logo
Lakroan'i Madagasikara
Fiainam-bahoaka

Hadino ny vahoaka, ny seho ivelany hatrany no misongadina

Rahary il y a 1 moi

Hevitra samihafa no ifampitafan’ny olona momba ny zava-misy eto amin’ny firenena amin’ny ady atao amin’ity valanaretina ‘coronavirus’ ity hatramin’izay nampiharana ny hamehana ara-pahasalamana izay. Tsy ahitan’izy ireny mazava ny amin’ny hiarenan’ny fiainany satria toy ny vahoaka tsy misy mpiahy izy ireo. Zava-misy.

Hadino ny vahoaka, ny seho ivelany hatrany no misongadina

“Lavitry ny tena filàn’ny vahoaka hatrany ny mahamay ny mpitondra raha tarafina amin’ny kabariny sy ny ataony. Tsy tazana mihitsy ny fitsimbinana ny vahoaka mipaka amin’ny fiainany amin’ny fisehoan’ny mpitondra amin’ny haino aman-jery fa ny fanamarinan-tena amin’izay ataony no misongadina. Hafa anefa ny zava-misy eny anivon’ny isan-tokantrano sy ny fiheveran’ny olona maro, indrindra manoloana ny filazana fa mihatsara ny vokatry ny ady tarafina amin’ny antontanisa”. Fanehoan-kevitry ny olom-pirenena iray mpanara-baovao io.

“Mahavariana ilay fampitahan’ny filoha ny isan’ny tranga voan’ny coronavirus eto amintsika amin’ny any ivelany izay hita aloha fa tsy fampitaha raha ny singa fototra iaingana no jerena toy ny isan’ny mponina sy ny isan’ny nanaovana fitiliana. Fa ny tiako avohitra dia eo amin’ny isan’ny maty izay tsy nasian’ny filoha resaka fa hita kosa tamin’ny tabilao naseho tamin’ny fahitalavitra. Niharihary fa nitombo ny isan’ny maty tamin’ny 15 andro faharoa maherin’ny 100 raha mitaha amin’ny 15 andro voalohany nanaovana fihibohana izay latsaky ny 100. Nampatsiahy ahy ny nambaran’ny manamboninahitra iray ao amin’ny tafika taona vitsivitsy lasa izay. Raha fintinina ny nambaran’io manamboninahitra io dia ny havitsiana na tsy fisian’ny maty mihitsy amin’ny miaramilanao no tondro handrefesana ny fahombiazan’ny ady. Raha ampiharina amin’ny ady atao amin’ny valanaretina eto amintsika izany dia tsy fahombiazana no dikany, tsy nahomby izany ny stratezia nampiasaina, tsy nahomby izany ny fanafody nohindraindraina ho mahasitrana sy misoroka ny aretina, indrindra raha ny taon-dasa no hanaovana ny fampitahana. Taon-dasa moa dia voalaza ny hoe voafehy ny aretina kanefa niaraha-nahita ny zava-misy. Volabe koa anefa no voalaza fa azo tamin’iny taona iny ho an’ny ady amin’ny covid”. Fanehoan-kevitra iray hafa koa io

“Ny fampisehoana fahagagana isak’izay miteny amin’ny radio sy tele ny mpitondra no misongadina, toa handrirarirana ny tsy fahombiazana amin’ny fitantanana ka mahavery fanahy mbola velona ny olona miandrandra fanamaivanana na fanamorana ny fiatrehana ny seha-pihariana samihafa, ny fiainana sosialy. Miharihary loatra ilay hoe ‘dokotera aorian’ny fahafatesana’ araka ny oha-pitenenana vahiny. Ilay oksizena niadiana fo tamin’ny andron’ny minisitra talohan’ny ankehitriny aza vao tamin’ny herinandro no tonga. Efa firy anefa no namoy aina ?” Santionan-kevitra nipoitra teny amin’ny fiarahamonina koa io.

Ny mahavariana aloha rahefa mandre ny tarehim-bola lazaina fa atontona amin’ity ady amin’ny ‘covid’ ity, dia tahaka ny hoe hahazo fanampiana daholo ny isan-tokantrano, tahaka ny hoe voatsimbina tsy misy toa azy izay marary saingy tsy izany ny zava-misy fa misy hatrany ny zanak’Ikalahafa. Mampametra-panontaniana mandraka ankehitriny ny fangaraharana ny amin’ny nampiasana ny vola voalaza fa natokana ho an’ny ady. Misy aza hatramin’izao tsy mbola nidiran’izany vatsy tsinjo na tosika fameno izany kanefa lazaina fa ao anaty hamehana ara-pahasalamana ny firenena, ary iaraha-mahita ny fikatsoan’ny fihariana afa-tsy ireo mahita hirika amin’ny bizina fanafody sy ny tontolony. Ny aza mba marary ihany aloha dia mitoetra hatrany satria tena henjana ny fiatrehana izany ara-bola.

