logo
Lakroan'i Madagasikara
Ny tanora sy ny hamehana ara-pahasalamana

Misy ihany ireo lafi-tsaran’izao fihibohana izao

Nanangona RWAT il y a 10 jours

Tanora efatra no maneho hevitra manoloana izao hamehana ara-pahasalamana izao. Ny fiainana mitohy, ny ho avy omanina, tsy maintsy tandremana ihany koa anefa ny fahasalamana fa mety hamoizana ny aina amin’izao fipariahan’ny coronavirus izao.

Misy ihany ireo lafi-tsaran’izao fihibohana izao

Razaiarinirina Joanicka Aurélie, mpianatra ao amin'ny école Arc-en-ciel Mahajanga

 

Tanora ianao. Manoloana izao vanim-potoana sarotra izao. Manao ahoana ny fiatrehanao izany ?

Sarotra tokoa raha izao vanim-potoana iainantsika izao. Fa na izany na tsy izany dia miezaka ny manaraka ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana izay voalazan’ny Filoha. Amin’ny maha tanora ny tena, ankoatra ny hoe manahirana ny manao aro vava sy orona (somary sempotra sy mararirary ny loha) dia voatery nanajanona tsy satry daholo ny fiarahana amin’ny namana, ny fianarana, ny fandehanana any am-piangonana. Ny tena anefa araka ny maha tanora izay dia te hanararaotra izay fahatanorana izay ka mba te hifaly sy hitotorebika ary tia mandehandeha maka rivotra. Fehiny : somary sahirana amin’ny fiatrehana izao fiainana izao saingy miezaka hatrany ny manatanteraka ireo fepetra satria tsy te ho voan’ny aretina.

Ahoana ny fahitanao ny ho avinao ? Hanohy hianatra ve ? Sa hitady asa ? Nahoana ?

Hatreto aloha dia manjavozavo ny fahitako ny hoaviko satria iaraha-mahalala fa tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny fianarana. Ny tenako rahateo hanala fanadinana. Fa na izany na tsy izany dia ho tohizana hatrany ny fianarana satria io hono no lova tsara indrindra.

Inona no hitanao fa lafy tsara azo raisina amin’izao ?

Ny hany lafy tsara azoko raisina aloha izany amin’izao dia ny fiarahan’ny mpiray trano sy ny mpianakavy mifandray bebe kokoa sy mifampizara hafaliana. Ferana manko ny fotoana ivoahana ny trano. Fa ankoatra izay dia ny mba miala sasatra kely izany ny saina mandra-piverenan’ny fianarana amin’ny laoniny indray.

 

 

Rasoarinivo Manohy, mpianatra ho mpitsabo mpanampy taona faharoa

 

Tanora ianao manoloana izao vanim-potoana sarotra izao. Manao ahoana ny fiatrehanao izany?

Sarotra tokoa ny vanim-potoana ankehitriny ary manahirana sy mampitaintaina ny fiatrehana azy, ny fianarana tsy mandeha, ny fiainana mihasarotra satria na ny fitadiavana aza tsy mandeha tsara.

Ahoana ny fahitanao ny hoavinao? Hanohy hianatra ve? Sa hitady asa? Nahoana?

Ny hoavy moa dia manjavozavo. Tsy hita taratra hoe hanao ahoana marina? Saingy tohizana ihany aloha ny fianarana satria ankehitriny tsy mahita asa raha tsy manana mari-pahaizana, eny fa na dia ireo manana mari-pahaizana ambony aza mbola sahirana tsy mahita asa. Tsy maintsy vitaina ny fianarana raha ho anay mpianatra mpitsabo mpanampy, izay vao afaka miasa rehefa ao am-pelatanana ny mari-pahaizana.

Inona no hitanao fa lafy tsara azo raisina amin'izao?

Amin’izao fotoana fihibohana izao moa dia tsy hita loatra ny lafy tsara, saingy afaka manampy ny ray aman-dreny amin'ny asa aman-draharaha andavanandro sy ny ao an-tokantrano, manam-potoana ihany koa hiezahana mianatra ireo zavatra tsy voafehy tsara tany am-pianarana nandritra iny taona iny.

 

 

Ranomenjanahary Avotiana, Mpianatra hay fiarahamonina

 

Tanora ianao. Manoloana izao vanim-potoana sarotra izao. Manao ahoana ny fiatrehanao izany?

