logo
Lakroan'i Madagasikara
Tonon-taona 2015

Lahatenin'ny filoha Rajaonarimampianina

Nanangona RRJ il y a 7 années

Mety hahaliana anao ny mamaky ny Kabarin'ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimamapianina. Efa ho 5 andro aty aorian'ny nikabarian'ny Filoha vao hita ao amin'ny pejy facebook an'ny Fiadidian'ny Repoblika.

Lahatenin'ny filoha Rajaonarimampianina

KABARY FIARAHABANA NOHO NY ASARAMANITRA 2015 ATAON’Andriamatoa FILOHAN’NY REPOBLIKAN’I MADAGASIKARA

9 janvier, à « CEREMONY BUILDING » LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA


Ry Vahoaka Malagasy mpiray tanindrazana, honorable invités; Mesdames et Messieurs;

Tompokolahy sy tompokovavy

Tsara fihofahofa hono ny ravinalan’ny ala Atsinanana!

Midoroboka alokaloka ny ravin-tapian’i Mamo ; fa mikopakopa-karavoana, kosa, ny ala maitso màvan’ Iavoloha !

Tsotra ny antony ! Satria tonga havana ka mitso-drivo-karavoana, vangian-tsakaiza,ka mihofahofam-pifaliana.

Tsy hafan’izany ny fonay ankehitriny ; tompokolahy sy tompokovavy, mahita anareo vory maro am-pifaliana,etoana , noho izao Asaramanitra izao.

Moa va tsy toy ny fodilahy mamangy railovy e ! ny mpamangy misiotsioka, ary ny vangiana velon-kira... !

 

Tonga ity ny fotoana hifampiharaban-tsika tratry ny Asaramanitra. Ianareo vahoaka malagasy tsy vaky volo no hitodiako manokana amin’izany vaninandro lehibe izany.

Soa toavina malagasy ny firariantsoa sy fangatahana ny fitahian’Andriamanitra noho ny nahatratrarantsika ny taona vaovao 2015 sy ny isaorana Azy noho ny nahatafitana salama sy tomady ny taona teo aloha, koa iampitàna @ taona vaovao.

Am-pifaliana no hitsidihanay ny isan-tokantrano hiarabahanay sy hirarianay ny soa sy ny tsara indrindra ho anareo tsirairay avy, manerana an’i Madagasikara.

Koa dia salanitra tompokavavy, miarahaba tompokolahy, tratr’izao andro anio izao hiarahantsika manamarika ny taona vaovao. Ny andon’ny lanitra sy ny tsiron’ny tany anie hombantsika lalandava.

 

Fisaorana lehibe no atolotray mivady amin’ny fanomezam-boninahitra omenareo tonga marobe manatrika amin’izao fotoana androany izao. Ianareo izay misolon-tena ny malagasy manerana ny lafo valon’ny Nosy. Mankasitraka sy mankatelina tompoko.

Azo lazaina fa tafapetraka izao ny rafitra rehetra ahafahantsika miroso amin’ny asa lehibe ho fampandrosoana ny Firenena.

 

Ny taona 2015 dia ho taona zina ho an’ny asa ho fampandrosoana ny firenena.

Ny fampihavanam-pirenena nofidinintsika dia manampy antsika amin’ny lafiny maro eo amin’izany fiainam-pirenena izany.

Tsy eken’ny vahoaka malagasy intsony ny fanakorotanana sy ny fampizarazarana ny Malagasy ary ny fitondrana dia efa mandray ny andraikiny amin’ny fepetra rehetra mba hiarovana ny filaminana sy fandriampahalemana eto amin’ny tany sy ny firenena.

Tonga ny fotoana hanamafisana ny fiarahan’ny malagasy miroso amin’ny fametrahana ny ho avy tsara kokoa ho an’ny rehetra.

 

Marihiko manokana eto ;

- ny firosoana tsy ampihambahambana amin’ny famerenana ny fandriam-pahalamena maharitra, ny ady amin’ny kolikoly,

- ny fanamafisana ny tany tan-dàlana

- ny fametrahana ny fototry ny asa ho an’ny maro an’isa toy ny fisokafan’ny AGOA, izay hitondra asa analiny maro aman’hetsiny mihitsy aza

- eo ihany koa ny fiveranan’ny fitokisan’ireo mpamatsy vola

- ny fiantombohan’ny asa vaventy voalazan’Andriamatoa Praiminisitra teo, mikasika ny angovo azo avaozina (projets structurants en matière d’énergie renouvelable, barrages,…), eo ihany koa ny làlana lehibe (autoroutes) sy ny foto-drafitr’asa maro samihafa.

 

NY FIAHIANA MPIARA-BELONA

 

Dimanpolo taona mahery izao no niantsorohantsika ilay Fahaleovantena izay nimatimatesan’ireo efa lasak’ho razana. Dimanpolo taona mahery isika no nihira ny fitiavan-tanindrazana, nitalaho tamin’Andriamanitra mba hiadana sy ho finaritra, ho sambatra tokoa. Hiram-pirenena vao norenesintsika sy noventesintsika teo izany…

 

Ry Malagasy mpiray tanindrazana, mametraka fanontaniana: isika aiza ho aiza isika izao ? Dimampolo taona aty aoriana: Miadana ve ? Finaritra ve ? Sambatra ve ?

