logo
Lakroan'i Madagasikara
Haino aman-jery

Fintin'ny vaovao talohan'ny 26 mey 2021

Rasoanjanahary il y a 21 jours

Ireto indray ny vaovao nofantenana : Tranga “coronavirus”, mihena miandalana raha ny antontanisa ofisialy, Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana sy dahalo, Ny mpiara-miombona antoka sy ny Praiminisitra nidinika momba ny “kere”, Hafatry ny mpitondra fivavahana noho ny Pantekoty sy vavaka ho fiatrehana ny ady amin’ny valanaretina

Fintin'ny vaovao talohan'ny 26 mey 2021


Tranga “coronavirus”, mihena miandalana raha ny antontanisa ofisialy

Mihena isan’andro ny isan’ny tranga momba ny “coronavirus” eto amintsika raha ny antontanisa ofisialy avoaka amin’ny haino aman-jery. Raha teo amin’ny 1549 ohatra ny andalam-pitsaboana tamin’ny tapaky ny volana mey, teo amin’ny 347 izany tamin’ny 26 mey. Torak’izany koa ny fihenan’ny isan’ny maty raha ny tambatry ny 15 andro indroa farany no itarafana azy. Raha nanakaiky ny 100 izany ny tapa-bolana voalohan’ny mey (1-15 mey), teo amin’ny 59 izany teo anelanelan’ny 16 sy 26 mey. Miisa 822 ny fitambaran’ny lavo hatramin’ny 26 mey. Nambara fa efa mihavitsy ny manatona hopitaly ary antony rahateo nanakatonana ireo toerana sasany natao toeram-pandraisana mararin’ny coronavirus sy hotely-hopitaly. Manodidina ny 200 000 ny fitiliana natao hatramin’ity herinandro ity ary maherin’ny 40 000 ny tranga mitondra ny tsimokaretina.

Tsy mbola vita anefa ny ady na dia eo aza izany isa toa manodoka izany satria ny tranga anivon’ny toeram-pitsaboana ireo namoahana ny isa ofisialy ireo, indrindra fa miditra amin’ny vanim-potoana mangatsiaka mampirongatra ny tsimokaretina isika. Ary mitohy hatrany ny fanentanana amin’ny fanarahana ny fepetra sakana samihafa toy ny fanasana tanana matetika amin’ny rano sy savony na “gel hydroalcoolique/désinfectant”, ny fanaovana maska, ny fanajana elanelana sy ny tsy fitangorongoronana. Ho an’ny firenena sasany any ivelany, dia efa ialana miandalana ny fihibohana sy ny fitondrana maska noho ny fahavitan’ny mponina vaksiny, ary mipetraka tsara ny drafi-panarenana ny fihariana hanampiana ny mponina. Fa misy koa ireo tena mbola ao anaty ady sarotra toa an’i Brezila sy Inde. Ho antsika, efa irosoana ny fanaovana vaksiny “astrazeneca” miainga amin’ilay 250 000 doses avy amin’ilay programa Covax.

Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana sy dahalo

Ao anatin’ny fitsidihan’ny filoham-pirenena ny any atsimon’ny Nosy tamin’iny herinandron’ny Pantekoty iny no nitokanana ny toby miaramila any Iakora misy ny fotodrafitrasa ilaina amin’ny fitandroana ny filaminana. Nambaran’ny filoha tamin’io fotoana io fa nihena 50% ny tsy fandriam-pahalemana eto amin’ny firenena tato anatin’ny roa taona. Ny alahadin’ny Pantekoty anefa, dia fantatra ny fisian’ny fanafihan-dahalo namoizana aina miaramila 2 sy fokonolona 17 ary fahaverezan’omby hatrany amin’ny 500 tany Midongy atsimo, tsy mifanalavitra amin’Iakora. Teo ihany koa ny fifandonan’ny vahoaka tamin’ny mpitandro ny filaminana tany amin’ny karieran’Andilana Avaratra any amin’ny Faritra Alaotra mangoro, nanapoahana lakrimozena. Ary faritra maro no fantatra fa mbola anjakan’ny dahalo sy mpandroba, tsy mampandry fahalemana ny mponina.

Fivorian’ny Antenimiera ampitain-davitra

Noho ny hamehana ara-pahasalamana, dia amin’ny alalan’ny fivoriana ampitain-davitra no hanatanterahan’ny Antenimieram-pirenena ny fivoriana ara-potoana fanaon’izy ireo. Anisan’ny tao anaty programa ny fifidianana ny filoha lefitry ny antenimieram-pirenena izay nahalany ny depiote Irmah Lucien Naharimamy tamin’ny vato 87 tamin’ireo 97 nandray anjara, avy amin’ny IRD. Teo ihany koa ny fandaniana famatsiam-bola samborina hanatanterana tetikasa samihafa eto amin’ny firenena toy ny avy amin’ny BAD. Mbola tsy fantatra mazava kosa ny amin’ny teti-bolam-panjakana LFR mamaritra ny fandaniana atao eto amin’ny firenena izay antom-pivorian’ny Antenimiera.

