logo
Lakroan'i Madagasikara
Matoan-dahatsoratra

De moka ratsy a !

P.Prospère il y a 16 jours

Mbola misedra ny fikatonan'ny fiangonana ny Gazety Lakroan'i Madagasikara ka tsy mbola mivoaka ny gazety taratasy. Mitohy hatrany eto kosa ny fifandraisana aminao mpamaka ny sy mpanjifa ny gazety Lakroan'i Madagasikara eto amin'ny tranonkala www.lakroa.mg. Tena nahitana ny lanjan'ny fifandraisana amin'ny alalan'ny arabe ny fandraisana ny fanapahan-kevitra hiatrehana ny valanaretina ity. Misy ho saintsainina. Indro ary ny matoaan-dahatsoratra norenesinao tao amin'ny Feon'ny Lakroa nalefan'ny RDB ny talata 1 jona teo.


Lany ny lalàna mifehy ny mpanohitra eto Madagasikara. Lalàna nasiam-panovana, ary ny antoko nanoratra azy tanaty Lalàm-panorenena ihany, no nanova azy rehefa tena azony ny fahefana. Miditra any an-dapa ny demokrasia. Any amin’ny Anteminieram-pirenena ihany no misy demokrasia. Fa raha misy olona manao fihetsiketsehana dia tokony ho sazian’ny lalàna. Raha tsorina dia natao handatsa-bato fotsiny ny vahoaka, ary fifidianana ihany no demokrasia eto amintsika. Zary fialokalofana ny lalàna nefa ny olombelona ihany no manao ny lalàna.


Fanambaniana ny mpifidy satria izay nomena fahefana no mibodo fahefana. Ireo olom-boafidy ihany no mandidy dia homana eto amin’ny firenena. Rehefa nomena azy ny fahefana dia izy no misolo vava anao, izy no saina aman-tsofinao, izy no fahefana sy lalàna…. Mandidy manapaka e ! Mahay isika Malagasy raha hanambaka vahoaka. Ary ho avy eny amin’ny vahoaka izy mianakavy hanazava fa io no tena demokrasia hampandroso. Niainga avy any Ikongo izy ity. Ary fomban’ny ampanjakan’ny tranobe no apetraka amin’ny firenena. Ao amin’ny tranobe no mandidy manapaka. Tsy modely demokratika ny fitantanana tranobe. Tsy fanjakan’ny tranobe ny Anteminieram-pirenena, ary tsy Antanalan’Ikongo daholo ny Malagasy. Raha fitaratra iny distrika iny efa nihazakazaka ny filoha nametraka zavatra manara-penitra tany Ifanirea, Karimbelo, Antanakamba, Antodinga… Tamin’ny andron’i Tsiranana no nisy fikasana hanao ny tetezana Angado. Tsy RN 44 ny lalana mampifandray an’ikongo, Antanakamba, Ifanirea na Vohipeno- Angado –Ifanirea, Karimbelo.


Sao dia fomba enti-mampanjaka fifandrafesana tsy hisian’ny fihavanan’ny mpirahalahy ity lalàna ity ? Sao dia fandrangitana ny fankahalan’i Kaina an’i Abela, mba hanjakan’ny mpandrombo amin’ny tanàna? Manjary Kaina sy Abela ho azy Rajoelina sy Ravalomanana rehefa ny politikan’ny « zarazarao hanjakana », no zary lova politikan’ny zanaka amam-para.


Hanorina tanàna vaovao isika, fa mbola tanàna hanjakan’ny zarazarao hanjakana ihany ve ? Raha ny Malagasy ihany no mahita tombontsoa amin’ny zarazarao hanjakana, dia mbola ho sarotra ny hanasitrana ny lova navelan’ny fialonan’i Kaina sy ny fiarahamonina naoriny. Ny zarazarao hanjakana kolokoloin’ny samy Malagasy no tena fahavalon’ny fihavanana sy ny fifankatiavan’ny samy Malagasy. Tsy mila vahiny hibaiko intsony. Efa dila ny fifanoheran’ny PADESM sy ny MDRM, nambolen’ny mpanjanaka. Fa ny lova be navelany amin’ny politikan’ny zarazarao hanjakana mbola ifandovana ankehitriny. Mila manova ny tantara ny lalàna ary mila mahafehy ny tantaram-pireneny ny antoko mihevi-tena ho maro an’isa. Fa tsy fifandrafesana olona na antoko roa ny fiainam-pirenena.