 

Ankehitriny dia am-panetrentena no ilazana fa isaky ny manisa malagasy folo isika dia ny fito amin’izay no miaina anaty fahasahiranana avokoa. Tsy mizaka akory ny fara-fahakeliny amin’ny zon’ny olompirenena na fonenana izany, na fiahiam-pahasalamana, fianarana ho an’ny ankizy. Ao anatin’ny fahantrana tanteraka hoy ny fiteny mahazatra kanefa fantatro fa maro ny malagasy no tsy tia an’izany lazaina hoe mahantra izany. Rariny ny azy.

Raha maro toa izany no miaina anaty fahasahiranana tanteraka, toa nofinofy fotsiny ny hoe hanangana Firenena matanjaka, manankarena sy mampirehareha ny malagasy.

Inona no anton’izany fahasahiranana lehibe mianjady amin’ny vahoaka malagasy izany ? Be loatra ny mizana izay tsindrian’ila nivangogo teo amin’ny firafitry ny fiaraha-monina nandritra ny taona maro. Mizana tsindrian’ila izay miteraka elanelana tsy ara-drariny eo amin’ny samy malagasy,ary eo amin’ny faritra maro samihafa.

Noho izany : tsy maintsy atevenina ny tetikasa fiahiana ny mpiara-belona ka avy any amin’ireo faran’izay sahirana no hanatevenana izany.

• Amin’ny volana Septambra dia hihitatra amin’ny faritra maro ilay politikan’ny « Vatsin’Ankohonana » izay efa ampiharina amin’ny Distrikan’i Betafo ankehitriny. Inona no kendrena amin’izany   ? Mba ho afaka hiahy ny fahasalaman’ny zanany ny reny; afaka hampianatra ny zanany amin’ny fanabeazana fototra ny reny malagasy izay anatin’ny fahasahiranana Tompokolahy sy Tompokovavy.

 

• Ankehitriny, dia efa ao anatin’ny ny fanitarana ny « Asa Avotra » isika. izany nanatanterahana ny fampidirana ny mpampianatra FRAM miisa 10 000 tamin’ity taona ity, mba tsy ho vesatra ho an’ny ray aman-dreny intsony ny fampianaran-janaka. Hotohizantsika ho ezahantsika izany, ary efa lazaina koa fa amin’ity taona 2015 ity dia misy 10 000 vaovao koa FRAM ho ampidirina ho mpampianatra raikitra mpiasam-panjakana.

• Atsahatra ny fanampim-bola (subventions) izay atao eo amin’ny solika. Ary ny vola izay ho azo amin’izany dia ho entintsika hanatevenana ny fandaharan’asa ara-tsosialy.

Ny fiahiana mpiara-belona, tsy hoe fanampiana tsy misy farany akory fa dingana voalohany izany, dingana voalohany izany ahatonga azy ireo ho afa-pahasahiranana ary mba ahazoany miroso ny eo amin’ny ara-toekarena.

Ho jerena manokana ny fanarahana ny fianaran’ny ankizy. Tafaverina soa aman-tsara any am-pianarana tamin’ity taona ity sy tamin’ny taona teo ny ankizy latsaky ny 15 taona izay miisa any amin’ny 500.000 izay tsy tafiditra tao an-tsekoly. Tsy maintsy mianatra ny zana-bahoaka rehetra, izany no tanjona maharitra. Izany no efa fanamby nataonay, tanterahanay izany Tompokolahy sy Tompokovavy.

 

Ho tohizana ny fampihofanana sy ny fampidirana ny mpampianatra ho mpiasam-panjakana araka izay efa nolazaiko teo.

Ho tohizana ihany koa ny fanamboarana sy fanorenena efitra fianarana manerana an’i Madagasikara.

Ho jerena manokana ihany koa ny fanarahana ny fitsaboana ho an’ny sarambambe-bahoaka.

Mitohy ny famerenana amin’ny tokony ho izy ireo « centre de santé de base » eny ambanivohitra, ary koa ny hopitaly eny an-tanan-dehibe.

 

TAONAN’NY FAHADIOVANA SY FANADIOVANA

 

Tompokolahy sy Tompokovavy,

ITY TAONA ITY DIA ATAONTSIKA TAONAN ’NY FAHADIOVANA SY NY FANADIOVANA. Hisy ny ezaka maro sy ny tetika maty paika hanàlana amin’ny fomba maharitra ny fako eny an-tanan-dehibe, indrindrindrindra ny eny an-drenivohitry ny faritra.

Ao anatin’izany taonan’ny fahadiovana izany no ametrahana ilay politika manokana momba ny fanadiovana (assainissement) ny rano eny amin’ireo tanan-dehibe efa nolazaiko, ho an’ Antsiranana, Antananarivo sy Toliary. Ary ho itarina amin’ireo faritra hafa manerana an’I Madagasikara izany.

Izay koa no fiandohan’ny fiharian-karena iombonana ary misy fanitsiam-pitondrana tsy maintsy hatao mba hampanjary izany, dia ny fitsinjaram-pahefana mahefa.