Tanora aho. Sarotra dia sarotra aloha ny fiatrehana ny valanaretina eo amin'ny lafiny rehetra amin'ny fiainana mihitsy fa tsy mba hoe fahasalamana fotsiny ihany. Ny tena miahiahy fatratra amin'ny fahasalamana, eo amin’ny ankohonana, ny fitantanana sy fitandroana ny gestes barrières rehetra, ny fitaintainana lava izao. Eo amin’ny sehatry ny fianarana, mihemotra lava izao, satria raha atao kajy tsotsotra dia efa mi-double izany izao satria maty taona iray tamin’ny herintaona. Eo amin'ny sehatry ny asa, mba hoe sady miasa ny tena no mianatra fa dia tsy misy na inona na inona aloha hatreto fa mikatso na ny fianarana na ny asa natao. Ny eo amin’ny toe-karena, ny tena tsy maintsy mampiasa ny filàna fototra : sakafo, rano, savony, ... Izany hoe efa misy fiantraikany tanteraka amin’ny fandrosoan'ny tena manokana izay, tara aloha izany hatreto, izay no azo ambara.

Ahoana ny fahitanao ny hoavinao? Hanohy hianatra ve? Sa hitady asa? Nahoana?

Misy fiantraikany amin'ny hoavy mihitsy satria amin’izay hoe taraiky izay. Mety misy ihany ny azo androsoana toy ny vinavina, ... saingy ny eto ambony latabatra angamba aloha no azo atao satria mbola sarotsarotra ny hanaovana action raha amin'izao vanim-potoana izao. Ny hoavy aloha dia mikatso, tsy haiko hoe izaho ve aloha no tsy mahay manararaotra fotoana sa hoe zatra an’ilay fiainana routine fa amiko tena mihahaka aloha. Araka ny voalazako hoe, ireo zavatra notanisaiko tena iankinan'ny fiainako aloha dia mikatso : fianarana, asa, ... Misy ihany ny zavatra atao na dia izany aza fa tosika fotsiny fa tsy dia tena hoe antenaina loatra. Ny fianarana aloha iny tsy maintsy tohizana foana na afaka firy taona aza vao hiverina indray, ny asa koa moa izaho efa miasa ihany fa izay hoe nikatso izay aloha. Tsy midika anefa izany hoe dia hitorevaka hiara-hikatso eto avokoa fa miezaka mikaroka sy manitatra hatrany ny fahalalana efa nananana. Mba hampivoatra hatrany na ara-tsaina na ara-batana, na ara-panahy. Izany hoe miezaka mikaroka zavatra atao foana mba tsy ho arafesina eo, manitatra fahalalana, mivelatra kokoa eo amin’ny sehatry ny asa mba ho asa mifanaraka amin’ny zava-misy fa tsy hiandry ny mbola tsy hay.

Inona no hitanao fa lafy tsara azo raisina amin'izao?

Lafy tsara moa izany tsy maintsy hoe misy foana, saingy tsy mifandanja satria ny lafy ratsy no mavesabesatra kokoa noho ny lafy tsara. Betsaka kokoa ny fotoana ananana hikarakarana ny fiainana manokana, fifandraisana amin’ny ankohonana sy ny ao an-tokantrano, ny fikarakarana ny saina, vatana, fanahy, ... Fanaovana autoévaluationautodidacte, ... Sarotra ny mandainga raha hilaza hoe tsy nisy lafy tsara fa na ny fahalalana vaovao nivoaka nandritra ny fihibohana sy noho ny hamehana ara-pahasalamana aza dia maro tokoa toy ny télétravail amin’ny endriny maro samihafa, cours en lignevisioconférencebibliothèque en ligne, ... izany hoe teknolojika kokoa ny fiainana nandritra ity vanim-potoanan'ny valanaretina ity.

 

 

Randrianarisoa Jerry, filohan’ny Ong miaro ny zo maha olona

 

Tanora ianao. Manoloana izao vanim-potoana sarotra izao. Manao ahoana ny fiatrehanao izany?

