logo
Lakroan'i Madagasikara
Fanehoan-kevitra

« Mutant sy variant » koa ve ny olombelona ?

Jaozandry il y a 1 moi

Miovaova malaky ny fitrangan'ny fisian'ny coronavirus, na ireo efa voa aza tsy mahalala ny fisehon'ilay endrika vaovao na ny manavaka ilay fiofona ho viriosy brezilianina na viriosy afrika tatsimo na ilay viriosy anglisy dia samy tsisy mahalala ity no izatsy... Ary ny olombelona koa ve miofo?

« Mutant sy variant » koa ve ny olombelona ?

Ny fiovan’ity virus ity ka toa mampatanjaka sy mampahery azy manoloana ny ain’ny olombelona no atao hoe « mutant ». Rehefa miova toa mihamatanjaka izy dia manjary « variant vaovao». Misy karazany vaovao. Misy ny variant brezilianina, variant anglisy ary misy ny variant afrikanina tatsimo. Mora maka toetra mifanaraka amin’izay toerana hidirany izy. Izay no maha loza azy. Raha matanjaka ny hery fiarovana ao amintsika dia miezaka hifanahantsahana amin’izany izy ka sarotra fehezina. Rehefa jerena akaiky izany ity aretina ity dia mifanaraka amin’ny fivoaran’ny fikarohana ara-pahasalamana sy ara-tekinolojika ankehitriny : izany hoe, ny fivoaran’ny fahalalana biolojika, indrindra ny lafiny génétique, ny fahalalana tekinika ampiharina amin’ny fikaroahana biolojika : toy ny vaksiny, ny famokarana ara-tsakafo…

 

Mahakasika ny olombelona ny resaka coronavirus

Mampipongatra ireo votoatim-panontaniana mipetraka amin’ny fiainan’olombelona izy ity : ny fahavelomana sy ny fanatsarana azy, ny fahafatesana sy ny fifehezana azy, ny fikarohana fomba na siansa na tekinika samihafa hanatanterahana azy. Etoana dia tsy ilay aretina intsony no ipetrahan’ny fikarohana fa ny olombelona voakasik’izany : hanao ahoana ny fiainany sy ny hiarovana azy, atao ahoana ny hanatsarana ny fiharin-karenany sy ny fivoarany, inona no tekinolojia vaovao haterak’izany fikarohana izany ?

Rehefa jerena araka izany dia ny olombelona mihitsy no sehatra iompanan’izao toe-draharaha izao. Hitondra fiovana goavana amin’ny olombelona ity valanaretina ity : manoloana ny fahafatesana, ny fitantanana ny fiainana, ny fanafody samihafa handresena ny aretina, ny fifandraisany amin’ny tontolo manodidina azy, eny hatramin’ny finoana an’Andriamanitra…

Raha tsorina dia « mutant » ny olombelona ary hisy « variant » vaovao koa. Raha toa ka izay matanjaka afaka manohitra ny aretina no ho velona, tsy voatery fa mety ireo tsy nandalovan’aretina ihany koa, satria tsy nifanerasera tamin’ny olona na zavatra mitondra ny aretina, dia karazan’olona vaovao izany na « variant », vaovao ny olombelona teraka aorian’izao 2020-2021 izao. Tsy ilay karazana no zava-dehibe fa ilay « mutation », fiovana manamafy fa « mutant » ny olombelona. 

 

Mutation na fiofona vaovao

Any ivelany dia mihazakazaka ny siansa sy tekinolojia mamaritra fikarohana hitondra zava-baovao hifehezana ny valanaretina. Fa efa misongadina ny fifaninanana hazakazaka amin’ny voka-pikarohana samihafa. Manjary vaksinim-pirenena io voka-pikarohana io : toy ny hoe, amerikanina Johnson & Johnson, na sinoa Sinopharm, na sovietika Spoutnik, na frantsay… Mifaninana hametraka ny firenena amin’ny toerana ambony ny samy matanjaka. Ary fantatra fa mahakasika ny sehatry ny fikarohana biotekinolojika izany, ny fiantraikany ara-toe-karena ihany koa sy ny lalam-barotra ary ny politika eran-tany. Ny OMS moa dia mpanamarina sy mpankato ireny zava-bita ireny. Manjary famondronana ny firenena ny « COVAX », hiditra amin’ny fomba fitsaboana moderina na post-moderne. Resaka politika sy géopolitique goavana izany.