Ny fanamafisan-tseza no misongadina

Mbola ao anaty ady sarotra ny firenena ankehitriny amin’ity areti-mandoza ‘coronavirus’ miseho amin’ny endrika isan-karazany mahavaky loha ny manam-pahaizana ity. Fotoana izay tokony hampiray hina ny zanak’olombelona hanao izay hamongorana azy fa tsy sanatria ny fitadiavana sy fiarovana ny tombontsoa manokana no hanjaka. Mitranga anefa ny fifanararaotana mamotika ny maha olona raha ny teo amintsika. Tsy hita taratra izay fitsinjovana sy laharam-pahamehana ho an’ny vahoaka difotry ny tsy fahafaha-mahazo izay kely indrindra ilaina amin’ny fahavelomana. Toa sanatria tsy misy intsony fanjakana mpandrindra sy mpandamina ny fifampitondrana eo anivon’ny fiarahamonina ka samy manao izay tsy hahafaty azy ny isan-tokantrano na dia itsentsefana ny namana aza. Niandrandra lamina manamaivana na iatrehana ny fahasahiranana manko ny olona amin’ity fepetra fihibohana ity saingy ny fanamafisana ny fisorohana ny aretina hatrany no averimberina. Kibo tsy mba lamosina ary tany mena tsy mirehitra, hoy ny olona, ka mametra-panontaniana izy ireo ny amin’ny tena fitsinjovan’ny mpitondra ny vahoaka tsy ankanavaka eto amin’ny firenena. Taon-dasa aza tsy tahaka izao ny antontanisan’ny tranga kanefa nipoapoaka ny fizarana gaboraraka tetsy sy teroa. Izao mihahenjana ny firongatry ny valanaretina tarafina amin’ny antontanisa ofisialy, toa tsy hita izay ataon’ny fanjakana mitodika amin’ny fiainana sosialy sy fiharian’ny vahoaka ! Ny vidim-piainana ity mihamidangana miandalana : vary, menaka, siramamy, sy ny maro hafa ilaina andavanandro, ary indrindra ny lany amin’ny fitsaboana raha sanatria marary. Sanatria toy ny hoe ‘henoy izany ry hazon-damosiko’ no fiantefan’ny fanairana ataon’ny sokajin’olom-pirenena sasany amin’ny mpitondra, manoloana ny fibiriokan’ny fitantanana sy ny fanarahana ny atao hoe tan-dalàna. Efa imbetsaka manko no nanitsakitsahana ilay lalàna fototra eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Hany ka mampametra-panontaniana raha mbola misy marina ny firaisan-kina sy fifampitsimbinana eto amin’ny firenena mba hahavelona ny fanantenana ka hiarenan’ny firenena sy ny vahoaka ao aminy. Modely amin’izany ve anefa ny mpitantana ambony eto amintsika ?

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 10 Apr. 2021 - 05:29-

    ‘‘Antso vonjy ny an’ny vahoaka, miantso ny fanjakana hoe « aiza e… vonjeo e… avela ho ringana ve ny vahoaka ?’’ hoy ny fanombohan’ny Matoan-dahatsoratra ao amin’ny Lakroan’i Madagasikara efa hita teny amin’ny mpivarotra nanomboka ny alakamisy 8 avrily teo… Fa hoy izy mamarana ‘‘Izao no mila jerena…’’ Raha manjifa ny Lakroa ianao dia hahafantatra ny famoaboasana ihany koa ary ahita ny famaranana… Miarova tena, arovy ny akaiky anao. Md Roch…

  • 27 Jan. 2021 - 12:11-

    Fanambaran’ny FFKM. Namoaka fanambarana ny Filoham-piangonana efatra ato anatin'ny FFKM, Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, ny alahady 24 janoary ao anatin’ny Herinandro fiaraha-mivavaka ho an’ny Firaisan’ny Kristianina manerana  ny tany sy eto Madagasikara (18-25 janoary). Vakio ato izany https://www.lakroa.mg/item-2548_articles_politique_18-aoka-ny-rariny-hikoriana.html

  • 25 Jan. 2021 - 08:42-

    Televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Notokanana ny 23 janoary 201 teo tao Toamasina ny televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Ny RTCM na Radio Télévision Catholique Masova no televiziona katolika voalohany eto Madagasikara ary ny diosezin’i Toamasina no nanangana azy io. Miarahaba azy ny www.lakroa.mg ary mirary soa hahavita ny anjara andraikiny amin’ny fampitana ny feon’ny marina sy ny rariny. Ny RTCM dia raisina eo amin’ny ontsam-peo sy sary UHF 42 ao Toamasina. Sary vitsivitsy: https://www.lakroa.mg/item-2545_articles_newtech_18-notokanana-ny-televiziona-katolika-voalohany-eto...

