logo
Lakroan'i Madagasikara
Matoan-dahatsoratra

Asa fa tsy kabary

P.Prospère il y a 23 jours

Noho izao hamehana ara-pahasalamana lavareny izao dia mbola tsy afaka mamoaka ny Gazety Lakroan'i Madagasikara isika. Satria? Tsy afaka mivezivezy ny mpizara sy mpivarotra gazety, satria mbola tsy misokatra ny fiangonana izay toerana handraisan'ny mpanjifa maro manao famandrihana ny gazety any lavitra any. Mahereza daholo.

An-taona maro no nitadiavantsika ny atao hoe « fandrosoana ». Ary anisan’ny heverin’ny maro fa sakana ho an’ny fampandrosoana eto amintsika ny « resabe ». Ny kabary rehefa tafaray amin’ny politika dia sokajiana ho « resabe ». Izany hoe, mandany andro sy tsy mampahomby na tsy mahomby mihitsy. Ireo olona nandalo sekoly sy fianarana dia mametraka izany fanasokajiana izany. Be aza ny mampisaraka ny « asa » sy ny « kabary ». Teo amin’ny Ntaolo malagasy anefa dia tafiditra anaty rafi-piarahamonina ny kabary. Anisan’ny fototra sy hazon-damosina nampijoro rafi-piarahamonina samihafa, satria nifamatotra amin’ny fomba amam-panao izy ireny. Ohatra, amin’ny fanambadiana, na fahafatesana na vodiondry…. Tsy misy fomba mijoro raha toa ny kabary tsy omena ny hasiny. Rehefa miteny hoe « fomba » isika dia midika izany fa « zavatra atao », zavatra iainana. Ohatra amin’izany ny hoe: Izay tsy mahavaly kabary amin’ny fangataham-bady dia voasazy. Mety tsy ho tanteraka aza ny fanambadiana noho ny resaka kabary mifandiso. Fomba izany. Be amin’ny ankizy ankehitrio no tsy « mahalala fomba » intsony. Maika ny hanao zavatra, na te hamita asa fotsiny, hany ka manaonao foana. Dia latsa-danja ny anjara toeran’ny kabary na ny fitenenana. Very ny fomba samihafa mifandray amin’ny kabary, ary miharava ny fototra sy ny andry ijoroan’ny rafi-piarahamonina samihafa. Tsy fandaharan-teny na oha-pitenenana ny kabary, fa miorina amin’ny fomban-tany sy fiarahamonina. Rehefa asaina miasa anefa isika, dia maika ny hanao zavatra. Tsy voavahavaha ny antsipirihan-javatra hany ka « tsy misy fotony » ny zavatra atao. Tsy araka ny fomban-javatra, na fomban-tany. Ohatra, mikorontana ny firenena noho ny fifanoherana ara-politika. Anisan’ny vahaolana naroso teo anivon’ny mpanelanelana iraisam-pirenena aza ny « fampihavanana ». Niteraka rafitra izany. Ilay atao hoe « CFM » na Komitin’ny fampihavanam-pirenena. Nanjary rafitra hiasana izy ity, fa rafitra tsy misy kabary. Izany hoe, tsy amin’ny fomba tokony hijoroan’ny fampihavanana araka ny tenenina. Tsy misy vokany izay atao, satria maika hiasa, tsy ampy ny « discours » na « kabary » momba ny fihavanana. Raha lazaina amin’ny teny vahiny, mahazatra ireo nandia fianarana sy manam-pahaizana, dia hoe tsy ampy « ny théorie » fa maika amin’ny « pratique ». Vokany, misaraka ny « asa sy ny kabary » na ny « théorie sy ny pratique ». Be ny « kabary tsy arahin’asa » na « théorie sans pratique », be « théorie » loatra hoy isika, fa indrindra, « be asa tsy nisy fandinihana » fa maika fotsiny hanao zavatra. Izany no niteraka rafitra samihafa tsy mifanaraka amin’ny « discours » na « kabary samihafa ». Be araka izany ny « mpitari-bato vilam-bava ». Raha tiantsika ny hiova, izany hoe « hanao zavatra ho amin’ny fiovana » mahomby, dia tsy maintsy mahay mampifanaraka ny « asa sy kabary » isika. Tsy maintsy mamorona « fomba vaovao », hampanjary ny « kabary ho asa. Nefa koa manohana ny « fomba » ho zavatra « iainana » araka ny rafi-piarahamonina. Raha tsy izany, dia manjary resabe na ny asa na ny kabary. Zary mitovy ihany ny miasa tsy manjary, ary ny kabary fandaniana andro. Izany no anjara toeran’ny « teny » ifampiresahana sy ifandrisana na « langue na ny verbe ». Na ny « tilikambon’i Babela » na ny « tantaram-pahariana izao tontolo izao » dia nifamatotra tamin’ny teny sy ny kabarin-janahary. Na ny fisarahana nampiparitaka ny olombelona, na ny fahaterahan’ny isam-pirenena, nanana fiteny sy fombam-piarahamiaina vaovao dia tsy nisaraka tamin’ny kabary. Sekoly ngezabe teo amin’ny tontolo malagasy ny kabary, ary tsy nisy zavatra àry raha tsy narahina kabary. Marefo ny fomba, ary mahantra ny fanandratana ny maha olona raha motraka ny fitenenana. Mila fahamatorana ny fijery mba ho marim-pototra ny asa. Miparitaka sy mikorontana ny fiarahamonina tsy mahay mandaha-teny araka ny fomba mampijoro azy. Ny fihavanana manko dia sady soatoavina no fomba ary rafi-piainana manontolo. Dia arindran’ny kabary sy ny fiteny samihafa ireny, ka manjary kolontsaina ivelomana. P.Prospère

