logo
Lakroan'i Madagasikara
Iavoloha 9 janoary 2015

Kabarin'i Jean Max Rakotomamonjy

Nanangona Razafindramanitra il y a 7 années

Mipetraka ho tantara itony lahateny sy kabary ofisialy itony ka izany no izarana azy etoana.

Kabarin'i Jean Max Rakotomamonjy

Lahatenin’Andriamatoa RAKOTOMAMONJY Jean Max,

Filohan’ny Antenimierampirenena,

mandritra ny lanonana fifampiarahabana tratry ny taona 2015,

Lapam-panjakana, Iavoloha, faha 09 Janoary 2015

------------------------------------------

 

- Andriamatoa Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara sy Ramatoa Voahangy RAJAONARIMAMPIANINA;

- Andriamatoa isany Filohampirenena teo aloha sy Ramatoa isany  andefimandrinareo;

- Andriamatoa sy Ramatoa Filohan’Andrimpanjakana eto amin’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ireo Mpikambana ao aminy ary ianareo Andefimandriny avy;

- Ramatoa sy Andriamatoa isany Mpikambana ao amin’ny Birao Maharitry ny Antenimierampirenena, ary ianareo Solombavambahoaka namana;

- Ianareo masoivohom-pirenena vahiny sy Solo-tenam-pikambanana iraisam-pirenena tonga marobe etoana;

- Ianareo olo-manan-kaja, sivily sy miaramila ary mpanao gazety;

 

“Ny nofy hono, tsy avy tsy matory ; ary ny tsiny, tsy avy tsy miteny”.  Izaho anefa ity handahatra, hivolana sy hikabary. Ny tsiny anefa atahorako fa “tsy mitondra ny soava tsarà fa mivimbina ny atambo ary tena mahakizo fara.”

Koa amin’ny finoana ny asan’ilay Tompo mpamonjy no handroahantsika azy miaraka mba “ho eo aloha tsy ho tratra, ho ao aorian-tsy hahatratra, ho ambony tsy hanindry, ho ambany tsy hirongatra ary ho andaniny roa tsy hanery”.

Sanatria ny “hanao faniri-mananasy ka hitaingina ambonin’ny niteraka na hanao fanirian’akondro ka hisondrotra mihoatra ny zoky”.

Manao ny azafady ny tenako raha mitsangan-kivolana eto anoloanareo sangan’ny firenena, ianareo toniam-pahendrena tsy hoseranina ampitenenana.

Heveriko ary, fa afa-mandadina mora amin’izay aho, hiroso amin’ny arahaba satria Asaramanitra ny andro. Tendron’Ankaratra, hono Tsiafajavona; Tendron’Andringitra tovon-drahona fa Andriamanitra kosa no avo indrindra lolohavintsika an-tampon’ny loha. Ataontsika ahoana ny tsy hisaotra Azy nohon’ny fitahiany, ny famindrampony indrindra ny fitiavany antsika? Koa atolotsika Azy ny dera sy ny laza ary ny voninahitra mandrakizay.


Andriamatoa Filoha,

Taona maro no niainantsika tanaty krizy.  Lafin-javatra maro teo amin’ny fiainam-pirenena no nahitam-pikorontanana.

Noho ny hirifiry efa mihatra amin’ny taolana mihitsy dia toa miandrandra fahagagana ny vahoaka rehefa tafapetraka araky ny tokony ho izy ny fitondrana ara-dalàna. Hetahetam-bahoaka ny hahitany fihatsaran’ny fiainany andavanandro. Faniriany ny handry fahalemana. Mahamaika azy ny hahazo antoka ny fiahiana azy amin’ny fahasalamana, fampianaran-janaka. Mahadodona azy ny hananany fahamarinan-toerana eo amin’ny asa fihariana ivelomany. Tsy anomezantsiny ny vahoaka izany satria tsy halohalika intsony ny ranombary fa efa mandifotr’olona. Miaramanaiky isika fa maika avokoa ny zavatra rehetra fa, ny omby mamaky vala, ny tanety may, ny ala forehitra, ny rano miakatra: maro ny loza aman’atambo eo anatrehana, mby amin’ny antsoin’ny Ntaolo hoe: ny antsantsa miandry seranana, ny songomby miandry vavahady, eo koa ireo fikitra mampiady angely, ny tsingala maniry ny ain’ny omby ho faty, sy ny voalavo sady mamotika ny eny an-tsaha no mandrava laka ny any an-tanàna, izay vao mainka koa manampy trotraka amin’ny fiatrehana ny fahasahiranam-bahoaka.