  • 23 Jan. 2021 - 04:30-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021. Toy izao raha fintinana ireo antontan’isa voaray haatramin'ny 22 janoary mahasika ny vokatry ny fandalovan’ny rivodoza ELOISE teto anivon’ny BNGRC (mahakasika ny olona)
    Maty
     : Olona 1 no lavo tamin’ny fandalovan’i ELOISE.
    Traboina
    3 601 ireo traboina.
    Nafindra toerana
    : Nitombo 470 ireo nafindra toerana vonjy maika izay mitotaly 835 izy raha atambatra amin’ny efa voaagona hatramin’izay.

  • 23 Jan. 2021 - 04:28-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021.Raha ny mahakasika ireo foto-drafitr’asa sy trano fonenana dia:
    Miisa 156 ireo trano fonenana dibo-drano raha 645 ireo voakasika sy nahitam-pahasimbana.
    Miisa 193 kosa ireo trano fonenana rava tanteraka.
    142 trano fianarana voakasika sy nahitam-pahasimbana raha roa
    12 kosa ny trano fianarana rava tanteraka.

  • 23 Jan. 2021 - 04:26-

    Birao maharitra Antenimierandoholona. Tontosa ny zoma 22 janoary 2021 ny fifidianana ireo mpikambana mandrafitra ny Birao Maharitra eto anivon’ny Antenimierandoholona. Ka, voafidy ho :
    Filoha Lefitra ho an’ny faritany Avaratra : Loholon’i Madagasikara Imbiki Herilaza ;  
    Filoha lefitra ho an’ny faritany Atsimo : Loholon’i Madagasikara Rabemananjara Jean Paul Nicolas,
    Kestiora : Loholon’i Madagasikara Fernand Eddie Serge,
    Mpampakateny Jeneraly : Loholon’i Madagasikara Rasolondratsimba Raymond.
    Ny Filoha Razafimahefa Herimanana dia efa voafidy ny 19 janoary.

  • 07 Jan. 2021 - 07:36-

    Bonne année 2021. Toute l'équipe, rédaction et technique, de www.lakroa.mg se joint ici pour vous souhaiter, à vous lecteurs et sources, une bonne et heureuse année 2021. Que cette nouvelle année 2021 vous apporte, le bonheur, la joie et la prospérité et l’amour du prochain et du Pays. Notre unique résolution pour l’année 2021 est de réussir à vous apporter la nouvelle vraie avec des analyses lucides hors des sentiers battus. Et soyons solidaires pour notre Patrie et nos concitoyens. https://www.facebook.com/100002397970826/videos/3535584526531445/

  • 26 Dec. 2020 - 10:22-

    Que la magie de Noêl impacte sur votre vie 

    et voici des Suggestions de cadeaux de Noël:

    Pour l’ennemi, le pardon.
    Pour l’adversaire, la tolérance.
    Pour l’ami, votre cœur.
    Pour un client, du service.
    Pour tous, la charité.
    Pour chaque enfant, le bon exemple.
    Pour vous, le respect et

    Pour le Monde entier : l’Amour du Christ par la croix

    Et notre cadeau notre fidélité envers vous sur www.lakroa.mg

  • 07 Dec. 2020 - 07:23-

    Lahatsoratra mety hahaliana anao... Resaka tany

    https://www.lakroa.mg/item-2486_articles_economie_18-a-a-madagascar-comme-partout-sur-le-continent-les-alites-africaines-accaparent-les-terres-fertiles-a.html 

  • 25 Nov. 2020 - 12:28-

    l'économie bleue de l'AMDP a été engloutie par la vague orange. Et voilà que le dossier resurgit sous une autre forme avec d'autres acteurs mais toujours économie bleue (orangée).
    https://www.lakroa.mg/item-2465_articles_economie_18-petite-pache-en-paril-madagascar-signe-des-accords-de-pache-destructeurs-avec-des-investisseurs-chinois.html

  • 18 Oct. 2020 - 04:51-

    Arrêt n°10-HCC/AR du 16 octobre 2020 relative à une demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena. La demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena, est déclarée recevable. Article 3.-La demande du KMF-CNOE Fanabeazana Olompirenana est rejetée comme mal fondée en vertu des considérants 16 à 27. 

  • 18 Oct. 2020 - 04:50-

    Décision n°17-HCC/D3 du 16 octobre 2020 portant sur des requêtes aux fins d’inconstitutionnalité du décret n°2020-1110 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du 11 décembre 2020. Selon l’article 1, les requêtes sont déclarées recevables mais rejetées comme non fondées sur la base des considérants 17 à 25, 27 et 28 (article 3).