« Mutant » koa ny isam-pirenena. Madagasikara dia miady mafy amin’ny valan-java-boahary ananany sy nenti-paharazana. Mutant koa isika satria te hilahatra amin’ny voka-pikarohana moderina ireo raokandro malagasy na fitsaboana nentim-paharazana. Fotoan-dehibe hitsarana ny fahombiazan’ny vokatra samihafa izao. ny Sinoa koa dia mampiasa ny toy izany saingy efa nohatsaraina ara-tekinolojia ny azy.

 

« ny varian(t) na mutan(t) malagasy

Ity karazam-piovana mety manjo antsika ity no mety ho fahavoazantsika tanteraka. « Varian(t)-driana » na « mutan(t)-damba, mutan(t)-takolaka, mety ho mutan(t)-ondrika sy mutan(t)-jiro, mutan(t)di… samihafa… Natao hiova ny olombelona fa ny mivarilavo no ratsy indrindra. Rehefa manaiky ho resy isika dia izay no fahavoazana lehibe. Miraviravy tanana ary dia ny varavaram-pasana no hany vahaolana farany azo aroso. Ho an’ny kristianina, tsy fara-teny ny varavaram-pasana fa fiainana mitohy sy maharitra. Notantarain’i Kristy ny fanantenana izay navoakan’ny fasana, fa atorony kosa fa azontsika aseho eto an-tany fa zavaboary vaovao ao amin’i Kristy isika.

Ny « mutation » tsara ary ny « mutant » sahaza dia ilay fanatrarantsika ny fanahy maha olona.  Ny fanahy no olona, ary rehefa « mutan(t)’ny rano isika, nefa tsy manaiky ho lanin’ny mamba dia mandresy ». Mutan(t)-drema » dia afaka mitraka. Dingana vaovao isan’andro tsy maintsy asandratra ny fanahy soa indrindra ao amintsika. Anisan’ny asongadin’ny fahendrena tatsinanana ary mampahomby ny Sinoa ireny « herim-panahy samihafa » ireny : ny rivotra, ny rano, ny volana sy masoandro, ny zavaboary manodidina, ny fifandraisan’ny mpiara-belona, ny fianakaviana, ny fiarahamonina, ny vavaka sy ny fifantohana ao amin’Andriamanitra…Io no lazain’ny manam-pahaizana tandrefana hoe « épigénétique ». Manan-karena tontolo afaka manandratra azy ho ambony ny olombelona ary tsy « génétique » fotsiny.

Rehefa tsapan’ny olona ireny dia ho tsaroany, fa ankoatran’ny olana « génétique » dia misy zavatra maro fanomezana ho an’ny olona, satria tsy nofo aman-dra fotsiny izy, fa fanahy soa indrindra. Rehefa tsapany izany dia « variant » vaovao izy satria « mutant » mihoatra noho ny valanaretina. Amin’izay dia tsy « coronavirus » mahafaty no atrehany fa ilay « couronne » na fehiloha isaloran’ny mpanjaka sy ny mpandresy.

