logo
Lakroan'i Madagasikara
Haino aman-jery

Jery todika ny 15 andro hamehana ara-pahasalamana farany sy ny manaraka

Rasoanjanahary il y a 29 jours

Manahirana ihany ho an’ny mpanara-baovao ny mamaky ny fivoaran’ny antontanisa indrindra rahefa voizina ny fijotson’ny antontanisa. Mijotso ny fivoaran’ny antontanisa ofisialy momba ny ‘corona’ avoakan’ny minisiteran’ny fahasalamana isan’andro raha ny tao anatin’ny 15 andro nanohizana ny hamehana ara-pahasalamana nifarana tamin’ny alahady 16 mey 2021.

Jery todika ny 15 andro hamehana ara-pahasalamana farany sy ny manaraka


Tamin’ny 1 mey, dia 4211 ny an-dalam-pitsaboana, 636 no sitrana ary 332 no tranga misy fahasarotana. Tamin’ny 15 mey dia 1549 sisa ny an-dalam-pitsaboana, 150 no sitrana ary 290 no tranga misy fahasarotana. Ny fitambran’ny maty ny 23 marsa 2020 ka hatramin’ny 1 mey 2021 dia 666 raha 763 izany hatramin’ny 15 mey 2021, izany hoe manakaiky ny 100 tao anatin’ny tapa-bolana. Amin’ny ankapobeny, ny fitambaran’ny fitiliana na ‘test’ natao hatramin’izay niandohan’ny ady amin’ny valanaretina izay dia latsaky ny 200 000 ka maherin’ny 39 000 ny tranga hita fa mitondra ny tsimokaretina ary 37 000 mahery no sitrana. Mananika ny 90% ny taham-pahasitranana eto amintsika raha tombanana eo amin’ny 76% ny taham-pahasitranana eran-tany izay manakaiky ny 160 tapitrisa ny tranga ary 125 tapitrisa no sitrana. Tsikaritry ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny fahasalamana anefa fa mitombo ny lavo tamin’ity taona ity raha mitaha ny taon-dasa, Nalaky ny fahatongavana tamin’ny lavo maherin’ny 3,3 tapitrisa ankehitriny. Tahaka izay ihany koa ny fitombon’ny lavo eto Madagasikara. Enti-milaza izany fa mbola tsy vita ny ady amin’ity valanaretina ity na dia efa misy aza ireo firenena miala miandalana amin’ny maska sy ny fihibohana noho ny fahavitana vaksiny ampahany an-tapitrisa amin’ny mponina ao aminy.

Eo anatrehan’izany tontolo izany, ho antsika, mitohy 15 andro indray ny hamehana ara-pahasalamana sy ny fepetra samihafa miaraka amin’izany, araka ny nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian ny alin’ny alahady 16 mey 2021, nanomboka tamin’ny 8 ora ka hatramin’ny 9 ora sy fahefany. Nanazava ny ataon’ny fitondram-panjakana izy io alina io amin’ny fiatrehana ny valanaretina sy ny fiainam-pirenena. Fanamafisana ny efa nambaran’ny filoham-pirenena ombieny ombieny no nataony, ary nilazany koa fa tsy miady izy sy ny filoha amin’ny hetsika rehetra atao.


Resaka vaksiny, “prime” ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana, “kere”

Tonga tamin’ny 8 mey 2021 ny andiany voalohany ao anatin’ilay programa ‘covax’ iarahana amin’ny mpiara-miombona antoka samihafa, miiisa 250 000 ‘doses’ amin’ilay atao hoe covishield na astrazeneca, ilay nanaovan’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina kiana tamin’ny tafany farany tamin’ny alalan’ny haino aman-jerim-panjakana TVM sy RNM. Ny tenany tamin’io fotoana io dia nitsidim-paritra tany atsimon’ny Nosy momba ny fanampiana amin’ny “kere” ary isan’ny nataony tany ihany koa ny fanolorana ny “prime exceptionnelle” ho an’ireo mpiasan’ny fahasalamana any an-toerana satria tsy tafita ny toromarika nampitainy. Taorian’izany, dia miandrandra io “prime” io ihany koa ny mpiasan’ny fahasalamana hafa rehetra izay tokony hisitraka izany toy ny ao amin’ny Faritra Analamanga izay anisan’ny be tranga indrindra amin’ity valanaretina ity.

