logo
Lakroan'i Madagasikara
Haino aman-jery

Fantim-baovaon’ny herinandro faran’ny volana mey

Rasoanjanahary il y a 16 jours

Kabarin’ny filoham-pirenena sy ny hamehana ara-pahasalamana, herisetran’ny mpitandro filaminana tamin’ny mpivarotra, fanovan-dalàna momba ny satan’ny mpanohitra, raharaha volamena 73,5kg, hetsi-pitakiana samihafa, andro maneran-tany ho an’ny fifandraisan’ny mpiara-belona sy vavaka totoafo.

Fantim-baovaon’ny herinandro faran’ny volana mey

Kabarin’ny filoham-pirenena sy ny hamehana ara-pahasalamana

Notanterahina ny alin’ny alahady 30 mey tamin’ny 8 ora alina ny kabarin’ny filoham-pirenena, Andry Nirina Rajoelina, izay naharitra teo amin’ny 33 minitra. Tsy nisy mpanao gazety nametraka fanontaniana toy ny tamin’ny teo aloha fa avy dia ny jery todika fampitahana antontanisa tao anatin’ny roa volana nanaovana ny hamehana ara-pahasalamana no nentiny. Nilazany fa efa ho resintsika ny aretina, mihena ny miditra hopitaly, mitombo ny sitrana ary mihamihena koa ny isan’ny lavo. Fa mbola tohizina ny hamehana ara-pahasalamana mandritra ny 15 andro sy ny fepetra miaraka amin’izany. Anisan’ny nambarany ny tsy fisian’ny faritra mikatona intsony, ny fanafoanana ny fihibohana tanteraka isaky ny sabotsy sy alahady ao Analamanga, ny fisokafan’ny fitaterana an-tanety manomboka amin’ny 4 jona ary ny fisokafan’ny sekoly manomboka ny 2 jona 2021. Nasiany tsidi-dresaka ihany koa ny hanaovana ny vaksiny tsy asiam-panavahana sokajin’olona, izay tsy an-tery. Maro ireo niandry ny ambaran’ny filoha momba ny fanamaivanana ny olana sosialy iainan’ny olona sy ny fiatrehana ny fiainam-pihariana, saingy tsy nisy izany.

Tamin’ny 31 mey, araka ny antontanisa ofisialy momba ny covid-19, dia 24 ny tranga vaovao tamin’ny fitiliana 202, miisa 2 no lavo ka 841 no fitambaran’izany hatramin’ny 23 marsa 2020, miisa 142 ny an-dalam-pitsaboana izay tranga misy fahasarotana daholo, miisa 41 366 ireo voatily fa mitondra ny tsimokaretina ka ny 40 491 no sitrana.

Herisetran’ny mpitandro filaminana tamin’ny mpivarotra sy mpanao gazety

Araka ny tati-baovao nampitain’ny haino aman-jery samihafa tamin’ny sabotsy 29 mey, dia niharan’ny herisetran’ny mpitandro ny filaminana ny mpivarotra legioma sy anana tamin’ny tsena sasany tao Antananarivo. Hita izany teny Andranonahaotra Itaosy sy Ankadindramamy satria hoe voarara izany ho azy ireo. Baiko no notanterahin-dry zareo raha ny nambara. Nilaza anefa ny tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Polisim-pirenena fa tsy avy amin’izy ireo izany. Torak’izany koa ny nambaran’ny praiminisitra izay nilaza fa hanao fanadihadiana. Mpanao gazety avy amin’ny sehatra tsy miankina kosa no niharan’ny fandrahonana tsy nahazo naka sary teny Ankadindramamy ary nasaina nofafana ny sary nalaina.

Fanovan-dalàna momba ny satan’ny mpanohitra

Nolanian’ny teo anivon’ny antenimiera roa tonta ny fanovana ny lalàna momba ny satan’ny mpanohitra izay tsy maintsy depiote eo anivon’ny Antenimieram-pirenena no ho amin’ny toerana. Manova ilay lalàna tamin’ny tetezamita laharana 2011-013 nosoniavin’ny filoha Andry Rajoelina, izay namaritra izany ho an’ny filohan’ny antoko nahazo vato be indrindra tamin’ny fifidianana filoham-pirenena.

Talen’ny ACM nogadraina dia navoaka fotoana fohy momba ny raharaha volamena 73,5 kg

Nampidirina am-ponja tamin’ny alakamisy 27 mey ny tale jeneralin’ny ACM. Izy dia voarohirohy momba ilay raharaha volamena 73,5kg naondrana antsokosoko nahavoasambotra olona telo avy aty Madagasikara tany Afrika Atsimo tamin’ny fiandohan’ity taona ity. Navoaka vonjy maika izy mba hanao famindram-pahefana tamin’ny solony fa naverina am-ponja ihany avy eo. Tsy mbola mazava hatramin’izao ny momba ity raharaha ity.