Koa aza « mutan(t)-nondri-dava, fa atrehonao ny ady. Rehefa afaka miatrika ady ny olombelona dia mahita sahady ny hery miafina mihoa-pampana ao aminy, hery tsy hay tohaina na sakanana. Mizotra mankany ve isika amin’ny fomba fiady iombonana sa olona « mutan(t)-takola sy mutan(t)-nondrika sy mutan(t)mpim-bava ? Olona manam-panahy ny Malagasy fa novan’ny fomba samihafa tsy voafehiny. Ny fanahy no olona, saingy raha avelantsika ho very fanahy ny olona dia resy izy ary ho viravirain’ilay ratsy. Ny fiovana ara-panahy dia hery lehibe handresena ny herin’ny ratsy te hanimba ny maha olona.

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 10 Apr. 2021 - 05:29-

    ‘‘Antso vonjy ny an’ny vahoaka, miantso ny fanjakana hoe « aiza e… vonjeo e… avela ho ringana ve ny vahoaka ?’’ hoy ny fanombohan’ny Matoan-dahatsoratra ao amin’ny Lakroan’i Madagasikara efa hita teny amin’ny mpivarotra nanomboka ny alakamisy 8 avrily teo… Fa hoy izy mamarana ‘‘Izao no mila jerena…’’ Raha manjifa ny Lakroa ianao dia hahafantatra ny famoaboasana ihany koa ary ahita ny famaranana… Miarova tena, arovy ny akaiky anao. Md Roch…

  • 27 Jan. 2021 - 12:11-

    Fanambaran’ny FFKM. Namoaka fanambarana ny Filoham-piangonana efatra ato anatin'ny FFKM, Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, ny alahady 24 janoary ao anatin’ny Herinandro fiaraha-mivavaka ho an’ny Firaisan’ny Kristianina manerana  ny tany sy eto Madagasikara (18-25 janoary). Vakio ato izany https://www.lakroa.mg/item-2548_articles_politique_18-aoka-ny-rariny-hikoriana.html

  • 25 Jan. 2021 - 08:42-

    Televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Notokanana ny 23 janoary 201 teo tao Toamasina ny televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Ny RTCM na Radio Télévision Catholique Masova no televiziona katolika voalohany eto Madagasikara ary ny diosezin’i Toamasina no nanangana azy io. Miarahaba azy ny www.lakroa.mg ary mirary soa hahavita ny anjara andraikiny amin’ny fampitana ny feon’ny marina sy ny rariny. Ny RTCM dia raisina eo amin’ny ontsam-peo sy sary UHF 42 ao Toamasina. Sary vitsivitsy: https://www.lakroa.mg/item-2545_articles_newtech_18-notokanana-ny-televiziona-katolika-voalohany-eto...

  • 23 Jan. 2021 - 04:30-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021. Toy izao raha fintinana ireo antontan’isa voaray haatramin'ny 22 janoary mahasika ny vokatry ny fandalovan’ny rivodoza ELOISE teto anivon’ny BNGRC (mahakasika ny olona)
    Maty
     : Olona 1 no lavo tamin’ny fandalovan’i ELOISE.
    Traboina
    3 601 ireo traboina.
    Nafindra toerana
    : Nitombo 470 ireo nafindra toerana vonjy maika izay mitotaly 835 izy raha atambatra amin’ny efa voaagona hatramin’izay.

  • 23 Jan. 2021 - 04:28-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021.Raha ny mahakasika ireo foto-drafitr’asa sy trano fonenana dia:
    Miisa 156 ireo trano fonenana dibo-drano raha 645 ireo voakasika sy nahitam-pahasimbana.
    Miisa 193 kosa ireo trano fonenana rava tanteraka.
    142 trano fianarana voakasika sy nahitam-pahasimbana raha roa
    12 kosa ny trano fianarana rava tanteraka.