Ampanakaikezina ny malagasy amin’ny lafi-valon’ny nosy ny fahefahana manatanteraka, hanamorana ny famaliana ny hetahetan’ny vondron’olom-pirenena izay any ifotony. Miorimpaka ny fanarenana sy ny fampiroboroboana ny fiharian-karena. Tsy maintsy miantraika any amin’ny tokatranon’ny tsirairay ny fihatsaram-piainana.

Hatramin’izay ka hatramin’izao: ampahiny lehibe dia lehibe @ teti-bola dia ny fitondrana foibe no mitantana azy…

Tsy maintsy ovaintsika izany, ovaintsika miandalana izany. Tsy ho vita indray andro izany zavatra izany satria mila mitandrina isika. Mila mametraka rafitra isika, fa azo ampitomboina izany amin’ny fotoana izay mampety azy.

Ny fitsinjaram-pahefana ampiharina amin’ity Tanindrazana iombonantsika ity ry malagasy mpiray tanindrazana amiko dia fitsinjaram-pahafena hahazoan’ny vondron’olona ifotony manabe voa ny faritra onenany sy ivelomany.Tsy ho ela, izay no fanirianay, ary inoako fa faniriantsika rehetra.

Tsy ho ela dia ho avalon’ny tantarantsika izany hoe « zanak’ikala hafa, tany lavitra andriana sy kely tsy mba mamindro » izany.Tsy hamelantsika raha tsy vita izany.

 

NY FANDRIAMPAHALEMANA

Miaro izany fandriam-pahalemenana manerana an’i Madagasikara izany isika, na ny ety an-drenivohitra, na ny eny ambanivolo. Betsaka no efa natao tamin’izany nefa maro ny asa mbola miandry, maro ny asa mbola hatrehana. Anisan’izany ny fiarovana ny ranomasina sy moron-tsirak’i Madagasikara.

Tsy maintsy harovantsika ny harena anaty ranomasina izay aripakin’ny jiolahy an-dranomasina (pirates des mers) amin’izao fotoana izao. Volà be tsy toko tsy forohana no very amin’ny kitapom-bolam-panjakana noho izany.

Etsy andaniny, tsy azo avelà ho lasa fandalovan’ny mpampirohoro isankarazany (terroristes) ny aty Madagasikara, tsy maintsy mailo isika satria Madagasikara dia lalana fandalovan’ny sambo maro avy any ivelany any.

Misy asan-jiolahy fampihorohana, rentsika izany ary efa voalazan’ireo nikabary talohako. feno habibiana nianjady tany Frantsa tamin’ireo olona 12 mpanao gazety tao @ Charlie Hebdo sy ny polisy tao Parisy ny faha 7 janoary teo dia mampahatsihahy antsika izany fa manerana an’izao tontolo izao ny loza mitatao ka tsy maintsy mailo isika. Miondrika am-panajana amin’ireo tra-pahoriana amin’izany isika ary miara-miombona ihany koa amin’ny vahoaka Frantsay sy ireo liam-pivoarana rehetra manerana izao tontolo izao.

Izany no milaza amintsika fa ilaina, ilaina ny fihavanam-pirenena. Ny fihavanam-pirenena izay tahaka ny efa nambarako dia manana ny toerana izay maha izy azy eo amin’ny fiainam-pirenena.

• Ny fahombiazan’izany fampihavanam-pirenena izany dia fandresen’ny vahoaka malagasy manontolo

• Ny rehetra, olon-tsotra, miaramila, ray aman-dreny am-panahy, dia manana ny toerany avokoa eo amin’ny fampihavanam-pirenena. Fa anjarako kosa, amin’ny maha filohan’ny Repoblika sy ray aman-drenin’ny Malagasy ny tenako tsy ankanavaka, dia am-panetren-tena no nanekeko hitarika sy mandrindra an’izany.

 

Tsy ekentsika intsony ny asa fanakorontanana, ny toetra mampizarazara sy mampiady ny samy malagasy. Mitaky fandriam-pahalemana ny vahoaka, tsy milà kirizy intsony ny vahoaka.

Tonga ny fotoana ny firaisan-kina masina (Union Sacrée) ho an’ny malagasy rehetra izay hanoratantsika tantara vaovao sy ampitso mihiratra kokoa ho an’ny taranaka.

 

NY FIAROVANA NY TONTOLO IAINANA SY NY FAMPANDROSOANA NY ENY AMBANIVOHITRA

 

Dia voalazan’izay mpitondra teny teo fa izao endrika hitantsika izao dia hampisehoana fa miady sy miaro ny tontolo iainana isika. Ireo no taratry ny tontolo iainana: ny baobab, ny ranomasina izay misy ny zavatra ao anatiny rehetra.

Ny ety ambonin’ny tany izay tokony harovana, izany no tiana haseho amin’ny androany, satria ho an’ny vahoaka Malagasy no hanaovana an’izany zavatra izany. Voakasik’izany ny ala, ny morontsiraka, ny ranomasina.

Izany no atao satria fantatra fa fivelomana sy fihariana ny fikajiana ny tontolo voajanahary.

Izany no maha zava-dehibe ny fisian’ny politika mampiombona ny valan-java-boahary sy ny fihatsaram-piainan’ny olona. Na an-tanety io na an-dranomasina io.

