logo
Lakroan'i Madagasikara
Fampianarana sy fanabeazana

Mijery lavitra sy fampianarana toa ampitain-davitra

Ny Volana il y a 22 jours

Noho ny hamehana ara-pahasalamana, mbola mikatona ny sekoly sy ny fiangonana ao amin’ny Faritra Analamanga, Vakinankaratra, Matsiatra Ambony ary Anosy. Ao anatin’izay, tavela ny famahanana ny saina sy ny fanahy, fa mifantoka loatra amin’ny famahanana ny vatana ilay Malagasy.

Mijery lavitra sy fampianarana toa ampitain-davitra


Tena tsy hainay ny mampianatra ny zanakay ato an-trano, satria tsorina fa tsy nandia fianarana lavitra izahay, ny zanakay anefa tianay mba hihoatra izany. Indrisy fa manjary sahirana izahay satria tsy azonay akory ireo lesona tonga. Na ny fampianarana katesizy aza, manahirana.” Fanehoan-kevitry ny renim-pianakaviana iray izany. Sady hita ho malahelo izy mitantara. Toa azy, dia misy hafa miaina olana ateraky ny fikatonan’ny sekoly, na ny fiangonana, na ireo mbola kilasy madinika, hatrany amin’ny oniversite. “Maka devoara”, izay no filazana azy, hoy ity olon-tsotra iray hafa, fa tsy devoara fotsiny anefa, misy lesona vaovao koa. Ary ao ambadik’izay ny fandoavana saram-pianarana. “Isan-kerinandro, mandalo aty an-tsekoly maka devoara”, hoy ity mpampianatra. “Misy mihitsy, hoy izy, ny fanodinana horonan-tsary kely misy ny fanazavana lesona ho an’ny sekolinay manokana, ka zaraina amin’ny mpianatra izany. Dia mijery sary araka izany ireo mpianatra, toa ny miresaka mivantana amin’ny mpampianatra azy.” Mety ho vahaolana iray izay hialana amin’ilay ray aman-dreny tsy maharaka loatra ny fianaran-janany, kanefa mbola tsy ny rehetra no manana fitaovana manaraka ny tekinolojia vaovao. Ny eny anivon’ny oniversite indray, tsy mbola nianatra akory ireo mpianatra afaka bakalorea ny taon-dasa, ary mbola sahirana tsy nahavita ny taom-pianarana ireo mpianatra zokiny. Ny andiany manaraka anefa hanala bakalorea sahady indray. Dia hanao ahoana ny fitantanana ireto tanora ho afa-panadinana?

 

Maro ny olana

Ato aminay, hoy ity raim-pianakaviana iray, dia ny tsy fisian’ny fotoana hiarahanay mianatra amin’ny zanakay no olana. Izahay manko voasokajy ao anatin’ilay miala maraina, ka hariva vao mody an-trano noho ny fitadiavana. Matetika mpianatra mbola matory maraina, na efa resin-tory hariva no vantaninay ao an-trano. Mianatra irery foana izy.” Olana ihany koa araka izany ny fotoana, satria zarazarain’ny asa samy manana ny azy ny ray aman-dreny. “Tsoriko kosa hoy ity renim-pianakaviana iray hafa fa ilay talenta entiko mampita ny lesona aminy mihitsy no tsy ananako nefa ny fotoana malalaka. Nianatra ihany aho, saingy hitako hoe hafa mihitsy rehefa ny olona tena voatokana hampianatra azy no mampianatra.” Araka izany teniny izany, dia olona voantso manokana ireo olona manao ny asan’ny fampianarana sy fanabeazana. “Asa masina”, hoy isika izay.

Hatrany amin’ny fitantanana sy ny fanapahan-kevitra any anivon’ny minisitera mpiahy, dia efa tokony ho hita taratra izay fanomezam-pahasoavana izay, raha tiantsika hahomby ireo mpianatra Malagasy. “Mandreraka ihany ny mahita mpiasa birao, mpandray olona, miasa eo amin’ny tontolon’ny fampianarana, kanefa arahabaina izy tsy miteny”, hoy ity olon-tsotra iray. Mendrika hilahatra ho isan’ny olon’ny fanabeazana ve ny toa izany? “Misy koa aza mpitarika fikambanana masina, na pretra ,miavonavona na mampatahotra”, hoy izy nanohy.

