logo
Lakroan'i Madagasikara
Teny Mahavelona

« Fitiavana sy Fahamarinana no tena endrik’i Kristy »

Malala il y a 1 moi

Fomba fiteny sy zara toy ny baikom-pitolomana mihitsy ny hoe « Fitiavana sy fahamarinana ». Tsara anefa ny manamarika fa fomba fiteny notovozina avy tao amin’ny Soratra Masina izany ary tsy fomba fiteny fotsiny fa tondrozotra enti-miaina ny maha kristianina sy foto-kevitra enti-maneho ny maha endrik’i Kristy.

« Fitiavana sy Fahamarinana no tena endrik’i Kristy »


Alahady 16 Mai 2021

Alahady Paka 7 B

Asa. 1, 15-17; 1Jo. 4, 11-16 ; Jo. 17, 11b-19

 

« Fitiavana sy Fahamarinana no tena endrik’i Kristy »

 

« Asehoy izay voafidinao amin’izy roa lahy ireto ». Asehon’ny vakiteny voalohany, amin’ny fitantarana ny fifidianana izay ho solon’i Jodasy, ilay anisan’ny apostoly saingy tonga mpamadika ary « nitarika ny mpisambotra an’i Jesoa ». Maneho ny fitiavana sy fahamarinana ny fizotran’ny fifidianana tao anatin’ny vavaka ka nitalahoana tamin’ny Tompo mba hasehony izay voafidiny tamin’ireo roalahy nisafidianana. Ohatra masina azo alain-tahaka izany rehefa misy fifidianana atao…

« Andriamanitra dia fitiavana ; koa izay mitoetra ao amin’ny fitiavana dia mitoetra ao amin’Andriamanitra ». Asongadin’ny vakiteny faharoa misimisy kokoa izany endriky ny fitiavana sy fahamarinana izany. Andriamanitra no Fitiavana ary i Jesoa Kristy no Ilay endrik’Andriamanitra Fitiavana. Nasehon’i Jesoa Kristy teo amin’ny fiainany izany endrik’Andriamanitra Fitiavana izany. Izy no ilay « Fitiavana tonga nofo ». Asehony amin’ny tenany sy ny teniny ary ny ataony izany Endrik’Andriamanitra Fitiavana izany. Tsy mbola nisy olona nahita an’Andriamanitra fa i Jesoa Kristy zanany no maneho Azy. Izay mahita Azy mahita an’Andriamanitra. Izay maha tahaka Azy maneho ny endrik’Andriamanitra…

 « Ray masina ô, tahirizo amin’ny Anaranao izay nomenao ahy ». Fa ny evanjely, vakiteny fahatelo, no faratam-pon’ny fanasongadinana ilay Fitiavana sy Fahamarinana. Mivavaka amin’Andriamanitra i Jesao. Antsoin’i Jesoa hoe « Ray » Andriamanitra. Toe-pon’olombelona nandray ny Fanahy fananganan-janaka izany ka afaka miantso an’ Andriamanitra hoe: Aba ! Ray !  (Rom. 8, 15b). Mampianatra ny mpianany Izy mba hanana toe-pon-janaka rehefa mivavaka amin’Andriamanitra ka hiantso Azy hoe « Rainay ». Antsoin’i Jesoa hoe « Ray masina » ihany koa ilay Andriamanitra Ray. Toe-pon’olombelona mahatsapa ny fahamasinan’Andriamanitra ihany koa izany. Izy Andriamanitra Ray Ilay loharanon’ny soa sy ny fahamasinana rehetra ka italahoana fahasoavana sy fahamasinana. Izy irery no Masina saingy nanaiky hahatonga ny olombelona ho Olomasina Izy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, ilay Andriamanitra tonga olombelona.

 « Tahirizo…, mba ho iray tahaka antsika izy ireo … Tsy ny hanesoranao azy ireo amin’izao tontolo izao no angatahiko, fa ny hiarovanao azy amin’ny ratsy ».». Voalohany amin’ny votoatin’ny vavaka nataon’i Jesoa tamin’ny Ray ny « hitahirizany » ireo mpianany. Sarobidy eo imason’i Jesoa izy ireo ka tiany hotehirizina mba tsy ho very. Eny, mety tsy dia manana ny sandany loatra na ho lafo vidy manakory ny fanomezana fa ilay nanome no mampisy vidiny sy hajany azy. Tsy dia hoe tsara toetra, na tsara bika manao ahoana akory ireo mpianatra ireo fa noho izy ireo fanomezana avy amin’Ilay Masina no maha sarobidy azy ireo ka angatahin’i Jesoa mba « ho tehirizina ».