Hetsi-pitakiana samihafa

Nisy ny hetsi-pitokonana nataon’ireo mpandraharan’ny oniversite tamin’iny herinandro iny ho fitakiana ny karaman’izy ireo tsy naloa. Nanomboka izany ny tany Fianarantsoa.

Andro maneran-tany ho an’ny fifandraisan’ny mpiara-belona sy vavaka totoafo

Teo anivon’ny Fiangonana katolika eto Madagasikara, dia nanamarika ny andro maneran-tany ho an’ny fifandraisan’ny mpiara-belona faha 55, tamin’ny alahadin’ny Trinite Masina 30 mey. Isaky ny Alahady manaraka ny fanamarihana ny andro Fiakarana no anamarihan’ny eran-tany izany, dia ny 16 mey tamin’ity. Noho ny mbola fikatonan’ny fiangonana dia tamin’ny alalan’ny haino aman-jery no nifampizarana ny momba izany tamin’ny alalan’ny vavaka sy fandinihana ny hafatry ny Papa Fransoa momba izany. Hafatra navoakany tamin’ny 23 janoary 2021, andro iray mialoha ny fetin’i Md François de Sales, mpiaro ny mpanao gazety. Lohahevitra tamin’ity ny hoe “Avia, ary zahao” (Jn 1,46). Iresahan’ny papa momba ny andraikitry ny mpampiasa ny fitaovan-tserasera samihafa amin’ny fizahana ny zava-misy eny ifotony iainan’ny olona itadiavana ny marina. Navohitrany ihany koa ny amin’ny lafy tsara sy lafy ratsin’ny fampiasana ny teknolojia. Ao anatiny ny internety izay ilam-pahamalinana mba tsy hibirioka amin’ny ratsy na hampiasaina amin’ny familiviliana ny marina. Mgr Fulgence Rabemahafaly, filohan’ny Vaomieran’ny eveka momba ny Fifandraisan’ny mpiara-belona, tao amin’ny RDB, dia nitondra famelabelarana momba izany tamin’io andro io.

Nifarana tamin’ny 31 mey teo ihany koa ny vavaka totoafo nanentanan’ny papa Fransoa enti-miatrika ny handresena ity aretina covid 19 maneran-tany ity, tamin’ny alalan’ny vavaka Rozery.

Momba ny resaka fiangonana ihany, dia nambaran’ny filoham-pirenena fa misokatra ny fiangonana ary ferana ho roa isaky ny dabilio ny olona amin’izany. Fepetra hafahafa raha ny fanehoan-kevitry ny olona maro.

Rasoanjanahary

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 10 Apr. 2021 - 05:29-

    ‘‘Antso vonjy ny an’ny vahoaka, miantso ny fanjakana hoe « aiza e… vonjeo e… avela ho ringana ve ny vahoaka ?’’ hoy ny fanombohan’ny Matoan-dahatsoratra ao amin’ny Lakroan’i Madagasikara efa hita teny amin’ny mpivarotra nanomboka ny alakamisy 8 avrily teo… Fa hoy izy mamarana ‘‘Izao no mila jerena…’’ Raha manjifa ny Lakroa ianao dia hahafantatra ny famoaboasana ihany koa ary ahita ny famaranana… Miarova tena, arovy ny akaiky anao. Md Roch…

  • 27 Jan. 2021 - 12:11-

    Fanambaran’ny FFKM. Namoaka fanambarana ny Filoham-piangonana efatra ato anatin'ny FFKM, Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, ny alahady 24 janoary ao anatin’ny Herinandro fiaraha-mivavaka ho an’ny Firaisan’ny Kristianina manerana  ny tany sy eto Madagasikara (18-25 janoary). Vakio ato izany https://www.lakroa.mg/item-2548_articles_politique_18-aoka-ny-rariny-hikoriana.html

  • 25 Jan. 2021 - 08:42-

    Televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Notokanana ny 23 janoary 201 teo tao Toamasina ny televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Ny RTCM na Radio Télévision Catholique Masova no televiziona katolika voalohany eto Madagasikara ary ny diosezin’i Toamasina no nanangana azy io. Miarahaba azy ny www.lakroa.mg ary mirary soa hahavita ny anjara andraikiny amin’ny fampitana ny feon’ny marina sy ny rariny. Ny RTCM dia raisina eo amin’ny ontsam-peo sy sary UHF 42 ao Toamasina. Sary vitsivitsy: https://www.lakroa.mg/item-2545_articles_newtech_18-notokanana-ny-televiziona-katolika-voalohany-eto...