Raha toa ny lalàna manjary fepetra mitaiza io lova politika navelan’ny mpanjanaka io dia be no ho kaikerin’ny moka amin’izany. Satria « de moka ratsy » no naterany. Iny faritry ny Antanala misy ny depiote Zafintsiandraofa iny dia faritra be moka. Ny demokrasian’ny moka dia mihinana toa parasita. Teraky ny kolontsaina sy fiarahamonina ihany ny fiheverana ara-politika. Ny fiarahamonintsika anefa no mila fampandrosoana. Ny demokrasia rahateo mbola mila ianarana. Vitsy angamba no tsy vahiny amin’izany ao amin’ny Anteminiera. Hiverina amin’ny fananganana mandatehezan’ny revolisiona indray ve isika ? Sa malalaka ny fanaovana politika eto Madagasikara ?


Ny fanaon’ny antoko politika nahazo fahefana no mila hovana. Ny fanaovana lalàna eto amintsika no mila dinihina mba ho toe-panahin’ny lalàna ny fihavanana sy firaisan-kina. Amin’izay vao ho lavin’ny fitiavan-tanindrazana ny zarazarao hanjakana.

P.Prospère

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 10 Apr. 2021 - 05:29-

    ‘‘Antso vonjy ny an’ny vahoaka, miantso ny fanjakana hoe « aiza e… vonjeo e… avela ho ringana ve ny vahoaka ?’’ hoy ny fanombohan’ny Matoan-dahatsoratra ao amin’ny Lakroan’i Madagasikara efa hita teny amin’ny mpivarotra nanomboka ny alakamisy 8 avrily teo… Fa hoy izy mamarana ‘‘Izao no mila jerena…’’ Raha manjifa ny Lakroa ianao dia hahafantatra ny famoaboasana ihany koa ary ahita ny famaranana… Miarova tena, arovy ny akaiky anao. Md Roch…

  • 27 Jan. 2021 - 12:11-

    Fanambaran’ny FFKM. Namoaka fanambarana ny Filoham-piangonana efatra ato anatin'ny FFKM, Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, ny alahady 24 janoary ao anatin’ny Herinandro fiaraha-mivavaka ho an’ny Firaisan’ny Kristianina manerana  ny tany sy eto Madagasikara (18-25 janoary). Vakio ato izany https://www.lakroa.mg/item-2548_articles_politique_18-aoka-ny-rariny-hikoriana.html

  • 25 Jan. 2021 - 08:42-

    Televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Notokanana ny 23 janoary 201 teo tao Toamasina ny televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Ny RTCM na Radio Télévision Catholique Masova no televiziona katolika voalohany eto Madagasikara ary ny diosezin’i Toamasina no nanangana azy io. Miarahaba azy ny www.lakroa.mg ary mirary soa hahavita ny anjara andraikiny amin’ny fampitana ny feon’ny marina sy ny rariny. Ny RTCM dia raisina eo amin’ny ontsam-peo sy sary UHF 42 ao Toamasina. Sary vitsivitsy: https://www.lakroa.mg/item-2545_articles_newtech_18-notokanana-ny-televiziona-katolika-voalohany-eto...

  • 23 Jan. 2021 - 04:30-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021. Toy izao raha fintinana ireo antontan’isa voaray haatramin'ny 22 janoary mahasika ny vokatry ny fandalovan’ny rivodoza ELOISE teto anivon’ny BNGRC (mahakasika ny olona)
    Maty
     : Olona 1 no lavo tamin’ny fandalovan’i ELOISE.
    Traboina
    3 601 ireo traboina.
    Nafindra toerana
    : Nitombo 470 ireo nafindra toerana vonjy maika izay mitotaly 835 izy raha atambatra amin’ny efa voaagona hatramin’izay.

  • 23 Jan. 2021 - 04:28-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021.Raha ny mahakasika ireo foto-drafitr’asa sy trano fonenana dia:
    Miisa 156 ireo trano fonenana dibo-drano raha 645 ireo voakasika sy nahitam-pahasimbana.
    Miisa 193 kosa ireo trano fonenana rava tanteraka.
    142 trano fianarana voakasika sy nahitam-pahasimbana raha roa
    12 kosa ny trano fianarana rava tanteraka.