Miara-manaiky koa anefa isika fa “ny tany hadiana hono tsy ho mby ankarona avokoa, ny kitay nofakoina tsy ho zaka indraim-pehezana. Na te-hahavoa lanitra aza isika, tsy afa-mitoraka mihoatra ny sandry. Na maika avokoa aza ny zava-drehetra, tsy ho voaenjika i Babay sy i Lohavohitra”.

Ny zava-dehibe dia ny finiavana, ny fahatapahankevitra, ny fahasahiantsika, indrindra ny fahavononantsika rehetra ao anatin’ny fifankatiavana, ny firaisankina hiroso tanteraka amin’ny ady amin’ny fahantrana sy fampandrosoana ny firenena arak’izay takian’ny vahoaka amin’izao vanin’andro izao, mba hisian’ny fampivoarana mifandanja amin’ny isam-paritra eto amin’ny Nosy.

 

Andriamatoa Filoha,

Fotoana fanararaotra izao, amin’ny anaran’ny vahoaka Malagasy manontolo, amin’ny maha Filohan’ny Antenimierampirenena ny tenako, izay Solombavambahoaka rahateo, ny maneho fisaorana anao amin’ny ezaka rehetra nataonao nandritra izay herintaona izay, izay efa manomboka ahitambokatsoa tato ho ato: asa maro no efa tanteraka araky ny kabary firariantsoa ho an’ny vahoaka Malagasy nataonao, tamin’ny faran’ny taona 2014 vao nivalona iny.

Ny tao amin’ny Antenimierampirenena, tsara ny ampahatsiahivana etoana mba ho fantatry ny vahoaka fa ny nifantohan’ny asa nandritra iny taona iny dia:

- ny fametrahana ny fitsipika anaty sy fananganana ny rafitra rehetra takian’ny lalàna eo amin’ny fampandehanandraharaha ao anatin’izany Andrimpanjakana izany (birao maharitra, vondrona parlemantera, vaomiera maharitra, sns…)

- ny fanaovana ho laharampahamehana sy vaindohandraharaha ny fandinihana sy fandaniana ireo volavolandalana fehizoro na tsotra, izay takian’ny vaninandro ilaina andrindrana sy anatsarana ny  fiainambahoaka andavanandro. Maro tokoa izy ireny, ary noho ny adihevitra mavaivay amin’ny fandinihana sy famakafakana lalina, dia voatery, ary nilaina tokoa ny fanaovana fivoriana tsy arapotoana, mialoha, indrindra, anelanelan’ireny fivoriana arapotoana roa. Tsy hitanisa izy rehetra aho fa singaniko manokana:

- ny lalàna fehizoro momba ny Fitsinjarampahefana, izay mampiseho sy manamafy ny fahavononan’ny Fitondrampanjakana hiroso amin’ny Fitsinjarampahefana tena izy ka hitondra amin’ny fampandrosoana mirindra ny faritra tsirairay ka ho tafapaka amin’ny vahoaka.

- ny lalàna momba ny Haute Cour de Justice: fahasahiana lehibe izany ary marika maneho ny finiavantsika malagasy hiroso hatrany amin’ny fiainana ny tena demokrasia sy ny fiezahana hanao ity firenentsika ity ho tany tan-dalàna. Sambany eo amin’ny Tantaran’ny firenentsika ny hisian’izany rafi-pitsarana manokana izany, izay natao hitsara ireo mpitondra Fanjakana ambony, dia isika Filohan’Andrimpanjakana isan-tsokajiny mbamin’ny mpikambana ao amin’ny Governemanta izany.

- ireo lalàna momba ny fanitsiana ny tetibola 2014 sy ny tetibola 2015 nahafahan’ny fitondram-panjakana nanao ny asany

- fankatoavana ireo fifanarahana iraisampirenena: firenena mandala ny demokrasia sy zon’olombelona i Madagasikara ka takian’ny vaninandro ankehitriny sy ny fifandraisana iraisampirenena ny fahanterahan’izany mba isiana sy anamafisana ny fifampitokisana amin’ireo mpiara-miombon’antoka.