Angatahin’i Jesoa ihany koa ny mba « hampiraisana » azy ireo lalandava tahaka ny firaisany amin’ny Ray ; firaisana fiombonana aina, fifandraisan’ny ray aman-dreny sy zanaka. Izany firaisana izany koa no iriny ho an’ireo mpianany : ho zanaka mpandova fahamasinana ao amin’Andriamanitra Ray ; ho zandry mahaleo mahalasana ho an’i Jesoa, ary ho mpiray tampo mifankatia eo imason’izao tontolo izao. Raha ho tehirizina any an-danitra ireto fanomezan’ny Ray ireto (ireo mpianatra), hoy i Jesoa, dia tsy mila vavaka intsony saingy eto amin’izao tontolo izao izy ireo ary ho halan’izao tontolo izao, satria mitandrina ny teniny, ka izany indrindra no italahoan’i Jesoa amin’ny Ray ho azy ireo.

« Ankamasino amin’ny fahamarinana izy ireo. Ny Teninao no fahamarinana … Manamasina ny tenako ho azy ireo aho, mba hohamasinina amin’ny fahamarinana koa izy ireo ». Fitiavana sy fahamarinana, fahamarinana sy fahamasinana… Tsy teny am-bava fotsiny àry izany na hiaka politika manaitatitra hisarihan’olona fa tenin’i Jesoa Kristy, ventim-bavaka sy famaranana ny vavaka nataony ho an’ireo mpianany. Fitiavana, Fitehirizana, fampiraisana, fanamasinana. Tsy ho an’ireo mpianatra tamin’izany andro izany ihany ny vavaka fa ho an’ireo mpianatra ankehitrio ihany koa. Ho an’ireo rehetra nandray ny Fanahy fananganan-janaka tamin’ny Batemy (na Batisa) ka tonga endrik’i Kristy, indrindra amin’izao andro misavorovoro izao, mba hiaina marina tokoa ny Fitiavana sy Fahamarinana.

« Jesoa Tompo o ! Mba ho iray ihany anie izahay mpianatrao. »

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 10 Apr. 2021 - 05:29-

    ‘‘Antso vonjy ny an’ny vahoaka, miantso ny fanjakana hoe « aiza e… vonjeo e… avela ho ringana ve ny vahoaka ?’’ hoy ny fanombohan’ny Matoan-dahatsoratra ao amin’ny Lakroan’i Madagasikara efa hita teny amin’ny mpivarotra nanomboka ny alakamisy 8 avrily teo… Fa hoy izy mamarana ‘‘Izao no mila jerena…’’ Raha manjifa ny Lakroa ianao dia hahafantatra ny famoaboasana ihany koa ary ahita ny famaranana… Miarova tena, arovy ny akaiky anao. Md Roch…

  • 27 Jan. 2021 - 12:11-

    Fanambaran’ny FFKM. Namoaka fanambarana ny Filoham-piangonana efatra ato anatin'ny FFKM, Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, ny alahady 24 janoary ao anatin’ny Herinandro fiaraha-mivavaka ho an’ny Firaisan’ny Kristianina manerana  ny tany sy eto Madagasikara (18-25 janoary). Vakio ato izany https://www.lakroa.mg/item-2548_articles_politique_18-aoka-ny-rariny-hikoriana.html

  • 25 Jan. 2021 - 08:42-

    Televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Notokanana ny 23 janoary 201 teo tao Toamasina ny televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Ny RTCM na Radio Télévision Catholique Masova no televiziona katolika voalohany eto Madagasikara ary ny diosezin’i Toamasina no nanangana azy io. Miarahaba azy ny www.lakroa.mg ary mirary soa hahavita ny anjara andraikiny amin’ny fampitana ny feon’ny marina sy ny rariny. Ny RTCM dia raisina eo amin’ny ontsam-peo sy sary UHF 42 ao Toamasina. Sary vitsivitsy: https://www.lakroa.mg/item-2545_articles_newtech_18-notokanana-ny-televiziona-katolika-voalohany-eto...

  • 23 Jan. 2021 - 04:30-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021. Toy izao raha fintinana ireo antontan’isa voaray haatramin'ny 22 janoary mahasika ny vokatry ny fandalovan’ny rivodoza ELOISE teto anivon’ny BNGRC (mahakasika ny olona)
    Maty
     : Olona 1 no lavo tamin’ny fandalovan’i ELOISE.
    Traboina
    3 601 ireo traboina.
    Nafindra toerana
    : Nitombo 470 ireo nafindra toerana vonjy maika izay mitotaly 835 izy raha atambatra amin’ny efa voaagona hatramin’izay.