  • 17 Oct. 2020 - 05:06-

    Lu pour vous: Une usine clés en main normande expédiée à Madagascar contre la faim.  https://www.lakroa.mg/item-2413_articles_monde_18-une-usine-clas-en-main-normande-expadiae-a-madagascar-contre-la-faim.html

  • 13 Oct. 2020 - 04:49-

    62 taona ny Repoblika Malagasy. Hetsika maro no fantatra fa ho karakaraina hanamarihana ny faha 62 taona ny nanambarana ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy voalohany. Iray amin’ireny ny karakarain’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina. Ny 14 oktobra dia hisy ny fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny FJKM Atsimon’i  Mahamasina ny maraina amin’ny 9 ora sy sasany ary fikaonan-doha atao ao amin’ny Le pave Antaninarenina kosa ny tapany hariva. Asaina ny rehetra ka ny lohahevitra amin’izany ny hoe « maro tohanan’ny maro »

  • 12 Oct. 2020 - 05:08-

    Lu pour vous. Le Conseil des Ministres du 7 octobre a pris la décision que l’Etat va effectuer des travaux de relevés sismiques marins pour déterminer la ZEE. Et on apprend sur Africa Intelligence que. Il faut rappeller aussi que durant la présidence de Rajaonarimampianina un programme a été lancé en 2017. Quel sous-marin derrière tout cela ? Lu pour vous ne fait que transmettre l’article de Africa Intelligence. https://www.lakroa.mg/item-2404_articles_monde_18-culmen-international-intronisa-conseiller-stratagique-de-la-marine-malgache.html

  • 09 Oct. 2020 - 17:44-

    Marine malgache a un conseiller stratégique. Culmen International pressenti est intronisé conseiller stratégique de la marine malgache Comme l'avait anticipé Africa Intelligence (09/09/20), Culmen International a remporté le 28 septembre le marché de mise à disposition d'un conseiller stratégique pour la marine malgache. Ce contrat est financé par le Département d'Etat américain à hauteur d'un million de dollars. Culmen s'est imposé face à un autre contractor de défense américain, Sincerus Global Solutions, qui a absorbé en juillet la branche internationale du géant Science Applications International Corp (SAIC).

  • 01 Oct. 2020 - 09:23-

    Le mois d’octobre est consacré au  Saint Rosaire. La prière du rosaire se décline en 4 «groupes» de mystères : joyeux, lumineux, douloureux, glorieux. Chacun de ces «groupes» (ou méditations) se décline en 5 mystères. La prière du rosaire, au complet, comprend donc 20 mystères au total. Prier le chapelet, c’est par conséquent, quotidiennement, prier 5 mystères par jour.

  • 30 Sep. 2020 - 07:34-

    #COVID19
    Atontanisa momba ny Covid-19 ny 29 septambra 2020. Sitrana 192 vaovao.  
    Lavo 229 (+ 0).  
    Marary mafy 16 (– 1).
    FITILIANA : Tests PCR (297), Tests GeneXpert (53)
    Marary 29 vaovao : 1 Cas importé, 2 Analamanga,  Sainte Marie, 4 Ambatondrazaka, 2 Amparafaravola, 3 Matsiatra Ambony, 1 Atsimo Andrefana, 1 Menabe, 4 Antsohihy, 1 Bealanana, 5 Sava, 4 Diana

  • 21 Sep. 2020 - 07:15-

    Mikasika ny toeram-pivavahana: Toy izao indray ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo:
    - Misokatra ireo fiangonana sy mosquée rehetra manerana ny Nosy saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    - Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra
    - Manao aro vava orona ny rehetra
    - Raisina ny mari- pana eo am-pidirana
    - Mampiasa gel désinfection
    - Fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina
    - Tsy azo atao ny fifandraisan-tanana mandritra ny fotoam-pivavahana.

    Jereo ny fepetra manontolo :

    https://www.lakroa.mg/item-2386_articles_societe_18-ireo-fepetra-arahina-mandritra-ny-15-andro-nanomboka-ny-19-septambra-teo.html

  • 11 Sep. 2020 - 07:15-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 10 Septambra 2020
    #Sitrana: 52
    #Tranga_vaovao:104
    • 53 Analamanga, • 17 Antsirabe I, • 2 Antsirabe II, • 1 Mandoto, • 4 Ambositra, • 1 Antsohihy, • 6 Sambava, • 16 Antsiranana I, • 2 Antsiranana II, • 2 Ambilobe
    FITILIANA : Tests PCR (676), Tests GeneXpert (66)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 48 (-3)
     #Aina_nafoy: 02

Du même auteur

sport
politique

Dans la même rubrique

societe
societe