Fanendrena sy fanesorana mpiasam-panjakana ambony

Anisan’ny asa tsy miato ataon’ity fitondram-panjakana ity isaky ny fivorian’ny filan-kevitry ny minisitra ny fanesorana sy fanendrena mpiasam-panjakana ambony. Mahazatra moa hatramin’ity hamehana ara-pahasalamana ity, dia fanaovana izany amin’ny alalan’ny “visioconférence” ka ny tamin’ny alarobia 26 mey teo dia ny nanesorana ny tale jeneraly ao anivon’ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina sy ny talen’ny TVM no nisongadina, araka ny tolo-kevitry ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina.

Vidim-javatra ilaina andavanandro miaka-bidy

Mampikaikaika ny tokantrano maro ny fidangan’ny vidin-javatra ilaina andavanandro ao anatin’izao hamehana ara-pahasalamana izao, araka ny fampitam-baovao samihafa amin’ny haino aman-jery. Anisan’ny niaka-bidy izaitsizy ny menaka sy ny siramamy. Tafakatra hatrany amin’ny 8000 Ariary ny litatry ny menaka talohan’ny Pantekôty raha latsaky ny 6000 Ariary izany iray volana lasa izay, ary hatrany amin’ny 3200 Ariary ny kilaon’ny siramamy raha latsaky ny 2800 izany iray volana talohan’izany. Ny vary moa na dia efa fotoam-piakaram-bokatra aza, dia manodidina ny 2500 Ariary ihany ny kilao. Milaza ny mpivarotra fa any ampotony any no mahatonga ny fiakarana. Ny mpanjifa maro moa dia mizaka ny tsy eran’ny aina.

Ny mpiara-miombona antoka sy ny Praiminisitra nidinika momba ny “kere”

Nisy ny dinika nihaonan’ireo mpiara-miombona antoka amin’ny fiatrehana ny “kere” any atsimon’ny Nosy sy ny Praiminisitra Ntsay Christian tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity teny amin’ny lapam-panjakana Mahazoarivo. Voalaza fa noho ny fahataran’ny fiavian’ny orana no nahatonga ireo trangana “kere” ireo ka ijerena ny paikady maharitra iatrehana azy.

Hafatry ny mpitondra fivavahana noho ny Pantekoty sy vavaka ho fiatrehana ny ady amin’ny valanaretina

Noho ny mbola fikatonan’ny Fiangonana, dia nisy ny hafatra avy amin’ny FFKM noho ny Pantekôty, nankaherezana ny isan-tokantrano manoloana ny fiatrehana ny ady amin’ity valanaretina mamely eto amintsika sy maneran-tany ity. Niantsoana firaisan-kina eo anivon’ny fiarahamonina. Ny Eglizy katolika moa dia manohy isan’andro ny vavaka totoafo isan’andro amin’ny alalan’ny haino aman-jery, amin’izao volan’i Masina Maria izao, amin’ny alalan’ny vavaka Rozery.

Rasoanjanahary

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 10 Apr. 2021 - 05:29-

    ‘‘Antso vonjy ny an’ny vahoaka, miantso ny fanjakana hoe « aiza e… vonjeo e… avela ho ringana ve ny vahoaka ?’’ hoy ny fanombohan’ny Matoan-dahatsoratra ao amin’ny Lakroan’i Madagasikara efa hita teny amin’ny mpivarotra nanomboka ny alakamisy 8 avrily teo… Fa hoy izy mamarana ‘‘Izao no mila jerena…’’ Raha manjifa ny Lakroa ianao dia hahafantatra ny famoaboasana ihany koa ary ahita ny famaranana… Miarova tena, arovy ny akaiky anao. Md Roch…

  • 27 Jan. 2021 - 12:11-

    Fanambaran’ny FFKM. Namoaka fanambarana ny Filoham-piangonana efatra ato anatin'ny FFKM, Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, ny alahady 24 janoary ao anatin’ny Herinandro fiaraha-mivavaka ho an’ny Firaisan’ny Kristianina manerana  ny tany sy eto Madagasikara (18-25 janoary). Vakio ato izany https://www.lakroa.mg/item-2548_articles_politique_18-aoka-ny-rariny-hikoriana.html

  • 25 Jan. 2021 - 08:42-

    Televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Notokanana ny 23 janoary 201 teo tao Toamasina ny televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Ny RTCM na Radio Télévision Catholique Masova no televiziona katolika voalohany eto Madagasikara ary ny diosezin’i Toamasina no nanangana azy io. Miarahaba azy ny www.lakroa.mg ary mirary soa hahavita ny anjara andraikiny amin’ny fampitana ny feon’ny marina sy ny rariny. Ny RTCM dia raisina eo amin’ny ontsam-peo sy sary UHF 42 ao Toamasina. Sary vitsivitsy: https://www.lakroa.mg/item-2545_articles_newtech_18-notokanana-ny-televiziona-katolika-voalohany-eto...