  • 23 Jan. 2021 - 04:28-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021.Raha ny mahakasika ireo foto-drafitr’asa sy trano fonenana dia:
    Miisa 156 ireo trano fonenana dibo-drano raha 645 ireo voakasika sy nahitam-pahasimbana.
    Miisa 193 kosa ireo trano fonenana rava tanteraka.
    142 trano fianarana voakasika sy nahitam-pahasimbana raha roa
    12 kosa ny trano fianarana rava tanteraka.

  • 23 Jan. 2021 - 04:26-

    Birao maharitra Antenimierandoholona. Tontosa ny zoma 22 janoary 2021 ny fifidianana ireo mpikambana mandrafitra ny Birao Maharitra eto anivon’ny Antenimierandoholona. Ka, voafidy ho :
    Filoha Lefitra ho an’ny faritany Avaratra : Loholon’i Madagasikara Imbiki Herilaza ;  
    Filoha lefitra ho an’ny faritany Atsimo : Loholon’i Madagasikara Rabemananjara Jean Paul Nicolas,
    Kestiora : Loholon’i Madagasikara Fernand Eddie Serge,
    Mpampakateny Jeneraly : Loholon’i Madagasikara Rasolondratsimba Raymond.
    Ny Filoha Razafimahefa Herimanana dia efa voafidy ny 19 janoary.

  • 07 Jan. 2021 - 07:36-

    Bonne année 2021. Toute l'équipe, rédaction et technique, de www.lakroa.mg se joint ici pour vous souhaiter, à vous lecteurs et sources, une bonne et heureuse année 2021. Que cette nouvelle année 2021 vous apporte, le bonheur, la joie et la prospérité et l’amour du prochain et du Pays. Notre unique résolution pour l’année 2021 est de réussir à vous apporter la nouvelle vraie avec des analyses lucides hors des sentiers battus. Et soyons solidaires pour notre Patrie et nos concitoyens. https://www.facebook.com/100002397970826/videos/3535584526531445/

  • 26 Dec. 2020 - 10:22-

    Que la magie de Noêl impacte sur votre vie 

    et voici des Suggestions de cadeaux de Noël:

    Pour l’ennemi, le pardon.
    Pour l’adversaire, la tolérance.
    Pour l’ami, votre cœur.
    Pour un client, du service.
    Pour tous, la charité.
    Pour chaque enfant, le bon exemple.
    Pour vous, le respect et

    Pour le Monde entier : l’Amour du Christ par la croix

    Et notre cadeau notre fidélité envers vous sur www.lakroa.mg

  • 07 Dec. 2020 - 07:23-

    Lahatsoratra mety hahaliana anao... Resaka tany

    https://www.lakroa.mg/item-2486_articles_economie_18-a-a-madagascar-comme-partout-sur-le-continent-les-alites-africaines-accaparent-les-terres-fertiles-a.html 

  • 25 Nov. 2020 - 12:28-

    l'économie bleue de l'AMDP a été engloutie par la vague orange. Et voilà que le dossier resurgit sous une autre forme avec d'autres acteurs mais toujours économie bleue (orangée).
    https://www.lakroa.mg/item-2465_articles_economie_18-petite-pache-en-paril-madagascar-signe-des-accords-de-pache-destructeurs-avec-des-investisseurs-chinois.html

  • 18 Oct. 2020 - 04:51-

    Arrêt n°10-HCC/AR du 16 octobre 2020 relative à une demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena. La demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena, est déclarée recevable. Article 3.-La demande du KMF-CNOE Fanabeazana Olompirenana est rejetée comme mal fondée en vertu des considérants 16 à 27. 

  • 18 Oct. 2020 - 04:50-

    Décision n°17-HCC/D3 du 16 octobre 2020 portant sur des requêtes aux fins d’inconstitutionnalité du décret n°2020-1110 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du 11 décembre 2020. Selon l’article 1, les requêtes sont déclarées recevables mais rejetées comme non fondées sur la base des considérants 17 à 25, 27 et 28 (article 3).