 Atao anatin'ny fitandremana sy fahamalinana tanteraka ny fiatrehana izao vanim-potoana sarotra maha be ny tsimokaretina coronavirus izao. Ao anatin'ny fitandremana tanteraka satria miparitaka loatra manerana ny Nosy ny tsimokaretina, sady tsy mitovy tamin’ilay voalohany. Ny tena anefa tsy maintsy mivoaka miasa ka dia tena tsy maintsy manaja tsara ny fepetra ara- pahasalamana rehetra, ny aina rahateo lahitokana. Manaraka izany, ferana ny zavatra atao sy ny toerana aleha mba hanalavirana araka izay azo atao ny tsimokaretina mba hiarovana ny fahasalaman’ny vatana. Miala ao anaty fitangoronana maro samihafa. Ny faritra mena feno aretina ihany koa dia tena ezahana tsy aleha mihitsy, farany betsaka ny zavatra tsy maintsy natsahatra mba hisorohana ny fitangoronana be loatra, ohatra amin'izany ny fanomezana ny fampiofanana mandra-pilamin'ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena.

Ahoana ny fahitanao ny hoavinao? Hanohy hianatra ve? Sa hitady asa? Nahoana?

Ny hoaviko : hanohy hianatra aho satria ny fiainana dia fianarana foana ary ny zavatra azo ianarana tsy ho lany fa misy foana ny zava-baovao. Ny asa aloha efa tena ao anatin'ny asa tanteraka amin'izao. Tsy hitady asa hafa aloha angamba hatreto fa izay misy eo no tohizana sy ezahana hatsaraina sy ampandrosoina foana.

Inona no hitanao fa lafy tsara azo raisina amin'izao?

 Ny lafy tsara azo raisina amin'izao vanim-potoana sarotra izao dia mba ahafahana manomana ny fandaharam-potoana sy ny fandaharan'asa ihany koa hiatrehana ny hoavy. Izany hoe Mametrapetraka ny teboka sy ny lamina rehetra hoenti-mandroso. Afaka maka bahana tsara hiatrehana izany hoavy izany.

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 10 Apr. 2021 - 05:29-

    ‘‘Antso vonjy ny an’ny vahoaka, miantso ny fanjakana hoe « aiza e… vonjeo e… avela ho ringana ve ny vahoaka ?’’ hoy ny fanombohan’ny Matoan-dahatsoratra ao amin’ny Lakroan’i Madagasikara efa hita teny amin’ny mpivarotra nanomboka ny alakamisy 8 avrily teo… Fa hoy izy mamarana ‘‘Izao no mila jerena…’’ Raha manjifa ny Lakroa ianao dia hahafantatra ny famoaboasana ihany koa ary ahita ny famaranana… Miarova tena, arovy ny akaiky anao. Md Roch…

  • 27 Jan. 2021 - 12:11-

    Fanambaran’ny FFKM. Namoaka fanambarana ny Filoham-piangonana efatra ato anatin'ny FFKM, Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, ny alahady 24 janoary ao anatin’ny Herinandro fiaraha-mivavaka ho an’ny Firaisan’ny Kristianina manerana  ny tany sy eto Madagasikara (18-25 janoary). Vakio ato izany https://www.lakroa.mg/item-2548_articles_politique_18-aoka-ny-rariny-hikoriana.html

  • 25 Jan. 2021 - 08:42-

    Televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Notokanana ny 23 janoary 201 teo tao Toamasina ny televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Ny RTCM na Radio Télévision Catholique Masova no televiziona katolika voalohany eto Madagasikara ary ny diosezin’i Toamasina no nanangana azy io. Miarahaba azy ny www.lakroa.mg ary mirary soa hahavita ny anjara andraikiny amin’ny fampitana ny feon’ny marina sy ny rariny. Ny RTCM dia raisina eo amin’ny ontsam-peo sy sary UHF 42 ao Toamasina. Sary vitsivitsy: https://www.lakroa.mg/item-2545_articles_newtech_18-notokanana-ny-televiziona-katolika-voalohany-eto...

  • 23 Jan. 2021 - 04:30-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021. Toy izao raha fintinana ireo antontan’isa voaray haatramin'ny 22 janoary mahasika ny vokatry ny fandalovan’ny rivodoza ELOISE teto anivon’ny BNGRC (mahakasika ny olona)
    Maty
     : Olona 1 no lavo tamin’ny fandalovan’i ELOISE.
    Traboina
    3 601 ireo traboina.
    Nafindra toerana
    : Nitombo 470 ireo nafindra toerana vonjy maika izay mitotaly 835 izy raha atambatra amin’ny efa voaagona hatramin’izay.

