logo
Lakroan'i Madagasikara
Haino aman-jery

Hamehana ara-pahasalamana mitohy

Rasoanjanahary il y a 2 mois

Zavatra maro no nitranga tamin’iny volana aprily 2021 iny izay nisiana fanavaozana ny hamehana ara-pahasalamana 15 andro indroa…

Hamehana ara-pahasalamana mitohy

 Mitohy 15 andro indray, araka ny nambaran’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina tamin’ny alahady 2 mey, tamin’ny resaka fanaony isaky ny 15 andro halefa amin’ny haino aman-jery. Minisitra efatra (minisitry ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asatanana Lantosoa Rakotomalala, minisitry ny Fahasalam-bahoaka Pr Rakotovao Jean Louis, minisitry ny Fitaterana, ny Fizahan-tany sy ny Famantarana ny Toetr’andro Joël Randriamandranto, minisitry ny Kolontsaina sy ny Serasera Lalatiana Rakotondrazafy) no niaraka tamin’ny filoham-pirenena namaly ny fanontanian’ny mpanao gazety telo nofantenina ary voafantina (Miora Raharinaina avy amin’ny TVM, Gascar Fenosoa avy amin’ny Real TV, ary Zo Rabarijaona avy amin’ny TV Plus) Naharitra ora telo latsaka fahatelony ny fandaharana tamin’io alin’ny alahady io, nanompanany ny resaka momba ny ady amin’ity aretina ‘coronavirus’ ity. Tsy dia nisy resaka fepetra kosa mahakasika ny fanamaivanana ny fiatrehan’ny vahoaka ny aretina manoloana ny vesatra sy olana samihafa toy ny vidin-javatra ilaina andavanandro tsy mitsaha-midangana, ny hiarenan’ny fihariana ary ny servisin’ny Jirama mbola isian’ny jiro (sy rano) tapatapaka na dia teo aza ny hoe ‘zero delestage’ nambara.

Tsy misy intsony ny sidina avy any ivelany na dia nisy aza ny antony manokana sy maika nampiharana fampodiana olona ary avy amin’ireo no nisian’ny tranga “positif”. Miditra mianatra ny mpianatra manala fanadinana Cepe, Bepc ary Bakalorea. Mitohy ny fikatonan’ny faritra Analamanga, Atsinanana ary Sava. Ary mitohy ny fihibohana tanteraka isaky ny sabotsy sy alahady. Miampy ny an’ny Faritra Matsiatra ambony, Anosy ary Vakinankaratra manomboka ny alarobia 5 mey. Misokatra manomboka ny 3 mey ny any Nosy be sy Boeny. Tsy azo entina mivoaka ireo faritra mikatona ireo izay maty.

Nasongadin’ny filoham-pirenena sy ireo minisitra, indrindra fa ny minisitry ny Serasera, fa mandray ny andraikiny hatrany ny fitondram-panjakana amin’ny ady amin’ity aretina ity. Nanaovan’ny filoham-pirenena fampitahana amin’ny any ivelany toa an’i Inde ny antontanisan’ny tranga eto amintsika. An’arivony isan’andro no maty any Inde, hoy izy, fa ny antsika tsy tonga amin’izany. Misongadina anefa fa nihazakazaka ny tranga tamin’ity taona ity raha mitaha taon-dasa ary tsy mitovy amin’ny any Inde ny isan’ny mponina eto amintsika sy ireo nanaovana fitiliana.

Resaka vaksiny

Nahabe resaka teto amin’ny tany sy ny fanjakana ny resaka vaksiny fanefitry ny “covid 19” izay nilazan’ny fitondram-panjakana fa manana ny hahafahana misoroka sy mitsabo ny aretina isika taon-dasa ka tsy mila manafatra vaksiny. Niova miandalana anefa izany araka ny fandehan’ny raharaha ka ny niafarany dia nangataka isika mba hisitraka ny amin’ny programa “Covax” izay hahazoana mamatsy vaksiny maimaim-poana ho an’ny firenena afrikana. Tonga hatramin’ny fidiran’ny fondation tsy miankina matanjaka aza ny hanafarana haingana izany. Nilaza ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Pr Rakotovao Jean Louis, tao amin’ny TVM tamin’ny alin’ny alakamisy 22 aprily 2021 fa handray ny ampahany voalohany amin’ny vaksiny isika afaka 15 andro. Izany raha ny nambarany dia araka ny dinika tamin’ny mpiara-miombona antoka. Nanamafy ny hahatongavan’ny vaksiny ‘covishield’ amin’ny 7 mey izy tamin’ny alin’ny alahady 2 mey 2021. Olona voafantina no hisitraka io vaksiny io ary an-tsitrapo ny fisoratana anarana ny hanaovana izany.