Ity ady amin’ny “kere” ity araka ny tomban’ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny sakafo eto Madagasikara dia mihasarotra ary mila hatrany amin’ny 75 tapitrisa dolara hiatrehana azy. Olana tsy vaovao ny “kere” saingy mampametra-panontaniana mandraka ankehitriny ny tsy hafatanterahan’ny vahaolana mahomby iadiana aminy.


Fitaterana an’habakabaka misokatra ho an’ny sokajin’olona manokana

Araka ny fanapahan-kevitra tamin’ny filan-kevitry ny minisitra tamin’ny alarobia 12 mey dia nofaritana indray ireo sokajin’olona afaka mivezivezy eto Madagasikara amin’ny alalan’ny fitaterana an’habakabaka: ny masoivoho vahiny miasa sy monina eto amintsika, ireo iraky ny Fikambanana iraisam-pirenena sy ny mpiara-miasa ao aminy, ny manampahaizana manokana amin’ny sehatra indostrialy stratejika miara-miasa amin’ny fanjakana, ary ireo mpanao fanatanjahantena mandray anjara amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena.


Vavaka totoafo sy firaisan-kina, araka ny fanentanan’ny Papa Fransoa

Na dia mikatona aza ny Fiangonana noho ny hamehana ara-pahasalamana sy fihibohana ho an’ny faritra iharan’izany, dia manentana ny Papa Fransoa mba hanaovana vavaka totoafo iadiana amin’izao valanaretina ‘corona’ izao sy hampiharana ny firaisan-kinan’ny zanak’olombelona amin’ny ady atao. Ny Papa manokana dia mandrisika hatrany ny hisitrahan’ny firenen-dehetra, indrindra ireo firenena mahantra ny fitsaboana sahaza ary hatramin’ny fahazoana vaksiny aza.

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 10 Apr. 2021 - 05:29-

    ‘‘Antso vonjy ny an’ny vahoaka, miantso ny fanjakana hoe « aiza e… vonjeo e… avela ho ringana ve ny vahoaka ?’’ hoy ny fanombohan’ny Matoan-dahatsoratra ao amin’ny Lakroan’i Madagasikara efa hita teny amin’ny mpivarotra nanomboka ny alakamisy 8 avrily teo… Fa hoy izy mamarana ‘‘Izao no mila jerena…’’ Raha manjifa ny Lakroa ianao dia hahafantatra ny famoaboasana ihany koa ary ahita ny famaranana… Miarova tena, arovy ny akaiky anao. Md Roch…

  • 27 Jan. 2021 - 12:11-

    Fanambaran’ny FFKM. Namoaka fanambarana ny Filoham-piangonana efatra ato anatin'ny FFKM, Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, ny alahady 24 janoary ao anatin’ny Herinandro fiaraha-mivavaka ho an’ny Firaisan’ny Kristianina manerana  ny tany sy eto Madagasikara (18-25 janoary). Vakio ato izany https://www.lakroa.mg/item-2548_articles_politique_18-aoka-ny-rariny-hikoriana.html

  • 25 Jan. 2021 - 08:42-

    Televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Notokanana ny 23 janoary 201 teo tao Toamasina ny televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Ny RTCM na Radio Télévision Catholique Masova no televiziona katolika voalohany eto Madagasikara ary ny diosezin’i Toamasina no nanangana azy io. Miarahaba azy ny www.lakroa.mg ary mirary soa hahavita ny anjara andraikiny amin’ny fampitana ny feon’ny marina sy ny rariny. Ny RTCM dia raisina eo amin’ny ontsam-peo sy sary UHF 42 ao Toamasina. Sary vitsivitsy: https://www.lakroa.mg/item-2545_articles_newtech_18-notokanana-ny-televiziona-katolika-voalohany-eto...

  • 23 Jan. 2021 - 04:30-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021. Toy izao raha fintinana ireo antontan’isa voaray haatramin'ny 22 janoary mahasika ny vokatry ny fandalovan’ny rivodoza ELOISE teto anivon’ny BNGRC (mahakasika ny olona)
    Maty
     : Olona 1 no lavo tamin’ny fandalovan’i ELOISE.
    Traboina
    3 601 ireo traboina.
    Nafindra toerana
    : Nitombo 470 ireo nafindra toerana vonjy maika izay mitotaly 835 izy raha atambatra amin’ny efa voaagona hatramin’izay.

