logo
Lakroan'i Madagasikara
Teny Mahavelona

« Ny tena apostoly : matoky, mifankatia, tsy matahotra »

Malala il y a 7 jours

 « Ny tena apostoly : matoky, mifankatia, tsy matahotra »

TENY MAHAVELONA

Alahady 2 mey 2021

Alahady Paka 05 B

Asa. 9, 26-31; Sal. 21 ; 1 Jn. 3, 18-24 ; Jn. 15, 1-8


 

« Ny tena apostoly : matoky, mifankatia, tsy matahotra »

 

Asongadin’ny vakiteny telo anio izany lohahevitra izany. Tantarain’ny vakiteny voalohany ny fidiran’i Saoly, izay niova anarana ho Paoly, tamim-pitokisana teo anivon’ireo mpianatry ny Tompo. Ny fandraisan’ireo mpianatra azy no vao mainka nanamafy ny fifankatiavana sy ny fahasahiana hitory ny Evanjely. Mbola amafisin’ny vakiteny faharoa izany fifampitokisana sy fifankatiavana izany. Tsy am-bava fotsiny ihany anefa fa aseho amin’ny « asa sy amin’ny fo tokoa », fa indrindra indrindra amin’ny fitoerana sy fifikirana ao amin’i Jesoa Kristy. Ny fanambaran’i Jesoa ny tenany ao amin’ny evanjely (vakiteny fahatelo) no manazava izany fifikirana Aminy izany.

 « Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe : ‘Izaho no tena foto-boaloboka, ary ny Raiko no mpamboly » Jesoa « Mpiandry ondry tsara » tamin’ny Alahady lasa teo. Jesoa « Tena Foto-boaloboka » indray amin’ity Alahady ity. Jesoa miresaka fambolena sy fiompiana. Jesoa mifankahazo resaka amin’ny mpamboly sy mpiompy. Maro samihafa ireo zavatra fahita andavanandro entin’i Jesoa manambara ny tenany: mofon’ny fiainana Izy (Jn. 6, 35); mofo velona nidina avy any an-danitra (Jn. 6, 51); fahazavan’izao tontolo izao (Jn. 8, 12); varavaran’ny ondry (Jn. 10, 7 sy 9); mpiandry ondry tsara (Jn. 10, 11 sy 14); Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana (Jn. 14, 6); tena foto-boaloboka (Jn. 15, 1 sy 5). Tsy mba filazana saro-takarina izany fa tsotra sady azon’ny olona miserasera amin’ny tontolon’ny fambolena sy fiompiana. Tontolon’ny tantsaha mpamboly sy mpiompy : fiandrasana ondry, fambolena voaloboka…

« Izaho no tena foto-boaloboka… ». Kisary fampiasa entina milaza ny fifandraisan’ny Tompo Andriamanitra tamin’ny vahoaka Israely ny « fambolena voaloboka » ao amin’ny Testamenta Taloha. « Ny taranak’i Israely no tanimboaloboky ny Tompo, ary ny olona any Jodà no voly nolalainy… » (Iz. 5, 7). Matetika anefa ny vahoaka Israely dia voaloboka nandiso fanantenana. « Nampoiziny hamoa voaloboka tsara izy, kanjo divay marikivy no vokany » (Iz. 5, 2b). Eo anivon’izany karazam-boaloboka marikivy izany kosa no mipoitra ny olona anankiray « tena foto-boaloboka » dia i Jesoa Kristy. Izy no foto-boaloboka tena izy sady maro sampana. Foto-boaloboka manome vokatra maro be, tsara sady mamy…

« … Ary ny Raiko no mpamboly ». Oharin’i Jesoa amin’ny mpamboly ny Ray. Mikolokolo sy manao izay hampamokatra ny voaloboka Izy. Mpamboly mahakolokolo ka manara-maso tsara ny fanirin’ireo sampana misandrahaka avy ao amin’ny foto-boaloboka. « Ny sampana rehetra tsy mamoa eo amiko, hoy Jesoa, dia esoriny, ary izay mamoa dia rantsanany mba hampamoa azy bebe kokoa ». Ireo izay nandà Azy tsy ho Kristy Mpamonjy no toy ny sampana maina tsy mamokatra ka esorina. Ireo apostoly, toy izany koa i Saoly, izay tonga Paoly, apostoly malaza : norantsanan’ny Tompo, teny an-dalana ho any Damasy, ka tonga mamokatra finoana be dia be tany amin’ny tanin’ny Jentily…