Fanapahana fandaharana amin’ny radio sy televiziona

Namoaka ‘arrêté’ nosoniavina minisitra 5 tamin’ny 22 aprily 2021 ny fitondram-panjakana momba ny fampiatoana fandaharana lazaina fa mety hanohintohina ny filaminam-bahoaka sy firaisam-pirenena amin’izao hamehana ara-pahasalamana izao. Tany anaty tambajotra sosialy FB no namoahana azy voalohany. Voatondro ao amin’ilay didy fanapahana ireto fandaharana ireto: “Aoka hazava” ao amin’ny Viva Radio, “Anao ny fitenenana” ao amin’ny Free FM, “Tambatra miara-manonja tena izy” (Viva Radio, Viva TV, Free FM, Allance FM, Taratra FM, Kolo TV, Kolo FM), “Miara-manonja” (MBS, AZ, Soa radio), “Kapotandroka” ao amin’ny IBC, “L’invité du jour” ao amin’ny Real TV, “Ca me dis” ao amin’ny RTA, “Don-dresaka” ao amin’ny TV Plus, ary “Rivotra” ao amin’ny RDJ. Maro taorian’izany ny tsikera tany amin’ireo haino aman-jery tsy miankina samihafa sy tao amin’ny tambajotra sosialy FB. Misy nilaza fa ny fandaharana ataon’ireo mpanohitra no tena nokendrena tamin’io didy io fa mody nasiana fotsiny ny an’ireo mpanohana ny fitondrana. Maro ihany koa ireo nilaza mazava fa mifanohitra amin’ny lalàna momba ny zon’olombelona mandala ny fahafahana maneho hevitra izany ary nosokajian’izy ireo ho fanampenam-bava. Ny firaisamonim-pirenena sy ny Holafitry ny mpanao gazety dia tsy mankasitraka io didy fanapahana mifanohitra amin’ny lalàm-panorenana eto amintsika io, ka mangataka ny hanafoanana azy.

Niverina tamin’ny fanapahan-keviny ny fitondram-panjakana andro vitsy taty aoriana taorian’ny fihaonana tamin’ny tale sasany amin’ireo voakasiky ny didy fanapahana.

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 10 Apr. 2021 - 05:29-

    ‘‘Antso vonjy ny an’ny vahoaka, miantso ny fanjakana hoe « aiza e… vonjeo e… avela ho ringana ve ny vahoaka ?’’ hoy ny fanombohan’ny Matoan-dahatsoratra ao amin’ny Lakroan’i Madagasikara efa hita teny amin’ny mpivarotra nanomboka ny alakamisy 8 avrily teo… Fa hoy izy mamarana ‘‘Izao no mila jerena…’’ Raha manjifa ny Lakroa ianao dia hahafantatra ny famoaboasana ihany koa ary ahita ny famaranana… Miarova tena, arovy ny akaiky anao. Md Roch…

  • 27 Jan. 2021 - 12:11-

    Fanambaran’ny FFKM. Namoaka fanambarana ny Filoham-piangonana efatra ato anatin'ny FFKM, Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, ny alahady 24 janoary ao anatin’ny Herinandro fiaraha-mivavaka ho an’ny Firaisan’ny Kristianina manerana  ny tany sy eto Madagasikara (18-25 janoary). Vakio ato izany https://www.lakroa.mg/item-2548_articles_politique_18-aoka-ny-rariny-hikoriana.html

  • 25 Jan. 2021 - 08:42-

    Televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Notokanana ny 23 janoary 201 teo tao Toamasina ny televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Ny RTCM na Radio Télévision Catholique Masova no televiziona katolika voalohany eto Madagasikara ary ny diosezin’i Toamasina no nanangana azy io. Miarahaba azy ny www.lakroa.mg ary mirary soa hahavita ny anjara andraikiny amin’ny fampitana ny feon’ny marina sy ny rariny. Ny RTCM dia raisina eo amin’ny ontsam-peo sy sary UHF 42 ao Toamasina. Sary vitsivitsy: https://www.lakroa.mg/item-2545_articles_newtech_18-notokanana-ny-televiziona-katolika-voalohany-eto...