  • 23 Jan. 2021 - 04:28-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021.Raha ny mahakasika ireo foto-drafitr’asa sy trano fonenana dia:
    Miisa 156 ireo trano fonenana dibo-drano raha 645 ireo voakasika sy nahitam-pahasimbana.
    Miisa 193 kosa ireo trano fonenana rava tanteraka.
    142 trano fianarana voakasika sy nahitam-pahasimbana raha roa
    12 kosa ny trano fianarana rava tanteraka.

  • 23 Jan. 2021 - 04:26-

    Birao maharitra Antenimierandoholona. Tontosa ny zoma 22 janoary 2021 ny fifidianana ireo mpikambana mandrafitra ny Birao Maharitra eto anivon’ny Antenimierandoholona. Ka, voafidy ho :
    Filoha Lefitra ho an’ny faritany Avaratra : Loholon’i Madagasikara Imbiki Herilaza ;  
    Filoha lefitra ho an’ny faritany Atsimo : Loholon’i Madagasikara Rabemananjara Jean Paul Nicolas,
    Kestiora : Loholon’i Madagasikara Fernand Eddie Serge,
    Mpampakateny Jeneraly : Loholon’i Madagasikara Rasolondratsimba Raymond.
    Ny Filoha Razafimahefa Herimanana dia efa voafidy ny 19 janoary.

  • 07 Jan. 2021 - 07:36-

    Bonne année 2021. Toute l'équipe, rédaction et technique, de www.lakroa.mg se joint ici pour vous souhaiter, à vous lecteurs et sources, une bonne et heureuse année 2021. Que cette nouvelle année 2021 vous apporte, le bonheur, la joie et la prospérité et l’amour du prochain et du Pays. Notre unique résolution pour l’année 2021 est de réussir à vous apporter la nouvelle vraie avec des analyses lucides hors des sentiers battus. Et soyons solidaires pour notre Patrie et nos concitoyens. https://www.facebook.com/100002397970826/videos/3535584526531445/

  • 26 Dec. 2020 - 10:22-

    Que la magie de Noêl impacte sur votre vie 

    et voici des Suggestions de cadeaux de Noël:

    Pour l’ennemi, le pardon.
    Pour l’adversaire, la tolérance.
    Pour l’ami, votre cœur.
    Pour un client, du service.
    Pour tous, la charité.
    Pour chaque enfant, le bon exemple.
    Pour vous, le respect et

    Pour le Monde entier : l’Amour du Christ par la croix

    Et notre cadeau notre fidélité envers vous sur www.lakroa.mg

  • 07 Dec. 2020 - 07:23-

    Lahatsoratra mety hahaliana anao... Resaka tany

    https://www.lakroa.mg/item-2486_articles_economie_18-a-a-madagascar-comme-partout-sur-le-continent-les-alites-africaines-accaparent-les-terres-fertiles-a.html 

  • 25 Nov. 2020 - 12:28-

    l'économie bleue de l'AMDP a été engloutie par la vague orange. Et voilà que le dossier resurgit sous une autre forme avec d'autres acteurs mais toujours économie bleue (orangée).
    https://www.lakroa.mg/item-2465_articles_economie_18-petite-pache-en-paril-madagascar-signe-des-accords-de-pache-destructeurs-avec-des-investisseurs-chinois.html

  • 18 Oct. 2020 - 04:51-

    Arrêt n°10-HCC/AR du 16 octobre 2020 relative à une demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena. La demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena, est déclarée recevable. Article 3.-La demande du KMF-CNOE Fanabeazana Olompirenana est rejetée comme mal fondée en vertu des considérants 16 à 27. 

  • 18 Oct. 2020 - 04:50-

    Décision n°17-HCC/D3 du 16 octobre 2020 portant sur des requêtes aux fins d’inconstitutionnalité du décret n°2020-1110 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du 11 décembre 2020. Selon l’article 1, les requêtes sont déclarées recevables mais rejetées comme non fondées sur la base des considérants 17 à 25, 27 et 28 (article 3).