  • 23 Jan. 2021 - 04:30-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021. Toy izao raha fintinana ireo antontan’isa voaray haatramin'ny 22 janoary mahasika ny vokatry ny fandalovan’ny rivodoza ELOISE teto anivon’ny BNGRC (mahakasika ny olona)
    Maty
     : Olona 1 no lavo tamin’ny fandalovan’i ELOISE.
    Traboina
    3 601 ireo traboina.
    Nafindra toerana
    : Nitombo 470 ireo nafindra toerana vonjy maika izay mitotaly 835 izy raha atambatra amin’ny efa voaagona hatramin’izay.

  • 23 Jan. 2021 - 04:28-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021.Raha ny mahakasika ireo foto-drafitr’asa sy trano fonenana dia:
    Miisa 156 ireo trano fonenana dibo-drano raha 645 ireo voakasika sy nahitam-pahasimbana.
    Miisa 193 kosa ireo trano fonenana rava tanteraka.
    142 trano fianarana voakasika sy nahitam-pahasimbana raha roa
    12 kosa ny trano fianarana rava tanteraka.

  • 23 Jan. 2021 - 04:26-

    Birao maharitra Antenimierandoholona. Tontosa ny zoma 22 janoary 2021 ny fifidianana ireo mpikambana mandrafitra ny Birao Maharitra eto anivon’ny Antenimierandoholona. Ka, voafidy ho :
    Filoha Lefitra ho an’ny faritany Avaratra : Loholon’i Madagasikara Imbiki Herilaza ;  
    Filoha lefitra ho an’ny faritany Atsimo : Loholon’i Madagasikara Rabemananjara Jean Paul Nicolas,
    Kestiora : Loholon’i Madagasikara Fernand Eddie Serge,
    Mpampakateny Jeneraly : Loholon’i Madagasikara Rasolondratsimba Raymond.
    Ny Filoha Razafimahefa Herimanana dia efa voafidy ny 19 janoary.

  • 07 Jan. 2021 - 07:36-

    Bonne année 2021. Toute l'équipe, rédaction et technique, de www.lakroa.mg se joint ici pour vous souhaiter, à vous lecteurs et sources, une bonne et heureuse année 2021. Que cette nouvelle année 2021 vous apporte, le bonheur, la joie et la prospérité et l’amour du prochain et du Pays. Notre unique résolution pour l’année 2021 est de réussir à vous apporter la nouvelle vraie avec des analyses lucides hors des sentiers battus. Et soyons solidaires pour notre Patrie et nos concitoyens. https://www.facebook.com/100002397970826/videos/3535584526531445/

  • 26 Dec. 2020 - 10:22-

    Que la magie de Noêl impacte sur votre vie 

    et voici des Suggestions de cadeaux de Noël:

    Pour l’ennemi, le pardon.
    Pour l’adversaire, la tolérance.
    Pour l’ami, votre cœur.
    Pour un client, du service.
    Pour tous, la charité.
    Pour chaque enfant, le bon exemple.
    Pour vous, le respect et

    Pour le Monde entier : l’Amour du Christ par la croix

    Et notre cadeau notre fidélité envers vous sur www.lakroa.mg

  • 07 Dec. 2020 - 07:23-

    Lahatsoratra mety hahaliana anao... Resaka tany

    https://www.lakroa.mg/item-2486_articles_economie_18-a-a-madagascar-comme-partout-sur-le-continent-les-alites-africaines-accaparent-les-terres-fertiles-a.html 

  • 25 Nov. 2020 - 12:28-

    l'économie bleue de l'AMDP a été engloutie par la vague orange. Et voilà que le dossier resurgit sous une autre forme avec d'autres acteurs mais toujours économie bleue (orangée).
    https://www.lakroa.mg/item-2465_articles_economie_18-petite-pache-en-paril-madagascar-signe-des-accords-de-pache-destructeurs-avec-des-investisseurs-chinois.html

  • 18 Oct. 2020 - 04:51-

    Arrêt n°10-HCC/AR du 16 octobre 2020 relative à une demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena. La demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena, est déclarée recevable. Article 3.-La demande du KMF-CNOE Fanabeazana Olompirenana est rejetée comme mal fondée en vertu des considérants 16 à 27. 

  • 18 Oct. 2020 - 04:50-

    Décision n°17-HCC/D3 du 16 octobre 2020 portant sur des requêtes aux fins d’inconstitutionnalité du décret n°2020-1110 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du 11 décembre 2020. Selon l’article 1, les requêtes sont déclarées recevables mais rejetées comme non fondées sur la base des considérants 17 à 25, 27 et 28 (article 3).