  • 23 Jan. 2021 - 04:30-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021. Toy izao raha fintinana ireo antontan’isa voaray haatramin'ny 22 janoary mahasika ny vokatry ny fandalovan’ny rivodoza ELOISE teto anivon’ny BNGRC (mahakasika ny olona)
    Maty
     : Olona 1 no lavo tamin’ny fandalovan’i ELOISE.
    Traboina
    3 601 ireo traboina.
    Nafindra toerana
    : Nitombo 470 ireo nafindra toerana vonjy maika izay mitotaly 835 izy raha atambatra amin’ny efa voaagona hatramin’izay.

  • 23 Jan. 2021 - 04:28-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021.Raha ny mahakasika ireo foto-drafitr’asa sy trano fonenana dia:
    Miisa 156 ireo trano fonenana dibo-drano raha 645 ireo voakasika sy nahitam-pahasimbana.
    Miisa 193 kosa ireo trano fonenana rava tanteraka.
    142 trano fianarana voakasika sy nahitam-pahasimbana raha roa
    12 kosa ny trano fianarana rava tanteraka.

  • 23 Jan. 2021 - 04:26-

    Birao maharitra Antenimierandoholona. Tontosa ny zoma 22 janoary 2021 ny fifidianana ireo mpikambana mandrafitra ny Birao Maharitra eto anivon’ny Antenimierandoholona. Ka, voafidy ho :
    Filoha Lefitra ho an’ny faritany Avaratra : Loholon’i Madagasikara Imbiki Herilaza ;  
    Filoha lefitra ho an’ny faritany Atsimo : Loholon’i Madagasikara Rabemananjara Jean Paul Nicolas,
    Kestiora : Loholon’i Madagasikara Fernand Eddie Serge,
    Mpampakateny Jeneraly : Loholon’i Madagasikara Rasolondratsimba Raymond.
    Ny Filoha Razafimahefa Herimanana dia efa voafidy ny 19 janoary.

  • 07 Jan. 2021 - 07:36-

    Bonne année 2021. Toute l'équipe, rédaction et technique, de www.lakroa.mg se joint ici pour vous souhaiter, à vous lecteurs et sources, une bonne et heureuse année 2021. Que cette nouvelle année 2021 vous apporte, le bonheur, la joie et la prospérité et l’amour du prochain et du Pays. Notre unique résolution pour l’année 2021 est de réussir à vous apporter la nouvelle vraie avec des analyses lucides hors des sentiers battus. Et soyons solidaires pour notre Patrie et nos concitoyens. https://www.facebook.com/100002397970826/videos/3535584526531445/

  • 26 Dec. 2020 - 10:22-

    Que la magie de Noêl impacte sur votre vie 

    et voici des Suggestions de cadeaux de Noël:

    Pour l’ennemi, le pardon.
    Pour l’adversaire, la tolérance.
    Pour l’ami, votre cœur.
    Pour un client, du service.
    Pour tous, la charité.
    Pour chaque enfant, le bon exemple.
    Pour vous, le respect et

    Pour le Monde entier : l’Amour du Christ par la croix

    Et notre cadeau notre fidélité envers vous sur www.lakroa.mg

  • 07 Dec. 2020 - 07:23-

    Lahatsoratra mety hahaliana anao... Resaka tany

    https://www.lakroa.mg/item-2486_articles_economie_18-a-a-madagascar-comme-partout-sur-le-continent-les-alites-africaines-accaparent-les-terres-fertiles-a.html 

  • 25 Nov. 2020 - 12:28-

    l'économie bleue de l'AMDP a été engloutie par la vague orange. Et voilà que le dossier resurgit sous une autre forme avec d'autres acteurs mais toujours économie bleue (orangée).
    https://www.lakroa.mg/item-2465_articles_economie_18-petite-pache-en-paril-madagascar-signe-des-accords-de-pache-destructeurs-avec-des-investisseurs-chinois.html

  • 18 Oct. 2020 - 04:51-

    Arrêt n°10-HCC/AR du 16 octobre 2020 relative à une demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena. La demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena, est déclarée recevable. Article 3.-La demande du KMF-CNOE Fanabeazana Olompirenana est rejetée comme mal fondée en vertu des considérants 16 à 27. 

  • 18 Oct. 2020 - 04:50-

    Décision n°17-HCC/D3 du 16 octobre 2020 portant sur des requêtes aux fins d’inconstitutionnalité du décret n°2020-1110 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du 11 décembre 2020. Selon l’article 1, les requêtes sont déclarées recevables mais rejetées comme non fondées sur la base des considérants 17 à 25, 27 et 28 (article 3).