  • 17 Oct. 2020 - 05:06-

    Lu pour vous: Une usine clés en main normande expédiée à Madagascar contre la faim.  https://www.lakroa.mg/item-2413_articles_monde_18-une-usine-clas-en-main-normande-expadiae-a-madagascar-contre-la-faim.html

  • 13 Oct. 2020 - 04:49-

    62 taona ny Repoblika Malagasy. Hetsika maro no fantatra fa ho karakaraina hanamarihana ny faha 62 taona ny nanambarana ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy voalohany. Iray amin’ireny ny karakarain’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina. Ny 14 oktobra dia hisy ny fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny FJKM Atsimon’i  Mahamasina ny maraina amin’ny 9 ora sy sasany ary fikaonan-doha atao ao amin’ny Le pave Antaninarenina kosa ny tapany hariva. Asaina ny rehetra ka ny lohahevitra amin’izany ny hoe « maro tohanan’ny maro »

  • 12 Oct. 2020 - 05:08-

    Lu pour vous. Le Conseil des Ministres du 7 octobre a pris la décision que l’Etat va effectuer des travaux de relevés sismiques marins pour déterminer la ZEE. Et on apprend sur Africa Intelligence que. Il faut rappeller aussi que durant la présidence de Rajaonarimampianina un programme a été lancé en 2017. Quel sous-marin derrière tout cela ? Lu pour vous ne fait que transmettre l’article de Africa Intelligence. https://www.lakroa.mg/item-2404_articles_monde_18-culmen-international-intronisa-conseiller-stratagique-de-la-marine-malgache.html

  • 09 Oct. 2020 - 17:44-

    Marine malgache a un conseiller stratégique. Culmen International pressenti est intronisé conseiller stratégique de la marine malgache Comme l'avait anticipé Africa Intelligence (09/09/20), Culmen International a remporté le 28 septembre le marché de mise à disposition d'un conseiller stratégique pour la marine malgache. Ce contrat est financé par le Département d'Etat américain à hauteur d'un million de dollars. Culmen s'est imposé face à un autre contractor de défense américain, Sincerus Global Solutions, qui a absorbé en juillet la branche internationale du géant Science Applications International Corp (SAIC).

  • 01 Oct. 2020 - 09:23-

    Le mois d’octobre est consacré au  Saint Rosaire. La prière du rosaire se décline en 4 «groupes» de mystères : joyeux, lumineux, douloureux, glorieux. Chacun de ces «groupes» (ou méditations) se décline en 5 mystères. La prière du rosaire, au complet, comprend donc 20 mystères au total. Prier le chapelet, c’est par conséquent, quotidiennement, prier 5 mystères par jour.

  • 30 Sep. 2020 - 07:34-

    #COVID19
    Atontanisa momba ny Covid-19 ny 29 septambra 2020. Sitrana 192 vaovao.  
    Lavo 229 (+ 0).  
    Marary mafy 16 (– 1).
    FITILIANA : Tests PCR (297), Tests GeneXpert (53)
    Marary 29 vaovao : 1 Cas importé, 2 Analamanga,  Sainte Marie, 4 Ambatondrazaka, 2 Amparafaravola, 3 Matsiatra Ambony, 1 Atsimo Andrefana, 1 Menabe, 4 Antsohihy, 1 Bealanana, 5 Sava, 4 Diana

  • 21 Sep. 2020 - 07:15-

    Mikasika ny toeram-pivavahana: Toy izao indray ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo:
    - Misokatra ireo fiangonana sy mosquée rehetra manerana ny Nosy saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    - Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra
    - Manao aro vava orona ny rehetra
    - Raisina ny mari- pana eo am-pidirana
    - Mampiasa gel désinfection
    - Fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina
    - Tsy azo atao ny fifandraisan-tanana mandritra ny fotoam-pivavahana.

    Jereo ny fepetra manontolo :

    https://www.lakroa.mg/item-2386_articles_societe_18-ireo-fepetra-arahina-mandritra-ny-15-andro-nanomboka-ny-19-septambra-teo.html

  • 11 Sep. 2020 - 07:15-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 10 Septambra 2020
    #Sitrana: 52
    #Tranga_vaovao:104
    • 53 Analamanga, • 17 Antsirabe I, • 2 Antsirabe II, • 1 Mandoto, • 4 Ambositra, • 1 Antsohihy, • 6 Sambava, • 16 Antsiranana I, • 2 Antsiranana II, • 2 Ambilobe
    FITILIANA : Tests PCR (676), Tests GeneXpert (66)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 48 (-3)
     #Aina_nafoy: 02

Du même auteur

sport
politique

Dans la même rubrique

newtech
newtech