Marina fa mpanao lalàna ny Solombavambahoaka, kanefa koa tena manana anjara lehibe amin’ny fiaraha-mifarimbona amin’ny fampandrosoana ny firenena. Sotrobe mahita ny aty vilanin’ny valalatsimandadiharona any amin’ny faritra samihafa any izahay. Hitanay ny vay maharary ny vodiahitrarivo. Miara-mikatsaka izay hahasoa sy hahatsara ny fiainam-bahoaka araka izay manandrify antsika isika. Izay fifarimbonana izay no tena zava-dehibe ary antoky fahombiazantsika. Ny Solombavambahoaka tsy hanao vain-drahalahy tsy mba maharary. Kanefa koa olon-kandrandrana tsy azo anafenan-doha sola. Tsy hanao loa-bary mitaha vady. Ny hampandroso ny firenena no hokatsahina, ka ny lesoka tsy andrasan-kihotsaka, ny omby tondro tsy andrasan-ko omby loha. Raha vao misy ny teno-maningana, tsy hisalasala izahay hanapaka ny mitsivaka. Fa ny mandeha tokana sahalain’Andriamanitra, ny mandeha roa sahalain’olom-belona, fa tsara ny roa noho ny iray fa raha lavo misy mpanarina, raha mivaona misy mpananatra.

Ny Antenimierampirenena dia ahitana Solombavambahoaka avy amin’ny lafy valon’ny Nosy ary avy amin’ny vondrona politika samihafa. Resy lahatra ny Depiote rehetra fa ny fifahasamihafana dia fomba na fitaovana entina manatsara sy mampanankarena ny adihevitra eo amin’ny fandinihana ny volavola na tolodalàna. Resy lahatra koa ny Depiote fa ny firaisankina ihany no vahaolana mahomby iatrehana ny ady amin’ny fahantrana sy ny hirosoana amin’ny fampandrosoana. Izay no mahatonga ireo lalàna, amin’ny ankapobe, lany tsy misy mitsipaka.

Takian’ny vaninandro amin’ny firenena mivoaka avy amin’ny krizy ny fahamarinantoeran’ny fitondràna. Mikatsaka, mitandro, ary mijoro hatrany ho tompon’antoka amin’izany fahamarinantoeran’ny fitondrana (stabilité) izany Ny Antenimierampirenena.


Andriamatoa Filoha,

Efa fanamby napetrakao moa io Fampihavanana io ka isaorana ianao tena niroso. Ny firaisankinantsika Malagasy rehetra no andry sy fototra tsy azo idivirana ahazoana manarina haingana ny firenentsika, mba hisian’ny fifanomezantànana amin’ny dinika sy asa rehetra atao ho an’ny Tanindrazana. Mampahery amin’ny hanohizana ny ezaka natao fa soa ho an’ny Firenena izany.

Ao anatin’izany indrindra dia heverinay fa zavadehibe ny fihaonana sy dinika ifanaovan’ireo Filohampirenena taloha sy ny amperinasa. Eo ihany koa, mba hibanjinana ny ho avy, ny firosoana avy hatrany amin’ny fitsinjarampahefana tena izy izay hitondra amin’ny fitsinjarana aradrariny ny harempirenena sy fampandrosoana mirindra ny faritra rehetra, sns…

Sahia hatrany isika handinika sy hamadibadika, hamakafaka lalina arak’izay azo atao ireo lahadinika heverina fa manahirana indrindra (sujets tabous) mba tsy hisian’ny krizy intsony, dia hiroso ampahatoniana anaty firaisankina amin’ny Fampandrosoana ny Firenena.

Manana anjara amin’izany ny Antenimierampirenena. Koa hoy izahay amintsika mpiantsehatra rehetra: “ Raha vitan-jahatra re ny mihita, aza safariana aman-tsambo; raha vitan-dinika ny hihavana, aza asarotina an-dahatra. Tsy mety ny miavon-tsahala, fandrao ho tratry ny akory izao”. Mbola be ny asa sy dingana miandry. Aleo vitaina tsara, ka tsy hanenenana rahampitso na afakampitso.