« Izaho no foto-boaloboka ary ianareo no sampany ». Ankoatra ny anjara asan’ny Ray mpamboly dia ambaran’i Jesoa ihany koa ny anjara toeran’ireo mpianany. Sampana izy ireo, sampana kolokoloin’ny Ray. Esoriny izay tsy mamoa, rantsanany izay efa mamoa mba hamokatra bebe kokoa. Tsy velona ho an’ny tenany irery ny foto-boaloboka fa velona sy mamelona ireo sampany. Toa ohatra ny tsy ho afaka hamokatra irery ilay foto-boaloboka fa toy ny taho efa maina raha tsy misy sampana. Tsy misy sampam-boaloboka hanome voa anefa raha miala amin’ny tahony. Mifamatotra tanteraka toy izany ny fiainan’i Jesoa sy ny mpianany. Raha tsy mitoetra ao Amiko, hoy i Jesoa, dia tsy hahefa na inona na inona. « Mitomoera ao amiko, ary Izaho hitoetra ao aminareo ». Tsy mitady vokatra ho Azy i Jesoa fa manome kosa ny vokatra ho voninahitry ny Ray. « Ho voninahitra ho an’ny Raiko raha mamoa be ianareo sy tonga mpianatro ».

Ny Fiangonana no sampana nitsimoka avy ao amin’i Kristy foto-boaloboka. Solofo sy dimbin’ireo mpianatr’i Kristy ny Fiangonana. Tsy ho afaka hamoa ho azy ny Kristianina fa ao amin’i Kristy ihany no ahavelomany. Ny fiombonany aina amin’i Kristy ao amin’ny Eokaristia, ao amin’ny Komonio masina, no hanatanterahany ankehitriny ny tenin’i Jesoa hoe: Izay mitoetra ao amiko sy itoerako no mamoa be, satria raha tsy izaho tsy mahefa na inona na inona ianareo.

« Jesoa Tompo ô, osa sy malemy izahay ka mora misaraka aminao, koa ampio hery amin’ny Fitiavanao fa irahinao hiasa sy hitondra vokatra eo amin’izao tontolo izao » (Vavaka aorian’ny Ranombavaka, Sorona Masina Alahady sy andro fety, ed. 2014, p. 419)

 

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 10 Apr. 2021 - 05:29-

    ‘‘Antso vonjy ny an’ny vahoaka, miantso ny fanjakana hoe « aiza e… vonjeo e… avela ho ringana ve ny vahoaka ?’’ hoy ny fanombohan’ny Matoan-dahatsoratra ao amin’ny Lakroan’i Madagasikara efa hita teny amin’ny mpivarotra nanomboka ny alakamisy 8 avrily teo… Fa hoy izy mamarana ‘‘Izao no mila jerena…’’ Raha manjifa ny Lakroa ianao dia hahafantatra ny famoaboasana ihany koa ary ahita ny famaranana… Miarova tena, arovy ny akaiky anao. Md Roch…

  • 27 Jan. 2021 - 12:11-

    Fanambaran’ny FFKM. Namoaka fanambarana ny Filoham-piangonana efatra ato anatin'ny FFKM, Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, ny alahady 24 janoary ao anatin’ny Herinandro fiaraha-mivavaka ho an’ny Firaisan’ny Kristianina manerana  ny tany sy eto Madagasikara (18-25 janoary). Vakio ato izany https://www.lakroa.mg/item-2548_articles_politique_18-aoka-ny-rariny-hikoriana.html

  • 25 Jan. 2021 - 08:42-

    Televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Notokanana ny 23 janoary 201 teo tao Toamasina ny televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Ny RTCM na Radio Télévision Catholique Masova no televiziona katolika voalohany eto Madagasikara ary ny diosezin’i Toamasina no nanangana azy io. Miarahaba azy ny www.lakroa.mg ary mirary soa hahavita ny anjara andraikiny amin’ny fampitana ny feon’ny marina sy ny rariny. Ny RTCM dia raisina eo amin’ny ontsam-peo sy sary UHF 42 ao Toamasina. Sary vitsivitsy: https://www.lakroa.mg/item-2545_articles_newtech_18-notokanana-ny-televiziona-katolika-voalohany-eto...

  • 23 Jan. 2021 - 04:30-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021. Toy izao raha fintinana ireo antontan’isa voaray haatramin'ny 22 janoary mahasika ny vokatry ny fandalovan’ny rivodoza ELOISE teto anivon’ny BNGRC (mahakasika ny olona)
    Maty
     : Olona 1 no lavo tamin’ny fandalovan’i ELOISE.
    Traboina
    3 601 ireo traboina.
    Nafindra toerana
    : Nitombo 470 ireo nafindra toerana vonjy maika izay mitotaly 835 izy raha atambatra amin’ny efa voaagona hatramin’izay.

