny herinandro, ho an’ny fanisana andro tamin’ny andron’i Jesoa. Andro misantatra ny herinandro vaovao sy ny fiainam-baovao miaraka amin’i Jesoa maty fa nitsangan-ko velona.

«Ary nahita izy ka nino fa nitsangan-ko velona tokoa ny Tompo.»

TENY MAHAVELONA

Alahady 4 aprily 2021

ALAHADY PAKA

Asa. 10, 34a. 37-43 ; Kol. 3, 1-4 ; Jo. 20, 1-9

«Ary nahita izy ka nino fa nitsangan-ko velona tokoa ny Tompo.»



 Ny fijerin’ireo izay niaina izany andro voalohany manan-tantara izany no nampitsimoka tsikelikely ny finoana ny fitsanganan’ny Tompo ho velona ary nampisandrahaka izany ho an’ny finoana iveloman’ny kristianina sy ireo olona tsara sitrapo mandraka ankehitriny.

Maria Madalenina: « Lasa marainakoa mbola maizina nankany amin’ny fasana i Madalenina ». Fantatra ny fitiavan’i Madalenina an’i Jesoa. Tsy misy tsy nahalala ny firaiketam-pony tamin’i Jesoa. Tsy andriny izay hahatapitra ny fe-potoanan’ny sabata tsy ahafana mihetsika hany ka vao marainakoa ny andro voalohan’ny herinandro dia lasa izy nankany amin’ny fasana ; hamangy ny fasana, hamangy « ilay Tompo malalany » mandry ao ambany rangolahy, araka ny fiheverany azy.

« Nahita [izy] fa voaesotra tamin’ny fasana ny vato ». Zavatra tsy nampoizina anefa no hitany. Ny fahitana ny vato voaesotra tamin’ny fasana ho azy dia midìka fa “nalain’ny olona tao am-pasana ny Tompo”. Tsy azony an-tsaina velively ny fiheverana fa efa nitsangana ny Tompo. Matetika tokoa rehefa ao anatin’ny savorovorom-piainana dia tonga ho azy ny fisainana mety diso fitsara. Mila fahatoniana mandrakariva ny mamantatra ny hevitra ambaran’ny zava-mitranga tsy ampoizina. Amin’ireny indrindra mantsy no hanambaran’ny Tompo ny hafatra tiany ampitaina.

Simona Piera: «Dia mba lasa koa i Piera sy ilay mpianatra anankiray nankany amin’ny fasana ». Fantatra ihany koa ny fitiavan’i Piera an’i Jesoa. Tsy misy tsy mahalala ny fikirizany hiaraka amin’i Jesoa hatramin’ny farany kanefa sendra ny tsy nampoizina izy tamin’ny fotoana nitsaràna an’i Jesoa ka nandà Azy in-telo… Tsy nahasakana azy tsy hiazakazaka ho any amin’ny fasana ny taonany efa mandroso hany ka na dia tsy nanana ny hafaiganam-pandehany intsony aza izy dia tody teny amin’ny fasana ihany.

« … dia niditra tao am-pasana ka nahita ny lamba… ». Mihamandroso ny fahitana. Tsy ny vato voaesotra hitan’i Madalenina intsony no nifantohan’ny fijerin’i Piera fa ireo lamba nipetraka tao amin’ny fasana. Mihamandroso ihany koa ny finoany. Tsy hitany « ilay Tompo tiany » kanefa tsy mba nihevitra Azy ho nisy nangalatra izy fa nandinika kosa ny hevitr’izato filaminan’ireto lamba ; navalona sy natokana toerana “ny lamba nasarona ny lohany”. Arakaraky ny fahatoniana sy ny filaminan-tsaina no ahitana mazava tsikelikely ny hevitry ny famantarana eo amin’ny zava-mitranga.

Ilay mpianatra anankiray : « Dia niditra koa ilay mpianatra izay tonga taloha teo amin’ny fasana ». Fantatra ny fitiavan’ity mpianatra anankiray ity an’i Jesoa. Araka ny lovantsofina aza dia ity mpianatra ity no nantsoina ihany koa hoe “ilay mpianatra malalan’ny Tompo”. Tanora izy. Mailamailaka sy haingam-pandeha kokoa ho any amin’ny fasana. Izy no tonga voalohany teny amin’ny fasana. Na dia izany aza anefa dia nanaja ny zokiolona izy ka niandry an’i Piera ho tonga aloha vao niditra nanaraka azy.