  • 23 Jan. 2021 - 04:26-

    Birao maharitra Antenimierandoholona. Tontosa ny zoma 22 janoary 2021 ny fifidianana ireo mpikambana mandrafitra ny Birao Maharitra eto anivon’ny Antenimierandoholona. Ka, voafidy ho :
    Filoha Lefitra ho an’ny faritany Avaratra : Loholon’i Madagasikara Imbiki Herilaza ;  
    Filoha lefitra ho an’ny faritany Atsimo : Loholon’i Madagasikara Rabemananjara Jean Paul Nicolas,
    Kestiora : Loholon’i Madagasikara Fernand Eddie Serge,
    Mpampakateny Jeneraly : Loholon’i Madagasikara Rasolondratsimba Raymond.
    Ny Filoha Razafimahefa Herimanana dia efa voafidy ny 19 janoary.

  • 07 Jan. 2021 - 07:36-

    Bonne année 2021. Toute l'équipe, rédaction et technique, de www.lakroa.mg se joint ici pour vous souhaiter, à vous lecteurs et sources, une bonne et heureuse année 2021. Que cette nouvelle année 2021 vous apporte, le bonheur, la joie et la prospérité et l’amour du prochain et du Pays. Notre unique résolution pour l’année 2021 est de réussir à vous apporter la nouvelle vraie avec des analyses lucides hors des sentiers battus. Et soyons solidaires pour notre Patrie et nos concitoyens. https://www.facebook.com/100002397970826/videos/3535584526531445/

  • 26 Dec. 2020 - 10:22-

    Que la magie de Noêl impacte sur votre vie 

    et voici des Suggestions de cadeaux de Noël:

    Pour l’ennemi, le pardon.
    Pour l’adversaire, la tolérance.
    Pour l’ami, votre cœur.
    Pour un client, du service.
    Pour tous, la charité.
    Pour chaque enfant, le bon exemple.
    Pour vous, le respect et

    Pour le Monde entier : l’Amour du Christ par la croix

    Et notre cadeau notre fidélité envers vous sur www.lakroa.mg

  • 07 Dec. 2020 - 07:23-

    Lahatsoratra mety hahaliana anao... Resaka tany

    https://www.lakroa.mg/item-2486_articles_economie_18-a-a-madagascar-comme-partout-sur-le-continent-les-alites-africaines-accaparent-les-terres-fertiles-a.html 

  • 25 Nov. 2020 - 12:28-

    l'économie bleue de l'AMDP a été engloutie par la vague orange. Et voilà que le dossier resurgit sous une autre forme avec d'autres acteurs mais toujours économie bleue (orangée).
    https://www.lakroa.mg/item-2465_articles_economie_18-petite-pache-en-paril-madagascar-signe-des-accords-de-pache-destructeurs-avec-des-investisseurs-chinois.html

  • 18 Oct. 2020 - 04:51-

    Arrêt n°10-HCC/AR du 16 octobre 2020 relative à une demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena. La demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena, est déclarée recevable. Article 3.-La demande du KMF-CNOE Fanabeazana Olompirenana est rejetée comme mal fondée en vertu des considérants 16 à 27. 

  • 18 Oct. 2020 - 04:50-

    Décision n°17-HCC/D3 du 16 octobre 2020 portant sur des requêtes aux fins d’inconstitutionnalité du décret n°2020-1110 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du 11 décembre 2020. Selon l’article 1, les requêtes sont déclarées recevables mais rejetées comme non fondées sur la base des considérants 17 à 25, 27 et 28 (article 3).

  • 17 Oct. 2020 - 05:06-

    Lu pour vous: Une usine clés en main normande expédiée à Madagascar contre la faim.  https://www.lakroa.mg/item-2413_articles_monde_18-une-usine-clas-en-main-normande-expadiae-a-madagascar-contre-la-faim.html

  • 13 Oct. 2020 - 04:49-

    62 taona ny Repoblika Malagasy. Hetsika maro no fantatra fa ho karakaraina hanamarihana ny faha 62 taona ny nanambarana ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy voalohany. Iray amin’ireny ny karakarain’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina. Ny 14 oktobra dia hisy ny fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny FJKM Atsimon’i  Mahamasina ny maraina amin’ny 9 ora sy sasany ary fikaonan-doha atao ao amin’ny Le pave Antaninarenina kosa ny tapany hariva. Asaina ny rehetra ka ny lohahevitra amin’izany ny hoe « maro tohanan’ny maro »