Loharanon-karena ny tontolon-javaboahary fa tsy harena adala-tompo sanatria, ka isika indray no hangak’atiny rahampitso.

Fototra iorenan’ny fihatsaram-piainan’ny malagasy maro an’isa sy ny fiharian-karem-pirenena ny tontolo ambanivohitra, sompitry ny zavaboahary ity nosintsika ity. Andao, andao arovantsika.

Arovantsika amin’ny dorotanety, amin’ny tavy izay mandrava ny tontolo iainantsika.

Hamafisintsika izany ady izany ary ampiharina amin’ny fomba enjana araka izay azo atao ny lalana.

 

NY LAFINY ARA TOE-KARENA

 

Ny toko telo mahamasa-nahandron’ny Firenena dia ny Fitondrana, ny olom-pirenena tsy ankanavaka ary ny mpandraharaha izay manana ny andraikiny amin’ny fanarenana.

Ny Soa iombonana dia ho teraky ny Ezaka iombonana fa tsy ankinina amin’ny Filoham-pirenena irery, tsy ankinina amin’ny Fitondram-panjakana irery.

Ny sehatra tsy miankina DIA fototry ny fampandrosoana ara-toekarena. Efa noteneniko ombieny ombieny izany.

Ny fanapaha-kevitra voalohany mikasika ny fandraharahana dia ny tsy isian’ny fitomboan’ny tahan-ketra amin’ity taona 2015 ity, satria fantatra fa mbola mibaby kitra tamin’ny krizy ny ankamaron’ny orinasa amin’izao fotoana izao, indrindra fa ny orinasa madinika sy salasalany.

Mitaona antsika malagasy hiditra amin’ny fandraharahana anaty fitsipika. Fitsipi-dalao mazava, mandrisika ary tsy misy tombo sy hala no apetraka amintsika.

Rehefa mazava ny fitsipi-dalao, dia mari-pototra ny fitantanana. Ary izany indrindra no isaoranay, isaoranay an’Andriamanitra indrindra indrindra amin’ny fiverenantsika amin’ny AGOA satria mitondra asa an’aliny sy hanetsiny maro izany. Ary efa nanomboka tamin’ny volana desambra teo izany ary mitohy isam-bolana amin’ity taona ity izany. …

Tsy maintsy mamerina ny fifampitokisana eo amin’ny Fitondram-panjakana ny ratsamangaika eo amin’ny vahoaka isika. Hanabe voa ny ho entimanana ny Fitondrana mba hiatrehina amin’ny adidy izay tsy azony ihodivirana toy ny fanabeazana ny olom-pirenena, fahasalamana, ny fandrafetana sy fananganana ireo foto-drafitr’asa maro samy hafa.

Tsy mora anefa izany, tsy maintsy atrehintsika izany, ary mila fiovana toe-tsaina izany zavatra izany.Isika samy olom-pirenena dia manana anjara ezaka lehibe hamerenana indray izany soa toavin’ny fiarahamonina izany “Miara-monina, miara-belona, mifamela”. Aoka tsy hifanome tsiny fotsiny, fa raha misy mahatsiaro tena sahirana noho izany dia miara-manarina. Miara-manarina ihany no fanafodiny.

Efa noresahina teo moa ny fitsinjaram-pahefana. Ho apetraka izany amin’ny faritra maro samihafa ary heverina fa anatin’ny politikam-panjakana rehetra dia fototra, mifototra amin’izany fitsinjaram-pahefana izany.

Efa voaresaka ireo fotodrafitr’asa maharitra, malahelo isika mbola mahita ihany eo amin’ny lafin’ny JIRAMA; eo amin’ny lafin’ny herin’aratra, fa mbola misy ny zavatra miseho mampalahelo: tsy mahazo herin-jiro araka izay ilaina sy arak-izay ividianany azy ny toerana sasany. Mila resahana am-pahatoniana sy amin’ny fomba entitra ny zava-misy.

Nandova isika fa tsy milaza hoe mandova dia mijanona eo. Miasa isika, mitady vahaolona ny amin’izany. Natsangana ny komity manokana ivelan’ny JIRAMA. Efa ela no fantatra fa tsy mitombina ary tsy mahomby intsony ny politikan’ny herin’aratra nisy teto Madagasikara.

Betsaka ny efa natomboka, mbola tohizantsika voalazan’Andriamatoa Praiminisitra teo any amin’ny faritra maro samiafa. Ho tohizantsika izany tetik’asa izany.

Fotoana tahaka izao moa dia misy ihany ny fanamarihoina izay mampiavaka azy. Rehefa azo atao izany.Ireto ny vitsivitsy izay ambarako alohan’ny hamaranako ny teny:

Mbola iarahantsika mahita ny fahasahiranana eto amin’ny firenena, be ny fotodrafitr’asa mbola ilantsika vola eto amin’ny firenena. Hanomezana asa ary ho amin’ny tombotsoam-bahoaka. Na izany aza, dia te hampiseho ny fitondram-panjakana fa azo atao ny manao ezaka maro samy hafa ao anatin’ny fanetren-tena, ao anatin’ny fahalalana ihany koa ny tombotsoan’ny firenena, ka dia eo anatrehin’izany ny Fitondram-panjakana dia nanapa-kevitra fa hanondrotra 7% ny karaman’ny Mpiasam-panjakana. Mihoatra ny tahan’ny fisondrotan’ny vidim-piainana izany. Ezaka lehibe izany raha ny eo amin’ny fampitahana ny fahateren’ny teti-bola no heverina.