« Dia niondrika izy ka nahita ny lamba nipetraka teo… ». Tsy ny vato voaesotra ihany koa no nifantohan’ny sainy fa ireto lamba namonosana ny Tompo izay nipetraka teo kanefa ny Tompo tsy teo intsony. Famantarana ho azy izany fa velona tokoa ny Tompo. Tsy nahita Azy anefa izy fa “nahita [ny lamba] dia nino”.

Jesoa Tompo ô, notarihinao tamin’ny fomba samihafa hino ny fitsangananao ho velona ireo mpianatrao na lahy na vavy, na antitra na tanora. Ampitomboy ny finoanay mba hahitanay Anao amin’ireo zava-mitranga eo amin’ny fiainanay ka hahalalanay fa nitsangan-ko velona tokoa Ianao ary velona eo anivonay ka mahalala ny fiainanay.

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 10 Apr. 2021 - 05:29-

    ‘‘Antso vonjy ny an’ny vahoaka, miantso ny fanjakana hoe « aiza e… vonjeo e… avela ho ringana ve ny vahoaka ?’’ hoy ny fanombohan’ny Matoan-dahatsoratra ao amin’ny Lakroan’i Madagasikara efa hita teny amin’ny mpivarotra nanomboka ny alakamisy 8 avrily teo… Fa hoy izy mamarana ‘‘Izao no mila jerena…’’ Raha manjifa ny Lakroa ianao dia hahafantatra ny famoaboasana ihany koa ary ahita ny famaranana… Miarova tena, arovy ny akaiky anao. Md Roch…

  • 27 Jan. 2021 - 12:11-

    Fanambaran’ny FFKM. Namoaka fanambarana ny Filoham-piangonana efatra ato anatin'ny FFKM, Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, ny alahady 24 janoary ao anatin’ny Herinandro fiaraha-mivavaka ho an’ny Firaisan’ny Kristianina manerana  ny tany sy eto Madagasikara (18-25 janoary). Vakio ato izany https://www.lakroa.mg/item-2548_articles_politique_18-aoka-ny-rariny-hikoriana.html

  • 25 Jan. 2021 - 08:42-

    Televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Notokanana ny 23 janoary 201 teo tao Toamasina ny televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Ny RTCM na Radio Télévision Catholique Masova no televiziona katolika voalohany eto Madagasikara ary ny diosezin’i Toamasina no nanangana azy io. Miarahaba azy ny www.lakroa.mg ary mirary soa hahavita ny anjara andraikiny amin’ny fampitana ny feon’ny marina sy ny rariny. Ny RTCM dia raisina eo amin’ny ontsam-peo sy sary UHF 42 ao Toamasina. Sary vitsivitsy: https://www.lakroa.mg/item-2545_articles_newtech_18-notokanana-ny-televiziona-katolika-voalohany-eto...

  • 23 Jan. 2021 - 04:30-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021. Toy izao raha fintinana ireo antontan’isa voaray haatramin'ny 22 janoary mahasika ny vokatry ny fandalovan’ny rivodoza ELOISE teto anivon’ny BNGRC (mahakasika ny olona)
    Maty
     : Olona 1 no lavo tamin’ny fandalovan’i ELOISE.
    Traboina
    3 601 ireo traboina.
    Nafindra toerana
    : Nitombo 470 ireo nafindra toerana vonjy maika izay mitotaly 835 izy raha atambatra amin’ny efa voaagona hatramin’izay.

  • 23 Jan. 2021 - 04:28-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021.Raha ny mahakasika ireo foto-drafitr’asa sy trano fonenana dia:
    Miisa 156 ireo trano fonenana dibo-drano raha 645 ireo voakasika sy nahitam-pahasimbana.
    Miisa 193 kosa ireo trano fonenana rava tanteraka.
    142 trano fianarana voakasika sy nahitam-pahasimbana raha roa
    12 kosa ny trano fianarana rava tanteraka.