Andriamatoa Filoha, Tompokolahy sy Tompokovavy,

Migadona ity ny taona vaovao 2015. Somebiseby ny ambany lanitra, safononoka ny tontolo! Ankatso sy Ambohidempona no maraina tsy mifampiarahaba, antoandro mifandongilongy, hariva tsy mba miresaka!

Koa amin’izao Asaramanitra izao, dia fifaliana ho ahy, Atoa Filoha, ary amin’ny anaran’ny vahoaka malagasy manontolo, amin’ny maha Filohan’ny Antenimierampirenena ahy, Andrimpanjakana misy ireo olona nofidin’ny vahoaka hitondra ny feony, ny miarahaba anao, raiamandreny iombonan’ny firenena, amin’izao taom-baovao izao. Tsy atao akaiky tsy tazana toy ny ravin-tsofina  koa anefa Ramatoa vadinao sy ny ankohonanao ka ho diso anjara amin’ny fiarahabana izay atao. Miarahaba anareo koa izahay nahatratra izao taona vaovao izao. Tolorana ny fiarahabana an-kafaliana toy izany koa isika rehetra manatrika etoana  sy ny vahoaka Malagasy any amin’ny isan-tokantrano any. Toy ny voahangy mitoho-bolamena ny arahaba sy ny firariantsoa ka raha misaraka tsy ampy ho rado. Koa tovanako amin’ny firariantsoa mahatretrika ny fiarahabana natao teo. Ny hanananao fahasalamana tomombana lavitra ny rofy, ny hanananao saina matsilo sy feno fahendrena hatrany hahaiza-mandanja ny atao sy hitsinjo ny lalan-kodiavina hahasoa ny firenena sy ny vahoaka malagasy, ny hanananao mandrakariva fanahy itoeran’ny rariny sy andrian’ny hitsiny mandala ny fihavanana maha malagasy antsika, eo ambany fahasoavan’Andriamanitra : izany tanisaina izany, Atoa Filoha, no firariantsoa tonononay aminao. Maniry koa izahay, raha maniry, ho an’ny ankohonanao, fahatanjahana sy fahavitrihana hatrany amin’ny fanohanana anao amin’ny andraikitra mavesatra iantsorohanao. Ho taona zina anie ity taona vaovao ity, « ka raha hirongo dia haren-tsoa manan’amby ampy ; raha hivimbina dia fahombiazana ; raha hisakelika dia fifaliana ; raha hiloloha dia fahasalamana ». Hahita ny soa hiadanan’ny ambany lanitra.

Ary ho antsika rehetra koa, isika vory etoana sy ny ny vahoaka malagasy manerana ny Nosy sy ny any andafindriaka rehetra any, mba samy tsy ho diso anjara amin’ny fanambinana sy ny fahasoavan’Andriamanitra. Dia ho tanteraka amintsika tokoa ny tenim-pirarian-tsoa fanaon’ny Ntaolo fahiny hoe: « Sambasamba Andriamanitra, Andriananahary, ho arivo hahatratra ny taona mitsingeringerina anie isika mianakavy ! »


Andriamatoa Filoha,

« Voizo ny lakana fa eny aminao ny fivoy; hadio ny tany fa maranitra ny angady . Ny rano anefa manonja ary ny tany mafy; ain’olona no mameno lakana ary kibo maro no mila ny vokatra, ka mila anao ho tody soamantsara sy ahavita ara-potoana ny asa-tany, tsy ho azon-tsapona, tsy ho voafitaky ny andro lava”.


Samia tahian’Andriamanitra isika rehetra!

Misaotra Tompokolahy, mankasitraka Tompokovavy!


Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 31 Aug. 2021 - 09:26-

    Fahatezeran’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina teo Ivato. Tafaverina ny alatsinainy 30 aogositra teo ny filoha Rajoelina rehefa namita iraka ekonomika sy diplomatika tany Frantsa. Niara-dia tamin’ny mpilalao Barea sasay ny tenany. Nanao vaan-dresaka fohy tamin’ny mpanao gazety ny tenany teo ampahatongavana teo Ivato. Naneho ny hatezerany tamin’ny mpikambana ny FMF ny tenany (Federasiona Malagasy Football) izay nambarany fa nisakana ny fahafahan’ny mpijery manatrika ny alalan’ny Barea ny 2 spetambra. Hahita izay nanao sonia iny taratasy iy hoy izy.