  • 23 Jan. 2021 - 04:26-

    Birao maharitra Antenimierandoholona. Tontosa ny zoma 22 janoary 2021 ny fifidianana ireo mpikambana mandrafitra ny Birao Maharitra eto anivon’ny Antenimierandoholona. Ka, voafidy ho :
    Filoha Lefitra ho an’ny faritany Avaratra : Loholon’i Madagasikara Imbiki Herilaza ;  
    Filoha lefitra ho an’ny faritany Atsimo : Loholon’i Madagasikara Rabemananjara Jean Paul Nicolas,
    Kestiora : Loholon’i Madagasikara Fernand Eddie Serge,
    Mpampakateny Jeneraly : Loholon’i Madagasikara Rasolondratsimba Raymond.
    Ny Filoha Razafimahefa Herimanana dia efa voafidy ny 19 janoary.

  • 07 Jan. 2021 - 07:36-

    Bonne année 2021. Toute l'équipe, rédaction et technique, de www.lakroa.mg se joint ici pour vous souhaiter, à vous lecteurs et sources, une bonne et heureuse année 2021. Que cette nouvelle année 2021 vous apporte, le bonheur, la joie et la prospérité et l’amour du prochain et du Pays. Notre unique résolution pour l’année 2021 est de réussir à vous apporter la nouvelle vraie avec des analyses lucides hors des sentiers battus. Et soyons solidaires pour notre Patrie et nos concitoyens. https://www.facebook.com/100002397970826/videos/3535584526531445/

  • 26 Dec. 2020 - 10:22-

    Que la magie de Noêl impacte sur votre vie 

    et voici des Suggestions de cadeaux de Noël:

    Pour l’ennemi, le pardon.
    Pour l’adversaire, la tolérance.
    Pour l’ami, votre cœur.
    Pour un client, du service.
    Pour tous, la charité.
    Pour chaque enfant, le bon exemple.
    Pour vous, le respect et

    Pour le Monde entier : l’Amour du Christ par la croix

    Et notre cadeau notre fidélité envers vous sur www.lakroa.mg

  • 07 Dec. 2020 - 07:23-

    Lahatsoratra mety hahaliana anao... Resaka tany

    https://www.lakroa.mg/item-2486_articles_economie_18-a-a-madagascar-comme-partout-sur-le-continent-les-alites-africaines-accaparent-les-terres-fertiles-a.html 

  • 25 Nov. 2020 - 12:28-

    l'économie bleue de l'AMDP a été engloutie par la vague orange. Et voilà que le dossier resurgit sous une autre forme avec d'autres acteurs mais toujours économie bleue (orangée).
    https://www.lakroa.mg/item-2465_articles_economie_18-petite-pache-en-paril-madagascar-signe-des-accords-de-pache-destructeurs-avec-des-investisseurs-chinois.html

  • 18 Oct. 2020 - 04:51-

    Arrêt n°10-HCC/AR du 16 octobre 2020 relative à une demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena. La demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena, est déclarée recevable. Article 3.-La demande du KMF-CNOE Fanabeazana Olompirenana est rejetée comme mal fondée en vertu des considérants 16 à 27. 

  • 18 Oct. 2020 - 04:50-

    Décision n°17-HCC/D3 du 16 octobre 2020 portant sur des requêtes aux fins d’inconstitutionnalité du décret n°2020-1110 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du 11 décembre 2020. Selon l’article 1, les requêtes sont déclarées recevables mais rejetées comme non fondées sur la base des considérants 17 à 25, 27 et 28 (article 3).