Eo ankilan’izany kosa anefa dia vonona ny fitondram-panjakana hiroso amin’ny fanavaozana maro samy hafa hanatsarana ny tontolon’ny asam-panjakana sy ny mpiasam-panjakana.Tafiditra amin’izany ny fanamboarana trano fonenana ho an’ny mpiasam-panjakana.

Misy ihany koa ny fanalefahantsay faobe noho ny fahatongavan’ny taona vaovao 2015 izao. Izay angatahantsika ho vakian’Andriamatoa Sekretera Jeneralin’ny Presidence amintsika rehefa avy eon y votoatin’ny lalana izay nanapaka izany.

Ry vahoaka Malagasy Mpiray tanindrazana, tsy taonan’ny tahotra sy ny ahiahy ny taona 2015 fa taona iaingan’i Madagasikara ho amin’ny fampandrosoana. Mirary ho antsika rehetra, mirary ho antsika rehetra ny tenananay mba ho taonan’ny fahatoniana sy ny fahatokisan-tena. Ho taonan’ny fanambinana amin’izay hisasarana. Ho taona zina tokoa noho ny herim-po sy ny asa anaty faharisihana ity taona vaovao ity.

Mamy dia mamy ireo teny natosaky ny fonareo ho anay mivady sy ny ankohonanay teo. Vatsy manavao ny aina ho enti-miatrika ity taona santarintsika ity izany.Izahay koa dia mirary toy izany ho anareo rehetra izay manatrika eto. Ary ho anareo izay mihaino sy mijery izao fifampiharabana izao amin’ny fampihelezam-peo, amin’ny haino aman-jery manerana ny nosy. Eny fa na manerana izao tontolo izao amin’ny alalan’ny internet. Ho tafin-janahary hery sy tanjaka isika satria ity taona ity dia mendrika izany. Aoka izay ny fisentosentoana ny fifamendrofendroana.Isika Malagasy no fototra sy anton’ny fahombiazana.Mpirahalahy mianala isika, aoka hiara-hiasa ampahatokiasana.

Eto ampamaranana dia izay teny voalazako teo dia teny notononina am-pahamatorana ka havadika ho bainga ho vavolombelon’ny asa. Ho entina mampandroso ity firenena malalako sy malalanao ity. Koa mirary antsika ho ela velona sy hifanatitra amin-janaka aman-jafy. Ho salama ka hianoka ny mamy hampamitana ny adidy masina neken’ny tsirairay ho anjara birikiny manandrify azy hampandrosoana ny firenena. Hanandratana avo firenena.

 

Misaotra Tompokolahy, mankasitraka Tompokovavy!!!

Samia ho tahian’Andriamanitra isika rehetra.

 

RAJAONARIMAMPIANINA Hery

Filohan’ny Repoblikan’I Madagasikara

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 31 Aug. 2021 - 09:26-

    Fahatezeran’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina teo Ivato. Tafaverina ny alatsinainy 30 aogositra teo ny filoha Rajoelina rehefa namita iraka ekonomika sy diplomatika tany Frantsa. Niara-dia tamin’ny mpilalao Barea sasay ny tenany. Nanao vaan-dresaka fohy tamin’ny mpanao gazety ny tenany teo ampahatongavana teo Ivato. Naneho ny hatezerany tamin’ny mpikambana ny FMF ny tenany (Federasiona Malagasy Football) izay nambarany fa nisakana ny fahafahan’ny mpijery manatrika ny alalan’ny Barea ny 2 spetambra. Hahita izay nanao sonia iny taratasy iy hoy izy.

  • 31 Aug. 2021 - 09:26-

    Fitokanana ny Kianja Barea Mahamasina. Nambaran’ny filoha nandritra ny tafa fohy ntaony  ho an’ny mpanao gazety teny Ivato fa ho tanterahina ny 4 septambra izao ny fitokanana ny Kianja Barea izay nokasaina natao ny 2 septambra. Ity kianja monisipaly ity dia nohavaozina nanomboka tamin’ny fiandohan’ny taona 2020, mitentina 77 tapitrisa dolara avy amin’ny volam-panjakana madiodio, araka ny nambara tamin’izany fotoana.

  • 31 Aug. 2021 - 09:25-

    Famindram-pitantanana teo amin’ny Praiminisitra sy ny minisitry ny harena ankibonan’ny tany teo aloha. Notontosaina tamin’ny 23 aogositra 2021 ny famindram-pitantanana teo amin’ny Praiminisitra Ntsay Christian sy ny minisitry ny harena an-kibon’ny tany teo aloha Ravokatra Fidiniavo. Ny Praiminisitra izany no mitantana ity minisitera ity taorian’ny fametram-pialan’ny minisitra Brice Randrianasolo telo andro taorian’ny nanendrena azy tamin’ny 15 aogositra 2021.