  • 23 Jan. 2021 - 04:30-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021. Toy izao raha fintinana ireo antontan’isa voaray haatramin'ny 22 janoary mahasika ny vokatry ny fandalovan’ny rivodoza ELOISE teto anivon’ny BNGRC (mahakasika ny olona)
    Maty
     : Olona 1 no lavo tamin’ny fandalovan’i ELOISE.
    Traboina
    3 601 ireo traboina.
    Nafindra toerana
    : Nitombo 470 ireo nafindra toerana vonjy maika izay mitotaly 835 izy raha atambatra amin’ny efa voaagona hatramin’izay.

  • 23 Jan. 2021 - 04:28-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021.Raha ny mahakasika ireo foto-drafitr’asa sy trano fonenana dia:
    Miisa 156 ireo trano fonenana dibo-drano raha 645 ireo voakasika sy nahitam-pahasimbana.
    Miisa 193 kosa ireo trano fonenana rava tanteraka.
    142 trano fianarana voakasika sy nahitam-pahasimbana raha roa
    12 kosa ny trano fianarana rava tanteraka.

  • 23 Jan. 2021 - 04:26-

    Birao maharitra Antenimierandoholona. Tontosa ny zoma 22 janoary 2021 ny fifidianana ireo mpikambana mandrafitra ny Birao Maharitra eto anivon’ny Antenimierandoholona. Ka, voafidy ho :
    Filoha Lefitra ho an’ny faritany Avaratra : Loholon’i Madagasikara Imbiki Herilaza ;  
    Filoha lefitra ho an’ny faritany Atsimo : Loholon’i Madagasikara Rabemananjara Jean Paul Nicolas,
    Kestiora : Loholon’i Madagasikara Fernand Eddie Serge,
    Mpampakateny Jeneraly : Loholon’i Madagasikara Rasolondratsimba Raymond.
    Ny Filoha Razafimahefa Herimanana dia efa voafidy ny 19 janoary.

  • 07 Jan. 2021 - 07:36-

    Bonne année 2021. Toute l'équipe, rédaction et technique, de www.lakroa.mg se joint ici pour vous souhaiter, à vous lecteurs et sources, une bonne et heureuse année 2021. Que cette nouvelle année 2021 vous apporte, le bonheur, la joie et la prospérité et l’amour du prochain et du Pays. Notre unique résolution pour l’année 2021 est de réussir à vous apporter la nouvelle vraie avec des analyses lucides hors des sentiers battus. Et soyons solidaires pour notre Patrie et nos concitoyens. https://www.facebook.com/100002397970826/videos/3535584526531445/

  • 26 Dec. 2020 - 10:22-

    Que la magie de Noêl impacte sur votre vie 

    et voici des Suggestions de cadeaux de Noël:

    Pour l’ennemi, le pardon.
    Pour l’adversaire, la tolérance.
    Pour l’ami, votre cœur.
    Pour un client, du service.
    Pour tous, la charité.
    Pour chaque enfant, le bon exemple.
    Pour vous, le respect et

    Pour le Monde entier : l’Amour du Christ par la croix

    Et notre cadeau notre fidélité envers vous sur www.lakroa.mg

  • 07 Dec. 2020 - 07:23-

    Lahatsoratra mety hahaliana anao... Resaka tany

    https://www.lakroa.mg/item-2486_articles_economie_18-a-a-madagascar-comme-partout-sur-le-continent-les-alites-africaines-accaparent-les-terres-fertiles-a.html 

  • 25 Nov. 2020 - 12:28-

    l'économie bleue de l'AMDP a été engloutie par la vague orange. Et voilà que le dossier resurgit sous une autre forme avec d'autres acteurs mais toujours économie bleue (orangée).
    https://www.lakroa.mg/item-2465_articles_economie_18-petite-pache-en-paril-madagascar-signe-des-accords-de-pache-destructeurs-avec-des-investisseurs-chinois.html

  • 18 Oct. 2020 - 04:51-

    Arrêt n°10-HCC/AR du 16 octobre 2020 relative à une demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena. La demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena, est déclarée recevable. Article 3.-La demande du KMF-CNOE Fanabeazana Olompirenana est rejetée comme mal fondée en vertu des considérants 16 à 27. 

  • 18 Oct. 2020 - 04:50-

    Décision n°17-HCC/D3 du 16 octobre 2020 portant sur des requêtes aux fins d’inconstitutionnalité du décret n°2020-1110 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du 11 décembre 2020. Selon l’article 1, les requêtes sont déclarées recevables mais rejetées comme non fondées sur la base des considérants 17 à 25, 27 et 28 (article 3).