  • 23 Jan. 2021 - 04:28-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021.Raha ny mahakasika ireo foto-drafitr’asa sy trano fonenana dia:
    Miisa 156 ireo trano fonenana dibo-drano raha 645 ireo voakasika sy nahitam-pahasimbana.
    Miisa 193 kosa ireo trano fonenana rava tanteraka.
    142 trano fianarana voakasika sy nahitam-pahasimbana raha roa
    12 kosa ny trano fianarana rava tanteraka.

  • 23 Jan. 2021 - 04:26-

    Birao maharitra Antenimierandoholona. Tontosa ny zoma 22 janoary 2021 ny fifidianana ireo mpikambana mandrafitra ny Birao Maharitra eto anivon’ny Antenimierandoholona. Ka, voafidy ho :
    Filoha Lefitra ho an’ny faritany Avaratra : Loholon’i Madagasikara Imbiki Herilaza ;  
    Filoha lefitra ho an’ny faritany Atsimo : Loholon’i Madagasikara Rabemananjara Jean Paul Nicolas,
    Kestiora : Loholon’i Madagasikara Fernand Eddie Serge,
    Mpampakateny Jeneraly : Loholon’i Madagasikara Rasolondratsimba Raymond.
    Ny Filoha Razafimahefa Herimanana dia efa voafidy ny 19 janoary.

  • 07 Jan. 2021 - 07:36-

    Bonne année 2021. Toute l'équipe, rédaction et technique, de www.lakroa.mg se joint ici pour vous souhaiter, à vous lecteurs et sources, une bonne et heureuse année 2021. Que cette nouvelle année 2021 vous apporte, le bonheur, la joie et la prospérité et l’amour du prochain et du Pays. Notre unique résolution pour l’année 2021 est de réussir à vous apporter la nouvelle vraie avec des analyses lucides hors des sentiers battus. Et soyons solidaires pour notre Patrie et nos concitoyens. https://www.facebook.com/100002397970826/videos/3535584526531445/

  • 26 Dec. 2020 - 10:22-

    Que la magie de Noêl impacte sur votre vie 

    et voici des Suggestions de cadeaux de Noël:

    Pour l’ennemi, le pardon.
    Pour l’adversaire, la tolérance.
    Pour l’ami, votre cœur.
    Pour un client, du service.
    Pour tous, la charité.
    Pour chaque enfant, le bon exemple.
    Pour vous, le respect et

    Pour le Monde entier : l’Amour du Christ par la croix

    Et notre cadeau notre fidélité envers vous sur www.lakroa.mg

  • 07 Dec. 2020 - 07:23-

    Lahatsoratra mety hahaliana anao... Resaka tany

    https://www.lakroa.mg/item-2486_articles_economie_18-a-a-madagascar-comme-partout-sur-le-continent-les-alites-africaines-accaparent-les-terres-fertiles-a.html 

  • 25 Nov. 2020 - 12:28-

    l'économie bleue de l'AMDP a été engloutie par la vague orange. Et voilà que le dossier resurgit sous une autre forme avec d'autres acteurs mais toujours économie bleue (orangée).
    https://www.lakroa.mg/item-2465_articles_economie_18-petite-pache-en-paril-madagascar-signe-des-accords-de-pache-destructeurs-avec-des-investisseurs-chinois.html

  • 18 Oct. 2020 - 04:51-

    Arrêt n°10-HCC/AR du 16 octobre 2020 relative à une demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena. La demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena, est déclarée recevable. Article 3.-La demande du KMF-CNOE Fanabeazana Olompirenana est rejetée comme mal fondée en vertu des considérants 16 à 27. 

  • 18 Oct. 2020 - 04:50-

    Décision n°17-HCC/D3 du 16 octobre 2020 portant sur des requêtes aux fins d’inconstitutionnalité du décret n°2020-1110 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du 11 décembre 2020. Selon l’article 1, les requêtes sont déclarées recevables mais rejetées comme non fondées sur la base des considérants 17 à 25, 27 et 28 (article 3).