  • 31 Aug. 2021 - 09:25-

    Fahazoan’ny mpitsara bakalorea any Antsiranana vola tamin’ny faritra sy kaominina. Nanolotra vola ho an’ireo mpitsara fanadinana bakalorea izay nanao fitokonana ny governoran’ny Faritra Diana sy ny ben’ny tanànan’ny kaominina ambonivohitra Antsiranana tamin’ny 23 aogositra 2021. Mitentina 34 tapitrisa Ariary ny avy avy amin’ny governora ary 16 tapitrisa Ariary ny avy amin'ny ben’ny tanàna. Nilaza ny tsy hitsara manko ireo mpitsara raha tsy voaloa ny tambim-pitsaran’izy ireo teo aloha. Ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika anefa dia efa nilaza, araka ny fampahafantarana nataony tamin’ny 17 aogositra fa efa nalefa any amin’ny oniversite isanisany ny vola tambin-karaman’ireo mpitsara ny fanadinana bakalorea 2020.

  • 31 Aug. 2021 - 09:25-

    Fivoaran’ny ‘covid-19’ sy ny hamehana ara-pahasalamana. Tsikaritra ho vitsy ny tranga vaovao amin’ny ‘covid-19’ raha mitaha amin’ny fitiliana atao tamin’iny herinandro iny, fa misy ihany ny tranga ahitam-pahasarotana. 3/351, 5/578, 3/845 ohatra ny tranga vaovao tamin’ny fitiliana natao tamin’ny 26, 27, ary 28 aogositra. Ny 23 marsa 2020 ka hatramin’ny 27 aogositra 2021, miisa 241 052 no fitambaran’ny fitiliana natao, miisa 955 ireo lavo, miisa 42 862 ireo tranga ka ny 42 566 no sitrana araka ny antotanisa ofisialy avy amin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. Mbola ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana i Madagasikara raha ny didim-panjakana navoaka tamin’ny 22 aogositra 2021, ary mipetraka ireo fepetra sakana samihafa.

  • 31 Aug. 2021 - 09:24-

    Filaharana haka tapakila hidirana ao Mahamasina. Ho tokanana amin’ny 2 septambra, andro hanatanterahana ny lalao hifanandrinan’i Barea Madagasikara sy ny ekipan’i Bénin amin’ny fifanintsanana hiadiana ny amboara eran-tany 2022 ny kianja Barea ao Mahamasina, araka ny fandaminana avy amin’ny prezidansa nampitaina tamin’ny fiandohan’ny herinandro lasa teo. Filaharana lava hatramin’ny vao maraina no hita ny alakamisy 26 sy zoma 27 aogositra mba haka ny tapakila hidirana ao Mahamasina, hijery baolina sady hanatrika ny fitokanana ny kianja.

  • 31 Aug. 2021 - 09:24-

    Fandavan’ny CAF ny hanatrehan’ny mpijery ny lalao ao Mahamasina. Nolavin’ny CAF (Confédération africaine de football) ny fangatahan’ny sekretera jeneralin’ny FMF (Fédération malagasy de football) ny hahafahan’ny mpijery miisa 1500 hanatrika ny lalao baolina kitra hatao ao Mahamasina amin’ny alakamisy 2 septambra 2021, ao anatin’ny fifanintsanana hiadiana ny amboara eran-tany 2022 hatao any Qatar. Araka ny fampatsiahivan’ny CAF ao amin’ny valim-pangatahan’ny FMF tamin’ny 27 aogositra, dia araka ny lamina napetraky ny CAF sy ny FIFA ny tsy hanatrehan’ny mpijery ny lalao noho ny valanaretina ‘covid-19’.

  • 31 Aug. 2021 - 09:23-

    Hetsiky ny RMDM Frantsa sy fisamborana/ famotsorana an’i Fanirisoa Ernaivo. Nandritra ny dian’ny filoham-pirenena malagasy tany Paris no nisian’ny hetsiky ny rodoben’ny mpanohitra RMDM Frantsa tarihin’i Fanirisoa Ernaivo izay mitsikera hatrany ny fitantanan’ny filoha Rajoelina sy mitaky ny fialany. Nandritra ny fihaonana tamin’ny Medef ny 25 aogositra, dia nisy ny fisamboran’ny polisy frantsay ity mpitarika ny RMDM Frantsa ity noho ny vaovao nampitaina tamin’izy ireo fa hoe mitondra fitaovam-piadiana izy saingy navotsotra ihany satria tsy nahitana izany tany aminy. Nambara ihany koa ny fisian’ny ‘mandat d’arrêt international’ hisambotra azy saingy tsy azo notanterahina izany raha ny nambaran’ny nokasaina hosamborina satria mpialokaloka politika no maha any azy. Voalaza fa ‘mandat d’arrêt’ nosoniavin’ny minisitry ny raharaham-bahiny Patrick Rajoelina tamin’ny 16 aogositra izany. Ny minisitry ny fitsarana ankehitriny Imbiky Herilaza dia nanamafy fa didim-pitsarana efa nivoaka ny fisamborana azy, nilaza izy fa hifampiraharaha amin’ny fanjakana frantsay ny fanjakana malagasy ny hisamborana sy hampodiana an’i Fanirisoa Ernaivo aty Madagasikara.