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 10 Apr. 2021 - 05:29-

    ‘‘Antso vonjy ny an’ny vahoaka, miantso ny fanjakana hoe « aiza e… vonjeo e… avela ho ringana ve ny vahoaka ?’’ hoy ny fanombohan’ny Matoan-dahatsoratra ao amin’ny Lakroan’i Madagasikara efa hita teny amin’ny mpivarotra nanomboka ny alakamisy 8 avrily teo… Fa hoy izy mamarana ‘‘Izao no mila jerena…’’ Raha manjifa ny Lakroa ianao dia hahafantatra ny famoaboasana ihany koa ary ahita ny famaranana… Miarova tena, arovy ny akaiky anao. Md Roch…

  • 27 Jan. 2021 - 12:11-

    Fanambaran’ny FFKM. Namoaka fanambarana ny Filoham-piangonana efatra ato anatin'ny FFKM, Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, ny alahady 24 janoary ao anatin’ny Herinandro fiaraha-mivavaka ho an’ny Firaisan’ny Kristianina manerana  ny tany sy eto Madagasikara (18-25 janoary). Vakio ato izany https://www.lakroa.mg/item-2548_articles_politique_18-aoka-ny-rariny-hikoriana.html

  • 25 Jan. 2021 - 08:42-

    Televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Notokanana ny 23 janoary 201 teo tao Toamasina ny televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Ny RTCM na Radio Télévision Catholique Masova no televiziona katolika voalohany eto Madagasikara ary ny diosezin’i Toamasina no nanangana azy io. Miarahaba azy ny www.lakroa.mg ary mirary soa hahavita ny anjara andraikiny amin’ny fampitana ny feon’ny marina sy ny rariny. Ny RTCM dia raisina eo amin’ny ontsam-peo sy sary UHF 42 ao Toamasina. Sary vitsivitsy: https://www.lakroa.mg/item-2545_articles_newtech_18-notokanana-ny-televiziona-katolika-voalohany-eto...

  • 23 Jan. 2021 - 04:30-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021. Toy izao raha fintinana ireo antontan’isa voaray haatramin'ny 22 janoary mahasika ny vokatry ny fandalovan’ny rivodoza ELOISE teto anivon’ny BNGRC (mahakasika ny olona)
    Maty
     : Olona 1 no lavo tamin’ny fandalovan’i ELOISE.
    Traboina
    3 601 ireo traboina.
    Nafindra toerana
    : Nitombo 470 ireo nafindra toerana vonjy maika izay mitotaly 835 izy raha atambatra amin’ny efa voaagona hatramin’izay.