  • 31 Aug. 2021 - 09:26-

    Fitokanana ny Kianja Barea Mahamasina. Nambaran’ny filoha nandritra ny tafa fohy ntaony  ho an’ny mpanao gazety teny Ivato fa ho tanterahina ny 4 septambra izao ny fitokanana ny Kianja Barea izay nokasaina natao ny 2 septambra. Ity kianja monisipaly ity dia nohavaozina nanomboka tamin’ny fiandohan’ny taona 2020, mitentina 77 tapitrisa dolara avy amin’ny volam-panjakana madiodio, araka ny nambara tamin’izany fotoana.

  • 31 Aug. 2021 - 09:25-

    Famindram-pitantanana teo amin’ny Praiminisitra sy ny minisitry ny harena ankibonan’ny tany teo aloha. Notontosaina tamin’ny 23 aogositra 2021 ny famindram-pitantanana teo amin’ny Praiminisitra Ntsay Christian sy ny minisitry ny harena an-kibon’ny tany teo aloha Ravokatra Fidiniavo. Ny Praiminisitra izany no mitantana ity minisitera ity taorian’ny fametram-pialan’ny minisitra Brice Randrianasolo telo andro taorian’ny nanendrena azy tamin’ny 15 aogositra 2021.

  • 31 Aug. 2021 - 09:25-

    Fahazoan’ny mpitsara bakalorea any Antsiranana vola tamin’ny faritra sy kaominina. Nanolotra vola ho an’ireo mpitsara fanadinana bakalorea izay nanao fitokonana ny governoran’ny Faritra Diana sy ny ben’ny tanànan’ny kaominina ambonivohitra Antsiranana tamin’ny 23 aogositra 2021. Mitentina 34 tapitrisa Ariary ny avy avy amin’ny governora ary 16 tapitrisa Ariary ny avy amin'ny ben’ny tanàna. Nilaza ny tsy hitsara manko ireo mpitsara raha tsy voaloa ny tambim-pitsaran’izy ireo teo aloha. Ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika anefa dia efa nilaza, araka ny fampahafantarana nataony tamin’ny 17 aogositra fa efa nalefa any amin’ny oniversite isanisany ny vola tambin-karaman’ireo mpitsara ny fanadinana bakalorea 2020.

  • 31 Aug. 2021 - 09:25-

    Fivoaran’ny ‘covid-19’ sy ny hamehana ara-pahasalamana. Tsikaritra ho vitsy ny tranga vaovao amin’ny ‘covid-19’ raha mitaha amin’ny fitiliana atao tamin’iny herinandro iny, fa misy ihany ny tranga ahitam-pahasarotana. 3/351, 5/578, 3/845 ohatra ny tranga vaovao tamin’ny fitiliana natao tamin’ny 26, 27, ary 28 aogositra. Ny 23 marsa 2020 ka hatramin’ny 27 aogositra 2021, miisa 241 052 no fitambaran’ny fitiliana natao, miisa 955 ireo lavo, miisa 42 862 ireo tranga ka ny 42 566 no sitrana araka ny antotanisa ofisialy avy amin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. Mbola ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana i Madagasikara raha ny didim-panjakana navoaka tamin’ny 22 aogositra 2021, ary mipetraka ireo fepetra sakana samihafa.

  • 31 Aug. 2021 - 09:24-

    Filaharana haka tapakila hidirana ao Mahamasina. Ho tokanana amin’ny 2 septambra, andro hanatanterahana ny lalao hifanandrinan’i Barea Madagasikara sy ny ekipan’i Bénin amin’ny fifanintsanana hiadiana ny amboara eran-tany 2022 ny kianja Barea ao Mahamasina, araka ny fandaminana avy amin’ny prezidansa nampitaina tamin’ny fiandohan’ny herinandro lasa teo. Filaharana lava hatramin’ny vao maraina no hita ny alakamisy 26 sy zoma 27 aogositra mba haka ny tapakila hidirana ao Mahamasina, hijery baolina sady hanatrika ny fitokanana ny kianja.