 

Fram

Niresaka ny olan’ny ray aman-dreny isika, dia hitodika amin’ny mpampianatra koa. Ianjadian’ny olana maharitra ny mpampianatra Fram any rehetra any. Antsoina ireny olona ireny noho ny tsy fahampian’ny mpampianatra mpiasam-panjakana, ka indraindray hita, indraindray odian-tsy hita. “Aty aminay aty Moramanga, hoy ity mpitantana sekoly iray, efa tsy mandray karama intsony ny mpampianatra Fram hatramin’ny volana desambra lasa teo. Tsipaipaika nataon’ireo ray aman-dreny no nozaraina tamin’izy ireo farany.” Dia mampandroso antsika mankaiza àry izany toe-draharaha izany? Raha ireo izay antenaina hitondra taratasy ho an’ny zanatsika aza tsy voajery sy tsy voatsimbina akory?

Eto am-pamaranana, dia heverina fa maika ny fandaminana ny tetiandrom-pampianarana. Toraka izay koa ny fandaharam-pianarana, izay azo afohezina hifanaraka amin’izay takian’ny vanim-potoana iainantsika. Maika ny fitsinjovana ireo mpampianatra mijaly. Miara-miaina amin’ny virus isika ankehitriny. Manomboka volana marsa eo no tena mampatanjaka azy, araka ny efa niainantsika roa taona izao. Teboka hiaingana hijerena lamina vaovao izany.

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 10 Apr. 2021 - 05:29-

    ‘‘Antso vonjy ny an’ny vahoaka, miantso ny fanjakana hoe « aiza e… vonjeo e… avela ho ringana ve ny vahoaka ?’’ hoy ny fanombohan’ny Matoan-dahatsoratra ao amin’ny Lakroan’i Madagasikara efa hita teny amin’ny mpivarotra nanomboka ny alakamisy 8 avrily teo… Fa hoy izy mamarana ‘‘Izao no mila jerena…’’ Raha manjifa ny Lakroa ianao dia hahafantatra ny famoaboasana ihany koa ary ahita ny famaranana… Miarova tena, arovy ny akaiky anao. Md Roch…

  • 27 Jan. 2021 - 12:11-

    Fanambaran’ny FFKM. Namoaka fanambarana ny Filoham-piangonana efatra ato anatin'ny FFKM, Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, ny alahady 24 janoary ao anatin’ny Herinandro fiaraha-mivavaka ho an’ny Firaisan’ny Kristianina manerana  ny tany sy eto Madagasikara (18-25 janoary). Vakio ato izany https://www.lakroa.mg/item-2548_articles_politique_18-aoka-ny-rariny-hikoriana.html

  • 25 Jan. 2021 - 08:42-

    Televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Notokanana ny 23 janoary 201 teo tao Toamasina ny televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Ny RTCM na Radio Télévision Catholique Masova no televiziona katolika voalohany eto Madagasikara ary ny diosezin’i Toamasina no nanangana azy io. Miarahaba azy ny www.lakroa.mg ary mirary soa hahavita ny anjara andraikiny amin’ny fampitana ny feon’ny marina sy ny rariny. Ny RTCM dia raisina eo amin’ny ontsam-peo sy sary UHF 42 ao Toamasina. Sary vitsivitsy: https://www.lakroa.mg/item-2545_articles_newtech_18-notokanana-ny-televiziona-katolika-voalohany-eto...

  • 23 Jan. 2021 - 04:30-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021. Toy izao raha fintinana ireo antontan’isa voaray haatramin'ny 22 janoary mahasika ny vokatry ny fandalovan’ny rivodoza ELOISE teto anivon’ny BNGRC (mahakasika ny olona)
    Maty
     : Olona 1 no lavo tamin’ny fandalovan’i ELOISE.
    Traboina
    3 601 ireo traboina.
    Nafindra toerana
    : Nitombo 470 ireo nafindra toerana vonjy maika izay mitotaly 835 izy raha atambatra amin’ny efa voaagona hatramin’izay.