  • 23 Jan. 2021 - 04:28-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021.Raha ny mahakasika ireo foto-drafitr’asa sy trano fonenana dia:
    Miisa 156 ireo trano fonenana dibo-drano raha 645 ireo voakasika sy nahitam-pahasimbana.
    Miisa 193 kosa ireo trano fonenana rava tanteraka.
    142 trano fianarana voakasika sy nahitam-pahasimbana raha roa
    12 kosa ny trano fianarana rava tanteraka.

  • 23 Jan. 2021 - 04:26-

    Birao maharitra Antenimierandoholona. Tontosa ny zoma 22 janoary 2021 ny fifidianana ireo mpikambana mandrafitra ny Birao Maharitra eto anivon’ny Antenimierandoholona. Ka, voafidy ho :
    Filoha Lefitra ho an’ny faritany Avaratra : Loholon’i Madagasikara Imbiki Herilaza ;  
    Filoha lefitra ho an’ny faritany Atsimo : Loholon’i Madagasikara Rabemananjara Jean Paul Nicolas,
    Kestiora : Loholon’i Madagasikara Fernand Eddie Serge,
    Mpampakateny Jeneraly : Loholon’i Madagasikara Rasolondratsimba Raymond.
    Ny Filoha Razafimahefa Herimanana dia efa voafidy ny 19 janoary.

  • 07 Jan. 2021 - 07:36-

    Bonne année 2021. Toute l'équipe, rédaction et technique, de www.lakroa.mg se joint ici pour vous souhaiter, à vous lecteurs et sources, une bonne et heureuse année 2021. Que cette nouvelle année 2021 vous apporte, le bonheur, la joie et la prospérité et l’amour du prochain et du Pays. Notre unique résolution pour l’année 2021 est de réussir à vous apporter la nouvelle vraie avec des analyses lucides hors des sentiers battus. Et soyons solidaires pour notre Patrie et nos concitoyens. https://www.facebook.com/100002397970826/videos/3535584526531445/

  • 26 Dec. 2020 - 10:22-

    Que la magie de Noêl impacte sur votre vie 

    et voici des Suggestions de cadeaux de Noël:

    Pour l’ennemi, le pardon.
    Pour l’adversaire, la tolérance.
    Pour l’ami, votre cœur.
    Pour un client, du service.
    Pour tous, la charité.
    Pour chaque enfant, le bon exemple.
    Pour vous, le respect et

    Pour le Monde entier : l’Amour du Christ par la croix

    Et notre cadeau notre fidélité envers vous sur www.lakroa.mg

  • 07 Dec. 2020 - 07:23-

    Lahatsoratra mety hahaliana anao... Resaka tany

    https://www.lakroa.mg/item-2486_articles_economie_18-a-a-madagascar-comme-partout-sur-le-continent-les-alites-africaines-accaparent-les-terres-fertiles-a.html 

  • 25 Nov. 2020 - 12:28-

    l'économie bleue de l'AMDP a été engloutie par la vague orange. Et voilà que le dossier resurgit sous une autre forme avec d'autres acteurs mais toujours économie bleue (orangée).
    https://www.lakroa.mg/item-2465_articles_economie_18-petite-pache-en-paril-madagascar-signe-des-accords-de-pache-destructeurs-avec-des-investisseurs-chinois.html

  • 18 Oct. 2020 - 04:51-

    Arrêt n°10-HCC/AR du 16 octobre 2020 relative à une demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena. La demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena, est déclarée recevable. Article 3.-La demande du KMF-CNOE Fanabeazana Olompirenana est rejetée comme mal fondée en vertu des considérants 16 à 27. 

  • 18 Oct. 2020 - 04:50-

    Décision n°17-HCC/D3 du 16 octobre 2020 portant sur des requêtes aux fins d’inconstitutionnalité du décret n°2020-1110 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du 11 décembre 2020. Selon l’article 1, les requêtes sont déclarées recevables mais rejetées comme non fondées sur la base des considérants 17 à 25, 27 et 28 (article 3).