  • 17 Oct. 2020 - 05:06-

    Lu pour vous: Une usine clés en main normande expédiée à Madagascar contre la faim.  https://www.lakroa.mg/item-2413_articles_monde_18-une-usine-clas-en-main-normande-expadiae-a-madagascar-contre-la-faim.html

  • 13 Oct. 2020 - 04:49-

    62 taona ny Repoblika Malagasy. Hetsika maro no fantatra fa ho karakaraina hanamarihana ny faha 62 taona ny nanambarana ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy voalohany. Iray amin’ireny ny karakarain’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina. Ny 14 oktobra dia hisy ny fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny FJKM Atsimon’i  Mahamasina ny maraina amin’ny 9 ora sy sasany ary fikaonan-doha atao ao amin’ny Le pave Antaninarenina kosa ny tapany hariva. Asaina ny rehetra ka ny lohahevitra amin’izany ny hoe « maro tohanan’ny maro »

  • 12 Oct. 2020 - 05:08-

    Lu pour vous. Le Conseil des Ministres du 7 octobre a pris la décision que l’Etat va effectuer des travaux de relevés sismiques marins pour déterminer la ZEE. Et on apprend sur Africa Intelligence que. Il faut rappeller aussi que durant la présidence de Rajaonarimampianina un programme a été lancé en 2017. Quel sous-marin derrière tout cela ? Lu pour vous ne fait que transmettre l’article de Africa Intelligence. https://www.lakroa.mg/item-2404_articles_monde_18-culmen-international-intronisa-conseiller-stratagique-de-la-marine-malgache.html

  • 09 Oct. 2020 - 17:44-

    Marine malgache a un conseiller stratégique. Culmen International pressenti est intronisé conseiller stratégique de la marine malgache Comme l'avait anticipé Africa Intelligence (09/09/20), Culmen International a remporté le 28 septembre le marché de mise à disposition d'un conseiller stratégique pour la marine malgache. Ce contrat est financé par le Département d'Etat américain à hauteur d'un million de dollars. Culmen s'est imposé face à un autre contractor de défense américain, Sincerus Global Solutions, qui a absorbé en juillet la branche internationale du géant Science Applications International Corp (SAIC).

  • 01 Oct. 2020 - 09:23-

    Le mois d’octobre est consacré au  Saint Rosaire. La prière du rosaire se décline en 4 «groupes» de mystères : joyeux, lumineux, douloureux, glorieux. Chacun de ces «groupes» (ou méditations) se décline en 5 mystères. La prière du rosaire, au complet, comprend donc 20 mystères au total. Prier le chapelet, c’est par conséquent, quotidiennement, prier 5 mystères par jour.

  • 30 Sep. 2020 - 07:34-

    #COVID19
    Atontanisa momba ny Covid-19 ny 29 septambra 2020. Sitrana 192 vaovao.  
    Lavo 229 (+ 0).  
    Marary mafy 16 (– 1).
    FITILIANA : Tests PCR (297), Tests GeneXpert (53)
    Marary 29 vaovao : 1 Cas importé, 2 Analamanga,  Sainte Marie, 4 Ambatondrazaka, 2 Amparafaravola, 3 Matsiatra Ambony, 1 Atsimo Andrefana, 1 Menabe, 4 Antsohihy, 1 Bealanana, 5 Sava, 4 Diana

  • 21 Sep. 2020 - 07:15-

    Mikasika ny toeram-pivavahana: Toy izao indray ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo:
    - Misokatra ireo fiangonana sy mosquée rehetra manerana ny Nosy saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    - Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra
    - Manao aro vava orona ny rehetra
    - Raisina ny mari- pana eo am-pidirana
    - Mampiasa gel désinfection
    - Fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina
    - Tsy azo atao ny fifandraisan-tanana mandritra ny fotoam-pivavahana.

    Jereo ny fepetra manontolo :

    https://www.lakroa.mg/item-2386_articles_societe_18-ireo-fepetra-arahina-mandritra-ny-15-andro-nanomboka-ny-19-septambra-teo.html

  • 11 Sep. 2020 - 07:15-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 10 Septambra 2020
    #Sitrana: 52
    #Tranga_vaovao:104
    • 53 Analamanga, • 17 Antsirabe I, • 2 Antsirabe II, • 1 Mandoto, • 4 Ambositra, • 1 Antsohihy, • 6 Sambava, • 16 Antsiranana I, • 2 Antsiranana II, • 2 Ambilobe
    FITILIANA : Tests PCR (676), Tests GeneXpert (66)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 48 (-3)
     #Aina_nafoy: 02

Du même auteur

sport
politique

Dans la même rubrique

religion
religion