  • 17 Oct. 2020 - 05:06-

    Lu pour vous: Une usine clés en main normande expédiée à Madagascar contre la faim.  https://www.lakroa.mg/item-2413_articles_monde_18-une-usine-clas-en-main-normande-expadiae-a-madagascar-contre-la-faim.html

  • 13 Oct. 2020 - 04:49-

    62 taona ny Repoblika Malagasy. Hetsika maro no fantatra fa ho karakaraina hanamarihana ny faha 62 taona ny nanambarana ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy voalohany. Iray amin’ireny ny karakarain’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina. Ny 14 oktobra dia hisy ny fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny FJKM Atsimon’i  Mahamasina ny maraina amin’ny 9 ora sy sasany ary fikaonan-doha atao ao amin’ny Le pave Antaninarenina kosa ny tapany hariva. Asaina ny rehetra ka ny lohahevitra amin’izany ny hoe « maro tohanan’ny maro »

  • 12 Oct. 2020 - 05:08-

    Lu pour vous. Le Conseil des Ministres du 7 octobre a pris la décision que l’Etat va effectuer des travaux de relevés sismiques marins pour déterminer la ZEE. Et on apprend sur Africa Intelligence que. Il faut rappeller aussi que durant la présidence de Rajaonarimampianina un programme a été lancé en 2017. Quel sous-marin derrière tout cela ? Lu pour vous ne fait que transmettre l’article de Africa Intelligence. https://www.lakroa.mg/item-2404_articles_monde_18-culmen-international-intronisa-conseiller-stratagique-de-la-marine-malgache.html

  • 09 Oct. 2020 - 17:44-

    Marine malgache a un conseiller stratégique. Culmen International pressenti est intronisé conseiller stratégique de la marine malgache Comme l'avait anticipé Africa Intelligence (09/09/20), Culmen International a remporté le 28 septembre le marché de mise à disposition d'un conseiller stratégique pour la marine malgache. Ce contrat est financé par le Département d'Etat américain à hauteur d'un million de dollars. Culmen s'est imposé face à un autre contractor de défense américain, Sincerus Global Solutions, qui a absorbé en juillet la branche internationale du géant Science Applications International Corp (SAIC).

  • 01 Oct. 2020 - 09:23-

    Le mois d’octobre est consacré au  Saint Rosaire. La prière du rosaire se décline en 4 «groupes» de mystères : joyeux, lumineux, douloureux, glorieux. Chacun de ces «groupes» (ou méditations) se décline en 5 mystères. La prière du rosaire, au complet, comprend donc 20 mystères au total. Prier le chapelet, c’est par conséquent, quotidiennement, prier 5 mystères par jour.

  • 30 Sep. 2020 - 07:34-

    #COVID19
    Atontanisa momba ny Covid-19 ny 29 septambra 2020. Sitrana 192 vaovao.  
    Lavo 229 (+ 0).  
    Marary mafy 16 (– 1).
    FITILIANA : Tests PCR (297), Tests GeneXpert (53)
    Marary 29 vaovao : 1 Cas importé, 2 Analamanga,  Sainte Marie, 4 Ambatondrazaka, 2 Amparafaravola, 3 Matsiatra Ambony, 1 Atsimo Andrefana, 1 Menabe, 4 Antsohihy, 1 Bealanana, 5 Sava, 4 Diana

  • 21 Sep. 2020 - 07:15-

    Mikasika ny toeram-pivavahana: Toy izao indray ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo:
    - Misokatra ireo fiangonana sy mosquée rehetra manerana ny Nosy saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    - Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra
    - Manao aro vava orona ny rehetra
    - Raisina ny mari- pana eo am-pidirana
    - Mampiasa gel désinfection
    - Fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina
    - Tsy azo atao ny fifandraisan-tanana mandritra ny fotoam-pivavahana.

    Jereo ny fepetra manontolo :

    https://www.lakroa.mg/item-2386_articles_societe_18-ireo-fepetra-arahina-mandritra-ny-15-andro-nanomboka-ny-19-septambra-teo.html

  • 11 Sep. 2020 - 07:15-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 10 Septambra 2020
    #Sitrana: 52
    #Tranga_vaovao:104
    • 53 Analamanga, • 17 Antsirabe I, • 2 Antsirabe II, • 1 Mandoto, • 4 Ambositra, • 1 Antsohihy, • 6 Sambava, • 16 Antsiranana I, • 2 Antsiranana II, • 2 Ambilobe
    FITILIANA : Tests PCR (676), Tests GeneXpert (66)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 48 (-3)
     #Aina_nafoy: 02

Du même auteur

chronique
politique

Dans la même rubrique

religion
religion