  • 12 Oct. 2020 - 05:08-

    Lu pour vous. Le Conseil des Ministres du 7 octobre a pris la décision que l’Etat va effectuer des travaux de relevés sismiques marins pour déterminer la ZEE. Et on apprend sur Africa Intelligence que. Il faut rappeller aussi que durant la présidence de Rajaonarimampianina un programme a été lancé en 2017. Quel sous-marin derrière tout cela ? Lu pour vous ne fait que transmettre l’article de Africa Intelligence. https://www.lakroa.mg/item-2404_articles_monde_18-culmen-international-intronisa-conseiller-stratagique-de-la-marine-malgache.html

  • 09 Oct. 2020 - 17:44-

    Marine malgache a un conseiller stratégique. Culmen International pressenti est intronisé conseiller stratégique de la marine malgache Comme l'avait anticipé Africa Intelligence (09/09/20), Culmen International a remporté le 28 septembre le marché de mise à disposition d'un conseiller stratégique pour la marine malgache. Ce contrat est financé par le Département d'Etat américain à hauteur d'un million de dollars. Culmen s'est imposé face à un autre contractor de défense américain, Sincerus Global Solutions, qui a absorbé en juillet la branche internationale du géant Science Applications International Corp (SAIC).

  • 01 Oct. 2020 - 09:23-

    Le mois d’octobre est consacré au  Saint Rosaire. La prière du rosaire se décline en 4 «groupes» de mystères : joyeux, lumineux, douloureux, glorieux. Chacun de ces «groupes» (ou méditations) se décline en 5 mystères. La prière du rosaire, au complet, comprend donc 20 mystères au total. Prier le chapelet, c’est par conséquent, quotidiennement, prier 5 mystères par jour.

  • 30 Sep. 2020 - 07:34-

    #COVID19
    Atontanisa momba ny Covid-19 ny 29 septambra 2020. Sitrana 192 vaovao.  
    Lavo 229 (+ 0).  
    Marary mafy 16 (– 1).
    FITILIANA : Tests PCR (297), Tests GeneXpert (53)
    Marary 29 vaovao : 1 Cas importé, 2 Analamanga,  Sainte Marie, 4 Ambatondrazaka, 2 Amparafaravola, 3 Matsiatra Ambony, 1 Atsimo Andrefana, 1 Menabe, 4 Antsohihy, 1 Bealanana, 5 Sava, 4 Diana

  • 21 Sep. 2020 - 07:15-

    Mikasika ny toeram-pivavahana: Toy izao indray ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo:
    - Misokatra ireo fiangonana sy mosquée rehetra manerana ny Nosy saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    - Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra
    - Manao aro vava orona ny rehetra
    - Raisina ny mari- pana eo am-pidirana
    - Mampiasa gel désinfection
    - Fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina
    - Tsy azo atao ny fifandraisan-tanana mandritra ny fotoam-pivavahana.

    Jereo ny fepetra manontolo :

    https://www.lakroa.mg/item-2386_articles_societe_18-ireo-fepetra-arahina-mandritra-ny-15-andro-nanomboka-ny-19-septambra-teo.html

  • 11 Sep. 2020 - 07:15-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 10 Septambra 2020
    #Sitrana: 52
    #Tranga_vaovao:104
    • 53 Analamanga, • 17 Antsirabe I, • 2 Antsirabe II, • 1 Mandoto, • 4 Ambositra, • 1 Antsohihy, • 6 Sambava, • 16 Antsiranana I, • 2 Antsiranana II, • 2 Ambilobe
    FITILIANA : Tests PCR (676), Tests GeneXpert (66)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 48 (-3)
     #Aina_nafoy: 02

Du même auteur

sport
politique

Dans la même rubrique

politique
politique