  • 17 Oct. 2020 - 05:06-

    Lu pour vous: Une usine clés en main normande expédiée à Madagascar contre la faim.  https://www.lakroa.mg/item-2413_articles_monde_18-une-usine-clas-en-main-normande-expadiae-a-madagascar-contre-la-faim.html

  • 13 Oct. 2020 - 04:49-

    62 taona ny Repoblika Malagasy. Hetsika maro no fantatra fa ho karakaraina hanamarihana ny faha 62 taona ny nanambarana ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy voalohany. Iray amin’ireny ny karakarain’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina. Ny 14 oktobra dia hisy ny fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny FJKM Atsimon’i  Mahamasina ny maraina amin’ny 9 ora sy sasany ary fikaonan-doha atao ao amin’ny Le pave Antaninarenina kosa ny tapany hariva. Asaina ny rehetra ka ny lohahevitra amin’izany ny hoe « maro tohanan’ny maro »

  • 12 Oct. 2020 - 05:08-

    Lu pour vous. Le Conseil des Ministres du 7 octobre a pris la décision que l’Etat va effectuer des travaux de relevés sismiques marins pour déterminer la ZEE. Et on apprend sur Africa Intelligence que. Il faut rappeller aussi que durant la présidence de Rajaonarimampianina un programme a été lancé en 2017. Quel sous-marin derrière tout cela ? Lu pour vous ne fait que transmettre l’article de Africa Intelligence. https://www.lakroa.mg/item-2404_articles_monde_18-culmen-international-intronisa-conseiller-stratagique-de-la-marine-malgache.html

  • 09 Oct. 2020 - 17:44-

    Marine malgache a un conseiller stratégique. Culmen International pressenti est intronisé conseiller stratégique de la marine malgache Comme l'avait anticipé Africa Intelligence (09/09/20), Culmen International a remporté le 28 septembre le marché de mise à disposition d'un conseiller stratégique pour la marine malgache. Ce contrat est financé par le Département d'Etat américain à hauteur d'un million de dollars. Culmen s'est imposé face à un autre contractor de défense américain, Sincerus Global Solutions, qui a absorbé en juillet la branche internationale du géant Science Applications International Corp (SAIC).

  • 01 Oct. 2020 - 09:23-

    Le mois d’octobre est consacré au  Saint Rosaire. La prière du rosaire se décline en 4 «groupes» de mystères : joyeux, lumineux, douloureux, glorieux. Chacun de ces «groupes» (ou méditations) se décline en 5 mystères. La prière du rosaire, au complet, comprend donc 20 mystères au total. Prier le chapelet, c’est par conséquent, quotidiennement, prier 5 mystères par jour.

  • 30 Sep. 2020 - 07:34-

    #COVID19
    Atontanisa momba ny Covid-19 ny 29 septambra 2020. Sitrana 192 vaovao.  
    Lavo 229 (+ 0).  
    Marary mafy 16 (– 1).
    FITILIANA : Tests PCR (297), Tests GeneXpert (53)
    Marary 29 vaovao : 1 Cas importé, 2 Analamanga,  Sainte Marie, 4 Ambatondrazaka, 2 Amparafaravola, 3 Matsiatra Ambony, 1 Atsimo Andrefana, 1 Menabe, 4 Antsohihy, 1 Bealanana, 5 Sava, 4 Diana

  • 21 Sep. 2020 - 07:15-

    Mikasika ny toeram-pivavahana: Toy izao indray ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo:
    - Misokatra ireo fiangonana sy mosquée rehetra manerana ny Nosy saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    - Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra
    - Manao aro vava orona ny rehetra
    - Raisina ny mari- pana eo am-pidirana
    - Mampiasa gel désinfection
    - Fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina
    - Tsy azo atao ny fifandraisan-tanana mandritra ny fotoam-pivavahana.

    Jereo ny fepetra manontolo :

    https://www.lakroa.mg/item-2386_articles_societe_18-ireo-fepetra-arahina-mandritra-ny-15-andro-nanomboka-ny-19-septambra-teo.html

  • 11 Sep. 2020 - 07:15-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 10 Septambra 2020
    #Sitrana: 52
    #Tranga_vaovao:104
    • 53 Analamanga, • 17 Antsirabe I, • 2 Antsirabe II, • 1 Mandoto, • 4 Ambositra, • 1 Antsohihy, • 6 Sambava, • 16 Antsiranana I, • 2 Antsiranana II, • 2 Ambilobe
    FITILIANA : Tests PCR (676), Tests GeneXpert (66)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 48 (-3)
     #Aina_nafoy: 02

Du même auteur

sport
politique

Dans la même rubrique

newtech
newtech