  • 17 Oct. 2020 - 05:06-

    Lu pour vous: Une usine clés en main normande expédiée à Madagascar contre la faim.  https://www.lakroa.mg/item-2413_articles_monde_18-une-usine-clas-en-main-normande-expadiae-a-madagascar-contre-la-faim.html

  • 13 Oct. 2020 - 04:49-

    62 taona ny Repoblika Malagasy. Hetsika maro no fantatra fa ho karakaraina hanamarihana ny faha 62 taona ny nanambarana ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy voalohany. Iray amin’ireny ny karakarain’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina. Ny 14 oktobra dia hisy ny fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny FJKM Atsimon’i  Mahamasina ny maraina amin’ny 9 ora sy sasany ary fikaonan-doha atao ao amin’ny Le pave Antaninarenina kosa ny tapany hariva. Asaina ny rehetra ka ny lohahevitra amin’izany ny hoe « maro tohanan’ny maro »

  • 12 Oct. 2020 - 05:08-

    Lu pour vous. Le Conseil des Ministres du 7 octobre a pris la décision que l’Etat va effectuer des travaux de relevés sismiques marins pour déterminer la ZEE. Et on apprend sur Africa Intelligence que. Il faut rappeller aussi que durant la présidence de Rajaonarimampianina un programme a été lancé en 2017. Quel sous-marin derrière tout cela ? Lu pour vous ne fait que transmettre l’article de Africa Intelligence. https://www.lakroa.mg/item-2404_articles_monde_18-culmen-international-intronisa-conseiller-stratagique-de-la-marine-malgache.html

  • 09 Oct. 2020 - 17:44-

    Marine malgache a un conseiller stratégique. Culmen International pressenti est intronisé conseiller stratégique de la marine malgache Comme l'avait anticipé Africa Intelligence (09/09/20), Culmen International a remporté le 28 septembre le marché de mise à disposition d'un conseiller stratégique pour la marine malgache. Ce contrat est financé par le Département d'Etat américain à hauteur d'un million de dollars. Culmen s'est imposé face à un autre contractor de défense américain, Sincerus Global Solutions, qui a absorbé en juillet la branche internationale du géant Science Applications International Corp (SAIC).

  • 01 Oct. 2020 - 09:23-

    Le mois d’octobre est consacré au  Saint Rosaire. La prière du rosaire se décline en 4 «groupes» de mystères : joyeux, lumineux, douloureux, glorieux. Chacun de ces «groupes» (ou méditations) se décline en 5 mystères. La prière du rosaire, au complet, comprend donc 20 mystères au total. Prier le chapelet, c’est par conséquent, quotidiennement, prier 5 mystères par jour.

  • 30 Sep. 2020 - 07:34-

    #COVID19
    Atontanisa momba ny Covid-19 ny 29 septambra 2020. Sitrana 192 vaovao.  
    Lavo 229 (+ 0).  
    Marary mafy 16 (– 1).
    FITILIANA : Tests PCR (297), Tests GeneXpert (53)
    Marary 29 vaovao : 1 Cas importé, 2 Analamanga,  Sainte Marie, 4 Ambatondrazaka, 2 Amparafaravola, 3 Matsiatra Ambony, 1 Atsimo Andrefana, 1 Menabe, 4 Antsohihy, 1 Bealanana, 5 Sava, 4 Diana

  • 21 Sep. 2020 - 07:15-

    Mikasika ny toeram-pivavahana: Toy izao indray ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo:
    - Misokatra ireo fiangonana sy mosquée rehetra manerana ny Nosy saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    - Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra
    - Manao aro vava orona ny rehetra
    - Raisina ny mari- pana eo am-pidirana
    - Mampiasa gel désinfection
    - Fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina
    - Tsy azo atao ny fifandraisan-tanana mandritra ny fotoam-pivavahana.

    Jereo ny fepetra manontolo :

    https://www.lakroa.mg/item-2386_articles_societe_18-ireo-fepetra-arahina-mandritra-ny-15-andro-nanomboka-ny-19-septambra-teo.html

  • 11 Sep. 2020 - 07:15-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 10 Septambra 2020
    #Sitrana: 52
    #Tranga_vaovao:104
    • 53 Analamanga, • 17 Antsirabe I, • 2 Antsirabe II, • 1 Mandoto, • 4 Ambositra, • 1 Antsohihy, • 6 Sambava, • 16 Antsiranana I, • 2 Antsiranana II, • 2 Ambilobe
    FITILIANA : Tests PCR (676), Tests GeneXpert (66)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 48 (-3)
     #Aina_nafoy: 02

Du même auteur

sport
politique

Dans la même rubrique

editorial
editorial