  • 31 Aug. 2021 - 09:24-

    Fandavan’ny CAF ny hanatrehan’ny mpijery ny lalao ao Mahamasina. Nolavin’ny CAF (Confédération africaine de football) ny fangatahan’ny sekretera jeneralin’ny FMF (Fédération malagasy de football) ny hahafahan’ny mpijery miisa 1500 hanatrika ny lalao baolina kitra hatao ao Mahamasina amin’ny alakamisy 2 septambra 2021, ao anatin’ny fifanintsanana hiadiana ny amboara eran-tany 2022 hatao any Qatar. Araka ny fampatsiahivan’ny CAF ao amin’ny valim-pangatahan’ny FMF tamin’ny 27 aogositra, dia araka ny lamina napetraky ny CAF sy ny FIFA ny tsy hanatrehan’ny mpijery ny lalao noho ny valanaretina ‘covid-19’.

  • 31 Aug. 2021 - 09:23-

    Hetsiky ny RMDM Frantsa sy fisamborana/ famotsorana an’i Fanirisoa Ernaivo. Nandritra ny dian’ny filoham-pirenena malagasy tany Paris no nisian’ny hetsiky ny rodoben’ny mpanohitra RMDM Frantsa tarihin’i Fanirisoa Ernaivo izay mitsikera hatrany ny fitantanan’ny filoha Rajoelina sy mitaky ny fialany. Nandritra ny fihaonana tamin’ny Medef ny 25 aogositra, dia nisy ny fisamboran’ny polisy frantsay ity mpitarika ny RMDM Frantsa ity noho ny vaovao nampitaina tamin’izy ireo fa hoe mitondra fitaovam-piadiana izy saingy navotsotra ihany satria tsy nahitana izany tany aminy. Nambara ihany koa ny fisian’ny ‘mandat d’arrêt international’ hisambotra azy saingy tsy azo notanterahina izany raha ny nambaran’ny nokasaina hosamborina satria mpialokaloka politika no maha any azy. Voalaza fa ‘mandat d’arrêt’ nosoniavin’ny minisitry ny raharaham-bahiny Patrick Rajoelina tamin’ny 16 aogositra izany. Ny minisitry ny fitsarana ankehitriny Imbiky Herilaza dia nanamafy fa didim-pitsarana efa nivoaka ny fisamborana azy, nilaza izy fa hifampiraharaha amin’ny fanjakana frantsay ny fanjakana malagasy ny hisamborana sy hampodiana an’i Fanirisoa Ernaivo aty Madagasikara.

  • 31 Aug. 2021 - 09:23-

    Vidin-javatra midangana sy ny minisitera. Nametraka ny tokony ho saran’ny entana sasantsasany ilaina andavanandro ato anatin’ny enim-bolana ny minisitry ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana Edgard Razafindravahy. Tamin’ny 26 aogositra teo no nitondrany ny fanazavana momba izany. Anisan’izany ny menaka fihinana « huile de palme » izay tsy tokony hihoatra ny 6000 Ariary ny litatra, ny menaka soja ‘en vrac’ tsy tokony hihoatra ny 7000 Ariary ary ny anaty tavoahangy mihidy tsy hihoatra ny 7500 Ariary, ny vary tsy tokony hihoatra ny 2300 Ariary ny kilao, ny siramamy tsy tokony hihoatra ny 2600 Ariary ny kilao, torak’izany koa ny lafarinina tsy tokony hihoatra ny 2600 Ariary ny kilao, ny arina fandrehitra tsy tokony hihoatra ny 23 000 Ariary ny gony. Mbola lavitry ny vidiny teo aloha izay efa tsy zakan’ny ankamaroan’ny olona ireo raha ny fanehoan-kevitry ny olona satria tany amin’ny 5000 Ariary ny litatry ny menaka taon-dasa. Ny filoha malagasy moa dia nanome andro telo hamahana ny olan’ity fidangan’ny vidin’entana ilaina andavanandro ity tamin’ny kabariny saingy tsy tafa izany raha ny zava-misy.

  • 31 Aug. 2021 - 09:23-

    Praiminisitra nanao vakisiny. Nanao vaksiny fanefitry ny ‘covid-19’ ny praiminisitra Ntsay Christian tamin’ny alakamisy 26 aogositra teo. Tao amin’ny hopitaly Befelatanana no nanaovana vaksiny azy tamin’ilay atao hoe ‘Johnson & Johnson’, tsindrona indray mandeha. Nilaza ho fitaratra ho an’ny vahoaka ny praiminisitra tamin’ny nanaovana izany vaksiny izany.