  • 23 Jan. 2021 - 04:28-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021.Raha ny mahakasika ireo foto-drafitr’asa sy trano fonenana dia:
    Miisa 156 ireo trano fonenana dibo-drano raha 645 ireo voakasika sy nahitam-pahasimbana.
    Miisa 193 kosa ireo trano fonenana rava tanteraka.
    142 trano fianarana voakasika sy nahitam-pahasimbana raha roa
    12 kosa ny trano fianarana rava tanteraka.

  • 23 Jan. 2021 - 04:26-

    Birao maharitra Antenimierandoholona. Tontosa ny zoma 22 janoary 2021 ny fifidianana ireo mpikambana mandrafitra ny Birao Maharitra eto anivon’ny Antenimierandoholona. Ka, voafidy ho :
    Filoha Lefitra ho an’ny faritany Avaratra : Loholon’i Madagasikara Imbiki Herilaza ;  
    Filoha lefitra ho an’ny faritany Atsimo : Loholon’i Madagasikara Rabemananjara Jean Paul Nicolas,
    Kestiora : Loholon’i Madagasikara Fernand Eddie Serge,
    Mpampakateny Jeneraly : Loholon’i Madagasikara Rasolondratsimba Raymond.
    Ny Filoha Razafimahefa Herimanana dia efa voafidy ny 19 janoary.

  • 07 Jan. 2021 - 07:36-

    Bonne année 2021. Toute l'équipe, rédaction et technique, de www.lakroa.mg se joint ici pour vous souhaiter, à vous lecteurs et sources, une bonne et heureuse année 2021. Que cette nouvelle année 2021 vous apporte, le bonheur, la joie et la prospérité et l’amour du prochain et du Pays. Notre unique résolution pour l’année 2021 est de réussir à vous apporter la nouvelle vraie avec des analyses lucides hors des sentiers battus. Et soyons solidaires pour notre Patrie et nos concitoyens. https://www.facebook.com/100002397970826/videos/3535584526531445/

  • 26 Dec. 2020 - 10:22-

    Que la magie de Noêl impacte sur votre vie 

    et voici des Suggestions de cadeaux de Noël:

    Pour l’ennemi, le pardon.
    Pour l’adversaire, la tolérance.
    Pour l’ami, votre cœur.
    Pour un client, du service.
    Pour tous, la charité.
    Pour chaque enfant, le bon exemple.
    Pour vous, le respect et

    Pour le Monde entier : l’Amour du Christ par la croix

    Et notre cadeau notre fidélité envers vous sur www.lakroa.mg

  • 07 Dec. 2020 - 07:23-

    Lahatsoratra mety hahaliana anao... Resaka tany

    https://www.lakroa.mg/item-2486_articles_economie_18-a-a-madagascar-comme-partout-sur-le-continent-les-alites-africaines-accaparent-les-terres-fertiles-a.html 

  • 25 Nov. 2020 - 12:28-

    l'économie bleue de l'AMDP a été engloutie par la vague orange. Et voilà que le dossier resurgit sous une autre forme avec d'autres acteurs mais toujours économie bleue (orangée).
    https://www.lakroa.mg/item-2465_articles_economie_18-petite-pache-en-paril-madagascar-signe-des-accords-de-pache-destructeurs-avec-des-investisseurs-chinois.html

  • 18 Oct. 2020 - 04:51-

    Arrêt n°10-HCC/AR du 16 octobre 2020 relative à une demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena. La demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena, est déclarée recevable. Article 3.-La demande du KMF-CNOE Fanabeazana Olompirenana est rejetée comme mal fondée en vertu des considérants 16 à 27. 

  • 18 Oct. 2020 - 04:50-

    Décision n°17-HCC/D3 du 16 octobre 2020 portant sur des requêtes aux fins d’inconstitutionnalité du décret n°2020-1110 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du 11 décembre 2020. Selon l’article 1, les requêtes sont déclarées recevables mais rejetées comme non fondées sur la base des considérants 17 à 25, 27 et 28 (article 3).