  • 31 Aug. 2021 - 09:23-

    Vidin-javatra midangana sy ny minisitera. Nametraka ny tokony ho saran’ny entana sasantsasany ilaina andavanandro ato anatin’ny enim-bolana ny minisitry ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana Edgard Razafindravahy. Tamin’ny 26 aogositra teo no nitondrany ny fanazavana momba izany. Anisan’izany ny menaka fihinana « huile de palme » izay tsy tokony hihoatra ny 6000 Ariary ny litatra, ny menaka soja ‘en vrac’ tsy tokony hihoatra ny 7000 Ariary ary ny anaty tavoahangy mihidy tsy hihoatra ny 7500 Ariary, ny vary tsy tokony hihoatra ny 2300 Ariary ny kilao, ny siramamy tsy tokony hihoatra ny 2600 Ariary ny kilao, torak’izany koa ny lafarinina tsy tokony hihoatra ny 2600 Ariary ny kilao, ny arina fandrehitra tsy tokony hihoatra ny 23 000 Ariary ny gony. Mbola lavitry ny vidiny teo aloha izay efa tsy zakan’ny ankamaroan’ny olona ireo raha ny fanehoan-kevitry ny olona satria tany amin’ny 5000 Ariary ny litatry ny menaka taon-dasa. Ny filoha malagasy moa dia nanome andro telo hamahana ny olan’ity fidangan’ny vidin’entana ilaina andavanandro ity tamin’ny kabariny saingy tsy tafa izany raha ny zava-misy.

  • 31 Aug. 2021 - 09:23-

    Praiminisitra nanao vakisiny. Nanao vaksiny fanefitry ny ‘covid-19’ ny praiminisitra Ntsay Christian tamin’ny alakamisy 26 aogositra teo. Tao amin’ny hopitaly Befelatanana no nanaovana vaksiny azy tamin’ilay atao hoe ‘Johnson & Johnson’, tsindrona indray mandeha. Nilaza ho fitaratra ho an’ny vahoaka ny praiminisitra tamin’ny nanaovana izany vaksiny izany.

  • 31 Aug. 2021 - 09:22-

    Filoham-pirenena malagasy sy ny Medef ary ny fihaonana tamin’ny filoha frantsay. Nanomboka tamin’ny talata 24 aogositra 2021 tany Paris ny fihaonan’ny vondron’ny mpandraharaha frankofonina ao amin’ny Medef nandraisan’ny delegasiona malagasy anjara notarihan’ny filoham-pirenena malagasy Andry Rajoelina. Taorian’izany fihaonana izany ihany koa no nisian’ny fihaonan’ny delegasiona notarihin’ny filoha tamin’ireo malagasy sasany any ivelany, maherin’ny 1000 tao amin’ny ambasady malagasy. Nisoratra anarana mialoha ireo nanatrika izany. Tombanana ho eo amin’ny 140 000 eo ho eo ireo malagasy any Frantsa raha ny antotanisa fantatra. Ny 27 aogositra dia nihaona manokana tamin’ny filoha frantsay Emmanuel Macron ny filoha malagasy, fa nialoha izany nisy ny kabary fohy nifandimbiasan’izy ireo, niresahana ny fiaraha-miasan’ny roa tonta. Miely amin’ny fampitam-baovao samihafa sy tambajotra sosialy ny fizotran’ireny fihaonana ireny.

  • 23 Aug. 2021 - 10:48-

    Fanamasinana diakra sy pretra redantorista. (Fiainam-pinoana katolika). Mitohy hatrany ny fanamasinana pretra sy diakra manerana ny diosezy samihafa eto amin’ny Nosy, eo anivon’ny Fiangonana katolika. Taratry ny fahaveloman’ny finoana sy firoborobon’ny fiantsoan’Andriamanitra izany. Anisan’ny tamin’ny faran’ny herinandro teo ny tao amin’ny diosezin’Antananarivo, tao Andempona Alasora ny alahady 22 aogositra, notarihan’ny arseveka Odon Razanakolona sy Mgr Rosario Saro. Nanaovana fanamasinana diakra sy pretra redantorista miisa 16 mirahalahy. Mahatratra 30 ny fanamasinana manerana ny diosezy eto amintsika raha ny nambaran’ny arseveka. Misy ny efa vita tamin’iny volana jolay iny toy ny an’ny lasalety tany Antsirabe, ny an’ny zezoita tao Antananarivo, fa mbola ho avy koa ny an’ny hafa.

  • 23 Aug. 2021 - 10:47-

    Filoha mitantana ny FJKM. Voafidy indray ho filohan'ny birao foibe FJKM ny mpitandrina Dr Irako Andriamahazosoa Ammi. Efa-taona no haharetan’ny maha filoha azy. Nandritra ny sinoda lehibe faha-19 natao tao Sambava (11-18 aogositra 2021) no nanatanterahana ny fifidianana ny filoha sy ny mpikambana mandrafitra ny birao foibe.