  • 17 Oct. 2020 - 05:06-

    Lu pour vous: Une usine clés en main normande expédiée à Madagascar contre la faim.  https://www.lakroa.mg/item-2413_articles_monde_18-une-usine-clas-en-main-normande-expadiae-a-madagascar-contre-la-faim.html

  • 13 Oct. 2020 - 04:49-

    62 taona ny Repoblika Malagasy. Hetsika maro no fantatra fa ho karakaraina hanamarihana ny faha 62 taona ny nanambarana ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy voalohany. Iray amin’ireny ny karakarain’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina. Ny 14 oktobra dia hisy ny fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny FJKM Atsimon’i  Mahamasina ny maraina amin’ny 9 ora sy sasany ary fikaonan-doha atao ao amin’ny Le pave Antaninarenina kosa ny tapany hariva. Asaina ny rehetra ka ny lohahevitra amin’izany ny hoe « maro tohanan’ny maro »

  • 12 Oct. 2020 - 05:08-

    Lu pour vous. Le Conseil des Ministres du 7 octobre a pris la décision que l’Etat va effectuer des travaux de relevés sismiques marins pour déterminer la ZEE. Et on apprend sur Africa Intelligence que. Il faut rappeller aussi que durant la présidence de Rajaonarimampianina un programme a été lancé en 2017. Quel sous-marin derrière tout cela ? Lu pour vous ne fait que transmettre l’article de Africa Intelligence. https://www.lakroa.mg/item-2404_articles_monde_18-culmen-international-intronisa-conseiller-stratagique-de-la-marine-malgache.html

  • 09 Oct. 2020 - 17:44-

    Marine malgache a un conseiller stratégique. Culmen International pressenti est intronisé conseiller stratégique de la marine malgache Comme l'avait anticipé Africa Intelligence (09/09/20), Culmen International a remporté le 28 septembre le marché de mise à disposition d'un conseiller stratégique pour la marine malgache. Ce contrat est financé par le Département d'Etat américain à hauteur d'un million de dollars. Culmen s'est imposé face à un autre contractor de défense américain, Sincerus Global Solutions, qui a absorbé en juillet la branche internationale du géant Science Applications International Corp (SAIC).

  • 01 Oct. 2020 - 09:23-

    Le mois d’octobre est consacré au  Saint Rosaire. La prière du rosaire se décline en 4 «groupes» de mystères : joyeux, lumineux, douloureux, glorieux. Chacun de ces «groupes» (ou méditations) se décline en 5 mystères. La prière du rosaire, au complet, comprend donc 20 mystères au total. Prier le chapelet, c’est par conséquent, quotidiennement, prier 5 mystères par jour.

  • 30 Sep. 2020 - 07:34-

    #COVID19
    Atontanisa momba ny Covid-19 ny 29 septambra 2020. Sitrana 192 vaovao.  
    Lavo 229 (+ 0).  
    Marary mafy 16 (– 1).
    FITILIANA : Tests PCR (297), Tests GeneXpert (53)
    Marary 29 vaovao : 1 Cas importé, 2 Analamanga,  Sainte Marie, 4 Ambatondrazaka, 2 Amparafaravola, 3 Matsiatra Ambony, 1 Atsimo Andrefana, 1 Menabe, 4 Antsohihy, 1 Bealanana, 5 Sava, 4 Diana

  • 21 Sep. 2020 - 07:15-

    Mikasika ny toeram-pivavahana: Toy izao indray ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo:
    - Misokatra ireo fiangonana sy mosquée rehetra manerana ny Nosy saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    - Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra
    - Manao aro vava orona ny rehetra
    - Raisina ny mari- pana eo am-pidirana
    - Mampiasa gel désinfection
    - Fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina
    - Tsy azo atao ny fifandraisan-tanana mandritra ny fotoam-pivavahana.

    Jereo ny fepetra manontolo :

    https://www.lakroa.mg/item-2386_articles_societe_18-ireo-fepetra-arahina-mandritra-ny-15-andro-nanomboka-ny-19-septambra-teo.html

  • 11 Sep. 2020 - 07:15-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 10 Septambra 2020
    #Sitrana: 52
    #Tranga_vaovao:104
    • 53 Analamanga, • 17 Antsirabe I, • 2 Antsirabe II, • 1 Mandoto, • 4 Ambositra, • 1 Antsohihy, • 6 Sambava, • 16 Antsiranana I, • 2 Antsiranana II, • 2 Ambilobe
    FITILIANA : Tests PCR (676), Tests GeneXpert (66)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 48 (-3)
     #Aina_nafoy: 02

Du même auteur

sport
politique

Dans la même rubrique

editorial
editorial