  • 17 Oct. 2020 - 05:06-

    Lu pour vous: Une usine clés en main normande expédiée à Madagascar contre la faim.  https://www.lakroa.mg/item-2413_articles_monde_18-une-usine-clas-en-main-normande-expadiae-a-madagascar-contre-la-faim.html

  • 13 Oct. 2020 - 04:49-

    62 taona ny Repoblika Malagasy. Hetsika maro no fantatra fa ho karakaraina hanamarihana ny faha 62 taona ny nanambarana ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy voalohany. Iray amin’ireny ny karakarain’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina. Ny 14 oktobra dia hisy ny fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny FJKM Atsimon’i  Mahamasina ny maraina amin’ny 9 ora sy sasany ary fikaonan-doha atao ao amin’ny Le pave Antaninarenina kosa ny tapany hariva. Asaina ny rehetra ka ny lohahevitra amin’izany ny hoe « maro tohanan’ny maro »

  • 12 Oct. 2020 - 05:08-

    Lu pour vous. Le Conseil des Ministres du 7 octobre a pris la décision que l’Etat va effectuer des travaux de relevés sismiques marins pour déterminer la ZEE. Et on apprend sur Africa Intelligence que. Il faut rappeller aussi que durant la présidence de Rajaonarimampianina un programme a été lancé en 2017. Quel sous-marin derrière tout cela ? Lu pour vous ne fait que transmettre l’article de Africa Intelligence. https://www.lakroa.mg/item-2404_articles_monde_18-culmen-international-intronisa-conseiller-stratagique-de-la-marine-malgache.html

  • 09 Oct. 2020 - 17:44-

    Marine malgache a un conseiller stratégique. Culmen International pressenti est intronisé conseiller stratégique de la marine malgache Comme l'avait anticipé Africa Intelligence (09/09/20), Culmen International a remporté le 28 septembre le marché de mise à disposition d'un conseiller stratégique pour la marine malgache. Ce contrat est financé par le Département d'Etat américain à hauteur d'un million de dollars. Culmen s'est imposé face à un autre contractor de défense américain, Sincerus Global Solutions, qui a absorbé en juillet la branche internationale du géant Science Applications International Corp (SAIC).

  • 01 Oct. 2020 - 09:23-

    Le mois d’octobre est consacré au  Saint Rosaire. La prière du rosaire se décline en 4 «groupes» de mystères : joyeux, lumineux, douloureux, glorieux. Chacun de ces «groupes» (ou méditations) se décline en 5 mystères. La prière du rosaire, au complet, comprend donc 20 mystères au total. Prier le chapelet, c’est par conséquent, quotidiennement, prier 5 mystères par jour.

  • 30 Sep. 2020 - 07:34-

    #COVID19
    Atontanisa momba ny Covid-19 ny 29 septambra 2020. Sitrana 192 vaovao.  
    Lavo 229 (+ 0).  
    Marary mafy 16 (– 1).
    FITILIANA : Tests PCR (297), Tests GeneXpert (53)
    Marary 29 vaovao : 1 Cas importé, 2 Analamanga,  Sainte Marie, 4 Ambatondrazaka, 2 Amparafaravola, 3 Matsiatra Ambony, 1 Atsimo Andrefana, 1 Menabe, 4 Antsohihy, 1 Bealanana, 5 Sava, 4 Diana

  • 21 Sep. 2020 - 07:15-

    Mikasika ny toeram-pivavahana: Toy izao indray ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo:
    - Misokatra ireo fiangonana sy mosquée rehetra manerana ny Nosy saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    - Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra
    - Manao aro vava orona ny rehetra
    - Raisina ny mari- pana eo am-pidirana
    - Mampiasa gel désinfection
    - Fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina
    - Tsy azo atao ny fifandraisan-tanana mandritra ny fotoam-pivavahana.

    Jereo ny fepetra manontolo :

    https://www.lakroa.mg/item-2386_articles_societe_18-ireo-fepetra-arahina-mandritra-ny-15-andro-nanomboka-ny-19-septambra-teo.html

  • 11 Sep. 2020 - 07:15-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 10 Septambra 2020
    #Sitrana: 52
    #Tranga_vaovao:104
    • 53 Analamanga, • 17 Antsirabe I, • 2 Antsirabe II, • 1 Mandoto, • 4 Ambositra, • 1 Antsohihy, • 6 Sambava, • 16 Antsiranana I, • 2 Antsiranana II, • 2 Ambilobe
    FITILIANA : Tests PCR (676), Tests GeneXpert (66)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 48 (-3)
     #Aina_nafoy: 02

Du même auteur

sport
politique

Dans la même rubrique

newtech
newtech