  • 23 Jan. 2021 - 04:26-

    Birao maharitra Antenimierandoholona. Tontosa ny zoma 22 janoary 2021 ny fifidianana ireo mpikambana mandrafitra ny Birao Maharitra eto anivon’ny Antenimierandoholona. Ka, voafidy ho :
    Filoha Lefitra ho an’ny faritany Avaratra : Loholon’i Madagasikara Imbiki Herilaza ;  
    Filoha lefitra ho an’ny faritany Atsimo : Loholon’i Madagasikara Rabemananjara Jean Paul Nicolas,
    Kestiora : Loholon’i Madagasikara Fernand Eddie Serge,
    Mpampakateny Jeneraly : Loholon’i Madagasikara Rasolondratsimba Raymond.
    Ny Filoha Razafimahefa Herimanana dia efa voafidy ny 19 janoary.

  • 07 Jan. 2021 - 07:36-

    Bonne année 2021. Toute l'équipe, rédaction et technique, de www.lakroa.mg se joint ici pour vous souhaiter, à vous lecteurs et sources, une bonne et heureuse année 2021. Que cette nouvelle année 2021 vous apporte, le bonheur, la joie et la prospérité et l’amour du prochain et du Pays. Notre unique résolution pour l’année 2021 est de réussir à vous apporter la nouvelle vraie avec des analyses lucides hors des sentiers battus. Et soyons solidaires pour notre Patrie et nos concitoyens. https://www.facebook.com/100002397970826/videos/3535584526531445/

  • 26 Dec. 2020 - 10:22-

    Que la magie de Noêl impacte sur votre vie 

    et voici des Suggestions de cadeaux de Noël:

    Pour l’ennemi, le pardon.
    Pour l’adversaire, la tolérance.
    Pour l’ami, votre cœur.
    Pour un client, du service.
    Pour tous, la charité.
    Pour chaque enfant, le bon exemple.
    Pour vous, le respect et

    Pour le Monde entier : l’Amour du Christ par la croix

    Et notre cadeau notre fidélité envers vous sur www.lakroa.mg

  • 07 Dec. 2020 - 07:23-

    Lahatsoratra mety hahaliana anao... Resaka tany

    https://www.lakroa.mg/item-2486_articles_economie_18-a-a-madagascar-comme-partout-sur-le-continent-les-alites-africaines-accaparent-les-terres-fertiles-a.html 

  • 25 Nov. 2020 - 12:28-

    l'économie bleue de l'AMDP a été engloutie par la vague orange. Et voilà que le dossier resurgit sous une autre forme avec d'autres acteurs mais toujours économie bleue (orangée).
    https://www.lakroa.mg/item-2465_articles_economie_18-petite-pache-en-paril-madagascar-signe-des-accords-de-pache-destructeurs-avec-des-investisseurs-chinois.html

  • 18 Oct. 2020 - 04:51-

    Arrêt n°10-HCC/AR du 16 octobre 2020 relative à une demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena. La demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena, est déclarée recevable. Article 3.-La demande du KMF-CNOE Fanabeazana Olompirenana est rejetée comme mal fondée en vertu des considérants 16 à 27. 

  • 18 Oct. 2020 - 04:50-

    Décision n°17-HCC/D3 du 16 octobre 2020 portant sur des requêtes aux fins d’inconstitutionnalité du décret n°2020-1110 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du 11 décembre 2020. Selon l’article 1, les requêtes sont déclarées recevables mais rejetées comme non fondées sur la base des considérants 17 à 25, 27 et 28 (article 3).