  • 31 Aug. 2021 - 09:22-

    Filoham-pirenena malagasy sy ny Medef ary ny fihaonana tamin’ny filoha frantsay. Nanomboka tamin’ny talata 24 aogositra 2021 tany Paris ny fihaonan’ny vondron’ny mpandraharaha frankofonina ao amin’ny Medef nandraisan’ny delegasiona malagasy anjara notarihan’ny filoham-pirenena malagasy Andry Rajoelina. Taorian’izany fihaonana izany ihany koa no nisian’ny fihaonan’ny delegasiona notarihin’ny filoha tamin’ireo malagasy sasany any ivelany, maherin’ny 1000 tao amin’ny ambasady malagasy. Nisoratra anarana mialoha ireo nanatrika izany. Tombanana ho eo amin’ny 140 000 eo ho eo ireo malagasy any Frantsa raha ny antotanisa fantatra. Ny 27 aogositra dia nihaona manokana tamin’ny filoha frantsay Emmanuel Macron ny filoha malagasy, fa nialoha izany nisy ny kabary fohy nifandimbiasan’izy ireo, niresahana ny fiaraha-miasan’ny roa tonta. Miely amin’ny fampitam-baovao samihafa sy tambajotra sosialy ny fizotran’ireny fihaonana ireny.

  • 23 Aug. 2021 - 10:48-

    Fanamasinana diakra sy pretra redantorista. (Fiainam-pinoana katolika). Mitohy hatrany ny fanamasinana pretra sy diakra manerana ny diosezy samihafa eto amin’ny Nosy, eo anivon’ny Fiangonana katolika. Taratry ny fahaveloman’ny finoana sy firoborobon’ny fiantsoan’Andriamanitra izany. Anisan’ny tamin’ny faran’ny herinandro teo ny tao amin’ny diosezin’Antananarivo, tao Andempona Alasora ny alahady 22 aogositra, notarihan’ny arseveka Odon Razanakolona sy Mgr Rosario Saro. Nanaovana fanamasinana diakra sy pretra redantorista miisa 16 mirahalahy. Mahatratra 30 ny fanamasinana manerana ny diosezy eto amintsika raha ny nambaran’ny arseveka. Misy ny efa vita tamin’iny volana jolay iny toy ny an’ny lasalety tany Antsirabe, ny an’ny zezoita tao Antananarivo, fa mbola ho avy koa ny an’ny hafa.

  • 23 Aug. 2021 - 10:47-

    Filoha mitantana ny FJKM. Voafidy indray ho filohan'ny birao foibe FJKM ny mpitandrina Dr Irako Andriamahazosoa Ammi. Efa-taona no haharetan’ny maha filoha azy. Nandritra ny sinoda lehibe faha-19 natao tao Sambava (11-18 aogositra 2021) no nanatanterahana ny fifidianana ny filoha sy ny mpikambana mandrafitra ny birao foibe.

  • 23 Aug. 2021 - 10:46-

    Olan’ny tambin-karaman’ny mpitsara bakalorea any Antsiranana. Mikatso ny fitsarana ny taratasim-panadinana bakalorea any Antsiranana noho ny fitokonan’ireo mpampianatra mpitsara hatramin’ny nahavitan’ny fanadinana bakalorea tamin’ny 18 aogositra. Mitaky ny handoavana ny tambim-pitsarana tamin’ny 2020 izy ireo vao hiroso amin'izany. Tsy nisy akony ny fitakiana hatramin’ny 20 aogositra teo. Manoloana izany, mametra-panontaniana ny ray amamn-dreny ny alehan’ireny saram-pisoratana anarana ireny. Olana iraisan'ny mpitsara bakalorea  maneran'ny  Nosy izy io.