  • 23 Jan. 2021 - 04:28-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021.Raha ny mahakasika ireo foto-drafitr’asa sy trano fonenana dia:
    Miisa 156 ireo trano fonenana dibo-drano raha 645 ireo voakasika sy nahitam-pahasimbana.
    Miisa 193 kosa ireo trano fonenana rava tanteraka.
    142 trano fianarana voakasika sy nahitam-pahasimbana raha roa
    12 kosa ny trano fianarana rava tanteraka.

  • 23 Jan. 2021 - 04:26-

    Birao maharitra Antenimierandoholona. Tontosa ny zoma 22 janoary 2021 ny fifidianana ireo mpikambana mandrafitra ny Birao Maharitra eto anivon’ny Antenimierandoholona. Ka, voafidy ho :
    Filoha Lefitra ho an’ny faritany Avaratra : Loholon’i Madagasikara Imbiki Herilaza ;  
    Filoha lefitra ho an’ny faritany Atsimo : Loholon’i Madagasikara Rabemananjara Jean Paul Nicolas,
    Kestiora : Loholon’i Madagasikara Fernand Eddie Serge,
    Mpampakateny Jeneraly : Loholon’i Madagasikara Rasolondratsimba Raymond.
    Ny Filoha Razafimahefa Herimanana dia efa voafidy ny 19 janoary.

  • 07 Jan. 2021 - 07:36-

    Bonne année 2021. Toute l'équipe, rédaction et technique, de www.lakroa.mg se joint ici pour vous souhaiter, à vous lecteurs et sources, une bonne et heureuse année 2021. Que cette nouvelle année 2021 vous apporte, le bonheur, la joie et la prospérité et l’amour du prochain et du Pays. Notre unique résolution pour l’année 2021 est de réussir à vous apporter la nouvelle vraie avec des analyses lucides hors des sentiers battus. Et soyons solidaires pour notre Patrie et nos concitoyens. https://www.facebook.com/100002397970826/videos/3535584526531445/

  • 26 Dec. 2020 - 10:22-

    Que la magie de Noêl impacte sur votre vie 

    et voici des Suggestions de cadeaux de Noël:

    Pour l’ennemi, le pardon.
    Pour l’adversaire, la tolérance.
    Pour l’ami, votre cœur.
    Pour un client, du service.
    Pour tous, la charité.
    Pour chaque enfant, le bon exemple.
    Pour vous, le respect et

    Pour le Monde entier : l’Amour du Christ par la croix

    Et notre cadeau notre fidélité envers vous sur www.lakroa.mg

  • 07 Dec. 2020 - 07:23-

    Lahatsoratra mety hahaliana anao... Resaka tany

    https://www.lakroa.mg/item-2486_articles_economie_18-a-a-madagascar-comme-partout-sur-le-continent-les-alites-africaines-accaparent-les-terres-fertiles-a.html 

  • 25 Nov. 2020 - 12:28-

    l'économie bleue de l'AMDP a été engloutie par la vague orange. Et voilà que le dossier resurgit sous une autre forme avec d'autres acteurs mais toujours économie bleue (orangée).
    https://www.lakroa.mg/item-2465_articles_economie_18-petite-pache-en-paril-madagascar-signe-des-accords-de-pache-destructeurs-avec-des-investisseurs-chinois.html

  • 18 Oct. 2020 - 04:51-

    Arrêt n°10-HCC/AR du 16 octobre 2020 relative à une demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena. La demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena, est déclarée recevable. Article 3.-La demande du KMF-CNOE Fanabeazana Olompirenana est rejetée comme mal fondée en vertu des considérants 16 à 27. 

  • 18 Oct. 2020 - 04:50-

    Décision n°17-HCC/D3 du 16 octobre 2020 portant sur des requêtes aux fins d’inconstitutionnalité du décret n°2020-1110 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du 11 décembre 2020. Selon l’article 1, les requêtes sont déclarées recevables mais rejetées comme non fondées sur la base des considérants 17 à 25, 27 et 28 (article 3).