  • 17 Oct. 2020 - 05:06-

    Lu pour vous: Une usine clés en main normande expédiée à Madagascar contre la faim.  https://www.lakroa.mg/item-2413_articles_monde_18-une-usine-clas-en-main-normande-expadiae-a-madagascar-contre-la-faim.html

  • 13 Oct. 2020 - 04:49-

    62 taona ny Repoblika Malagasy. Hetsika maro no fantatra fa ho karakaraina hanamarihana ny faha 62 taona ny nanambarana ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy voalohany. Iray amin’ireny ny karakarain’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina. Ny 14 oktobra dia hisy ny fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny FJKM Atsimon’i  Mahamasina ny maraina amin’ny 9 ora sy sasany ary fikaonan-doha atao ao amin’ny Le pave Antaninarenina kosa ny tapany hariva. Asaina ny rehetra ka ny lohahevitra amin’izany ny hoe « maro tohanan’ny maro »

  • 12 Oct. 2020 - 05:08-

    Lu pour vous. Le Conseil des Ministres du 7 octobre a pris la décision que l’Etat va effectuer des travaux de relevés sismiques marins pour déterminer la ZEE. Et on apprend sur Africa Intelligence que. Il faut rappeller aussi que durant la présidence de Rajaonarimampianina un programme a été lancé en 2017. Quel sous-marin derrière tout cela ? Lu pour vous ne fait que transmettre l’article de Africa Intelligence. https://www.lakroa.mg/item-2404_articles_monde_18-culmen-international-intronisa-conseiller-stratagique-de-la-marine-malgache.html

  • 09 Oct. 2020 - 17:44-

    Marine malgache a un conseiller stratégique. Culmen International pressenti est intronisé conseiller stratégique de la marine malgache Comme l'avait anticipé Africa Intelligence (09/09/20), Culmen International a remporté le 28 septembre le marché de mise à disposition d'un conseiller stratégique pour la marine malgache. Ce contrat est financé par le Département d'Etat américain à hauteur d'un million de dollars. Culmen s'est imposé face à un autre contractor de défense américain, Sincerus Global Solutions, qui a absorbé en juillet la branche internationale du géant Science Applications International Corp (SAIC).

  • 01 Oct. 2020 - 09:23-

    Le mois d’octobre est consacré au  Saint Rosaire. La prière du rosaire se décline en 4 «groupes» de mystères : joyeux, lumineux, douloureux, glorieux. Chacun de ces «groupes» (ou méditations) se décline en 5 mystères. La prière du rosaire, au complet, comprend donc 20 mystères au total. Prier le chapelet, c’est par conséquent, quotidiennement, prier 5 mystères par jour.

  • 30 Sep. 2020 - 07:34-

    #COVID19
    Atontanisa momba ny Covid-19 ny 29 septambra 2020. Sitrana 192 vaovao.  
    Lavo 229 (+ 0).  
    Marary mafy 16 (– 1).
    FITILIANA : Tests PCR (297), Tests GeneXpert (53)
    Marary 29 vaovao : 1 Cas importé, 2 Analamanga,  Sainte Marie, 4 Ambatondrazaka, 2 Amparafaravola, 3 Matsiatra Ambony, 1 Atsimo Andrefana, 1 Menabe, 4 Antsohihy, 1 Bealanana, 5 Sava, 4 Diana

  • 21 Sep. 2020 - 07:15-

    Mikasika ny toeram-pivavahana: Toy izao indray ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo:
    - Misokatra ireo fiangonana sy mosquée rehetra manerana ny Nosy saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    - Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra
    - Manao aro vava orona ny rehetra
    - Raisina ny mari- pana eo am-pidirana
    - Mampiasa gel désinfection
    - Fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina
    - Tsy azo atao ny fifandraisan-tanana mandritra ny fotoam-pivavahana.

    Jereo ny fepetra manontolo :

    https://www.lakroa.mg/item-2386_articles_societe_18-ireo-fepetra-arahina-mandritra-ny-15-andro-nanomboka-ny-19-septambra-teo.html

  • 11 Sep. 2020 - 07:15-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 10 Septambra 2020
    #Sitrana: 52
    #Tranga_vaovao:104
    • 53 Analamanga, • 17 Antsirabe I, • 2 Antsirabe II, • 1 Mandoto, • 4 Ambositra, • 1 Antsohihy, • 6 Sambava, • 16 Antsiranana I, • 2 Antsiranana II, • 2 Ambilobe
    FITILIANA : Tests PCR (676), Tests GeneXpert (66)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 48 (-3)
     #Aina_nafoy: 02

Du même auteur

chronique
politique

Dans la même rubrique

religion
religion