  • 23 Aug. 2021 - 10:45-

    Fandoavana ny volan’ny mpandraharaha mpanao lalana. Nanipy teny tamin’ny minisitry ny asa vaventy Hatrefindrazana Jerry ny minisitra Hajo Andrianainarivelo mba handreseny lahatra ny filoham-pirenena hanao sonia ny taratasy hahafahana mamoaka ny volan’ireo mpandraharaha amin’ny asa vaventy mbola tsy voaloa. Tamin’ny famindram-pahefana teo amin’izy mirahalahy no nitenenany izany. Efa ho herintaona ireo mpandraharaha ireo no tsy nahazo ny volany na dia efa vita aza ny asa, fa miandry ny tombana ataon’ny mpanara-maso ny tetikasam-panjakana. Nomem-pahefana handray anjara amin’ny fanaraha-maso ny tetikasam-panjakana ny goverinora, araka ny didim-panjakana noraisina tamin’ny filan-kevitry ny minisitra ny 18 aogositra 2021. Olom-boatendry hatramin’izao ny governora izay nasolo ny lehiben’ny faritra tokony ho olom-boafidy, araka ny lalàm-panorenana.

  • 23 Aug. 2021 - 10:44-

    Fanesorana ny tale jeneralin’ny tahirim-bolam-panjakana. Maro ny fanesorana sy fanendrena tompon’andraikitra ambony taorian’ny fiovan’ny mpikambana anivon’ny governemanta tamin’ny alahady 15 aogositra 2021. Anisan’izany ny fanafoanana ny didim-panjakana laharana 2019-2217 tamin'ny 11 desambra 2019 izay nanendry ny tale jeneralin’ny Tahirim-bolam-panjakana (trésor public), Ranjalahy Ihajambolatiana. Noraisina tamin’ny filan-kevitry ny minisitra tamin’ny alarobia 18 aogositra 2021 io didim-panjakana io. Naato ihany koa ny fandoavam-bola ankoatra ny karama mandra-panendry ny tale jeneraly vaovao.

  • 23 Aug. 2021 - 10:43-

    Fanitarana ny fe-potoanan’ny hamehana ara-pahasalamana sy fepetra. Araka ny didim-panjakana 2021-848 tamin’ny 22 aogositra 2021, dia mitohy mandritra ny 15 andro ny hamehana ara-pahasalamana noho ny fiarovana ny fahasalamam-bahoaka sy fisian’ny toe-javatra goavana mampisahotaka ny fiainam-bahoaka. Nanao fampahafantarana momba izany ny ao amin’ny fiadidiana ny repoblika, araka ny hita tamin’ny tambajotra sosialy. Mitohy noho izany ny fanajana ny fepetra sakana mahazatra toy ny tsy famoriana olona amina efitra mihidy mihoatra ny 400 sy ny fitandremam-pahadiovana. Eo ihany koa ny fanaovana vaksiny izay efa niditra tamin’ny fanaovana ny andiany faharoa nanomboka tamin’ny 19 aogositra teo.

  • 22 Aug. 2021 - 10:42-

    Lasa any Frantsa ny filoha Andry Rajoelina. Ny sabotsy 21 aogositra 2021 no lasa any Frantsa ny delegasiona tarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, hihaona amin’ny mpandraharaha frantsay ao anivon’ny MEDEF (Mouvement des entreprises de France). Anisan’ny delegasiona miaraka amin’ny filoha ny minisitry ny raharaham-bahiny Patrick Rajoelina, ny minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Andry Ramaroson, ny minisitry ny fizahantany Joël Randriamandrato ary ny minisitry ny asa tanana sy ny haitao Sophie Ratsiraka. Hihaona amin’ny filoha Macron izy ny 27 aogositra ary amin’ny Dispora ny 28 aogositra.

  • 21 Aug. 2021 - 10:40-

    Fidirana sy fivoahana eto Madagasikara. Tonga ny zomà 20 aogositra teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny andiany voalohany tamin’ireo malagasy tavela tany Frantsa, araka ny fandaharana nataon’ny fitondram-panjakana. Ny sidina an’ny Air Caraibes no mitatitra ireo nahazo fankatoavana hody aty Madagasikara. Miisa 1500 ireo nahazo fankatoavana hody.

  • 20 Aug. 2021 - 10:22-

    Minisitra nametra-pialana. Nametra-pialana tamin’ny alakamisy hariva 19 aogositra ny minisitry ny harena ankibon'ny tany, Brice Randrianasolo. Telo andro izany no naha minisitra azy. Ary ny minisitra teo aloha efa nofoanana tamin’ny didim-panjakana ny maha minisitra azy no nambara fa mitantana indray ny minisitera.

Du même auteur

monde
politique

Dans la même rubrique

politique
politique