  • 23 Aug. 2021 - 10:46-

    Olan’ny tambin-karaman’ny mpitsara bakalorea any Antsiranana. Mikatso ny fitsarana ny taratasim-panadinana bakalorea any Antsiranana noho ny fitokonan’ireo mpampianatra mpitsara hatramin’ny nahavitan’ny fanadinana bakalorea tamin’ny 18 aogositra. Mitaky ny handoavana ny tambim-pitsarana tamin’ny 2020 izy ireo vao hiroso amin'izany. Tsy nisy akony ny fitakiana hatramin’ny 20 aogositra teo. Manoloana izany, mametra-panontaniana ny ray amamn-dreny ny alehan’ireny saram-pisoratana anarana ireny. Olana iraisan'ny mpitsara bakalorea  maneran'ny  Nosy izy io.

  • 23 Aug. 2021 - 10:45-

    Fandoavana ny volan’ny mpandraharaha mpanao lalana. Nanipy teny tamin’ny minisitry ny asa vaventy Hatrefindrazana Jerry ny minisitra Hajo Andrianainarivelo mba handreseny lahatra ny filoham-pirenena hanao sonia ny taratasy hahafahana mamoaka ny volan’ireo mpandraharaha amin’ny asa vaventy mbola tsy voaloa. Tamin’ny famindram-pahefana teo amin’izy mirahalahy no nitenenany izany. Efa ho herintaona ireo mpandraharaha ireo no tsy nahazo ny volany na dia efa vita aza ny asa, fa miandry ny tombana ataon’ny mpanara-maso ny tetikasam-panjakana. Nomem-pahefana handray anjara amin’ny fanaraha-maso ny tetikasam-panjakana ny goverinora, araka ny didim-panjakana noraisina tamin’ny filan-kevitry ny minisitra ny 18 aogositra 2021. Olom-boatendry hatramin’izao ny governora izay nasolo ny lehiben’ny faritra tokony ho olom-boafidy, araka ny lalàm-panorenana.

  • 23 Aug. 2021 - 10:44-

    Fanesorana ny tale jeneralin’ny tahirim-bolam-panjakana. Maro ny fanesorana sy fanendrena tompon’andraikitra ambony taorian’ny fiovan’ny mpikambana anivon’ny governemanta tamin’ny alahady 15 aogositra 2021. Anisan’izany ny fanafoanana ny didim-panjakana laharana 2019-2217 tamin'ny 11 desambra 2019 izay nanendry ny tale jeneralin’ny Tahirim-bolam-panjakana (trésor public), Ranjalahy Ihajambolatiana. Noraisina tamin’ny filan-kevitry ny minisitra tamin’ny alarobia 18 aogositra 2021 io didim-panjakana io. Naato ihany koa ny fandoavam-bola ankoatra ny karama mandra-panendry ny tale jeneraly vaovao.

  • 23 Aug. 2021 - 10:43-

    Fanitarana ny fe-potoanan’ny hamehana ara-pahasalamana sy fepetra. Araka ny didim-panjakana 2021-848 tamin’ny 22 aogositra 2021, dia mitohy mandritra ny 15 andro ny hamehana ara-pahasalamana noho ny fiarovana ny fahasalamam-bahoaka sy fisian’ny toe-javatra goavana mampisahotaka ny fiainam-bahoaka. Nanao fampahafantarana momba izany ny ao amin’ny fiadidiana ny repoblika, araka ny hita tamin’ny tambajotra sosialy. Mitohy noho izany ny fanajana ny fepetra sakana mahazatra toy ny tsy famoriana olona amina efitra mihidy mihoatra ny 400 sy ny fitandremam-pahadiovana. Eo ihany koa ny fanaovana vaksiny izay efa niditra tamin’ny fanaovana ny andiany faharoa nanomboka tamin’ny 19 aogositra teo.

  • 22 Aug. 2021 - 10:42-

    Lasa any Frantsa ny filoha Andry Rajoelina. Ny sabotsy 21 aogositra 2021 no lasa any Frantsa ny delegasiona tarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, hihaona amin’ny mpandraharaha frantsay ao anivon’ny MEDEF (Mouvement des entreprises de France). Anisan’ny delegasiona miaraka amin’ny filoha ny minisitry ny raharaham-bahiny Patrick Rajoelina, ny minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Andry Ramaroson, ny minisitry ny fizahantany Joël Randriamandrato ary ny minisitry ny asa tanana sy ny haitao Sophie Ratsiraka. Hihaona amin’ny filoha Macron izy ny 27 aogositra ary amin’ny Dispora ny 28 aogositra.

  • 21 Aug. 2021 - 10:40-

    Fidirana sy fivoahana eto Madagasikara. Tonga ny zomà 20 aogositra teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny andiany voalohany tamin’ireo malagasy tavela tany Frantsa, araka ny fandaharana nataon’ny fitondram-panjakana. Ny sidina an’ny Air Caraibes no mitatitra ireo nahazo fankatoavana hody aty Madagasikara. Miisa 1500 ireo nahazo fankatoavana hody.

  • 20 Aug. 2021 - 10:22-

    Minisitra nametra-pialana. Nametra-pialana tamin’ny alakamisy hariva 19 aogositra ny minisitry ny harena ankibon'ny tany, Brice Randrianasolo. Telo andro izany no naha minisitra azy. Ary ny minisitra teo aloha efa nofoanana tamin’ny didim-panjakana ny maha minisitra azy no nambara fa mitantana indray ny minisitera.

Du même auteur

monde
politique

Dans la même rubrique

politique
politique