  • 17 Oct. 2020 - 05:06-

    Lu pour vous: Une usine clés en main normande expédiée à Madagascar contre la faim.  https://www.lakroa.mg/item-2413_articles_monde_18-une-usine-clas-en-main-normande-expadiae-a-madagascar-contre-la-faim.html

  • 13 Oct. 2020 - 04:49-

    62 taona ny Repoblika Malagasy. Hetsika maro no fantatra fa ho karakaraina hanamarihana ny faha 62 taona ny nanambarana ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy voalohany. Iray amin’ireny ny karakarain’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina. Ny 14 oktobra dia hisy ny fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny FJKM Atsimon’i  Mahamasina ny maraina amin’ny 9 ora sy sasany ary fikaonan-doha atao ao amin’ny Le pave Antaninarenina kosa ny tapany hariva. Asaina ny rehetra ka ny lohahevitra amin’izany ny hoe « maro tohanan’ny maro »

  • 12 Oct. 2020 - 05:08-

    Lu pour vous. Le Conseil des Ministres du 7 octobre a pris la décision que l’Etat va effectuer des travaux de relevés sismiques marins pour déterminer la ZEE. Et on apprend sur Africa Intelligence que. Il faut rappeller aussi que durant la présidence de Rajaonarimampianina un programme a été lancé en 2017. Quel sous-marin derrière tout cela ? Lu pour vous ne fait que transmettre l’article de Africa Intelligence. https://www.lakroa.mg/item-2404_articles_monde_18-culmen-international-intronisa-conseiller-stratagique-de-la-marine-malgache.html

  • 09 Oct. 2020 - 17:44-

    Marine malgache a un conseiller stratégique. Culmen International pressenti est intronisé conseiller stratégique de la marine malgache Comme l'avait anticipé Africa Intelligence (09/09/20), Culmen International a remporté le 28 septembre le marché de mise à disposition d'un conseiller stratégique pour la marine malgache. Ce contrat est financé par le Département d'Etat américain à hauteur d'un million de dollars. Culmen s'est imposé face à un autre contractor de défense américain, Sincerus Global Solutions, qui a absorbé en juillet la branche internationale du géant Science Applications International Corp (SAIC).

  • 01 Oct. 2020 - 09:23-

    Le mois d’octobre est consacré au  Saint Rosaire. La prière du rosaire se décline en 4 «groupes» de mystères : joyeux, lumineux, douloureux, glorieux. Chacun de ces «groupes» (ou méditations) se décline en 5 mystères. La prière du rosaire, au complet, comprend donc 20 mystères au total. Prier le chapelet, c’est par conséquent, quotidiennement, prier 5 mystères par jour.

  • 30 Sep. 2020 - 07:34-

    #COVID19
    Atontanisa momba ny Covid-19 ny 29 septambra 2020. Sitrana 192 vaovao.  
    Lavo 229 (+ 0).  
    Marary mafy 16 (– 1).
    FITILIANA : Tests PCR (297), Tests GeneXpert (53)
    Marary 29 vaovao : 1 Cas importé, 2 Analamanga,  Sainte Marie, 4 Ambatondrazaka, 2 Amparafaravola, 3 Matsiatra Ambony, 1 Atsimo Andrefana, 1 Menabe, 4 Antsohihy, 1 Bealanana, 5 Sava, 4 Diana

  • 21 Sep. 2020 - 07:15-

    Mikasika ny toeram-pivavahana: Toy izao indray ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo:
    - Misokatra ireo fiangonana sy mosquée rehetra manerana ny Nosy saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    - Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra
    - Manao aro vava orona ny rehetra
    - Raisina ny mari- pana eo am-pidirana
    - Mampiasa gel désinfection
    - Fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina
    - Tsy azo atao ny fifandraisan-tanana mandritra ny fotoam-pivavahana.

    Jereo ny fepetra manontolo :

    https://www.lakroa.mg/item-2386_articles_societe_18-ireo-fepetra-arahina-mandritra-ny-15-andro-nanomboka-ny-19-septambra-teo.html

  • 11 Sep. 2020 - 07:15-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 10 Septambra 2020
    #Sitrana: 52
    #Tranga_vaovao:104
    • 53 Analamanga, • 17 Antsirabe I, • 2 Antsirabe II, • 1 Mandoto, • 4 Ambositra, • 1 Antsohihy, • 6 Sambava, • 16 Antsiranana I, • 2 Antsiranana II, • 2 Ambilobe
    FITILIANA : Tests PCR (676), Tests GeneXpert (66)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 48 (-3)
     #Aina_nafoy: 02

Du même auteur

chronique
politique

Dans la même rubrique

societe
societe