  • 17 Oct. 2020 - 05:06-

    Lu pour vous: Une usine clés en main normande expédiée à Madagascar contre la faim.  https://www.lakroa.mg/item-2413_articles_monde_18-une-usine-clas-en-main-normande-expadiae-a-madagascar-contre-la-faim.html

  • 13 Oct. 2020 - 04:49-

    62 taona ny Repoblika Malagasy. Hetsika maro no fantatra fa ho karakaraina hanamarihana ny faha 62 taona ny nanambarana ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy voalohany. Iray amin’ireny ny karakarain’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina. Ny 14 oktobra dia hisy ny fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny FJKM Atsimon’i  Mahamasina ny maraina amin’ny 9 ora sy sasany ary fikaonan-doha atao ao amin’ny Le pave Antaninarenina kosa ny tapany hariva. Asaina ny rehetra ka ny lohahevitra amin’izany ny hoe « maro tohanan’ny maro »

  • 12 Oct. 2020 - 05:08-

    Lu pour vous. Le Conseil des Ministres du 7 octobre a pris la décision que l’Etat va effectuer des travaux de relevés sismiques marins pour déterminer la ZEE. Et on apprend sur Africa Intelligence que. Il faut rappeller aussi que durant la présidence de Rajaonarimampianina un programme a été lancé en 2017. Quel sous-marin derrière tout cela ? Lu pour vous ne fait que transmettre l’article de Africa Intelligence. https://www.lakroa.mg/item-2404_articles_monde_18-culmen-international-intronisa-conseiller-stratagique-de-la-marine-malgache.html

  • 09 Oct. 2020 - 17:44-

    Marine malgache a un conseiller stratégique. Culmen International pressenti est intronisé conseiller stratégique de la marine malgache Comme l'avait anticipé Africa Intelligence (09/09/20), Culmen International a remporté le 28 septembre le marché de mise à disposition d'un conseiller stratégique pour la marine malgache. Ce contrat est financé par le Département d'Etat américain à hauteur d'un million de dollars. Culmen s'est imposé face à un autre contractor de défense américain, Sincerus Global Solutions, qui a absorbé en juillet la branche internationale du géant Science Applications International Corp (SAIC).

  • 01 Oct. 2020 - 09:23-

    Le mois d’octobre est consacré au  Saint Rosaire. La prière du rosaire se décline en 4 «groupes» de mystères : joyeux, lumineux, douloureux, glorieux. Chacun de ces «groupes» (ou méditations) se décline en 5 mystères. La prière du rosaire, au complet, comprend donc 20 mystères au total. Prier le chapelet, c’est par conséquent, quotidiennement, prier 5 mystères par jour.

  • 30 Sep. 2020 - 07:34-

    #COVID19
    Atontanisa momba ny Covid-19 ny 29 septambra 2020. Sitrana 192 vaovao.  
    Lavo 229 (+ 0).  
    Marary mafy 16 (– 1).
    FITILIANA : Tests PCR (297), Tests GeneXpert (53)
    Marary 29 vaovao : 1 Cas importé, 2 Analamanga,  Sainte Marie, 4 Ambatondrazaka, 2 Amparafaravola, 3 Matsiatra Ambony, 1 Atsimo Andrefana, 1 Menabe, 4 Antsohihy, 1 Bealanana, 5 Sava, 4 Diana

  • 21 Sep. 2020 - 07:15-

    Mikasika ny toeram-pivavahana: Toy izao indray ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo:
    - Misokatra ireo fiangonana sy mosquée rehetra manerana ny Nosy saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    - Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra
    - Manao aro vava orona ny rehetra
    - Raisina ny mari- pana eo am-pidirana
    - Mampiasa gel désinfection
    - Fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina
    - Tsy azo atao ny fifandraisan-tanana mandritra ny fotoam-pivavahana.

    Jereo ny fepetra manontolo :

    https://www.lakroa.mg/item-2386_articles_societe_18-ireo-fepetra-arahina-mandritra-ny-15-andro-nanomboka-ny-19-septambra-teo.html

  • 11 Sep. 2020 - 07:15-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 10 Septambra 2020
    #Sitrana: 52
    #Tranga_vaovao:104
    • 53 Analamanga, • 17 Antsirabe I, • 2 Antsirabe II, • 1 Mandoto, • 4 Ambositra, • 1 Antsohihy, • 6 Sambava, • 16 Antsiranana I, • 2 Antsiranana II, • 2 Ambilobe
    FITILIANA : Tests PCR (676), Tests GeneXpert (66)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 48 (-3)
     #Aina_nafoy: 02

Du même auteur

sport
politique

Dans la même rubrique

education
education