  • 17 Oct. 2020 - 05:06-

    Lu pour vous: Une usine clés en main normande expédiée à Madagascar contre la faim.  https://www.lakroa.mg/item-2413_articles_monde_18-une-usine-clas-en-main-normande-expadiae-a-madagascar-contre-la-faim.html

  • 13 Oct. 2020 - 04:49-

    62 taona ny Repoblika Malagasy. Hetsika maro no fantatra fa ho karakaraina hanamarihana ny faha 62 taona ny nanambarana ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy voalohany. Iray amin’ireny ny karakarain’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina. Ny 14 oktobra dia hisy ny fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny FJKM Atsimon’i  Mahamasina ny maraina amin’ny 9 ora sy sasany ary fikaonan-doha atao ao amin’ny Le pave Antaninarenina kosa ny tapany hariva. Asaina ny rehetra ka ny lohahevitra amin’izany ny hoe « maro tohanan’ny maro »

  • 12 Oct. 2020 - 05:08-

    Lu pour vous. Le Conseil des Ministres du 7 octobre a pris la décision que l’Etat va effectuer des travaux de relevés sismiques marins pour déterminer la ZEE. Et on apprend sur Africa Intelligence que. Il faut rappeller aussi que durant la présidence de Rajaonarimampianina un programme a été lancé en 2017. Quel sous-marin derrière tout cela ? Lu pour vous ne fait que transmettre l’article de Africa Intelligence. https://www.lakroa.mg/item-2404_articles_monde_18-culmen-international-intronisa-conseiller-stratagique-de-la-marine-malgache.html

  • 09 Oct. 2020 - 17:44-

    Marine malgache a un conseiller stratégique. Culmen International pressenti est intronisé conseiller stratégique de la marine malgache Comme l'avait anticipé Africa Intelligence (09/09/20), Culmen International a remporté le 28 septembre le marché de mise à disposition d'un conseiller stratégique pour la marine malgache. Ce contrat est financé par le Département d'Etat américain à hauteur d'un million de dollars. Culmen s'est imposé face à un autre contractor de défense américain, Sincerus Global Solutions, qui a absorbé en juillet la branche internationale du géant Science Applications International Corp (SAIC).

  • 01 Oct. 2020 - 09:23-

    Le mois d’octobre est consacré au  Saint Rosaire. La prière du rosaire se décline en 4 «groupes» de mystères : joyeux, lumineux, douloureux, glorieux. Chacun de ces «groupes» (ou méditations) se décline en 5 mystères. La prière du rosaire, au complet, comprend donc 20 mystères au total. Prier le chapelet, c’est par conséquent, quotidiennement, prier 5 mystères par jour.

  • 30 Sep. 2020 - 07:34-

    #COVID19
    Atontanisa momba ny Covid-19 ny 29 septambra 2020. Sitrana 192 vaovao.  
    Lavo 229 (+ 0).  
    Marary mafy 16 (– 1).
    FITILIANA : Tests PCR (297), Tests GeneXpert (53)
    Marary 29 vaovao : 1 Cas importé, 2 Analamanga,  Sainte Marie, 4 Ambatondrazaka, 2 Amparafaravola, 3 Matsiatra Ambony, 1 Atsimo Andrefana, 1 Menabe, 4 Antsohihy, 1 Bealanana, 5 Sava, 4 Diana

  • 21 Sep. 2020 - 07:15-

    Mikasika ny toeram-pivavahana: Toy izao indray ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo:
    - Misokatra ireo fiangonana sy mosquée rehetra manerana ny Nosy saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    - Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra
    - Manao aro vava orona ny rehetra
    - Raisina ny mari- pana eo am-pidirana
    - Mampiasa gel désinfection
    - Fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina
    - Tsy azo atao ny fifandraisan-tanana mandritra ny fotoam-pivavahana.

    Jereo ny fepetra manontolo :

    https://www.lakroa.mg/item-2386_articles_societe_18-ireo-fepetra-arahina-mandritra-ny-15-andro-nanomboka-ny-19-septambra-teo.html

  • 11 Sep. 2020 - 07:15-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 10 Septambra 2020
    #Sitrana: 52
    #Tranga_vaovao:104
    • 53 Analamanga, • 17 Antsirabe I, • 2 Antsirabe II, • 1 Mandoto, • 4 Ambositra, • 1 Antsohihy, • 6 Sambava, • 16 Antsiranana I, • 2 Antsiranana II, • 2 Ambilobe
    FITILIANA : Tests PCR (676), Tests GeneXpert (66)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 48 (-3)
     #Aina_nafoy: 02

Du même auteur

sport
politique

Dans la même rubrique

newtech
newtech